FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/02 p. 3-4
  • Sekoly Mampiofana Antsika Hanao ny Zava-dehibe Indrindra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sekoly Mampiofana Antsika Hanao ny Zava-dehibe Indrindra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Mitondra Soa ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Toromarika ho An’ny Mpiandraikitra ny Sekoly
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Sekoly Iray Mahomby Izay Misy Maneran-tany
    Mifohaza!—1996
  • Ny Soa Raisintsika avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 11/02 p. 3-4

Sekoly Mampiofana Antsika Hanao ny Zava-dehibe Indrindra

1 Mandranto fianarana any an-tsekoly ny olona mba hanatratrarany ny tanjony eo amin’ny fiainana. Kanefa, misy tanjona lehibe kokoa noho ny midera ilay Mpanome aina ve? Misy tanjona lehibe kokoa noho ny manampy ny olona hahafantatra ny fikasany sy ny fomba fiasany ve? Tsy misy. Natao hanomanana antsika hampianatra ny finoantsika amin’ny olona ny Sekolin’ny Fanompoana. Rehefa manatrika azy io isan-kerinandro àry isika, dia mahazo ny fahaizana ilaintsika hanaovana ireo asa lehibe indrindra eo amin’ny fiainana.

2 Nomena antsika niaraka tamin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny volana lasa teo ny “Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2003.” Misy tsipiriany momba ny fomba itarihana ny sekoly ao amin’izy io. Tsara raha tahirizinao ao amin’ny bokinao Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana io fandaharana io. (Sekolin’ny Fanompoana no hanafohezantsika ny anaran’io boky io.) Tokony hitondra io boky io ianao isaky ny manatrika ny Sekoly. Handinika ny lafiny sasany amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ho an’ny taona 2003 isika izao.

3 Zavatra tandremana: Lahateny maharitra dimy minitra no hanokatra ny sekoly, manomboka amin’ny Janoary. Hovelabelarina amin’izy io ny zavatra tandremana iray, na lafiny iray amin’ny famakian-teny na fianarana na fampianarana. Ny mpiandraikitra ny Sekoly no hanao izany, na anti-panahy mahay notendreny. Mety hiresaka momba ny famaritana ilay zavatra tandremana sy ny maha zava-dehibe azy io izy. Tokony hamelabelatra izany amin’ny alalan’ny ohatra ara-baiboly izy avy eo, ary hampiseho mazava tsara ny fomba hampiharana ilay zavatra tandremana. Hasongadiny fa hanatsara ny fanompoantsika izany.

4 Anjara No. 1: Asaina “hifantoka amin’ny lafiny azo ampiharina amin’ilay fanazavana dinihina” ireo rahalahy tendrena hanao an’io lahateny fampianarana io. Midika izany fa tokony hasehony amin’ny fiangonana ny fomba hampiasana ilay fanazavana. Raha ianao no voatendry hanao io lahateny io, dia jereo ilay boky Sekolin’ny Fanompoana pejy 48-49, mba hahitanao soso-kevitra ny amin’ny fomba fanomanana ilay lahateny. Diniho koa ireo fanazavana asaina jerena ao amin’ny fanondroana teny, eo amin’ilay hoe “fanaovana fampiharana.”

5 Fandaharam-pamakiana Baiboly: Raha tsy naharaka ny famakiana Baiboly isan-kerinandro ianao taloha, nahoana raha manapa-kevitra ny hanaraka ilay fandaharana amin’ny herintaona? Hamita ny Soratra Grika Kristianina amin’ny faran’ny taona izay manaraka io fandaharana io. Hita ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana pejy 10, fehintsoratra 5, ny soa azo rehefa atomboka amin’ny Soratra Grika ny fandaharam-pamakiana Baiboly.

6 Hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly: Nohalavaina ho folo minitra io anjara io mba ho afaka handray anjara ny mpanatrika. Tokony hanaja ny fotoana nomena azy ilay mpitarika. Hatao isan-kerinandro izy io, na dia rehefa misy famerenana am-bava aza. Rehefa mamaky ireo toko asaina vakina ianao, dia jereo izay hevitra mety hahasoa anao amin’ny fianaram-pianakavianao, ny fanompoanao na ny fomba fiainanao. Inona avy no toetran’i Jehovah nisongadina teo amin’ny fifampiraharahany tamin’ny olona na firenena? Inona no zavatra nianaranao, ka nanatanjaka ny finoanao sy nahatonga anao hankasitraka an’i Jehovah bebe kokoa? Aza misalasala miresaka momba izay hevitra hitanao tao amin’ny toko nasaina novakina, na dia momba ny andinin-teny hovakin’ilay manao ny Anjara No. 2 aza izany. Tsy hanazava ireo andinin-teny mantsy izy.

7 Anjara No. 2: Fanazarana hamaky teny ampahibemaso no hataon’io mpianatra voalohany io isan-kerinandro. Ny famakiana Baiboly ho an’ny herinandro no hakana ny vakiteny rehetra, afa-tsy amin’ny herinandro faran’ny volana. Ny Tilikambo Fiambenana no hampiasaina amin’io herinandro farany io. Tokony hamaky fotsiny ilay mpianatra, fa tsy hanao teny fampidirana na famaranana. Ho afaka hifantoka amin’ny fahaizany mamaky teny izy amin’izay.—1 Tim. 4:13.

8 Anjara No. 3 sy 4: Ny boky Fanjohian-kevitra no hakana ny fanazavana sasany hampiasaina amin’ireo anjara ireo. Loha hevitra fotsiny no homena indraindray. Ho afaka hikaroka izay hevitra hovelabelariny avy ao amin’ny boky sy gazetintsika ilay mpianatra, rehefa vitsy ny loharanon-kevitra homena na loha hevitra fotsiny no homena. Mety ho mora kokoa amin’ny anabavy amin’izay ny hamelabelatra hevitra mifanentana amin’izay olona manampy azy.

9 Faritra: Mety hanome faritra ny mpiandraikitra ny Sekoly, araka ny boky Sekolin’ny Fanompoana pejy 45. Raha tsy manome faritra izy, dia afaka mifidy faritra iray ao amin’ilay lisitra ao amin’ny pejy 82 ireo anabavy. Raha isaky ny roa volana izy no manana anjara, dia afaka hampiasa faritra isan-karazany mandritra ny dimy taona, satria misy faritra 30 ao. Raha ilay faha-30 no fidiny, izany hoe “Faritra hafa mifanentana amin’ny faritaninareo”, dia tokony hosoratany amin’ny taratasy fanomezana anjara (S-89) hoe inona io faritra hafa io. Hosoratan’ny mpiandraikitra ny Sekoly ao amin’ny bokin’ilay mpianatra ny datin’ilay anjara, eo amin’ny pejy 82, eo akaikin’ilay faritra nampiasaina. Afaka manoratra izany izy eo am-panaovana fanamarihana ao amin’ny taratasin-torohevitr’ilay mpianatra.

10 Taratasin-torohevitra: Efa ao amin’ny bokinao ao amin’ny pejy 79-81 ny taratasin-torohevitrao. Tokony homenao ny mpiandraikitra ny Sekoly àry ny bokinao isaky ny avy manao anjara ianao. Tokony hanana kahie ilay mpiandraikitra, mba hanoratany ny lisitry ny mpianatra rehetra sy izay zavatra nasaina notandreman’izy ireo.

11 Famerenana am-bava: Hatao am-bava ny famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana. Isaky ny roa volana no hanaovana azy io ary haharitra antsasak’adiny ilay izy. Ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ihany no hahitantsika ireo fanontaniana. Mety hifanandrify amin’ny fivoriamben’ny faritra na ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra, ny herinandron’ny famerenana am-bava. Tokony hahemotra izy io raha izany, ka hampifamadihina amin’ny anjara tokony hatao amin’ny herinandro manaraka an’io.

12 Kilasy fanampiny: Mety hanisy kilasy fanampiny ny anti-panahy, raha maherin’ny 50 ny mpianatra misoratra anarana. ‘Azo atao any ny anjaran’ny mpianatra rehetra, na ny an’ireo mpianatra roa farany ihany.’ (Sekolin’ny Fanompoana p. 285) Natao io soso-kevitra farany io, satria misy fiangonana be anabavy, nefa vitsy rahalahy afaka hanao ny famakian-teny. Rahalahy mahay no tokony hofidin’ny anti-panahy hitarika ny kilasy fanampiny.

13 Mpanome torohevitra mpanampy: Voalaza tao amin’ny fandaharana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana fa tokony hanendry mpanome torohevitra mpanampy ny anti-panahy. Io rahalahy io dia hanome torohevitra mitokana an’ireo anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana mamelabelatra ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly sy ny lahateny fampianarana. Tokony ho za-draharaha io rahalahy io ary azo inoana hanaiky ny toroheviny ireo anti-panahy hafa. Tokony hahasoa ny toroheviny, izany hoe hidera ny fahaiza-mandaha-teny sy ny fahaiza-mampianatra izy, ary hanome soso-kevitra iray na roa mba handrosoan’ilay rahalahy. Tsy voatery hanome torohevitra izy isaky ny avy manao anjara ireo rahalahy mandaha-teny matetika. Tokony hahay handinika tsara anefa izy sady hahatakatra fa azo ampiana mba handroso kokoa ny rahalahy, na dia efa manao lahateny ho an’ny besinimaro aza.—1 Tim. 4:15.

14 Inona no tokony hodinihina? Inona no hanampy ilay mpanome torohevitra mba handinika ilay anjara? Mamintina izay tokony hodinihiny ny faritra voafefy fahatelo amin’ny ankamaroan’ireo lesona 53 ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana. Tokony hotsaroan’ny mpiandraikitra ny sekoly koa ireo fampahatsiahivana na soso-kevitra omen’ilay boky, izay hanampy azy hijery haingana hoe nirindra tsara ve ireo hevitra, ary nazava ve ny fanazavana. Mariho, ohatra, ireo fanontaniana maromaro eo amin’ny pejy 55 sy ireo hevitra ao amin’ny fehintsoratra farany ao amin’ny pejy 163.

15 Fenoy ny banga: Ankoatra ireo sisim-pejy malalaka, dia misy toerana banga ao amin’ilay boky Sekolin’ny Fanompoana, mba hanoratanao fanamarihana rehefa mianatra samirery ianao na manatrika ny Sekolin’ny Fanompoana. (Jereo ny pejy 77, 92, 165, 243, 246 ary 250.) Aza hadinoina mihitsy ny bokinao rehefa hanatrika ny sekoly ianao. Araho ao amin’izy io ny lahateny fanokafana. Aza akombona izy io mandra-pahavitan’ilay sekoly. Mariho ny soso-kevitra omen’ny mpiandraikitra ny sekoly. Araho tsara ny fomba fampianarana, fanontaniana, ohatra, sarin-teny, fanoharana, zavatra hita maso, na fampifanoheran-javatra ataon’ny mpandray anjara. Afaka hitadidy sy hampiasa hevitra tsara maro tamin’ny sekoly ianao, rehefa manoratra izay zavatra mety hanampy anao.

16 Takatr’i Jesosy Kristy fa tsy misy voninahitra lehibe noho ny mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Io no tena asa nanirahana azy. (Marka 1:38) Nanaiky hanaraka azy isika, ka mifofotra mitory ny vaovao tsara koa, sady miezaka foana mba hanatsara ny ‘vokatry ny molotsika.’ (Heb. 13:15) Aoka àry isika ho tapa-kevitra handray anjara tsy tapaka amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, izay manampy antsika hanao ny zava-dehibe indrindra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara