Tsidiho Haingana, Aza Fady
Iza no hotsidihina haingana? Ireo nangataka boky sy gazety, ireo anaterana gazety tsy tapaka, ary ireo nangataka mba hotsidihin’ny Vavolombelona any an-tranony. Avy aiza moa ireny fangatahana ireny? Avy tamin’ireo nanoratra tamin’ny biraon’ny sampana, na niantso an-telefaonina, na nitsidika ny toerantsika ao amin’ny Internet. Handefasan’ny biraon’ny sampana S-70 ny fiangonana, raha misy olona liana toy izany eo amin’ny faritaniny. Toy izao ny lohatenin’io taratasy io: “Mandefasa Mpitory Mahay Hitsidika Ity Olona Ity, Aza Fady.” Tokony homen’ny anti-panahy an’izay mpitory afaka hanampy tsara ilay olona liana ny taratasy S-70, raha vao voarainy. Afaka mametraka taratasy kely ilay mpitory raha sarotra ny mahita ilay olona ao an-tranony. Tokony ho malina anefa izy rehefa manao izany. Aza mangataka andro mihitsy àry, raha ianao no nasaina nitsidika azy.