FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/03 p. 1
  • Mitafia Fanetren-tena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitafia Fanetren-tena
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana isika no tokony hitafy fanetren-tena?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Sarobidy Amin’i Jehovah ny Mpanompony Manetry Tena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Fanetren-tena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Miezaha Hanana ny Tena Fanetren-tena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 9/03 p. 1

Mitafia Fanetren-tena

1 Nitoky tamin’i Jehovah ny zazalahy mpiandry ondry iray, ka naharesy mpiady mahery. (1 Sam. 17:45-47) Niaritra tamim-paharetana ny loza nanjo azy ny lehilahy mpanankarena iray. (Joba 1:20-22; 2:9, 10) Nilaza ny Zanak’Andriamanitra fa avy amin’ny Rainy daholo ny fampianarany. (Jaona 7:15-18; 8:28) Nitana toerana lehibe ny fanetren-tena tamin’ireo ohatra telo ireo. Toy izany koa fa tena mila manetry tena isika, mba hiatrehantsika ireo zava-tsarotra isan-karazany ankehitriny.​—Kol. 3:12.

2 Eny am-pitoriana: Mpanompo kristianina isika, ka mitory amim-panetren-tena ny vaovao tsara amin’ny karazan’olona rehetra. Tsy hitsara an-tendrony azy ireny noho ny firazanany na ny kolontsainy na ny fanabeazana azony isika. (1 Kor. 9:22, 23) Raha tsy mahalala fomba ny olona sasany, na manao tsinontsinona ny hafatra momba ilay Fanjakana, dia tsy mamaly amin’ny fomba mitovy amin’izany isika, fa manohy mitady amim-paharetana ireo olona mendrika kosa. (Matio 10:11, 14) Tsy manandrana mampiaiky volana ny olona amin’ny fahaizana na ny fianarana vitantsika isika. Mampifantoka ny sain’izy ireo amin’ny Tenin’Andriamanitra kosa isika, ka miaiky fa mandresy lahatra kokoa izy io raha oharina amin’izay teny mety holazaintsika. (1 Kor. 2:1-5; Heb. 4:12) I Jehovah no omentsika ny voninahitra rehetra, toy ny nataon’i Jesosy.​—Marka 10:17, 18.

3 Eo anivon’ny fiangonana: Tsy maintsy ‘misikina fanetren-tena eo amin’ny fifampitondrany’ koa ny Kristianina. (1 Pet. 5:5) Raha heverintsika ho ambony noho isika ireo rahalahintsika, dia hitady fomba hanompoana azy ireo isika, fa tsy hanantena azy hanompo antsika. (Jaona 13:12-17; Fil. 2:3, 4) Tsy hieritreritra, ohatra, isika hoe asa tsy sahaza antsika ny fanadiovana Efitrano Fanjakana.

4 Manampy antsika “hifampizaka amim-pitiavana” koa ny fanetren-tena. Hitondra fiadanana sy firaisan-tsaina eo anivon’ny fiangonana izany. (Efes. 4:1-3) Manampy antsika hanaiky an’ireo voatendry ho mpitarika koa ny fanetren-tena. (Heb. 13:17) Manosika antsika hanaiky izay torohevitra na famaizana mety homena antsika izy io. (Sal. 141:5) Manosika antsika hiantehitra amin’i Jehovah koa izy io, rehefa mahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana isika. (1 Pet. 4:11) Toa an’i Davida, dia miaiky isika fa tsy miankina amin’ny fahaizan’ny olombelona ny fahombiazany, fa miankina amin’ny fanampian’Andriamanitra.​—1 Sam. 17:37.

5 Eo anatrehan’Andriamanitsika: Ambonin’ny zava-drehetra, dia mila ‘manetry tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra’ isika. (1 Pet. 5:6) Mety haniry mafy hahazo ny fanamaivanana hoentin’ilay Fanjakana isika, rehefa tsy maintsy miatrika toe-javatra sarotra. Miezaka manetry tena sy miaritra anefa isika, ka miandry ny hanatanterahan’i Jehovah ny fampanantenany amin’ny fotoana voatondrony. (Jak. 5:7-11) Toa an’i Joba, izay tsy nivadika hatramin’ny farany, ny zava-dehibe indrindra amintsika dia ny hiderana hatrany ny anaran’i Jehovah.​—Joba 1:21.

6 ‘Nampahory tena’ na nanetry tena teo anatrehan’Andriamaniny ny mpaminany Daniela. Nasehon’i Jehovah àry fa nankasitrahany izy, ka nomeny tombontsoam-panompoana maro be. (Dan. 10:11, 12) Aoka koa isika hitafy fanetren-tena toy izany, satria fantatsika fa “ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.”​—Ohab. 22:4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara