Torio Hatraiza Hatraiza ny Vaovao Tsara
1 Ny Kristiana tany am-boalohany dia nitory ny vaovao tsara hatraiza hatraiza. Be zotom-po aoka izany izy ireo, hany ka tao anatin’ny 30 taona taorian’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, ny hafatra momba ilay Fanjakana dia efa “notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny”. — Kol. 1:23.
2 Ny mpanompon’i Jehovah be zotom-po amin’izao andro izao dia manana io zava-kendrena io koa — dia ny hitondra ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana any amin’ny olona betsaka araka izay azo atao. Inona no afaka manampy antsika hanatanteraka io tanjona io? Olona mihamaro hatrany no miasa manontolo andro ka tsy ao an-tranony matetika rehefa mitsidika isika. Rehefa tsy miasa izy ireny, dia angamba manao dia, na miantsena, na manao fanarian-dia iray. Ahoana no itondrana ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ireo izay mendrika eo amin’izy ireny? — Matio 10:11.
3 Ny sasany dia hita any amin’ny toeram-piasany. Na dia tanàna kely aza dia manana faritra fandraharahana izay andanian’ny olona maro ny ankabeazan’ny andro. Any amin’ireo tanàn-dehibe, ireo olona izay miasa any amin’ny faritra feno orinasa na trano fiasana dia mahazo fanambarana — sambany ho an’ny maro aminy. Amin’ny faran’ny herinandro, ny sasany izay hita fony izy niala voly teny amin’ny zaridainam-panjakana, teny amin’ny toerana fanarian-dia, teny amin’ny fanaovana lasy na tany amin’ny trano fanaovana vakansy na teo am-piandrasana teny amin’ny parking tao amin’ny faritra be fivarotana na teny an-tsena, dia hita fa nihaino tsara ny vaovao tsara.
4 Mpitory mihamitombo isa no manao ezaka manokana mba hitory eny an-kalamanjana, na aiza na aiza ahitana olona. Tamin’ny voalohany, dia niakanakana sy hendratrendratra ihany ireny Vavolombelona ireny noho izy ireo zatra ny fitoriana ao amin’ny tarehin-javatra voalahatra kokoa, toy ny isan-trano. Inona no tsapan’izy ireo ankehitriny?
5 “Nanome aina indray ny fanompoako izy io!”, hoy ny fihiakan’ny rahalahy za-draharaha iray. Nanampy toy izao ny iray hafa: “Manampy ahy hifantoka izy io.” Nanamarika toy izao ny mpisava lalana be taona iray: “Nohatanjahina ara-tsaina sy ara-batana ary ara-panahy aho, (...) ary dia mbola mitombo aho.” Nanamarika ny mpitory iray fa izao izy dia mahatratra olona maro izay mbola tsy niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy taloha. Ny tanora koa dia mandray anjara amin-kafanam-po amin’io asa mahafaly io. Manambara ny ao am-pony amin’izao fomba izao ny tanora iray: “Mahafinaritra ilay izy satria afaka miresaka amin’olona maro be ny tena.” Milaza ny iray hafa hoe: “Mahapetraka zavatra vita an-tsoratra betsaka kokoa noho ny hatramin’izay aho!” Izany rehetra izany dia mitranga any amin’ny faritany averimberina iasana.
6 Mitari-dalana ireo mpiandraikitra mpitety faritany: Noho ny fiekeny fa “eo am-piovana ny sehatr’itỳ tontolo itỳ”, ny Fikambanana, vao haingana, dia nanolo-kevitra ny hanitsian’ireo mpiandraikitra mpitety faritany ny fandaharam-potoanany amin’ny fanompoana eny amin’ny saha isan-kerinandro mba hahafahana hitondra ny vaovao tsara any amin’ny olona betsaka araka izay azo atao. (1 Kor. 7:31, NW ). Nandritra ny taona maro, ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany dia nanokana ny maraina ao anatin’ny herinandro handraisana anjara amin’ny fitoriana isan-trano, ary ny tolakandro dia natokana hanaovana fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Any amin’ny faritra sasany, io fandaharam-potoana io dia mety mbola ho azo ampiharina. Any amin’ny hafa, dia mety tsy hahavitana firy ny fitoriana isan-trano mandritra ny maraina ao anatin’ny herinandro sasany. Amin’ny toe-javatra toy izany, ny mpiandraikitra mpitety faritany dia mety hanapa-kevitra fa, ny maraina dia tsara handraisana anjara amin’ny fitoriana isam-pivarotana na eny amin’ny arabe. Na mety handamina ny hitorian’ny antokona mpitory vitsivitsy any amin’ny trano fiasana, na any amin’ny faritra be fivarotana, na eny amin’ny parking, na any amin’ny toerana an-kalamanjana hafa, izy. Amin’ny fampiasan’ireo mpitory amin’ny fomba mandaitra kokoa ny fotoana natao ho an’ny fanompoana eny amin’ny saha, dia olona maro kokoa no hita.
7 Milaza ny tatitra fa io fanitsiana io dia noraisin’ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny mpitory tamin’ny fomba tena tsara. Nisy Fitambaran-doholona sasantsasany nanasa ny mpiandraikitra ny fizaran-tany hampiofana mpitory vitsivitsy eo amin’ny lafiny amin’ny fitoriana izay mila fiheverana eo an-toerana. Nanampy an’ireny mpitory ireny ny niarahany tamin’ilay mpiandraikitra mpitety faritany rehefa mandray anjara amin’ny iray amin’ireo asa ireo izy. Izy ireny indray kosa dia afaka mampiofana ny hafa. (2 Tim. 2:2). Ho vokany, dia olona maro kokoa no itondrana ny vaovao tsara ankehitriny.
8 Mazava ho azy fa tsy voatery miandry ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ianao vao hanandrana ny sasany amin’ireo fomba fitory hafa ireo. Indreto misy hevitra maro samihafa izay mety ho hitanao fa azo ampiharina eo amin’ny faritaninao:
9 Fitoriana eny amin’ny arabe: ‘Nankaiza daholo ny olona?’, hoy isika manontany tena indraindray rehefa mitsidika faritra fonenana tsy misy olona amin’ny maraina ao anatin’ny herinandro isika. Ny sasany mety ho hita mikarakara zavatra na miantsena. Efa nanandrana nanatratra azy ireny tamin’ny alalan’ny fitoriana teny amin’ny arabe ve ianao? Rehefa atao araka ny tokony ho izy io lafiny iray amin’ny fanompoana io, dia afaka ny ho tena mahavokatra. Tsy hijanona eo amin’ny toerana iray miaraka amin’ireo gazety ianao, fa tsara indrindra kosa ny hanatonana olona sy ny hanombohana resaka amim-pisakaizana. Tsy ilaina ny hitoriana amin’ny mpandalo rehetra. Miresaha amin’ireo izay tsy maika, toy ny mpijery magazay, ireo ao anaty fiara mijanona eo amin’ny toerana iray, na ny olona miandry fitateram-bahoaka. Amin’ny voalohany, dia mety hiarahaba amim-pisakaizana fotsiny ianao ary hiandry valiny. Raha maniry hiresaka ilay olona, dia anontanio ny heviny ny amin’ny foto-kevitra iray heverinao fa mety hahaliana azy.
10 Ny mpiandraikitra mpitety faritany iray dia nanasa mpitory enina hiaraka aminy sy ny vadiny hanao fitoriana eny amin’ny arabe. Inona no vokany? “Tena nahafinaritra iny tapany maraina iny!”, hoy ny tatitra nataony. “Tsy nisy tsy tratra an-trano mihitsy. Gazety valopolo sy taratasy mivalona maro no voapetraka. Nanao resaka namelombelona maromaro izahay. Ny iray tamin’ireo mpitory, izay sambany vao nandray anjara tamin’ny fitoriana teny amin’ny arabe, dia nihiaka hoe: ‘Efa tao amin’ny fahamarinana nandritra ny taona maro aho ary tsy takatro fa maty antoka aho!’ Tamin’ny faran’ilay herinandro dia lany ny tahirin-gazetin’ny kongregasiona izay tafahoatra.
11 Fony nanompo ny kongregasiona nanaraka io mpiandraikitra mpitety faritany io, dia nanjary nahafantatra fa nanao fitoriana vao maraina teny amin’ny arabe ny mpitory maromaro indray andro, nefa fahombiazana voafetra ihany no azony. Ny anabavy iray dia tsy niresaka afa-tsy tamin’olona roa nandritra ny fotoana nitoriana manontolo, satria ny olona hafa rehetra hitany dia nihazakazaka hiasa. Nanolo-kevitra ilay mpiandraikitra mpitety faritany ny hiverenan’izy rehetra tany amin’io arabe io ihany taoriana kely kokoa tamin’ny maraina. Nataon’izy ireo izany, ary nijanona hatramin’ny mitataovovonana izy ireo. Ilay anabavy izay tsy niresaka afa-tsy indroa tamin’ny vao maraina kokoa, dia nahavita tsara lavitra rehefa niverina tany. Nahapetraka gazety 31 sy bokikely 15 izy, nahazo anarana sy adiresin’olona fito, ary nanomboka fampianarana Baiboly tany an-tokantrano roa! Ny hafa tao amin’ilay antokona mpitory dia nahazo vokatra nampahery nitovy tamin’izany.
12 Rehefa mahita olona liana ianao, dia ataovy izay hahazoana ny anarany, sy ny adiresiny ary ny nomeraon’ny telefaoniny. Tsy hangataka izany mivantana ianao, fa ho azonao atao kosa ny hilaza hoe: “Nankafiziko iny resaka iny. Misy fomba ahafahantsika manohy azy amin’ny fotoana hafa ve?” Na manontania hoe: “Misy fomba hahatratrarako anao ao an-trano ve?” Olona maro izay hita tamin’io fomba io no manaiky fiverenana mitsidika. Ataovy azo antoka ny hanana taratasy fanasana ampy mba hanasana an’ireo ho tia ny hanatrika ireo fivoriantsika.
13 Raha miresaka amin’olona liana izay mipetraka ao amin’ny faritanin’ny kongregasiona hafa ianao, dia tokony hampita an’ilay fanazavana mba hahafahan’ireo rahalahy any hanolokolo ilay fahalianana. Moa ve ny fitoriana eny amin’ny arabe ho fomba iray mandaitra hampielezana ny vaovao tsara ao amin’ny faritra misy anao? Mandamìna ny handraisana anjara amin’ny fitoriana eny amin’ny arabe amin’ny fotoana mety ao anatin’ny andro izay hamela anao hanatratra olona betsaka araka izay azo atao.
14 Fitoriana eny ambony fitateram-bahoaka: Indray maraina, ny mpisava lalana sasantsasany dia nanapa-kevitra ny hitory amin’ny olona miandry aotobisy eo akaikin’ny kolejy iray eo an-toerana. Teo am-panaovana resaka mahafinaritra, dia nisy zava-nanahirana iray. Rehefa nandroso tsara ny resaka, dia tonga ny aotobisy, ka nanapaka tampoka an’ilay resaka. Nandamina an’io zava-nanahirana io tamin’ny fiakarana tao anatin’ilay aotobisy ireo mpisava lalana sy tamin’ny fanohizana nitory tamin’ireo mpandeha no sady namakivaky ny tanàna. Tany amin’ny faran’ilay zotra, ireo mpisava lalana dia nanao dia niverina tamin’ilay aotobisy, ary nitory teny am-pandehanana. Taorian’ny dia nandroso sy niverina maromaro, dia nanao ny tontalin’ny vokatry ny ezaka nataony izy ireo: gazety maherin’ny 200 no voapetraka ary fampianarana Baiboly enina no natomboka. Ny mpandeha sasany dia nanome an-tsitrapo ny adiresiny sy ny nomeraon’ny telefaoniny mba hahazoany fitsidihana any an-tokantrano. Ny herinandro nanaraka, ireo mpisava lalana dia niverina teo amin’ilay fiandrasana aotobisy ary nanaraka io fomba io ihany. Nahapetraka gazety 164 sy nanomboka fampianarana iray hafa koa izy ireo. Tamin’ny fijanonana iray, dia niakatra ny mpandeha iray ary nipetraka teo amin’ilay hany toerana nalalaka — teo akaikin’ny mpisava lalana iray. Nijery an’ilay rahalahy izy ary nitsiky sady niteny hoe: “Fantatro fa manana Ny Tilikambo Fiambenana iray ho ahy ianao.”
15 Mpitory maro no manao fanambarana mandaitra rehefa mitaingina aotobisy, na lamasinina, na fiaramanidina. Ahoana no ahafahanao manombo-dresaka amin’ny mpandeha iray mipetraka eo akaikinao? Ny mpitory iray 12 taona dia nanomboka namaky Mifohaza! iray teny ambony aotobisy, tamin’ny fanantenana fa hanaitra ny fahalianan’ny zatovovavy iray nipetraka teo akaikiny izy io. Nandaitra ilay izy. Nanontany azy ilay zatovovavy hoe inona no vakiny, ary namaly ilay tanora fa namaky momba ny vahaolana ho an’ny zava-manahirana atrehin’ny tanora izy. Nanampy izy fa nandray soa be dia be avy tamin’ilay lahatsoratra ny tenany ary koa fa ho afaka hanampy an’ilay zatovovavy koa izy io. Faly izy nandray an’ilay gazety. Ren’ny tanora roa hafa ny resaka nifanaovan’izy ireo ka nangataka gazety koa izy ireo. Tamin’izay, dia naka sisin-dalana ilay mpamily ary nanontany ny antony nisian’ny fahalianana be aoka izany tamin’ireo gazety ireo. Rehefa fantany izany, dia nanaiky handray gazety koa izy. Mazava ho azy fa tsy ho nisy izany raha tsy nanana gazety ampy mba hozaraina tamin’izay rehetra liana ilay mpitory tanora!
16 Fitoriana eny amin’ny zaridainam-panjakana sy ny parking: Ny fitoriana eny amin’ny zaridainam-panjakana sy ny parking, dia fomba iray faran’izay tsara ahatratrarana olona. Efa nanandrana nitory teny amin’ny parking amin’ny faritra be fivarotana iray ve ianao? Makà foana fotoana handinihana ny manodidina anao. Mitadiava olona izay tsy maika na izay miandry ao anaty fiara mijanona ary miezaha manomboka resaka amim-pisakaizana. Raha mitohy ilay resaka, dia ampidiro ny hafatra momba ilay Fanjakana. Miezaha miasa mitokana, nefa misy mpitory hafa tsy lavitra eo. Aza mitondra kitapo ngeza be na misarika ny saina ho amin’ilay asa ataonao, amin’ny fomba hafa. Aoka ianao ho malina. Mety ho tsara indrindra ny tsy handaniana afa-tsy fotoana fohy eo amin’ny parking iray ary avy eo dia mifindra any amin’ny iray hafa. Raha tsy maniry hiresaka aminao ny olona iray, dia tohizo amim-pahalalam-pomba ny lalanao ary mitadiava olona hafa hohatonina. Tamin’ny fampiasana ireo fomba ireo, ny rahalahy iray dia nahapetraka gazety 90 tao anatin’ny iray volana nitoriana teny amin’ny parking.
17 Ny olona sasany dia mankeny amin’ny zaridainam-panjakana mba hiala voly; ny hafa mankeny mba hilalao na handany fotoana miaraka amin’ny zanany. Mitadiava fahafahana hanao fanambarana nefa tsy hanembantsembana loatra ny zavatra ataony. Ny rahalahy iray dia nanombo-dresaka tamin’ny mpiambina zaridainam-panjakana iray ary nahita fa nanahy momba ny fampiasana zavatra mahadomelina sy ny hoavin’ireo zanany izy io. Natomboka ny fampianarana Baiboly ary notarihina tsy tapaka teny amin’ilay zaridainam-panjakana.
18 Fitoriana tsy ara-potoana any amin’ny faritra be fivarotana: Na dia tsy azo atao foana aza ny mitory ara-potoana isam-pivarotana ao amin’ireo faritra be fivarotana noho ny fameperana eo an-toerana amin’ny asa toy izany, ny mpitory sasany dia mamorona fahafahana hitoriana tsy ara-potoana ao. Mipetraka eo ambony banc izy ireo ary manomboka resaka amim-pisakaizana amin’ny hafa izay miato mba hiala sasatra. Rehefa misy fahalianana, dia manolotra taratasy mivalona na gazety amim-pahamalinana izy ireo ary miezaka manao fandaharana ho amin’ny fiverenana mitsidika. Rehefa avy nandany minitra vitsivitsy nitoriana tao amin’ny fizarana iray amin’ilay faritra be fivarotana izy ireo, dia manohy amin’ny iray hafa ary mampidi-dresaka amin’ny olon-kafa. Mazava ho azy fa tokony hitandrina mba tsy hisarika ny saina tsy araka ny tokony ho izy rehefa mitory tsy ara-potoana amin’io fomba io.
19 Rehefa avy niarahaba olona iray, dia atombohy amim-pisakaizana ilay resaka. Raha mamaly ilay mihaino anao, dia mametraha fanontaniana iray, ary avy eo dia mihainoa amim-pitandremana rehefa milaza ny heviny izy. Manehoa fahalianana manokana amin’izay lazainy. Asehoy fa manome vidiny ny fomba fiheviny ianao. Rehefa azo atao, dia ekeo ny heviny.
20 Ny anabavy iray dia nanao resaka mahafinaritra tamin’ny vehivavy be taona iray tamin’ny filazana hoe nanjary lafo be ny vidim-piainana. Nanaiky tsy tamim-pisalasalana ilay vehivavy, ary resaka velombelona no vokany. Afaka nahazo ny anarana sy ny adiresin’ilay vehivavy ilay anabavy, ary natao ny fiverenana mitsidika tamin’io herinandro io ihany.
21 Fitoriana isam-pivarotana: Ny kongregasiona sasany dia manana faritra fandraharahana ho anisan’ny faritaniny. Ny rahalahy mikarakara ny faritany dia mety hanomana sarintany manokana misy an’ireny faritanàna iangonan’ny fandraharahana mitangorona ireny. Izay sarintanin’ny faritany rehetra misy fonenana ka mifanindry amin’ny an’ireny fivarotana ireny, dia homarihina mazava tsara hoe tsy tafiditra ao izy ireny ka tsy tokony hiasana. Any amin’ny faritany hafa, ny toerana misy fandraharahana dia azo iasana miaraka amin’ireo fonenana. Ireo loholona dia mety hanasa mpitory manana ny toetra ilaina, mba hiasa ireo faritany be fandraharahana tsy tapaka mba tsy hanaovana tsirambina ny fitoriana isam-pivarotana.
22 Raha asaina hanana anjara amin’io asa io ianao ary mbola tsy nanao azy io mihitsy teo aloha, ny fomba tsara ‘hisikinana fahasahiana’ dia ny mitory ao amin’ny fivarotana kely sasany aloha; avy eo, rehefa mahatsapa ho matoky tena kokoa ianao, dia mitoria ao amin’ireo lehibe kokoa. (1 Tes. 2:2, NW ). Rehefa mitory isam-pivarotana ianao, dia miakanjoa toy ny rehefa manatrika fivoriana atỳ amin’ny Efitrano Fanjakana. Raha azo atao, dia midira ao amin’ilay fivarotana rehefa tsy misy mpividy miandry hokarakaraina. Mangataha hiresaka amin’ny mpitantana na amin’ny olona tompon’andraikitra. Manehoa hafanana, ary ambonin’ny zavatra rehetra, dia ataovy fohy ny resakao. Tsy ilaina ny ho be fialan-tsiny. Mpandraharaha maro no fatra-piahy ny mpividy ka manjary manampo fanapatapahana ny zavatra ataony.
23 Rehefa avy niarahaba an’ilay mpivarotra ianao, dia ho azonao atao ny hilaza toy izao: “Mpandraharaha maro no manana fandaharam-potoana feno aoka izany, hany ka mahalana vao hitanay ao an-tranony, koa mitsidika anao atỳ amin’ny toeram-piasanao izahay mba hamela aminao lahatsoratra tena mampisaintsaina hovakinao.” Avy eo, dia manaova teny iray na roa momba ny gazety atolotrao.
24 Na ho azonao atao ny hanandrana izao rehefa manatona mpitantana iray: “Voamarikay fa ny mpandraharaha dia manao ezaka manokana mba haharaka ny vaovao. Ny nomerao farany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (na ny Mifohaza!) dia manasongadina lahatsoratra iray izay mahakasika manokana antsika rehetra.” Hazavao hoe inona ilay izy, ary farano amin’ny filazana hoe: “Azonay antoka fa hankafy ny famakiana azy itỳ ianao.”
25 Raha misy mpiasa, ka mety ny hanaovana izany, dia ho azonao atao ny hanampy hoe: “Tsy hampaninona anao ve raha manao iny famelabelarana fohy iny koa amin’ireo mpiasanao aho?” Raha omena lalana ianao, dia tadidio fa nampanantena ny hanao resaka fohy ianao, ary hanantena ny hitananao ny teninao ilay mpitantana. Raha misy mpiasa maniry hiresaka ela kokoa, dia ho tsara indrindra ny hitsidihana azy ireny any an-tranony.
26 Vao haingana izay, ny mpitory sasany tao amin’ny tanàna kely iray dia niaraka tamin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany nanao fitoriana isam-pivarotana. Natahotahotra ny sasany tamin’ireo mpitory tamin’ny voalohany, noho izy ireo mbola tsy nanao ilay asa mihitsy teo aloha; nefa tsy ela dia tony izy ireo ary nanomboka nankafy azy io. Tao anatin’ny adiny iray latsaka, dia niresaka tamin’olona 37 sy nahapetraka gazety 24 sy bokikely 4 izy ireo. Ny rahalahy iray dia nanamarika fa mazàna, dia tsy afaka nifandray tamin’olona maro be tao anatin’ny volana iray nitoriana isan-trano, toy ny rehefa nitory isam-pivarotana tao anatin’ny fotoana fohy, izy ireo.
27 Famoronana fahafahana hitory: Tsy nametra ny fitoriany ho tamin’ny tarehin-javatra voalahatra i Jesosy. Nampiely ny vaovao tsara tamin’ny toe-javatra mety rehetra izy. (Matio 9:9; Lioka 19:1-10; Jaona 4:6-15). Mariho ny fomba amoronan’ny mpitory sasany fahafahana hitory.
28 Ny sasany dia manao ho fahazarana ny hitory amin’ny ray aman-dreny izay miandry ny zanany eo am-bavahadin’ny sekoly iray. Koa satria ray aman-dreny maro no tonga hatramin’ny 20 minitra mialoha mihitsy, dia misy fotoana hampiresahana azy ireo amin’ny fomba velombelona momba ny foto-dresaka iray ara-baiboly.
29 Mpisava lalana maro no mahatsapa ny tokony hahatratrarana olona izay mety hanana fahalianana manokana amin’ny foto-dresaka iray izay voaresaka ao amin’ireo gazetintsika. Ohatra, ny anabavy iray dia nahazo vokatra tsara tamin’ny fitsidihana sekoly enina tao amin’ny faritanin’ny kongregasionany, nitondra ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Ao Anatin’ny Krizy Ireo Sekoly”, izay navoaka tao amin’ny Mifohaza! 8 Janoary 1996. Nitsidika sampan’asa mikarakara ny fianakaviana koa izy, nitondra ireo gazety momba ny fiainam-pianakaviana sy ny fampijaliana ankizy ary nahazo fanasana hiverina, hitondra ny nomerao ho avy izay hiresaka momba ny foto-dresaka mitovy amin’izany. Ny fandraisan’ny olona tany amin’ny birao momba ny tsy fananana asa ny Mifohaza! 8 Martsa 1996 momba ny tsy fananana asa, dia nolazalazaina hoe “faran’izay tsara”.
30 Nanao tatitra ny mpiandraikitra ny distrika iray fa manao fitoriana tsy ara-potoana tsy tapaka izy sy ny vadiny rehefa miantsena. Mandeha miantsena amin’ny ora izay tsy maha-feno mpividy ny fivarotana sy ivezivezen’ny mpividy tsy rototra eny amin’ny lalantsara izy ireo. Nanao tatitra izy ireo fa nanao resaka tsara dia tsara maro.
31 Mpitory maro no mitatitra fa mahazo vokatra tsara rehefa mitory amin’olona any amin’ny fanasan-dambam-bahoaka. Tsy mamela gazety fotsiny izy ireo rehefa tsy misy olona eny. Ny zava-kendreny dia ny hitondra ny vaovao tsara any amin’ny olona, koa miezaka izy ireo hiresaka manokana amin’ireo izay mampiasa ilay toerana.
32 Any amin’ny toerana sasany, dia mahazo lalana hitory any amin’ny seranam-piaramanidina ny mpitory voafantina. Indraindray izy ireo dia nanana fifaliana nitory tamin’ny mpandeha iraisam-pirenena izay monina any amin’ny tany izay vitsy ny isan’ny vahoakan’i Jehovah any. Any amin’izay ahitana fahalianana, dia manolotra taratasy mivalona na gazety izy ireo.
33 Raha tsy azo atao ny mitory manokana amin’ny mponin’ireo trano voambina mafy ao amin’ny faritanin’ny kongregasiona, ny sasany dia nanao ho fahazarana ny hitory amim-pahaiza-mandanjalanja amin’ireo mpiambina mpiandry raharaha na amin’ireo mpitantana ny birao momba ny fanofan-trano. Io fomba fanao io koa no ampiasaina any amin’ireo fonenan’olona manokana misy vavahady voambina. Ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray sy ny mpitory sasany dia nitsidika fitambaran-trano fito tamin’izany fomba izany. Tao amin’ny tsirairay, dia niteny tamin’ny mpitantana izy ireo hoe na dia tsy mahazo mitsidika an’ireo trano amin’ny fomba mahazatra antsika aza izy ireo, dia tsy naniry ny hamoizany ny fanazavana tao amin’ireo gazety farany. Faly avokoa ireo mpitantana tao amin’ireo fitambaran-trano fito nandray ireo gazety ary nangataka ireo nomerao manaraka koa! Nifandraisana tamin’ny alalan’ny telefaonina na taratasy avy eo ny mponin’ireo fitambaran-trano ireo.
34 Miezaha mafy hitory hatraiza hatraiza: Ny fiainana mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika dia mahafaoka fahatsapana fahadodonana momba ny fanendrena antsika hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana. Mba hanatratrarana olona amin’ny fotoana mety amin’izy ireo, dia mila manilika izay fitiavantsika zavatra manokana isika mba ‘hamonjentsika ny sasany na iza na iza’. Ny mpanompon’Andriamanitra nanolo-tena rehetra dia maniry ny ho afaka hilaza toy ny apostoly Paoly hoe: “Izany rehetra izany dia ataoko noho ny vaovao tsara mba ho tonga mpizara azy io amin’ny hafa aho.” — 1 Kor. 9:22, 23, NW.
35 Nanampy toy izao i Paoly: “Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko. (...) Fa ny fahalemeko no fahatanjahako.” (2 Kor. 12:9, 10). Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy misy na dia iray amintsika aza ho afaka hanatanteraka io asa io amin’ny herin’ny tenantsika. Mila mivavaka amin’i Jehovah mba hahazoana ny fanahiny masina mahery isika. Raha mivavaka amin’Andriamanitra mba hahazoana hery isika, dia afaka matoky fa hamaly ny vavaka ataontsika izy. Amin’izay, ny fitiavantsika ny olona dia hanosika antsika hitady fahafahana hitory ny vaovao tsara amin’izy ireny, na aiza na aiza mety hahitana azy. Mandritra ny herinandro ho avy, nahoana raha manandrana ny iray amin’ireo fanoloran-kevitra asongadina ao amin’ireto takelaka fanampiny ireto?