Afaka Manome ho An’i Jehovah Isika
1 Fantatrao ve fa afaka manome zavatra ho an’Andriamanitra ny olombelona? Natolotr’i Abela ho fanatitra ho an’i Jehovah ny tsara indrindra tamin’ny biby fiompiny, ary nanao toy izany koa i Noa sy Joba. (Gen. 4:4; 8:20; Joba 1:5) Mazava ho azy fa tsy nampanan-karena ny Mpamorona ny fanatitra toy ireny, satria efa azy ny zava-drehetra. Hita avy tamin’ireny fanatitra ireny anefa fa tena tia an’Andriamanitra ireo lehilahy nahatoky ireo. Afaka mampiasa ny fotoana sy ny hery ary ny fananantsika koa isika ankehitriny, mba hanolorana “sorona fiderana” ho an’i Jehovah.—Heb. 13:15.
2 Fotoana: Deraina tokoa ireo ‘manararaotra tsara’ ny fotoana, ka mampandefitra ny zavatra tsy dia lehibe mba hanompoana bebe kokoa! (Efes. 5:15, 16) Mety ho afaka handamina ny fotoanantsika isika, mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy indray mandeha isan-taona na mihoatra. Mety ho azontsika ampitomboina koa ny ora anompoantsika. Hitombo adiny roa isam-bolana izany, fara fahakeliny, raha ampiantsika antsasa-kadiny isan-kerinandro!
3 Hery: Tsy tokony hanao asa sy fialam-boly mamizana be isika, raha te hanana hery hanompoana. Ho afaka hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah isika amin’izay. Tsy tokony hanahy be loatra koa isika, satria mety ‘hampitanondrika’ antsika izany, ka handany ny hery tokony hanompoantsika an’Andriamanitra. (Ohab. 12:25) Marina fa mety hanahy momba ny zavatra sasany isika, nefa tsara kokoa raha ‘apetratsika amin’i Jehovah ny entantsika’!—Sal. 55:22; Fil. 4:6, 7.
4 Fananana: Afaka manome avy amin’ny fananantsika koa isika mba hanohanana ny asa fitoriana. Nampirisihin’i Paoly ny Kristianina “hanokana vola” tsy tapaka, mba hisy homena an’ireo sahirana. (1 Kor. 16:1, 2) Mety ho afaka hanokana vola koa isika mba hatao fanomezana ho an’ny fiangonana sy ho an’ny asa maneran-tany. Mankasitraka ny fanomezana ataontsika amin’ny fo i Jehovah, na dia kely aza izany.—Lioka 21:1-4.
5 Manome zavatra be dia be ho antsika i Jehovah. (Jak. 1:17) Asehontsika fa mankasitraka izany isika, raha mazoto manome ny fotoana sy ny hery ary ny fananantsika mba hanompoana azy. Mampifaly an’i Jehovah izany, satria ‘ny mpanome amim-pifaliana no tiany.’—2 Kor. 9:7.