Ampio ny Mpiandraikitra ny Fianarana Boky Misy Anao
1 Mandray soa be dia be avy amin’ny Fianarana Boky isika tsirairay. Nodinihintsika tamin’ny volana ambony ny andraikitry ny mpiandraikitra Fianarana Boky. Ahoana kosa no azontsika anampiana azy, mba hahasoa antsika sy ny olon-kafa koa?
2 Manatreha foana: Vitsy ny mpanatrika fianarana boky, ka tena ilaina ny fahatongavanao. Ataovy izay hanatrehanao isan-kerinandro. Manampy ny mpiandraikitra koa ny fahatongavanao ara-potoana, mba tsy ho voahelingelina izy, rehefa manomboka ny fivoriana.—1 Kor. 14:40.
3 Valin-teny mampahery: Manampy ny mpiandraikitra Fianarana Boky koa ianao raha manomana tsara sy manome valin-teny mampahery. Valin-teny manasongadina hevitra iray ihany matetika no tsara indrindra, ary mandrisika ny mpanatrika hafa hilaza hevitra koa izany. Aza hazavaina daholo ny hevitra ao anatin’ilay fehintsoratra manontolo. Ampidiro amin’ny valin-teninao izay hevitra manohina ny fonao ao amin’ilay zavatra dinihina, mba hamelombelomana an’ilay fianarana.—1 Pet. 4:10.
4 Miezaha mamaky tsara ny fehintsoratra, raha asaina mamaky ianao mandritra ny fianarana. Tsara sady mahafinaritra ny fianarana rehefa tsara ny vakiteny.—1 Tim. 4:13.
5 Fiaraha-mitory: Atao any amin’ny toerana fanaovana fianarana boky ny ankamaroan’ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Manampy ny mpiandraikitra Fianarana Boky, izay mitarika ny asa fitoriana, ny fanohananao an’ireny fandaharana ireny. Hevero ho toy ny fomba ifandraisanao tsara kokoa amin’ireo rahalahy, sy hampaherezana azy ireo, ireny fandaharana ireny.
6 Tatitra momba ny fanompoana: Manampy an’ilay mpiandraikitra koa ianao, raha mamerina tatitra haingana, isaky ny faran’ny volana. Azonao omena azy mivantana ilay tatitra, na ataonao ao amin’ny boaty fasiana tatitra ao amin’ny Efitrano Fanjakana.
7 Ankasitrahana ny fiarahanao miasa amin’ny mpiandraikitra Fianarana Boky. Ary ambonin’ny zava-drehetra, dia matokia fa ankasitrahan’i Jehovah ny toe-tsaina tia miara-miasa asehonao.—Heb. 6:10.