Ry Loham-pianakaviana, Tohizo ny Fahazarana Manao Zavatra Ara-panahy
1 Am-polo taona i Daniela no niaina teo anivon’ny olona mpanompo sampy sy ratsy toetra tany Babylona, nefa fantatra ho nanompo an’Andriamanitra “mandrakariva” izy. (Dan. 6:17, 21) Ahoana no nitandremany ny fahasalamany ara-panahy? Milaza ny Baiboly fa nanana fahazarana nanao zavatra nifandray tamin’ny fivavahana marina izy. Fanaony, ohatra, ny nivavaka intelo isan’andro tao an-tranony. (Dan. 6:11) Azo antoka fa nanana fahazarana hafa, toy ny famakiana Lalàna, izy. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy àry izy, na dia norahonana ho faty aza. Novonjena tamin’ny fomba mahagaga izy.—Dan. 6:5-23.
2 Tsy maintsy miezaka mafy koa isika mba ‘hiambina amin’ny faharetana.’ (Efes. 6:18) “Mipetraka eo amin’ilay ratsy” ity tontolo misy antsika ity. (1 Jaona 5:19) Mety hisy fanoherana sy fisedrana tampoka, hitsapa ny finoantsika. Ny mpanompon’Andriamanitra no tena hotafihin’i Goga avy any Magoga, mandritra ny fahoriana lehibe, ka toa tsy hisy lalan-kivoahana. Hilaina amin’izany ny fitokisana tanteraka amin’i Jehovah.—Ezek. 38:14-16.
3 Tena tokony ‘hataon’ny fianakaviana fomba fiaina ny famakiana sy fianarana ary fiaraha-mandinika Baiboly.’ Izany no nolazain’ny teny fampidirana ny fampisehoana tantara nitondra ny lohateny hoe “Ry Fianakaviana, Ataovy Fomba Fiainanareo ny Famakiana Baiboly Isan’andro!”, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 1998. Nolazaina koa tamin’izay fa “hisy vokany mahery eo amin’ny fianakaviana izany fahazarana ara-baiboly izany”, raha atao tsy tapaka sy amin’ny fomba velombelona, satria ‘mampitombo ny fahalalany, sy manatanjaka ny finoany, ary manome modely arahiny, izay mety hanosika azy hiaro ny fahamarinana.’ Tokony hijery izay fomba azony anatsarana ny fahazaran’ny ankohonany manao zavatra ara-panahy ny loham-pianakaviana, eo am-pandinihantsika ireo lafiny samihafa amin’izany.
4 Diniho isan’andro ny Tenin’Andriamanitra: “Rehefa hanapaka tsy hisy mpanohitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hatao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra ny sitrapony, dia tsy hisy olombelona mpisompatra, na biby akory aza, ‘handratra na hanimba.’ (Isaia 11:9; Matio 6:9, 10)” Fanazavana ny andinin-teny tamin’ny 11 Septambra no misy ireo teny ireo, ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro 2001. Tena nampahery tokoa izany fampahatsiahivana izany! Fahazaranareo loham-pianakaviana ve ny mandinika isan’andro ny andinin-teny ho an’ny andro sy ny fanazavana azy io, miaraka amin’ny ankohonanareo? Tena mahasoa izany. Azonareo atao amin’ny ora hafa izany, raha tsy mety amin’ny rehetra ny maraina. Hoy ny ray iray: “Amin’ny sakafo hariva no fotoana mety mba handinihanay ny andinin-teny ho an’ny andro.”
5 Deraina ianareo, raha efa zatra miara-mandinika ny andinin-teny ho an’ny andro. Angamba azonareo ampiana famakiana Baiboly izany. Misy fianakaviana mamaky ilay toko nakana ny andinin-teny ho an’ny andro. Ny hafa kosa mamaky tsy tapaka boky hafa ao amin’ny Baiboly. Hanjary hatahotra ny tsy hampifaly an’i Jehovah ny fianakavianareo, raha mamaky Baiboly isan’andro, ary hitombo koa ny fanirianareo hanao ny sitrapony.—Deot. 17:18-20.
6 Mbola hahasoa kokoa ny fiarahanareo mandinika ny Baiboly sy ny andinin-teny ho an’ny andro, raha resahinareo mandritra ny minitra vitsivitsy ny zavatra azo ampiharina avy amin’ilay izy. Izao no soso-kevitra omen’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 60: “Mifidiana andinin-teny sasantsasany avy amin’ny famakiana Baiboly ho an’ny herinandro, resaho izay tian’izy ireo holazaina, ary avy eo dia manontania hoe: ‘Inona no tari-dalana azontsika avy amin’ireo andininy ireo? Ahoana no ampiasantsika azy ireo eo amin’ny fanompoana? Inona no asehon’izy ireo momba an’i Jehovah sy ny fomba fanaovany zavatra, ary ahoana no anampian’izy ireo antsika hankasitraka azy?’” Hanampy ny mpianakavy rehetra mba ‘hamantatra izay sitrapon’ny Tompo’ izany firesahana zavatra ara-panahy izany.—Efes. 5:17.
7 Fianaram-pianakaviana: Ny fitarihana fianaram-pianakaviana tsy tapaka isan-kerinandro no fomba tsara hanehoan’ny loham-pianakaviana amin’ny zanany fa ny zavatra ara-panahy no zava-dehibe indrindra. Hoy ny tovolahy iray: “Reraka be avy niasa i dada indraindray, ka toa efa te hatory. Natao ihany anefa ny fianarana, ka takatray tamin’izany fa tena zava-dehibe izy io.” Mandray anjara amin’ny fetezan’ilay fandaharana koa ny ankizy. Mifoha amin’ny dimy maraina ny fianakaviana iray misy ankizy sivy, mba hanaovana fianaram-pianakaviana, satria tsy misy fotoana hafa ankoatra izay.
8 Tsy maintsy ‘mitandrina ny fampianarany’ foana ny loham-pianakaviana, raha tiany hisy vokany ilay fianarana. (1 Tim. 4:16) Hoy ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 32: “Tena mety ilay filazan’ny olona hoe raha tianao handaitra ny fianaram-pianakavianao, dia diniho aloha ny fianakavianao. Manao ahoana ny fandrosoana ara-panahin’ny mpianakavinao? . . . Rehefa miaraka amin’ny zanakao eny amin’ny fanompoana ianao, tsy mampaninona azy ireo ve ny ho fantatry ny mpiara-mianatra aminy fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenany? Tiany ve ny famakiana sy fianarana ny Baiboly ataon’ny fianakavianareo? Tena ataony fomba fiainany tokoa ve ny lalan’Andriamanitra? Ny fandinihana tsara toy izany dia hampiharihary izay ilainao loham-pianakaviana, hatao, mba hananan’ny mpianakavinao tsirairay toetra tsara.”
9 Fivorian’ny fiangonana: Tokony ho anisan’ny fahazarantsika isan-kerinandro ny manomana sy manatrika fivoriana. (Heb. 10:24, 25) Mety ho azon’ny fianakaviana atao ny miara-manomana fivoriana sasany. Azonareo atao ve ny manomana aloha be, fa tsy efa antomotra vao manomana? Hihatsara ny fanomananareo ary ho be ny soa horaisinareo avy amin’ny fivoriana, raha zatra manomana aloha be toy izany ianareo.—Ohab. 21:5.
10 Mahasoa ny fahazarana ara-panahy raha atao tsara sy tsy miovaova. Ahoana raha sarotra aminareo ny mahita fotoana hanomanana ny fivoriana rehetra? Izao no soso-kevitry ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 31: “Halaviro ilay fandrika hianatra ilay lahatsoratra maimaika mba hahavitana azy fotsiny, na ilay fandrika ratsy kokoa tsy hianatra azy mihitsy, satria hoe tsy ho vitanao tsinona ilay izy manontolo. Farito kosa izay ho vitanao, ary ataovy tsara ny fianaranao azy. Ataovy isan-kerinandro izany. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia miezaha hampitombo ny isan’ny fivoriana omaninao.”
11 Tokony ho tonga aloha any am-pivoriana ny mpianakavy, mba hahavonona tsara ny sainy hidera an’i Jehovah sy handray ireo fianarana omeny. Fahazaran’ny fianakavianareo ve ny tonga aloha? Raha mirotoroto foana ianareo rehefa hamonjy fivoriana, misy fahazarana tokony hovana ve ao? Misy zavatra azo karakaraina aloha kokoa ve ao? Raha be atao loatra ny mpianakavy sasany, afaka manampy ve ny hafa? Tsy hilamina kokoa ve ny famonjena fivoriana raha vonona aloha kokoa ianareo? Mampiadan-tsaina ny fandaminan-javatra tsara.—1 Kor. 14:33, 40.
12 Fanompoana eny amin’ny saha: Anisan’ny fahazarana tsara ara-panahy ny famerana fotoana hanompoana. Hoy ny tovolahy iray: “Natokan’ny fianakaviako hanompoana foana ny asabotsy maraina. Nahasoa ahy izany, satria arakaraka ny nandehanako nanompo no nahitako soa avy amin’izany sy nitiavako izany.” Milaza koa ny maro amin’ireo zanaka Vavolombelona fa nanampy azy ireo handroso ara-panahy ny famerana fotoana hanompoana isan-kerinandro.
13 Hahafinaritra kokoa sy hamokatra kokoa ny fanompoan’ny fianakaviana, raha misy andro natokana hanompoana isan-kerinandro. Ahoana no hahavitana izany? Izao no soso-kevitry Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1999, pejy 21: “Moa ve ianao maka fotoana avy amin’ny fianaram-pianakavianareo indraindray mba hanampiana ny mpianakavinao hanomana ny fanompoana eny amin’ny saha hatao amin’ilay herinandro diavina? Tena mahasoa ny fanaovana izany. (2 Timoty 2:15) Afaka manampy izany, mba hahatonga ny fanompoan’izy ireo hisy zava-kendrena sy hamokatra. Azonao atao indraindray ny manokana ny fotoam-pianarana iray manontolo mba hanaovana fanomanana toy izany. Matetika kokoa, dia azonareo atao ny manao fiaraha-midinika fohy kokoa momba ireo lafiny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, eo am-pamaranana ny fianaram-pianakaviana, na amin’ny fotoana hafa ao anatin’ny herinandro.” Efa nandramanareo ve izany?
14 Mandrosoa hatrany: Hitanareo àry ve izao ny zavatra tsara efa ataon’ny mpianakavinareo? Derao izy ireo amin’izany, ary iezaho hatsaraina izay efa ataonareo. Raha misy lafiny maromaro hitanareo fa tokony hihatsarana, dia mifidiana aloha iray na roa amin’izany mba hiezahana. Iezaho indray ny lafiny iray na roa hafa, rehefa lasa anisan’ny fahazaranareo ireo lafiny roa voalohany. Jereo ny lafy tsaran-javatra ary aza sarotiny loatra. (Fil. 4:4, 5) Sarotra ny mamboly fahazarana manao zavatra ara-panahy eo anivon’ny ankohonana, nefa mahasoa izany. Manome toky antsika tokoa i Jehovah hoe: “Izay mitandrina ny làlany no hanehoako ny famonjen’Andriamanitra.”—Sal. 50:23.