Araho ny Ohatr’i Jesosy Naneho Fifikirana Tamin’Andriamanitra
15 Ny iray amin’ireo fomba miavaka nanehoan’i Jesosy fifikirana amin’Andriamanitra dia ny ‘fitoriana ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.’ (Lioka 4:43) Taorian’ny batisany tao Jordana tamin’ny taona 29, i Jesosy dia nandany ireo telo taona sy tapany nanaraka tamin’ny fanaovana io asa lehibe dia lehibe io tamin’ny fomba feno. “Izany no nahatongavako”, hoy ny fanazavany. (Marka 1:38; Jaona 18:37) Amin’ny ahoana anefa no maha-fanehoana fifikirana amin’Andriamanitra izany?
16 Tsarovy fa mahafaoka ny fiainana amin’ny fomba ankasitrahan’Andriamanitra ny fifikirana amin’Andriamanitra satria tia azy isika ary manana fankasitrahana lalina ireo toetrany maha-te-ho tia. Inona àry no nanosika an’i Jesosy handany ireo taona farany teo amin’ny fiainany tamin’ny fitoriana sy fampianarana tamin’ny fomba feno? Ny fanatanterahana adidy na andraikitra fotsiny ve? Tsy azo lavina fa niahy ny amin’ireo olona i Jesosy. (Matio 9:35, 36) Ary fantany tsara fa ny nanosorana azy tamin’ny fanahy masina dia fanendrena azy hanatanteraka ny fanompoany. (Lioka 4:16-21) Kanefa mbola lalina kokoa noho izany ny antony nanosika azy hanao zavatra.
17 “Tiako ny Ray”, hoy ny teny tsotra nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoliny tamin’ny alina farany tamin’ny fiainany teto an-tany. (Jaona 14:31) Mifototra amin’ny fahalalana lalina sy akaiky ireo toetran’i Jehovah izany fitiavana izany. (Lioka 10:22) Voatosiky ny fo voatohin’ny fankasitrahana lalina i Jesosy ka nahita fahafinaretana tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. (Sal. 40:8) Izany no ‘haniny’—sady tena nilaina aoka izany ho an’ny fiainany, no tena natsiro tokoa. (Jaona 4:34) Namela ohatra tanteraka ny amin’ny ‘fikatsahana ny fanjakana aloha’ izy toy izay ny fametrahana ny tenany manokana aloha. (Matio 6:33) Koa tsy dia ny zavatra nataony loatra na ny habetsahan’ny zavatra nataony, fa ny antony nanosika azy hanao izany no nahatonga ny fitoriana sy ny fampianarana nataony nandritra ny fanompoany ho fanehoana ny fifikirany tamin’Andriamanitra.
18 Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatr’ilay “modely”, dia i Jesosy, amin’io lafiny io? (1 Pet. 2:21, TV) Izay rehetra namaly ny fanasan’i Jesosy hoe: “Avia, manaraha Ahy”, dia nandray fanirahana avy amin’Andriamanitra hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy hanao mpianatra. (Lioka 18:22; Matio 24:14; 28:19, 20) Milaza ve izany fa raha mandray anjara tsindraindray amin’ny fanambarana ny vaovao tsara isika, dia maneho fifikirana amin’Andriamanitra? Tsy voatery ho izany. Raha toa isika ka mandray anjara amin’ny fanompoana, zara fa manao fotsiny, na mba hahazo sitraka amin’ny mpianakavintsika na olon-kafa, dia tsy ho azo lazaina fa ‘asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra’ mihitsy izany.—2 Pet. 3:11, TV.
19 Toy ny tamin’i Jesosy, dia tsy maintsy lalina kokoa ny antony manosika antsika hanao zavatra. Hoy i Jesosy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra [ny fihetseham-ponao, ny fanirianao, ary ny toetrao anaty] sy ny fanahinao rehetra [ny fiainanao sy ny tenanao iray manontolo] sy ny sainao rehetra [ny fahaizanao ara-tsaina] ary ny herinao rehetra.” Ary izao no nanampin’ny mpanora-dalàna nahataka-javatra iray izany: “Mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.” (Marka 12:30, 33, 34) Koa tsy izay ataontsika ihany àry no zava-dehibe fa ny antony manosika antsika hanao izany koa. Fitiavana lalim-paka an’Andriamanitra izay mahakasika ny tenantsika iray manontolo no tsy maintsy ho antony voalohany indrindra manosika antsika handray anjara amin’ny fanompoana. Raha izany no izy, dia tsy hianina amin’ny fanaovana izay zara fa vitantsika fotsiny isika, fa ho voatosika kosa isika hampiseho ny halalin’ny fifikirantsika amin’Andriamanitra amin’ny fanaovana ny faran’izay mety ho vitantsika. (2 Tim. 2:15) Miaraka amin’izany, rehefa ny fitiavantsika an’Andriamanitra no manosika antsika, dia tsy ho be fanakianana isika, ka hampitaha ny fanompoantsika amin’ny an’ny hafa.—Gal. 6:4.
20 Manao ahoana moa ny halalin’ny fankasitrahantsika noho ny nampihariharian’i Jehovah tamintsika ny zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra! Ny fianarana amim-pitandremana ireo zavatra nolazain’i Jesosy sy nataony ary ny fiezahana mba hanahaka azy, dia hanampy antsika sady hamboly no haneho fifikirana amin’Andriamanitra amin’ny fomba feno kokoa. Hanome fitahiana tondraka antsika Jehovah raha manaraka ny ohatr’i Jesosy isika amin’ny fanehoana fifikirana amin’Andriamanitra hatrany amin’ny maha-kristianina nanolo-tena sy vita batisa.—1 Tim. 4:7, 8.
[Teny notsongaina, pejy 3]
Avy amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1990, pejy 19-20.