Fizarana 5: Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
Fehintsoratra Firy no Tokony Hianarana?
1 Fantatr’i Jesosy fa voafetra ny zavatra takatry ny sain’ny mpianany. Noferany àry ny zavatra nampianariny, ka nataony “araka izay hain’ireo nohenoina.” (Marka 4:33; Jaona 16:12) Mila fantarin’ny mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra koa ankehitriny hoe firy ny fehintsoratra tokony hianarana, isaky ny mampianatra Baiboly. Miankina amin’ny fahaizana sy ny toe-javatra misy an’ilay mpampianatra sy ilay mpianatra izany.
2 Ataovy izay hananany finoana matanjaka: Misy mpianatra mila mianatra indroa na intelo vao mahatakatra zavatra sasany, fa ny hafa kosa mahazo avy hatrany. Izay hahatakarany tsara an’ilay fianarana no zava-dehibe kokoa amintsika, fa tsy izay hahavitana fehintsoratra betsaka ao anatin’ny fotoana fohy. Mila mahatakatra tsara ny finoany vaovao avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny mpianatra tsirairay.—Ohab. 4:7; Rom. 12:2.
3 Rehefa mampianatra ianao isan-kerinandro, dia ataovy izay hahatakaran’ilay mpianatra sy hanekeny izay ianarany avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, na dia mety hitaky fotoana aza izany. Aza mirotoroto, satria manjary tsy hitany ny hasarobidin’ny fahamarinana ampianarina azy. Manokàna fotoana ampy hanasongadinana ny hevi-dehibe sy handinihana ny andinin-teny fototra.—2 Tim. 3:16, 17.
4 Aza tapatapahina ny fianarana: Tsy tokony hirotoroto isika, nefa mila mitandrina koa mba tsy hiresaka zavatra tsy mifandray amin’ilay fianarana. Raha tia miresaka momba ny fiainany ilay mpianatra, dia mety ho azontsika ilazana izy mba hanao izany aorian’ny fianarana.—Mpit. 3:1.
5 Isika mihitsy anefa no mety halaim-panahy hiresaka be, noho ny hafanam-pontsika amin’ny fahamarinana. (Sal. 145:6, 7) Mety hahasoa indraindray ny miresaka hevitra fanampiny na mitantara zavatra. Tsy tokony ho be loatra na ho lava loatra anefa izany, satria manjary ela vao mitombo ny fahalalan’ilay mpianatra ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly.
6 Hanampy ny mpianatra Baiboly “handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah” isika, raha mametra ny isan’ny fehintsoratra ianarana, isaky ny miara-mianatra aminy.—Isaia 2:5.