Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana
Hankalazaina ny alatsinainy 2 Aprily ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity. Tokony hijery akaiky ireto zavatra ireto ny anti-panahy:
◼ Rehefa mifidy ny ora hanaovana ilay fankalazana, dia ataovy azo antoka fa tsy hampandalovina ny mofo sy divay, raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro.
◼ Tokony holazaina amin’ny rehetra, anisan’izany ny mpandahateny, ny ora sy ny toerana marina hanaovana ilay fankalazana.
◼ Tokony hokarakaraina sy hatao vonona ilay karaza-mofo sy divay ilaina.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 2003, pejy 14-15.
◼ Tokony hoentina mialoha any amin’ilay toeram-pivoriana ny vilia sy vera, latabatra sy lamban-databatra mety tsara, ka hapetraka eo amin’ny toerany.
◼ Tokony hodiovina tsara mialoha, ny Efitrano Fanjakana na ny toerana hanaovana an’ilay fankalazana.
◼ Tokony hofantenana sy homena toromarika mialoha momba ny andraikiny sy izay tokony hataony, ireo mpikarakara ny mpanatrika sy mpanolotra ny mofo sy divay. Tokony hampahatsiahivina izy ireo mba hanao fitafiana sy taovolo mendrika.
◼ Tokony hifandamina tsara ireo fiangonana, raha mihoatra ny iray ny fankalazana hatao ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray. Amin’izay ny olona dia tsy hitangorona eo amin’ny vavahady na lalantsara na sisin-dalana.