FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/07 p. 3
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Mandray Sakafo “Amin’ny Fotoana Mety” ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Video sy Lahatsoratra ho An’ny Fizarana 2
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Video sy Lahatsoratra ho An’ny Fizarana 1
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Ny fandaminan’Andriamanitra hita maso
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 9/07 p. 3

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Manao fivoriana manokana ny Vavolombelona sasany, mba hanaovana fikarohana na adihevitra miorina amin’ny Soratra Masina. Mankasitraka an’izany ve ny “mpanompo mahatoky sy malina”?—Matio 24:45, 47.

Tsia. Misy Kristianina miara-mivondrona anefa any amin’ny tany maro, mba hanao fikarohana momba ny loha hevitra ara-baiboly. Ao ireo miara-mianatra ny teny hebreo sy grika nanoratana ny Baiboly, mba hahitana raha marina tsara ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Ny hafa kosa manao fikarohana momba ny loha hevitra ara-baiboly mifandray amin’ny siansa. Namorona fandaharana ao amin’ny Internet izy ireo mba hahafahana hifanakalo hevitra. Manao valandresaka koa izy ireo, ary mamoaka boky mba hampahafantarana ny vokatry ny fikarohany, sy hanampiana an’ireo fanazavana omena any am-pivoriana na amin’ny alalan’ny boky sy gazety.

Maro tokoa ny toromarika sy fampaherezana azon’ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany, amin’ny alalan’ny fivoriana sy fivoriambe ary ireo boky sy gazety avoakan’ny fandaminana. Manome izay fanazavana ilain’ny vahoakany rehetra i Jehovah, mba ‘ho tafaray tsara izy ireo, ka hiray saina sy hiray hevitra’ ary “tsy ho voahozongozona amin’ny finoana.” (1 Kor. 1:10; Kol. 2:6, 7) Miorina amin’ny Tenin’ny fahamarinana ireny fanazavana ireny, ary azontsika noho ny fitarihan’ny fanahy masina. Ankasitrahantsika tokoa izay ataon’i Jehovah ho antsika amin’izao andro farany izao. Noho izany, ny “mpanompo mahatoky sy malina” dia tsy manohana na mankasitraka ireo boky na gazety, na fivoriana, na fandaharana ao amin’ny Internet, izay miresaka loha hevitra ara-baiboly nefa tsy avy amin’izy ireo.—Matio 24:45-47.

Mendri-piderana ireo miezaka mampiasa ny sainy mba hiarovana ny vaovao tsara. Tsy tokony hampihen-danja ny zavatra ataon’i Jesosy Kristy eo anivon’ny fiangonany eto an-tany anefa ny zavatra ataontsika manokana, na inona izany na inona. Nampitandrina ny Kristianina voalohany ny apostoly Paoly, mba tsy handany fotoana amin’ny fandinihana loha hevitra mandrera-tsaina. Anisan’izany ny “tantaram-pirazanana tsy mitondra na ho aiza na ho aiza. Miteraka fanontaniana ilana fikarohana izany, fa tsy fanomezana zavatra avy amin’Andriamanitra, mifandray amin’ny finoana.” (1 Tim. 1:3-7) Aoka àry ny Kristianina rehetra hiala amin’ny “fanontaniana adaladala, ny tantaram-pirazanana, ny fifandirana, ary ny ady momba ny Lalàna, fa sady tsy mahasoa izany no zava-poana.”—Tit. 3:9.

Ampirisihinay àry ireo maniry hanao fianarana na fikarohana fanampiny, mba hampiasa ny boky Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay), “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”, na bokintsika hafa, toy ireo manazava ny faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela sy Isaia ary Apokalypsy. Misy fanazavana maro azo ianarana sy saintsainina ao amin’izy ireo. Raha manao izany isika dia ‘ho feno fahalalana marina tsara ny [sitrapon’Andriamanitra] ka hanana ny fahendrena rehetra ary hahatakatra izay tiana hambara, noho ny fanampian’ny fanahy. Amin’izay dia handeha mendrika an’i Jehovah isika, mba hankasitrahany tanteraka antsika raha mbola mahavokatra hatrany koa eo amin’ny asa tsara rehetra, ary raha mbola tsy mitsaha-mitombo ny fahalalantsika tsara an’Andriamanitra.’—Kol. 1:9, 10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara