Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 11 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manaova fampisehoana iray momba ny fametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra, araka ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8. Hazavao ao amin’io fampisehoana io ny fomba hamatsiana ara-bola ny asantsika maneran-tany.—Jereo ny pejy 2 amin’ny Tilikambo Fiambenana.
15 min: Mpanohana ny Fivavahana Marina—Taloha sy Ankehitriny. Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2002, pejy 26-30.
20 min: “Ampio ny Mpiandraikitra ny Fianarana Boky Misy Anao.”a Ataon’ny anti-panahy iray izay mpiandraikitra Fianarana Boky. Mampidira fanazavana avy ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 70, rehefa mandinika ny fehintsoratra 3. Derao ny fiangonana noho izy ireo nanohana ny fandaharan’ny fianarana boky. Resaho amin-katsaram-panahy koa izay lafin-javatra ilana fanatsarana.
Herinandron’ny 18 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
10 min: Valin’ny Fanontanianareo. Lahateny ataon’ny anti-panahy mahay iray.
25 min: “Ry Loham-pianakaviana, Tohizo ny Fahazarana Manao Zavatra Ara-panahy.” Manaova lahateny fampidirana fohy miorina amin’ny fehintsoratra 1-3. Iaraho midinika amin’ny mpanatrika avy eo ny fehintsoratra 4-13. Vakio ny fehintsoratra 7, 8, 11 ary 12, raha ampy ny fotoana. Manadinadìna ray aman-dreny iray na roa. Inona no nanampy ny fianakaviany haharaka tsara ireo fandaharana ara-panahy? Inona no ezaka ilaina hatao amin’izany? Ahoana no nandraisan’izy ireo soa tamin’izany? Manaova famaranan-teny fohy miorina amin’ny fehintsoratra 14.
Herinandron’ny 25 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampisehoana: Mpivady miara-miasa eny amin’ny fanompoana. Asehon’izy ireo ny fomba hampiasana ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8 mba hanolorana ny gazety 15 Novambra sy ny 8 Novambra. Ny Tilikambo Fiambenana no apetrak’ilay lehilahy ary Mifohaza! kosa ny an’ilay vehivavy.
15 min: “Lazao ny Marina Momba an’i Jesosy.”b Mampidira fanazavana avy ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 278. Ampirisiho ny rehetra hitondra io boky io, mba hampiasaina ho amin’ilay anjara amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny herinandro ambony hoe “Sekoly Mampiofana Antsika Hanao ny Zava-dehibe Indrindra.”
20 min: “Ampio sy Anehoy Fitiavana ny ‘Kamboty.’” Atombohy amin’ny lahateny maharitra telo minitra momba ny fiheveran’i Jehovah ny kamboty, miorina amin’ny fehintsoratra 1 sy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1998, pejy 22, 23. Diniho amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ny ambin’ny lahatsoratra. Asongadino ireo fomba ahafahan’ny hafa manampy sy mampahery. Mampidira fanazavana avy ao amin’ny Mifohaza! 8 Oktobra 2002, pejy 10, 11, rehefa mandinika ny fehintsoratra 3, 4.
Herinandron’ny 2 Desambra
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Novambra. Diniho vetivety ny fomba azo anolorana ny boky Lehilahy Niavaka.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1998, pejy 8.
12 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
25 min: “Sekoly Mampiofana Antsika Hanao ny Zava-dehibe Indrindra.” Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika ataon’ny mpiandraikitra ny sekoly. Ampio ny mpanatrika ho liana amin’ilay fandaharan’ny sekoly vaovao, izay hanomboka amin’ny Janoary. Asongadino ireo lafin-javatra mampiavaka ny “Fandaharana ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana 2003”, ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 2002. Sorito ireo fepetra takina mba hanaovana ilay sekoly, araka ny voalaza ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 282, ary ampirisiho hisoratra anarana ireo mbola tsy nanao izany raha mahafeno fepetra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.