FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/07 p. 3
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Ho Fanomanana ny Fahatsiarovana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Miomàna ho Amin’ny Fahatsiarovana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Aoka Isika Hiomana Tsara ho Amin’ny Fahatsiarovana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 3/07 p. 3

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Inona no atao mba tsy hisy mpanatrika hadino, rehefa ampandalovina ny mofo sy divay amin’ny Fahatsiarovana?

Tokony hatao tsara sady hovitaina aloha be ny fandaharana rehetra mifandray amin’ny Fahatsiarovana. Ny anti-panahy no hiandraikitra izany. Mifidiana rahalahy mahafeno fepetra mba hanolotra ny mofo sy divay. Tokony ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana izy ireo, raha azo atao. Ataovy ampy tsara ny isan’izy ireo, mba tsy hitarazoka tsy amin’antony ny fanolorana ny mofo sy divay.

Ity misy soso-kevitra azo arahina, nefa tsy tokony hatao lalàna. Afaka miara-mipetraka daholo ireo rahalahy hanolotra ny mofo sy divay. Rehefa vita ny vavaka ho an’ny mofo na divay, dia azon’ilay mpandahateny atao ny milaza teny vitsivitsy, raha tiany. Hanomboka ny asany kosa ireo mpanolotra. Hipetraka eo amin’ny toerana ipetrahan’izy ireo ilay mpandahateny, mandritra ny fampandalovana ny mofo na divay. Hiverina eo amin’ny toerany ireo mpanolotra mofo sy divay, rehefa avy manatitra izany eny amin’ny latabatra. Izay tavela farany amin’izy ireo no hanolotra mofo sy divay ho an’ilay mpandahateny. Hipetraka avy eo iny rahalahy tavela farany iny. Hatolotr’ilay mpandahateny ho an’ireo mpanolotra efa tafapetraka ilay mofo na divay. Hitsangana izy rehefa avy notolorana mofo sy divay ilay mpanolotra tavela farany. Horaisiny ilay mofo na divay ka hateriny eny amin’ny latabatra, ary hofaranany ny lahatenin’ny Fahatsiarovana.

Tadidio fa ny tanjona dia ny handalovan’ny mofo sy divay eny amin’ny mpanatrika tsirairay.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara