FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/07 p. 4
  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 12/07 p. 4

Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 31 Desambra 2007. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 5 Novambra ka hatramin’ny 31 Desambra 2007 izy io.

ZAVATRA TANDREMANA

1. Inona no tokony hotadidintsika raha tiantsika handaitra ny famaranan-tenintsika? [be p. 221, feh. 1-4]

2. Inona no tokony hataontsika mba ho azo antoka fa marina ny zavatra lazaintsika eny amin’ny fanompoana? [be p. 223, feh. 2-4]

3. Rehefa manao lahateny na anjara hafa any am-pivoriana isika, ahoana no ampisehoantsika fa ekentsika hoe “andry sy tohana ho an’ny fahamarinana” ny fiangonana? (1 Tim. 3:15) [be p. 224, feh. 1-4]

4. Nahoana no ilaina ny manamarina ny zavatra lazaintsika, ary ahoana no hanaovana izany? [be p. 225, feh. 1-2]

5. Inona no azontsika atao mba ho mora azo ny fanazavantsika rehefa mampianatra? [be p. 226, feh. 3–p. 227, feh. 1]

ANJARA No. 1

6. Inona no manaporofo fa marina ny tantaran’i Jona? [si p. 153, feh. 3]

7. Inona no faminanian’i Mika mifandray amin’ny fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra, tarihin’i Kristy Jesosy? [si 158, feh. 18]

8. Inona no manaporofo fa avy amin’Andriamanitra ny bokin’i Habakoka? [si p. 161, feh. 4]

9. Inona no asa tokony ho nataon’ireo Jiosy avy tany an-tsesitany? Nahoana no mbola tsy vitan’izy ireo izany tamin’ny 520 T.K.? (Hagay 1:4) (Hagay 1:⁠4) [si p. 166, feh. 3]

10. Inona ilay andro mahafaly noresahin’i Zakaria imbetsaka? [si p. 172, feh. 26]

FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO

11. Ahoana no nahatanterahan’ilay faminanian’i Joela momba ny fanafihan’ny bibikely, tamin’ny taonjato voalohany? Ahoana no ahatanterahan’izy io ankehitriny? (Joela 2:1-10; 3:1) [w 1/10/07 “Velona ny Tenin’i Jehovah—Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Joela sy Amosa”]

12. Inona no dikan’ilay “harona feno voankazo masaka fahavaratra”? (Amosa 8:1, 2) [w 1/10/07 “Velona ny Tenin’i Jehovah—Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Joela sy Amosa”]

13. Inona no dikan’ny hoe ‘nanenina [i Jehovah] ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezana’ an’ireo Ninivita? Inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika? [w 15/7/03 p. 17-18]

14. Inona no dikan’ny hoe mandeha amin’ny anaran’i Jehovah? (Mika 4:5) [w 15/8/03 p. 17, feh. 19]

15. Oviana i Jehovah no tonga tao amin’ny ‘tempoliny’ ara-panahy mba hitsara, ary inona no nataony tamin’izany? (Mal. 3:1-3) [re p. 32, efajoro; w 1/4/07 p. 22, feh. 4]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara