FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/05 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 10 Janoary
  • Herinandron’ny 17 Janoary
  • Herinandron’ny 24 Janoary
  • 12 min: “Azonao Ampitomboina ve ny Gazety Apetrakao?” Lahateny.
  • Herinandron’ny 31 Janoary
  • Herinandron’ny 7 Febroary
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 1/05 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana

Herinandron’ny 10 Janoary

Hira 223, Hira 143

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana ny Mifohaza! 8 Desambra sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra. Azo atao koa ny mampiasa fomba fampiseho hafa mandaitra. Asehoy ao amin’ny iray amin’ireo fampisehoana ireo ny fomba hanolorana gazety amin’ny havana tsy Vavolombelona.

15 min: “Mivelona Amin’ny Tenin’ny Finoana.”a Vakio sy iaraho midinika ny andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.

20 min: “Ampifanaraho Amin’izay Ilain’ny Olona ny Fitorianao.” Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny pejy 6 amin’ny takelaka fanampiny. Manaova fampisehoana roa, ka asehoy ny fomba ampiharana io torohevitra io amin’ny zavatra atolotra amin’ny volana. Asaivo mamaky andinin-teny iray mifandray amin’ny zavatra mampanahy an’ilay tompon-trano ilay mpitory, ao amin’ireo fampisehoana ireo.

Herinandron’ny 17 Janoary

Hira 34, Hira 78

10 min: Fampandrenesana.

15 min: Ry Tanora! Mandroso Ara-panahy ve Ianareo? Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2003, pejy 8-10. Milazà tanjona vitsivitsy araka ny zava-misy sy azo tratrarina tsara, ary ampirisiho ny tanora hanana tanjona ara-panahy voafaritra tsara.

20 min: “Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso—Fizarana 5.”b Asio fampisehoana iray misy mpitory mahay mampianatra, miresaka amin’ny mpitory vaovao ny amin’ny fomba ialana amin’ireo fandrika resahina eo amin’ny fehintsoratra 4-5.

Herinandron’ny 24 Janoary

Hira 163, Hira 200

8 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty.

12 min: “Azonao Ampitomboina ve ny Gazety Apetrakao?” Lahateny.

25 min: “Ahoana no Ampiasana Ireo Fomba Fampiseho?”c Ny fanontaniana efa ao ampiasaina. Lazao fa misy fomba fampiseho an’ireo boky sy bokikely hatolotsika, eo amin’ny pejy 3-5. Tahirizo tsara io takelaka fanampiny io mba hampiasaina mandritra ny taona. Aorian’ilay fiaraha-midinika, dia resaho ny fomba azontsika anolorana ny boky Manatòna An’i Jehovah amin’ny Febroary. Manaova fampisehoana roa. Azo ampiasaina ilay fomba fampiseho eo amin’ny pejy 3, na fomba fampiseho hafa mety handaitra eo an-toerana.

Herinandron’ny 31 Janoary

Hira 157, Hira 184

10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Janoary. Manaova fampisehoana miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary na ny Mifohaza! 8 Janoary. Azo atao koa ny mampiasa fomba fampiseho hafa mandaitra.

15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.

20 min: Mandinika ny Soratra Masina Isan’andro ve Ianao? Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny sasin-teny ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2005. Resaho fa ilain’ny rehetra ny mandinika ilay andinin-teny sy ilay fanazavana, mandritra ny minitra vitsivitsy isan’andro. Ampiomany mialoha ny olona iray na roa, mba hilaza ny fotoana fanaovany izany sy ny soa noraisiny. Eo am-pamaranana, dia resaho vetivety ny andinin-teny ho an’ny taona 2005.

Herinandron’ny 7 Febroary

Hira 97, Hira 104

10 min: Fampandrenesana.

15 min: Ampio ny Vaovao Hianatra ho Tia An’Andriamanitra sy ny Namana. Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2004, pejy 16, fehintsoratra 7-9. Asongadino fa samy tokony hanampy ny vaovao ho tonga mpianatr’i Kristy, ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana.

20 min: Tsy Miaro Zava-tsoa i Jehovah. (Sal. 84:11) Manadinadìna rahalahy sy anabavy vitsivitsy, izay tsy nivadika na dia niharam-pitsapana aza. Inona avy no zava-tsarotra natrehiny? Inona no nanampy azy hizaka izany? Inona avy no fifaliana sy fitahiana azony?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara