FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/11 p. 3
  • ‘Hatao Anie ny Sitrapon’Andriamanitra’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Hatao Anie ny Sitrapon’Andriamanitra’
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Arovy ny Feon’ny Fieritreretanao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • ‘Sakafo Amin’ny Fotoana Mety’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mahasoa mba Hampianarana ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Mihainoa ary Mianara
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
km 8/11 p. 3

‘Hatao Anie ny Sitrapon’Andriamanitra’

1. Inona no foto-kevitry ny fivoriambe manokana amin’ny taom-panompoana 2012? Nahoana no tena mety io foto-kevitra io?

1 Noho ny sitrapon’i Jehovah no nampisy antsika. (Apok. 4:11) Mila mianatra sy manao ny sitrapon’Andriamanitra àry isika, mba hahatratra ny zava-kendreny ny fisiantsika. Tsy mora anefa izany, satria tsy maintsy miady mafy isika mba tsy hanao “izay danin’ny nofontsika sy ny saintsika” fotsiny, na hanao “ny sitrapon’izao tontolo izao.” (Efes. 2:3; 1 Pet. 4:3; 2 Pet. 2:10) Raha tsy mahazo fanampiana avy amin’Andriamanitra aza isika, dia mety ‘hataon’ny Devoly sambo-belona hanaraka ny sitrapony.’ (2 Tim. 2:26) Ny fivoriambe manokana iray andro amin’ny taom-panompoana 2012 dia hanampy antsika tsirairay, mba hiaina mifanaraka amin’ilay fangatahana fahatelo ao amin’ilay vavaka modely. Tsy inona izany fa ilay hoe: ‘Hatao anie ny sitraponao.’—Mat. 6:9, 10.

2. Inona avy ireo fanontaniana hovaliana mandritra ny fandaharana?

2 Fanontaniana hovaliana: Tadiavo ny valin’ireto fanontaniana ireto rehefa manaraka an’ilay fandaharana ianao: Inona koa no zava-dehibe ankoatra ny hoe mihaino ny Tenin’Andriamanitra? Inona no tokony hataontsika mba ho fantatsika foana ny sitrapon’Andriamanitra momba antsika? Nahoana isika no tokony ho vonona hanampy ny karazan’olona rehetra? Inona no tokony hataonao mba hananana fiainana tena mahafa-po? Ry tanora, inona no tokony hoporofoinao amin’i Jehovah? Inona no valisoa azon’ireo manao ny sitrapon’Andriamanitra? Nahoana no tena ilaina maika ny mampahery ny hafa?

3. Inona no azonao atao, raha tianao ny handray soa faran’izay betsaka amin’ilay fandaharana?

3 Ataovy izay hanatrehanao azy io, ary araho tsara ilay fandaharana. Hisy mpandahateny mpitsidika amin’io. Mety ho solontenan’ny Betela izany, na mpiandraikitra ny faritra. Aza misalasala miresaka aminy sy ny vadiny (raha manambady izy), aloha sy aorian’ny fandaharana. Aoka ianao tsy ho “mpihaino mpanadino.” Tokony hanao jery todika an’ilay fandaharana ianao sy ny fianakavianao rehefa tonga any an-trano, ary handinika ny fomba azonareo hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fomba feno kokoa.—Jak. 1:25.

4. Nahoana no tokony hataontsika loha laharana foana ny sitrapon’Andriamanitra?

4 Tsy ho ela dia horinganina ireo tsy mety manao ny sitrapon’i Jehovah, fa mifantoka amin’ny fanirian’ny tenany manokana. (1 Jaona 2:17) Tena mankasitraka an’i Jehovah isika, noho izy nanomana an’io fandaharana tonga ara-potoana io, mba hanampiana antsika hanao ny sitrapon’Andriamanitra ho loha laharana foana!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara