LESONA 23
Fanasongadinana ny Hevitra Hampiharina
NA OLONA iray no itenenanao na mpanatrika maro be, dia tsy fahendrena ny mihevitra hoe hahaliana azy ny foto-kevitrao satria fotsiny hoe mahaliana anao ilay izy. Hafatra tena lehibe no entinao, nefa tsy hihazona ny fahalianan’ny mpihaino ianao raha tsy ataonao mazava tsara fa mahakasika azy ilay izy.
Marina izany na dia ao amin’ny Efitrano Fanjakana aza. Mety hifantoka ny mpihaino, rehefa milaza fanoharana na fitantarana mbola tsy reny ianao. Mety tsy hifantoka intsony anefa izy, rehefa zavatra efa fantany no resahinao, indrindra raha tsy velabelarinao ireny zavatra ireny. Ampio àry ny mpihaino hahita ny antony sy ny fomba handraisany soa avy amin’izay lazainao.
Mampirisika antsika haneho fahendrena, ka hieritreritra foana ny hampihatra izay ianarantsika, ny Baiboly. (Ohab. 3:21) Nampiasa an’i Jaona Mpanao Batisa i Jehovah mba hitarika ny olona “ho amin’ny fahendren’ny marina.” (Lioka 1:17) Miorina amin’ny fahatahorana an’i Jehovah izany fahendrena izany. (Salamo 111:10) Afaka miatrika tsara ny fiainana ankehitriny ireo izay maneho io fahendrena io ary mahazo antoka ny amin’ny tena fiainana, dia ny fiainana mandrakizay ho avy.—1 Tim. 4:8; 6:19.
Ataovy mahakasika ny mpihaino ny lahateny. Raha tianao ho azon’ny mpihaino ampiharina ny lahateninao, dia tsy maintsy mieritreritra azy ireo mbamin’izay hevitra holazainao ianao. Aza mieritreritra ny fitambaran’olona fotsiny. Isam-batan’olona sy fianakaviana no mahaforona ny mpanatrika. Mety hisy ankizikely ao, zatovo, olon-dehibe, ary zokiolona. Mety hisy olona vao liana koa ao, ary koa olona efa nanompo an’i Jehovah fony ianao mbola tsy teraka akory. Mety ho matotra ara-panahy ny sasany; ny hafa kosa mety ho mbola ahitana fihetsika sy ny fanao sasan’ity tontolo ity. Manontania tena hoe: ‘Inona no soa mety ho azon’ny mpihaino avy amin’ity zavatra horesahiko ity? Ahoana no hanampiako azy ireo hahita izay tsy maintsy hataony?’ Mety hifantoka amin’ny sokajin’olona iray na roa monja ianao, nefa aza hadinoina tanteraka ny hafa.
Ahoana raha fampianarana ara-baiboly no asaina resahinao? Ahoana no hanampianao ny mpanatrika izay efa manaiky an’io fampianarana io? Ampio izy ireo hanamafy izany fiekeny izany. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanjohiana hevitra momba ny porofo ara-baiboly manohana azy io. Ampio koa ny mpihaino hampitombo ny fankasitrahany an’io fampianarana io. Mba hanaovana izany, dia asehoy fa mifanaraka tsara amin’ny fahamarinana hafa ao amin’ny Baiboly sy amin’ny toetran’i Jehovah ilay izy. Mampiasà ohatra—fitantarana zavatra tena nisy, raha azo atao—mba hampisehoana fa nandraisan’olona soa ny fahazoany an’io fampianarana io, ary nanova ny fomba fijeriny momba ny hoavy.
Tsy amin’ny famaranan-teny ihany ianao vao tokony handrisika ny mpihaino hampihatra ilay zavatra nohazavainao. Dieny eo am-boalohany, dia tokony ho afaka hiteny anakampo ny tsirairay aminy hoe “mahakasika ahy ity.” Aorian’izany, mandritra ny famelabelaranao ny hevi-dehibe tsirairay sy ao amin’ny famaranan-teninao, dia manohiza manazava ny soa azo avy amin’ny fampiharana ilay zavatra hazavainao.
Araho ireo toro lalan’ny Baiboly rehefa manazava ilay hevitra tokony hampiharina ianao. Ahoana izany? Manehoa fitiavana sy fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa. (1 Pet. 3:8; 1 Jaona 4:8) Na dia fony izy nandamina zava-nanahirana lehibe tao Tesalonika aza, ny apostoly Paoly dia nanasongadina foana ny fandrosoana ara-panahy efa nataon’ireo rahalahiny sy anabaviny tany. Nolazainy koa fa tena natoky izy fa naniry hanao izay tsara izy ireo, na dia tamin’izay aza. (1 Tes. 4:1-12) Endrey izany ohatra tsara tokony hotahafina!
Moa ve ny anjaranao na ny lahateninao tokony handrisika ny mpanatrika hitory sy hampianatra ny vaovao tsara amin’ny hafa? Ampio àry izy ireo hanana risi-po sy hafanam-po ho an’io tombontsoa io. Eo am-panaovanao izany anefa, dia tadidio fa tsy mitovy ny fahafahan’ny tsirairay hanao azy io, ary manaiky izany ny Baiboly. (Matio 13:23) Aza vesarana amin’ny fahatsiarovan-tena ho meloka ny rahalahinao. Mananatra antsika mba “handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara” ny Hebreo 10:24. Raha mandrisika ho amin’ny fitiavana isika, dia hanaraka ho azy ny fanaovana asa noho ny antony tsara. Aza mitady hanery ny hafa hanara-drenirano fotsiny; ekeo kosa fa tian’i Jehovah isika raha mandrisika ny hafa hankatò noho ny finoana. (Rom. 16:26) Mitadidy izany ao an-tsaina isika, ka miezaka hanatanjaka ny finoantsika sy ny an’ireo rahalahintsika.
Ampio ny hafa hahita izay tokony hataony. Asongadino ny soa azo avy amin’ny fampiharana ny vaovao tsara, rehefa mitory amin’ny hafa ianao. Mba hanaovana izany, dia hevero hoe inona no mampanahy ny olona ao amin’ny faritaninao. Ahoana no hahafantaranao izany? Mihainoa vaovao amin’ny radio na ny televiziona. Mamakia gazety. Miresaha koa amin’ny olona, ary henoy izay lazainy. Ho fantatrao fa mitolona amin-java-manahirana lehibe izy ireo: tsy fananana asa, fandoavana hofan-trano, aretina, fahafatesan’ny mpianakavy iray, heloka bevava, tsy rariny, fisaraham-panambadiana, fitaizana zanaka maditra, sy ny toy izany. Afaka manampy azy ireo ve ny Baiboly? Eny tokoa.
Tsy maintsy ho efa manana foto-kevitra iray ao an-tsaina ianao, rehefa hanomboka resaka. Kanefa raha misy zavatra hafa mba tian’ilay olona horesahina, dia aza misalasala miresaka momba izany, raha afaka ianao, na lazao aminy fa afaka miverina ianao mba hitondra fanazavana fanampiny. Tsy hitsabaka amin’ny fiainan’ny olona isika, fa faly kosa mizara amin’ny hafa ilay torohevitra azo ampiharina atolotry ny Baiboly. (2 Tes. 3:11) Torohevitra ara-baiboly mahakasika ny fiainany no tena hampiaiky ny olona.
Mety hofaranan’ny olona haingana ny resaka, raha tsy hitany fa mahakasika azy manokana ny hafatra entintsika. Na dia avelany hiteny aza isika, raha tsy asehontsika aminy izay tokony hampihariny, dia tsy hisy vokany firy eo amin’ny fiainany ny fanazavantsika. Raha ataontsika mazava tsara kosa ny soa azony avy amin’ny fampiharany ilay hafatra, dia mety hitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainany izany.
Rehefa mitarika fampianarana Baiboly ianao, dia asongadino foana fa azo ampiharina tsara ilay zavatra ianarana. (Ohab. 4:7) Ampio ilay mpianatra hahatakatra ny torohevitra sy ny toro lalana ary ny ohatra ao amin’ny Soratra Masina, izay manoro azy ny fomba fanarahana ny lalan’Andriamanitra. Asongadino ny soa azo avy amin’izany. (Isaia 48:17, 18) Hanosika ilay mpianatra hanao izay fiovana ilaina eo amin’ny fiainany izany. Ampio izy hamboly fitiavana an’i Jehovah sy faniriana hampifaly azy, ary aoka ny fony no hanosika azy hampihatra ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.