FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/04 p. 7
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no Ilaina ny Manetry Tena?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Ho Vitanao ny Hanetry Tena na dia Tsy Mora aza Izany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Inona no Hanampy Anao Raha Niova ny Fanendrena Anao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • ‘Ao Amin’ny Olona Mihevi-tena Araka ny Antonony no Misy Fahendrena’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 11/04 p. 7

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Ahoana no tokony hanatanterahana ny andraikitsika eo anivon’ny fiangonana?

Mizotra tsara ny zava-drehetra eo anivon’ny fiangonan’ny vahoakan’i Jehovah, rehefa miara-miezaka ny rehetra. (1 Kor. 14:33, 40) Eritrereto hoe inona avy no tsy maintsy atao mba hanatontosana fivoriana iray monja. Ankoatra ny fandaharana, dia betsaka ny asa tsy maintsy sahanin’ireo rahalahy sy anabavy aloha sy aorian’ny fivoriana. Zava-dehibe koa ireo andraikitra hafa tsy hitan’ny besinimaro. Ahoana no anatanterahantsika tsirairay ny andraikitsika?

Aoka ianao ho vonona hanampy. Hahita zavatra betsaka hatao izay mazoto manolo-tena. (Sal. 110:3) Anehoy fiahiana ireo marary sy be taona. Mandraisa anjara amin’ny fanadiovana Efitrano Fanjakana. Afaka manao asa maro mahasoa isika na dia tsy angatahana aza izany. Mila maniry hanampy fotsiny isika.

Manetre tena. Faly manompo ny hafa ny olona manetry tena. (Lioka 9:48) Raha manetry tena isika, dia tsy hanaiky andraikitra be loatra, izay tsy ho vitantsika akory. Tsy hitsabaka amin’izay tsy ananantsika fahefana koa isika.—Ohab. 11:2.

Aoka ianao ho mendri-pitokisana. Nampirisihina i Mosesy hizaha “lehilahy marina”, na mendri-pitokisana, mba hiantsoroka andraikitra teo amin’ny Israely fahiny. (Eks. 18:21) Ilaina koa io toetra io ankehitriny. Vitao tsara àry ny andraikitra nomena anao. (Lioka 16:10) Mitadiava olona hisolo anao, mba ho azo antoka fa ho vita tsara izy io, raha sendra tsy eo ianao.

Ataovy izay tsara indrindra vitanao. Ampirisihina hanao zavatra amin’ny fo manontolo ny Kristianina, na dia amin’ny asa tsy ara-pivavahana aza. (Kol. 3:22-24) Vao mainka tena ilaina izany, rehefa manao asa hampandrosoana ny fivavahana marina isika. Mandray soa ny fiangonana rehefa vita tsara ny asa, na dia izay heverina ho tsotra sy tsy dia misy dikany aza.

Asehontsika amin’ny fomba anatanterahantsika ny andraikitsika fa tia an’i Jehovah sy ny rahalahintsika isika. (Matio 22:37-39) Enga anie àry isika hanatanteraka tsara foana ny andraikitra nankinina tamintsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara