Ampiasao Tsara ny Fotoananao Rehefa Manompo
1 Mbola betsaka ny asa fanompoana tokony hotontosaintsika, nefa efa kely sisa ny fotoana tavela. (Jaona 4:35; 1 Kor. 7:29) Tsy ho verivery fotsiny ny fotoana atokantsika anompoana, raha manao fandaharana mialoha sy miomana tsara isika.
2 Miomàna: Ataovy vonona ny boky sy gazety ilainao eny amin’ny fanompoana ary omano tsara izay horesahinao, alohan’ny hamonjena fivoriana alohan’ny fanompoana. Mankanesa avy hatrany eny amin’ny faritany raha vao vita ny vavaka. Amin’izay ianao sy ireo miara-manompo aminao dia hahavita fanompoana faran’izay betsaka.
3 Manomboha ara-potoana, raha voatendry hitarika ny fivoriana alohan’ny fanompoana ianao. Ataovy fohy ilay izy, izany hoe 10 ka hatramin’ny 15 minitra. Tokony hana-namana sy hahalala ny faritany itoriana ny rehetra, alohan’ny hisarahana.
4 Rehefa mitory: Aza mitaredretra rehefa vita ny fivoriana alohan’ny fanompoana, fa mankanesa avy hatrany eny amin’ny faritany. Manehoa fiheverana an’ireo mpitory namanao, rehefa eny am-pitoriana. Aza lava resaka mba tsy hiandry ela izy ireo. Mety hidika izany hoe mila mandao amim-panajana ny olona iray tia ady hevitra ianao, na koa hanao fotoana amin’ny olona liana.—Matio 10:11.
5 Afaka mitsitsy fotoana ianao raha ataonao amin’ny fotoana iray ny fiverenana mitsidika rehetra ao amin’ny faritra iray. Azonao atambatra amin’ny andro iray ny fitsidihana ny olona liana ao amin’ny faritra iray. (Ohab. 21:5) Tsy ho lany eny an-dalana ny fotoananao amin’izay, ary ho betsaka kokoa ny olona ho voatsidikao. Mampiasa tsara ny fotoana anompoanao ianao raha manao izany.
6 Ao anatin’ny fotoam-pijinjana lehibe isika izao. (Matio 9:37, 38) Hifarana tsy hoe ela izy io. Aoka àry isika hampiasa tsara ny fotoanantsika rehefa manompo.