Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 7 Janoary
HERINANDRON’NY 7 JANOARY 2013
Hira 104 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 3 § 13-19 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Matio 1-6 (10 min.)
No. 1: Matio 5:21-32 (4 min. na latsaka)
No. 2: Nahoana no Tsy Henoin’Andriamanitra ny Vavaky ny Olona Sasany?—rs p. 404 § 6–p. 405 § 6 (5 min.)
No. 3: Inona no Dikan’ny hoe i Jehovah no “Anjaranao”?—Nom. 18:20 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Fomba Fanolorana ny Gazety Amin’ny Janoary. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny 30 segondra na iray minitra hoe nahoana no mety hahaliana ny olona ao amin’ny faritaninareo ireo gazety ireo. Ampiasao avy eo ny matoan-dahatsoratra amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ary asao ny mpanatrika hilaza izay fanontaniana mahaliana azo apetraka sy izay andininy azo vakina. Raha ampy ny fotoana, dia mbola asaivo miresaka lahatsoratra iray hafa izy ireo. Ataovy fampisehoana ny fanolorana ny gazety tsirairay.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
10 min: Manome Voninahitra An’i Jehovah ny Efitrano Fanjakana Madio. Lahateny ataon’ny anti-panahy. Andriamanitra masina i Jehovah. Tokony ho zava-dehibe amin’ny vahoakany àry ny fahadiovana. (Eks. 30:17-21; 40:30-32) Manome voninahitra an’i Jehovah isika raha ataontsika madio sy kojakojaintsika tsara foana ny toeram-pivavahantsika. (1 Pet. 2:12). Mitantarà zava-nitranga teo an-toerana na tamin’ny boky sy gazety, mampiseho fa nahafahana nitory tamin’ny manodidina ny Efitrano Fanjakana tsara tarehy. Adinadino ny rahalahy tompon’andraikitra amin’ny fanadiovana sy fikojakojana ny efitrano. Ampirisiho hikojakoja ny Efitrano Fanjakana ny rehetra.
Hira 127 sy Vavaka