Sekoly Manampy Antsika Hampihatra
1 Maro ireo fampianaran’ny Soratra Masina voatonona ao amin’ny Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2006. Mandray soa avy amin’izy ireny isika, raha mampifandray azy amin’ny fanompoana masina ataontsika sy ny fiainantsika andavanandro. Ataontsika tanjona ny hampihatra izay ianarantsika.—Jaona 13:17; Fil. 4:9.
2 Fanomezana valin-teny: Nomena iray minitra fanampiny ny mpanatrika, araka ilay fandaharana amin’ny taona 2006, mba handraisany anjara amin’ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly. Tokony hitandrina àry ilay rahalahy manao io anjara io mba hamita ny fanazavany ao anatin’ny dimy minitra, fa tsy enina minitra intsony. Tokony hijery ny fotoana hamaliany koa ireo mandray anjara. Raha manomana tsara ianao, dia ho afaka hanome valin-teny mahasoa ao anatin’ny 30 segondra na latsaka. Olona folo eo ho eo no tokony ho afaka hanome valin-teny misy heviny, mandritra ny dimy minitra andraisan’ny mpanatrika anjara.
3 Lahateny mampianatra: Tokony haseho mandritra ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly sy ny lahateny fampianarana ny fomba hampiharana ireo fanazavana, eo amin’ny fanompoantsika sy eo amin’ny lafiny hafa amin’ny fiainantsika andavanandro. Tsy ny hahatonga ny mpanatrika haniry hanao zavatra fotsiny no tanjon’ilay mpandahateny. Tokony hasongadiny koa ny zavatra ilaina hatao, ny fomba azo anaovana izany, ary ny soa azo avy amin’ny fanaovana ilay izy. Afaka milaza izy, ohatra, hoe: “Izao no toromarika omen’io andininy io antsika”, na “Izao no mety hampiasana an’ireo andininy ireo eny amin’ny fanompoana.” Tokony hiezaka ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana mahalala ny zava-misy eo an-toerana, mba hanazava tsara araka izay azo atao ny zavatra azo ampiharina.
4 Tena tsara ny miresaka ohatra ao amin’ny Baiboly rehefa manao izany. Afaka milaza toy izao ilay mpandahateny, rehefa avy miresaka ohatra iray ao amin’ny Soratra Masina: “Mety hiaina zavatra mitovy amin’izany koa ianao.” Tokony hataony azo antoka fa mifanaraka amin’ny teny manodidina sy ny Baiboly manontolo, ary izay zavatra navoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ny fampiharana ataony.—Matio 24:45.
5 Ny fahendrena dia ny fahaizana mampiasa ny fahalalana sy ny fahatakarana. Ny ‘fahazoana fahendrena’ no zava-dehibe indrindra. (Ohab. 4:7) Enga anie àry isika hahazo fahendrena, rehefa mianatra amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, ka hitombo ny fahaizantsika mizara izany amin’ny olona.