Fampandrenesana
◼ Septambra: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Tokony hiezaka mafy isika mba hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny fitoriana voalohany. Raha efa manana io boky io ilay olona, dia asehoy azy ny fomba handraisany soa avy amin’izy io. Asehoy azy vetivety ny fomba fianarana Baiboly amin’ny alalan’io boky io. Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Raha liana ilay olona, dia atolory sy iaraho midinika ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly?, mba hanombohana fampianarana Baiboly. Novambra: Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Ny bokikely Miambena Hatrany! no atolotra ho an’ireo tsy manan-janaka. Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Azo atolotra koa ny boky Manatòna An’i Jehovah sy Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly.
◼ Misy faran’ny herinandro dimy amin’ity volana ity, ka tena tsara hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy.
◼ Hatao ny herinandron’ny 31 Martsa ny lahateny manokana amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana 2008. Holazaina any aoriana ny lohateniny. Hanao ilay lahateny manokana ny herinandro manaraka an’io, ireo fiangonana hotsidihin’ny mpiandraikitra ny faritra na hanatrika fivoriambe, amin’io faran’ny herinandro io. Tsy tokony hatao alohan’ny herinandron’ny 31 Martsa io lahateny io.
◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na izay tendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny fiangonana nandritra ny volana Jona sy Jolay ary Aogositra. Rehefa vita ilay izy, dia resaho amin’ny fiangonana, aorian’ny famakiana ny tatitra momba ny kaonty fanao isam-bolana.—Jereo ny Toromarika Momba ny Fanaovana ny Kaontin’ny Fiangonana (S-27).
◼ Kasety misy amin’ny teny malagasy:
Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe (kasety 5)
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly (kasety 4)
Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao