‘Samia Manokana Zavatra Avy’
Nisy zavatra ara-nofo nilaina teo anivon’ny fiangonan’ireo Kristianina voalohany. Nampirisihina ‘hanokana’ zavatra hatao fanomezana mba hisahanana izany ny tsirairay, samy araka izay nanambinana azy avy. (1 Kor. 16:1-3) Faly ‘nisaotra an’Andriamanitra’ ny rehetra, noho ny fahalalahan-tanan’izy ireo.—2 Kor. 9:11, 12.
Mitatra hatrany ny asan’ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany, ka ilana fanohanana ara-bola bebe kokoa hatrany. Mety koa àry ny ‘hanokanantsika’ vola tsy tapaka, ho fandraisana anjara amin’izany fandaniana izany. (2 Kor. 8:3, 4) Misy fomba maro samihafa azo anaovana fanomezana. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2001, pejy faha-28-29.) Mety tokoa ny handraisantsika izany ho tombontsoa tena mahasambatra!—Asa. 20:35.