FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/12 p. 2
  • Aza Matahotra Mitory eny An-tsena!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Matahotra Mitory eny An-tsena!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Mitoria eny Amin’ny Faritany Be Toeram-piasana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
  • Fomba Fitoriana any Amin’ny Faritany be Fandraharahana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Torio Hatraiza Hatraiza ny Vaovao Tsara
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Fialam-boly Tena Mahasoa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
km 3/12 p. 2

Aza Matahotra Mitory eny An-tsena!

1. Nahoana isika no tsy tokony ho kivy na dia toa mampahatahotra aza ny mitory eny an-tsena?

1 Menatra ve ianao mitory eny an-tsena, na eny amin’ny fivarotana lehibe na mihaja be? Aza kivy fa na i Paoly aza tsy maintsy “nisikina herim-po” rehefa nitory, nefa izy olona sahisahy be. (1 Tes. 2:2) Ireto misy zavatra mampanahy ny mpitory maro, sy ny vahaolana amin’izany.

2. Inona no tokony hotadidinao raha matahotra ianao hoe ho tezitra aminao ny mpivarotra?

2 Sao dia ho tezitra amiko ry zareo? Natao handray izay olona tonga eo ny mpivarotra. Matetika izy ireo no manaja, satria heveriny hoe mpividy ianao. Manaova àry akanjo mihaja tsara, ary miezaha ho sariaka. Handray tsara anao izy amin’izay.

3. Inona no tokony hatao raha hitory amin’ny fivarotana be mpividy?

3 Ahoana raha be dia be ny mpividy? Aleo rehefa tsy be olona no mankeo amin’ilay fivarotana ianao, ohatra hoe raha vao misokatra ilay izy. Miandrasa aloha raha mbola mandray olona ilay mpivarotra. Ataovy fohy kely ny teninao.

4. Inona no azo lazaina rehefa mitory eny amin’ny fivarotana?

4 Inona no holazaiko? Raha olona maromaro no hitanao eo, dia izay tompon’andraikitra aloha iresahana. Afaka miteny ianao hoe: “Tsy dia tratra an-trano ny mpivarotra hoatr’anareo, dia izay no andehananay etỳ. Ianao anefa miasa be, ka tsy hiresaka ela izahay.” Raha hitanao hoe mety hoheveriny ho mpivarotra boky ianao, dia aza mangataka fanomezana, raha tsy hoe izy no manontany. Ierao izy avy eo raha afaka miresaka vetivety amin’ny mpiasany ianao. Ilay fitoriana nataonao teo ihany averina amin’izy ireo. Omeo taratasy mivalona fotsiny ireo mpiasa, raha sahirana be. Raha tsy afaka miresaka amin’izy ireo ianao, dia anontanio ilay mpampiasa hoe: ‘Afaka mametraka zavatra aminao ve aho mba hovakin-dry zareo?’

5. Nahoana isika no tsy tokony hatahotra hitory eny an-tsena?

5 Tsy natahotra nitory i Jesosy sy Paoly, na taiza na taiza nisy olona. (Mat. 4:18-21; 9:9; Asa. 17:17) Matokia fa ho vitanao koa izany. Mivavaha amin’i Jehovah mba ho tony sy ho sahy. (Asa. 4:29) Tsy mahatratra olona isika indraindray rehefa mitory isan-trano. Eny an-tsena kosa misy olona foana. Manandrama àry mitory eny, dia hahita vokatra ianao!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara