Valin’ny Fanontanianareo
◼ Raha misy tatitra momba ny fanompoana voaray aorian’ny nandefasana ny tatitry ny kongregasiona atỳ amin’ny Fikambanana, ahoana no tokony hikarakarana azy ireo?
Zava-dehibe ny hamerenana ny tatitra momba ny fanompoantsika amin’ny faran’ny volana. Izany dia manampy an’ireo anti-panahy ao amin’ny kongregasiona hahita hoe manao ahoana ireo rahalahy, mba hahafahan’ireo anti-panahy ireo hanome ny fanampiana ilaina. Ho araka ny marina koa ny tatitra alefa atỳ amin’ny Fikambanana amin’izay, hany ka ho azo atao ny hanome tatitra misy dikany momba ny fanompoana eny amin’ny saha eto amin’ny nosy, ao amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Hahafahana hanao tatitra feno amin’ny faran’ny taona koa izany. Noho isika mahazo fampaherezana avy amin’ireo tatitra ireo, dia irintsika rehetra ny hanao ny anjarantsika mba hahatonga azy ireny ho feno tanteraka.
Koa hanampy be dia be amin’io lafiny io àry raha azo averina haingana ny tatitra rehetra, isaky ny faran’ny volana. Mitahiry taratasy Tatitra Momba ny Fanompoana any amin’ny faran’ny Baiboliny na ny fihiranany na any amin’ny toerana mety hafa, ny mpitory sasany. Mora amin’izy ireo amin’izay ny mandray an-tsoratra ny asany isaky ny avy manao fanompoana eny amin’ny saha, ary efa any amin’izy ireo any amin’ny Efitrano Fanjakana ilay tatitra, amin’ny fotoana tokony hamerenana azy amin’ny faran’ny volana. Ataovy izay azonao atao mba hamerenana ara-potoana ny tatitrao.
Inona kosa no azo atao raha hadinonao ny manao izany na hitanao fa efa ho tara loatra? Mba avereno ihany ny tatitrao. Hosoratan’ny mpitan-tsoratra ao amin’ny karatrao Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitory ny fanompoana nataonao, izany hoe eo amin’ilay andalana mifanentana amin’ilay volana nandraisanao anjara tamin’ny fanompoana. Hampidiriny ao amin’ny tatitry ny kongregasiona ho an’ny Fikambanana amin’ny volana manaraka koa ny fanompoana nataonao.
Raha toa, ohatra, ka tara ny famerenan’ny mpitory iray ny tatitra momba ny fanompoana nataony nandritra ny Aprily, ary raha mbola mamerina ara-potoana tatitra iray hafa momba ny volana May ilay mpitory, dia tokony hampidirina ao amin’ny tatitry ny kongregasiona (S-1) ho an’ny volana May ny asa manontolo nataony. Moa ve io mpitory io tokony hisaina indroa amin’ny May? Eny, satria tsy nisaina izy tamin’ny Aprily. Hanana tatitra feno ny Fikambanana amin’izay, ary ho marina ireo salanisa amin’ny faran’ny taona.
Ny mpitory rehetra dia mila mahatakatra ny andraikiny manokana hamerina tatitra momba ny fanompoana haingana isam-bolana. Ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona no tsara toerana mba hampahatsiahy an’ireo mpitory ny amin’io andraikitra io. Izany dia satria mailaka koa izy ireo hanome fanampiana an’izay mety ho sahirana handray anjara amin’ny fanompoana tsy tapaka isam-bolana. Io fampahatsiahivana io dia azo omena amin’ilay fianarana ny boky farany amin’ny volana, na amin’ny fotoana mifanentana hafa. Raha tsy misy ny fahafahana hamerina ireo tatitra momba ny fanompoana any amin’ny Efitrano Fanjakana, dia afaka manangona azy ireny ny mpitarika ny Fianarana ny Boky. Ataony azo antoka koa fa homena ny mpitan-tsoratra ara-potoana tsara izy ireny mba ho tafiditra ao amin’ny tatitra ataon’ny kongregasiona tsy tapaka isam-bolana amin’ny Fikambanana.
Ny fahazotoantsika mamerina amim-pahatokiana ny tatitra momba ny fanompoantsika haingana, dia manamaivana ny entan’ireo tompon’andraikitra ny amin’ny fahasalamantsika ara-panahy.