Fizarana 1—Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
Inona no Atao hoe Fampianarana Baiboly?
1 Maneran-tany, dia fampianarana Baiboly enina tapitrisa eo ho eo isam-bolana no tarihin’ny vahoakan’Andriamanitra. Tena ilaina ny fomba fampianatra mahomby, raha irintsika handroso ho amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa ary “hahay hampianatra ny hafa”, ireo mpianatra Baiboly. (2 Tim. 2:2) Irinao handroso toy izany ve ny olona ampianao? Hisy lahatsoratra mifampitohy ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana manomboka amin’ity volana ity. Hanazava lafiny samihafa momba ny fitarihana fampianarana Baiboly mandroso izy ireo.
2 Rahoviana no anaovana tatitra ny fampianarana iray? Raha manao dinidinika ara-baiboly tsy tapaka miaraka amin’olona ianao, ka mampiasa Baiboly sy boky natao hianarana azy io, dia azo lazaina fa mitarika fampianarana ianao, na dia fohy aza ilay dinidinika. Marina foana izany na eo am-baravarana, na an-telefaonina no atao ilay izy. Azo anaovana tatitra ilay fampianarana, raha efa nianatra indroa ilay olona taorian’ny nampisehoana taminy ny fomba fianarana, ary mino ianao fa hanohy hianatra izy.
3 Olona maro no ampianarina amin’ny bokikely Takina sy Lalan’ny Fiainana. Azo ampianarina amin’ny boky Mivavaha ilay olona rehefa vita ireo, raha toa miharihary fa mankasitraka izay ianarany izy, sady mandroso na dia miadana aza. Ny bokikely Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao! no ampiasaina, raha tsy nahita fianarana firy ilay olona na tsy mahay mamaky teny tsara.
4 Nahomby ny asa fampianarana Baiboly, ka nanampy olona an-tapitrisany mba ho tena mpianatr’i Jesosy Kristy. (Matio 28:19, 20) Afaka hitarika fampianarana Baiboly mandroso ianao, raha mampihatra ny fanoloran-kevitra hita ao amin’ny lahatsoratra mifampitohy amin’ity.