FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/04 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 11/04 p. 7

Fampandrenesana

Zavatra atolotra amin’ny Novambra: Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Bokikely Takina na Lalan’ny Fiainana no atolory an’ireo tsy manan-janaka. Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Azo atolotra koa Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, ary Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Janoary: Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra, Boky I na II, na Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza! Febroary: Manatòna An’i Jehovah.

◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na izay tendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny fiangonana amin’ny 1 Desambra, na haingana araka izay azo atao aorian’io. Rehefa vita ilay izy, dia asio fampandrenesana ho an’ny fiangonana, miaraka amin’ilay tatitra momba ny kaonty manaraka.

◼ Manomboka amin’ny herinandron’ny 23 Mey 2005, dia hianatra ny bokikely Miambena Hatrany! isika, any amin’ny Fianarana Boky.

◼ Tena ilain’ny biraon’ny sampana ny adiresy sy ny nomerao telefaonina faran’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha sy ny mpitan-tsoratra rehetra. Raha misy fiovana, dia tokony hofenoin’ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana sy hasiany sonia ary halefany haingana atỳ amin’ny biraon’ny sampana ny taratasy Fiovana Adiresin’ny Mpiandraikitra Mpitantan-draharaha/Mpitan-tsoratra (S-29).

◼ “Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2005” ny takelaka fanampiny amin’ity Fanompoantsika Ilay Fanjakana ity. Tokony hotehirizina mba hampiasaina mandritra ny taona 2005 izy io.

◼ Tsy mikarakara ny fanafarana boky alefan’ny mpitory isam-batan’olona ny biraon’ny sampana. Tokony hampanao fampandrenesana isam-bolana ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, alohan’ny handefasan’ny fiangonana ny fanafarany boky isam-bolana atỳ amin’ny sampana. Afaka manatona ilay rahalahy mpikarakara ny boky amin’izay, ireo rehetra te hanafatra boky. Tadidio hoe boky inona avy no anisan’ireo zavatra hafarana manokana.

◼ Tokony hanomboka hanafatra ny Tilikambo sy ny Mifohaza! 2003 vita boky ny fiangonana, miaraka amin’ny fanafarany boky manaraka. Misy amin’ny teny anglisy sy frantsay izy ireo. Anisan’ny zavatra hafarana manokana ireo.

◼ Boky vaovao misy:

Miambena Hatrany! —anglisy, frantsay, malagasy

Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra —malagasy

◼ CD vaovao misy:

Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah—Fanontana 2003 —anglisy

◼ Kasety vaovao misy:

Fiainana Mahafa-po—Ahoana no Hahitana Izany? —frantsay

◼ Kasety video vaovao misy:

Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra —frantsay

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara