Fivoriana Momba ny Fanompoana
FANAMARIHANA: Hisy fandaharana ho an’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana isan-kerinandro foana ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, mandritra ny volana Aogositra. Azo ovana araka izay ilaina ilay fandaharana, rehefa hanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Araho ny Fitarihan’ny Fanahy Masina” ny fiangonana. Manokàna 15 minitra amin’ilay Fivoriana Momba ny Fanompoana alohan’ny fivoriambe, mba hijerena indray ireo fampahatsiahivana ato amin’ity Fanompoantsika Ilay Fanjakana ity. Iray na roa volana aorian’ny fivoriambenareo, dia manokàna 15 na 20 minitra mba hamerenana ireo hevitra nisongadina tamin’ny fivoriambe. Ataovy mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana izany (angamba atao solon’ny zavatra ilain’ny fiangonana). Azo resahina izay hevitra hitantsika fa manampy antsika hahomby kokoa eo amin’ny fanompoana. Ny mpiandraikitra ny fanompoana no tokony hitarika ilay famerenana. Asao ny mpanatrika hilaza ny fomba nampiharany na eritreretiny hampiharana ilay fanazavana eny amin’ny fanompoana.
Herinandron’ny 14 Jolay
10 min: Fampandrenesana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, na izay mety amin’ny faritaninareo, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona sy ny Mifohaza! Jona.
15 min: Sahy Miteny ve Ianao? Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2006, pejy 13-16. Asongadino fa ilaina ny fahasahiana rehefa mitory.
20 min: Fandinihana indray ilay taratasy tamin’ny 12 Desambra 2006. Ataon’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha. Vakio aloha ilay taratasy, ary iaraho midinika avy eo. Natao hampirisihana an’ireo rahalahy hamboly sy hihinana sakafo misy otrikaina izy io. Ampirisiho àry izy ireo hiezaka mafy hamboly zavatra kely. Asaivo mihinana anana sy legioma koa izy, fa tsy vary fotsiny. Manadinadìna rahalahy na anabavy nanaraka an’ireo torohevitra ireo.
Herinandron’ny 21 Jolay
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 3. Ampahatsiahivo ny mpanatrika hitondra Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay sy ny Mifohaza! Jolay, amin’ny herinandro manaraka, sady hieritreritra mialoha ny fomba azo ametrahana an’ireo gazety ireo eny amin’ny faritany.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: “Manomàna Tsara Rehefa Hiverina Hitsidika.”a Asio fampisehoana maharitra efatra minitra. Mpitory iray manomana tsara alohan’ny hanaovana fiverenana mitsidika. Mijery ny fandraisany an-tsoratra izy, ary mahita fa misy olona roa tokony hotsidihiny amin’ny faran’ny herinandro. Jereny aloha ny zavatra efa noresahiny tamin’ireo olona ireo, ary eritreretiny ny zavatra tokony hataony. Manomana ny fomba hanombohana fampianarana Baiboly amin’ilay olona voalohany izy. Manomana soso-kevitra iray avy ao amin’ny fehintsoratra 5 kosa izy, mba hahatonga an’ilay olona faharoa ho liana kokoa.
Herinandron’ny 28 Jolay
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny rehetra mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Jolay. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny taratasy fankasitrahana an’ireo fanomezana. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Aogositra, ary asio fampisehoana iray.
15 min: Aoka Isika ho Vonona Foana. Lahateny velombelona miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 2006, pejy 18-19, fehintsoratra 17-21.
20 min: Miomàna Hanolotra An’ireo Gazety Farany. Fiaraha-midinika. Resaho vetivety ny votoatin’ny Mifohaza! Jolay sy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay. Anontanio ny mpanatrika avy eo hoe inona no lahatsoratra mety hahaliana ny olona eny amin’ny faritany, ary nahoana. Asao izy ireo hilaza izay hevitra tiany hasongadina, rehefa hametraka an’ireo gazety ireo. Inona no fanontaniana tsara hapetraka mba hanombohan-dresaka? Inona no andinin-teny ao amin’ilay lahatsoratra tsara hovakina? Manaova fampisehoana avy eo, ka ampiasao ny iray amin’ireo fanolorana gazety ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana na ny fanoloran-kevitra iray noresahin’ny mpanatrika.
Herinandron’ny 4 Aogositra
10 min: Fampandrenesana.
15 min: Vonona Handresy ny Olana Mahazo azy any Am-pianarana ve ny Zanakao? Lahateny sy fiaraha-midinika. Resaho ireo olana sasany mahazo ny tanora Vavolombelona any am-pianarana. Hazavao hoe ahoana no azon’ny ray aman-dreny sy ny zanany ampiasana ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahitana fanazavana mahasoa. Manomeza ohatra. (Jereo ny lohateny lehibe hoe “Sekoly”, ary ny lohatenikely eo ambaniny hoe “fitantarana.”) Manasà tanora vitsivitsy hilaza ny fomba nanampian’ny ray aman-dreniny azy handresy olana tany am-pianarana sy hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Azony resahina koa ny famelabelarana nataony, ka nampiasany fanazavana avy tao amin’ny Mifohaza! Anontanio izy hoe: ‘Niaro anao ve ny fitoriana tany am-pianarana? Hazavao.’
20 min: “Mandrava Zavatra efa Mafy Orina Isika.”b Asao ny mpanatrika hitantara hoe inona no nataon’ilay mpitory nampianatra azy, mba hanampiana azy tsikelikely hiala tamin’ny fampianaran-diso efa ninoany hatry ny ela.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.