FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/01 p. 10
  • Lanjalanjao ny Fialam-boly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lanjalanjao ny Fialam-boly
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahasoa ve ny Fialam-boly Ataonao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Ny Fotoam-pialam-boly
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Ampiasao Amim-pahendrena ny Fotoananao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Manapoizina Anao ve ny Toe-tsain’izao Tontolo Izao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 8/01 p. 10

Lanjalanjao ny Fialam-boly

1 Mila manovaova zavatra atao foana isika rehetra amin’izao andro sarotra izao. Ilaina ny fialam-boly. Mety hampihena tsikelikely ny fotoana tokony hikatsahana zavatra ara-panahy anefa, ny fotoana be loatra lanina amin’ny fialam-boly sy ny fiaraha-mikorana. Tsy maintsy mandanjalanja ny fialam-boly isika. (Matio 5:3) Ahoana no hahavitana izany? Amin’ny fanarahana ny torohevitra ao amin’ny Efesiana 5:15-17.

2 Asio fetrany: Mila ‘mitandrina tsara’ ny Kristianina mba hitondra tena amin’ny fahendrena, araka ny nosoratan’i Paoly. Mila mahalala ny antonony sy mifehy tena isika mba tsy hiala voly, raha tsy rehefa tena ilaina izany. Tsara raha mandinika amim- pitandremana ny fomba andaniantsika fotoana isika. Tokony hitondra soa, fa tsy hahatonga antsika hieritreritra hoe lany fotoana fotsiny, na handreraka, ny fialam-boly. Raha mahatsiaro ho sorisorena sy tsy afa-po ary toa meloka isika rehefa avy nanao zavatra iray, dia mety hidika izany fa tokony hanitsy ny fomba fampiasantsika fotoana isika.

3 Mahalalà ny antonony: Nanoro hevitra i Paoly fa tokony ‘hohararaotina ny andro azo anaovan-tsoa’, mba hanaovana ny zavatra tena lehibe eo amin’ny fiainana, fa tsy hanao “adaladala.” Tsy tokony hampifantoka ny fiainany amin’ny fialam-boly ny Kristianina vita fanoloran-tena. Ny hery miasan’Andriamanitra ihany no loharanon’ny tanjaka ara-panahy, na dia mamelombelona ny vatantsika aza ny fialan-tsasatra sy ny fialam-boly. (Isaia 40:29-31) Tsy rehefa miala voly isika no mahazo ny fanahiny, fa rehefa manao zavatra ara-panahy, toy ny fianarana Baiboly sy ny famonjena fivoriana ary ny fanaovana fanompoana eny amin’ny saha.

4 Sorito izay tokony ho loha laharana: Nilaza i Paoly fa ‘tokony hamantatra izay sitrapon’ny Tompo’ ny Kristianina. Nampianatra i Jesosy fa tokony hataontsika eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 6:33) Tsy maintsy ataontsika voalohany ireo zavatra manampy antsika hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika tamin’i Jehovah. Raha izany no izy dia ho voalanjalanja ny fialam-boly. Ho tsara ny vokany ary hankafy azy io isika, rehefa arahintsika izany rehetra izany.—Mpit. 5:12.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara