“Tiavo ny Rahalahy Rehetra ao Amin’ny Finoana”
Efa ho 2 000 taona lasa izay no nanoratana an’ireo teny ao amin’ny 1 Petera 2:17 ireo. Amin’izao anefa isika no tena mila mampihatra azy ireo. Ahoana àry no hitiavantsika an’ireo rahalahy eran-tany nefa maro be izy ireo? Inona no hataontsika mba tsy hihena ny fitiavantsika, na dia tsy manam-pitiavana aza ny olona? (Mat. 24:12) Jereo ilay DVD hoe Ireo Rahalahintsika Rehetra ao Amin’ny Finoana, ary valio ireto fanontaniana ireto:
1) Rahoviana isika no lasa anisan’ireo mpirahalahy ao amin’ny finoana? 2) Inona no zavatra telo iarahantsika manao amin’ireo rahalahintsika? 3) Vonona hitory foana ireo rahalahintsika. Inona no nataon’izy ireo a) tany Alaska, b) tany amin’ny seranan-tsambon’i Anvers, ary d) tany amin’ny ala mikitrok’i Peroa? 4) Nahoana isika no tsy tokony hihevitra mihitsy hoe asa tsy dia miavaka ny fitoriana? 5) Manomeza ohatra ahitana fa mifampahery sy mifanampy ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa misy a) horohoron-tany, b) rivo-doza, ary d) ady an-trano. 6) Inona no azontsika rehetra atao mba hampisehoana fa manana an’ilay toetra lehibe mampiavaka ny mpirahalahy kristianina isika? (Jaona 13:35) 7) Inona no soa azontsika rehefa miara-manorina Efitrano Fanjakana isika? 8) Inona no nataon’ireo rahalahintsika tany Eoropa Atsinanana sy Rosia, mba hanatanjahana ny finoany rehefa nisy fandrarana tany? 9) Inona no ataon’ny rahalahy maro mba hanatrehana fivoriambe, ary nahoana izy ireo no miezaka mafy toy izany? 10) Nahoana ianao no tapa-kevitra kokoa hanao an’ireto, rehefa avy nijery an’ilay DVD: a) Hiray saina amin’ireo rahalahy ka hiara-mivory foana amin’izy ireo, b) hanampy an’izay mpiara-manompo sahirana, ary d) hitory foana amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny fomba rehetra? 11) Ahoana no azontsika ampiasana an’ilay DVD amin’ny fanompoana?
Tafaray amin’ireo rahalahy maneran-tany isika satria tia an’i Jehovah. Tiantsika àry ny mianatra sy mampianatra momba azy. Tiantsika koa ireo olona tian’i Jehovah. Rehefa manampy ny rahalahintsika sahirana isika, dia tsy manantena hoe hisaotra antsika Andriamanitra. Isika kosa aza no misaotra azy. Fanomezana sarobidy avy aminy mantsy ireo rahalahintsika. Efa tena kely sisa dia tsy hisy intsony ity tontolo tsy manam-pitiavana ity. Aoka àry isika hampiseho foana fa tia an’ireo rahalahintsika rehetra ao amin’ny finoana.