Afaka Manompo ve Ianao Rehefa Alahady?
1. Inona no ianarantsika avy amin’i Paoly sy ny namany, tamin’izy ireo tany Filipy?
1 Niala sasatra ny ankamaroan’ny Jiosy tany Filipy rehefa Sabata. Nitsidika an’io tanàna io i Paoly sy ny namany, tamin’ny dia misionera nataony. Tsy diso mihitsy izy ireo raha mba niala sasatra koa tamin’io andro io fa tsy nanompo. Fantatr’izy ireo anefa, fa nisy Jiosy nivory tao ivelan’ny tanàna mba hivavaka, ka nanararaotra nitory izy ireo. Azo inoana fa faly be ry zareo, rehefa nihaino i Lydia ary natao batisa izy sy ny ankohonany manontolo! (Asa. 16:13-15) Betsaka koa izao ny olona miala sasatra, rehefa alahady. Maninona àry raha mba manokana fotoana kely amin’io andro io mba hitoriana amin’izy ireny?
2. Inona no zava-tsarotra tsy maintsy noresen’ny vahoakan’i Jehovah, mba hahafahana hitory alahady?
2 Niady mafy vao afaka nitory alahady: Nampirisihina ny vahoakan’i Jehovah, tamin’ny 1927, mba hanompo kely isaky ny alahady. Niteraka fanoherana anefa izany. Maro no nosamborina tany Etazonia, satria manakorontana sy mandika ny lalàna momba ny Sabata alahady, hono, ary mivarotra tsy misy fahazoan-dalana. Tsy nilavo lefona anefa ny vahoakan’i Jehovah. Nandamina ezaka manokana nantsoina hoe “fitorian’ny andiany” izy ireo, taoriana kelin’ny 1930, ka niara-nientana ny andia-mpitory avy amin’ireo fiangonana mifanakaiky mba hamita faritany iray. Be loatra ny mpitory nosamborina indraindray, ka very hevitra ny polisy. Lasa afaka mitory an-kalalahana isika rehefa alahady, noho ny ezaka mafy nataon’ireny rahalahintsika ireny. Tsy mba mankasitraka azy ireo ve ianao?
3. Nahoana ny alahady no tena tsara anompoana?
3 Andro mety tsara itoriana: Maro no tratra an-trano rehefa alahady, satria tsy miasa. Mora iresahana kokoa ny olona amin’io fotoana io. Na ny mpiangona aza vonona kokoa hiresaka momba an’Andriamanitra, rehefa alahady. Maro amintsika no mivory alahady, ka tsy mila misolo akanjo intsony rehefa hitory. Maninona àry raha manao fandaharana hanompo eny amin’ny saha, aloha na aorian’ny fivoriana?
4. Inona no soa ho azontsika raha manompo isika ny alahady?
4 Na manokana fotoana hanompoana aza isika ny alahady, dia mbola afaka miala sasatra ihany. Ho afa-po koa isika amin’izay, satria nandray anjara tamin’ny fanompoana masina. (Ohab. 19:23) Mety hahita olona liana toa an’i Lydia mihitsy aza isika!