Asao Hianatra Baiboly Ireo Nandray Gazety
1. Inona no tanjontsika rehefa manolotra gazety?
1 Manolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! isika rehefa asabotsy. Vao ny dingana voalohany amin’ny tanjontsika anefa izany, satria ny hampianatra fahamarinana ny olona tso-po no tena tiantsika hatao. Ireto misy soso-kevitra mba hametrahana ny boky Ampianarina sy hanombohana fampianarana Baiboly amin’ny fiverenana mitsidika. Azonao ampifanarahina amin’ny faritaninao izy ireo, sady azonao lazaina amin’ny fomba fiteninao. Azonao atao koa ny mampiasa fomba hafa izay hitanao fa mandaitra.
2. Ahoana no azontsika ampiasana ireo pejy fampidirana ao amin’ny boky Ampianarina, mba hanombohana fampianarana?
2 Ampiasao ireo pejy fampidirana: Azonao atao, ohatra, ny milaza toy izao rehefa miverina: “Mampirisika antsika handinika ny Baiboly ireo gazety napetrako taminao. Mariho ange hoe nahoana no tena ilaina ny mamaky Baiboly e!” Vakio ny Isaia 48:17, 18; Jaona 17:3; na andinin-teny hafa mety tsara. Avy eo dia asehoy ny boky Ampianarina, omeo iray ilay olona, ary tohizo toy izao ilay resaka:
◼ “Manome antsika fanantenana azo antoka ny Baiboly.” Sokafy eo amin’ny pejy 4-5 ilay boky, ary anontanio ilay olona hoe: “Iza amin’ireo zavatra ampanantenaina eto no tianao hitranga?” Asehoy azy ny toko miresaka an’ilay izy, ary miaraha mandinika fehintsoratra iray na roa, raha mety izy.
◼ Azonao atao koa ny milaza hoe: “Mamaly an’ireo fanontaniana lehibe indrindra momba ny fiainana ny Baiboly.” Asehoy azy ny pejy 6, ary anontanio izy raha efa nisy nanitikitika ny sainy ny iray amin’ireo fanontaniana eo ambany ireo. Asehoy azy ny toko misy ny valin’ilay izy, ary miaraha mandinika fehintsoratra iray na roa.
◼ Azonao atao koa ny manasongadina lohateny sasany ao amin’ny fanondroam-pejy, ary manontany izay mahaliana azy ao. Asehoy ilay toko, ary hazavao vetivety ny fomba fianarana Baiboly.
3. Ahoana no azontsika anombohana fampianarana Baiboly, rehefa avy nametraka gazety miresaka momba a) ny toe-piainana miharatsy eran-tany? b) ny fianakaviana? d) ny maha azo itokiana ny Baiboly?
3 Mametraha fanontaniana rehefa mitory voalohany: Azonao atao koa ny mametraka fanontaniana hovaliana amin’ny fiverenana mitsidika, raha nandray gazety ny olona vao nitorianao. Lazao fa hovalianao amin’ny manaraka ilay izy. Miezaha manao fotoana hentitra tsara mba hiverenana, ary hajao izany. (Matio 5:37) Ampahatsiahivo azy ilay fanontaniana rehefa miverina any aminy ianao, ary valio vetivety avy ao amin’ny boky Ampianarina ilay izy. Omeo boky iray izy mba hanarahany. Ireto misy ohatra vitsivitsy:
◼ Raha miresaka momba ny toe-piainana miharatsy eran-tany ilay gazety, dia afaka miteny ianao hoe: “Azontsika dinihina amin’ny manaraka ny valiny omen’ny Baiboly momba an’ity fanontaniana ity: ‘Inona avy no fanovana hataon’Andriamanitra eto an-tany?’ ” Ampiasao ny pejy 4-5 rehefa miverina ianao. Azonao atao koa ny manontany hoe: “Sitrapon’Andriamanitra ve ny hisian’ny loza isan-karazany?” Asehoy an’ilay olona ny fehintsoratra 7-8 ao amin’ny toko voalohany, amin’ny fiverenana mitsidika.
◼ Raha miresaka momba ny fianakaviana ilay gazety napetrakao, dia azonao atao ny manontany toy izao, alohan’ny handaozanao an’ilay olona: “Inona no azon’ny mpianakavy tsirairay atao, mba hahasambatra kokoa ny fianakaviana?” Hazavao ny fehintsoratra faha-4 ao amin’ny toko 14, rehefa miverina ianao.
◼ Raha miresaka momba ny maha azo itokiana ny Baiboly ilay gazety, dia azonao atao ny mametraka ity fanontaniana ity mba hovaliana amin’ny manaraka: “Mifanaraka tsara amin’ny siansa ve ny Baiboly?” Hazavao ny fehintsoratra faha-8 ao amin’ny toko 2, amin’ny fiverenana mitsidika.
4. Inona no tokony hataontsika, raha tsy mandray ny boky Ampianarina ilay olona?
4 Mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka, isaky ny mifarana ny resaka ifanaovanareo. Diniho hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany amin’izay ilay boky, rehefa mianatra tsy tapaka ianareo. Ahoana anefa raha tsy mandray ny boky Ampianarina ilay olona? Mbola azonao atao ihany ny manatitra gazety any aminy, ary manao dinidinika ara-baiboly. Mety hanaiky hianatra izy any aoriana, raha ataonao foana izay hahaliana azy.
5. Nahoana isika no tsy tokony hianina amin’ny fametrahana gazety fotsiny?
5 Mety hahatonga olona iray ho te hianatra izay tena ampianarin’ny Baiboly, Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Miezaha mafy àry hanomboka fampianarana Baiboly, amin’ireo mandray ny gazety. Amin’izany no hankatoavantsika ilay didin’i Jesosy hoe: ‘Manaova mpianatra ary ampianaro izy ireo.’—Matio 28:19, 20.