FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/08 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 7/08 p. 3

Fampandrenesana

◼ Jolay sy Aogositra: Iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Miambena Hatrany!, Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, ary Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Septambra: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Tokony hiezaka mafy isika mba hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny fitoriana voalohany. Raha efa manana io boky io ilay olona, dia asehoy azy ny fomba handraisany soa avy amin’izy io. Asehoy azy vetivety ny fomba fianarana Baiboly amin’ny alalan’io boky io. Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Raha liana ilay olona, dia atolory sy iaraho midinika ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly?, mba hanombohana fampianarana Baiboly.

◼ Rehefa mandefa taratasy fangatahana hanao mpisava lalana maharitra atỳ amin’ny sampana ianareo, dia tsara raha alefanareo iray volana alohan’ny daty hanombohan’ilay mpitory izany, fara fahakeliny. Tokony hohamarinin’ny mpitan-tsoratra raha feno tsara ilay taratasy. Raha tsy mahatadidy ny datin’ny batisany ilay mpanao fangatahana, dia tokony hofantapantariny ilay izy, ka hosoratany mba ho tadidiny. Hosoratan’ny mpitan-tsoratra ao amin’ny Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitory (S-21) ilay daty.

◼ Misy faran’ny herinandro dimy amin’ny Aogositra, ka tena tsara hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy.

◼ Nanomboka tamin’ny Janoary 2008, dia efa misy ao amin’ny Internet Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! noraisim-peo. Amin’ny teny anglisy sy espaniola izy ireo, ary ny www.pr2711.com no adiresy misy azy. Aleon’ny rahalahy maro maka an’ireo gazety noraisim-peo ireo, satria efa ao amin’ny Internet ilay izy alohan’ny hahatongavan’ny gazety amin’ny CD na MP3 any amin’ny fiangonana. Marina fa tsy maintsy mandoa vola ny fandaminana, rehefa mametraka azy ireny ao amin’ny Internet. Kely kokoa anefa ny vola lany amin’ilay izy, raha oharina amin’ny famokarana sy fandefasana CD. Iangavianay àry izay mpitory maka azy ireny, mba tsy hanafatra CD na MP3 amin’ny mpikarakara ny gazety intsony. Misy amin’ireto fiteny ireto koa ilay ao amin’ny Internet: alemà, danoà, frantsay, italianina, japoney, koreanina, rosianina, soedoà, ary tseky.

◼ Manomboka amin’ny Septambra, ny mpiandraikitra ny faritra dia hanao ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Aza Mivadika Mihitsy.”

◼ Tsy mikarakara ny fanafarana boky alefan’ny mpitory isam-batan’olona ny sampana. Tokony hampanao fampandrenesana isam-bolana ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, alohan’ny handefasan’ny fiangonana ny fanafarany boky isam-bolana atỳ amin’ny sampana. Afaka manatona an’ilay rahalahy mpikarakara ny boky amin’izay ireo rehetra te hanafatra boky. Tadidio hoe boky inona no anisan’ireo zavatra hafarana manokana.

◼ Tokony hatao amin’ny 31 Aogositra 2008, na aoriana kelin’izay, ny fanisana isan-taona ny boky sy gazety rehetra eo am-pelatanana. Fanisana toy ny ataon’ny mpandrindra ny boky isam-bolana izy io, ary tokony hampidirina ao amin’ny taratasy Filazana ny Isan’ny Boky sy Gazety (S-18). Tokony hangatahina amin’ny mpikarakara ny gazety, ny tontalin’ny gazety eo am-pelatanana. Tokony hanara-maso an’ilay fanisana ny mpitan-tsoratry ny fiangonana mpandrindra. Hanisy sonia an’ilay taratasy izy sy ny mpiandraikitra mpitantan-draharahan’ny fiangonana mpandrindra. Haharay taratasy Filazana ny Isan’ny Boky sy Gazety telo avy ny fiangonana mpandrindra rehetra. Fenoy aloha ny iray. Adikao madio ao amin’ireo taratasy roa ambiny izy io avy eo, ka ny iray alefaso atỳ amin’ny sampana, fara fahatarany, ny 6 Septambra. Tehirizo ao amin’ny antontan-taratasin’ny fiangonana kosa ilay iray hafa. Azo rovitina ilay nosoratana voalohany.

◼ Tsara raha ny boky Ampianarina no hampiasaina hanombohana sy hitarihana fampianarana Baiboly, manomboka izao. Mbola azo atolotra ihany anefa ny bokikely Takina, mandra-pahatapitry ny tahirintsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara