Fizarana Faha-11
Eo Am-panorenana Azy Ankehitriny ny Fototr’ilay Tontolo Vaovao
1, 2. Ho fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly, inona moa no mitranga eo anoloan’ny masontsika mihitsy?
NY MAHATALANJONA koa dia ny hoe efa eo am-panorenana azy dieny izao ny fototry ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, kanefa mihamikororosy ny tontolo tranainin’i Satana. Eo anoloan’ny masontsika mihitsy, Andriamanitra dia manangona olona avy amin’ny firenena rehetra ary manorina azy ireo ho fototry ny fitambaran’olona vaovao eto an-tany izay hisolo toerana tsy ho ela ity tontolo misaratsaraka amin’izao andro izao ity. Ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny 2 Petera 3:13, dia antsoina hoe “tany vaovao” io fitambaran’olona vaovao io.
2 Milaza toy izao koa ny faminaniana ao amin’ny Baiboly: “Any am-parany [ny fotoana misy antsika ankehitriny] (...), maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah [ny fanompoam-pivavahana marina aminy], (...) mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony.” — Isaia 2:2-3.
3. a) Eo amin’iza moa no tanteraka ny faminanian’i Isaia? b) Inona no lazain’ny boky farany ao amin’ny Baiboly momba izany?
3 Io faminaniana io dia tanteraka ankehitriny eo amin’ireo izay manaiky ‘ny lalan’Andriamanitra ka mandeha amin’ny atorony’. Ny boky farany ao amin’ny Baiboly dia miresaka ny amin’io fitambaran’olona iraisam-pirenena tia fiadanana io ho toy ny “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”, dia tena fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany tokoa manompo an’Andriamanitra amim-piraisan-tsaina. Ary milaza toy izao koa ny Baiboly: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe.” Ny dikan’izany dia hoe ho tafita velona amin’ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity izy ireo. — Apokalypsy 7:9, 14; Matio 24:3.
Tena fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena marina
4, 5. Ahoana no mahatonga hety ny fisian’ny fianakavian’ny mpirahalahy Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany?
4 Misy Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro miezaka amim-pahatsorana ny hiaina mifanaraka amin’ireo fampianarana sy lalan’Andriamanitra. Miorina amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ny fanantenan’izy ireo fiainana mandrakizay. Amin’ny fitarihany ny fiainany isan’andro ho fankatoavana ireo lalàn’Andriamanitra, izy ireo dia mampiseho aminy ny fahavononany hanaiky ny fomba fanapahany dieny izao sy ao amin’ny tontolo vaovao. Hatraiza hatraiza, na inona na inona fireneny na firazanany, izy ireo dia samy mankatò fari-pitsipika mitovy ihany — dia ireo nosoritan’Andriamanitra ao amin’ny Teniny. Izany no antony maha-tena fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena azy, dia fitambaran’olona ao amin’ny tontolo vaovao hataon’Andriamanitra. — Isaia 54:13; Matio 22:37, 38; Jaona 15:9, 14.
5 Tsy mihevi-tena ho fototry ny maha-fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany tsy manam-paharoa azy ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantany fa izany dia vokatry ny fanahy maherin’Andriamanitra miasa eo amin’ny olona manaiky ny lalàny. (Asan’ny Apostoly 5:29, 32; Galatiana 5:22, 23). Andriamanitra no manao izany. Araka ny nolazain’i Jesosy, “izay zavatra tsy hain’ny olona dia hain’Andriamanitra”. (Lioka 18:27). Ilay Andriamanitra nanao izay haharetan’izao rehetra izao àry no ilay hanao izay haharetan’io fitambaran’olon’ny tontolo vaovao io.
6. Nahoana no azo antsoina hoe fahagagana amin’ny andro môderina ny fianakavian’ny mpirahalahy Vavolombelon’i Jehovah?
6 Araka izany, ny fomba fanapahan’i Jehovah ao amin’ny tontolo vaovao dia efa hita sahady eo amin’izay ataony ao amin’ny fototr’ilay tontolo vaovao izay eo am-panorenana azy ankehitriny. Ary izay nataony teo amin’ny Vavolombelony, amin’ny heviny iray, dia fahagagana amin’ny andro môderina. Nahoana? Satria nanorina ny Vavolombelon’i Jehovah ho ao anatin’ny tena fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany izy, izay tsy ho azon’ny fikatsahana tombontsoa ara-pirenena, ara-pirazanana na ara-pivavahana, ravana na oviana na oviana. Na dia miisa ho an-tapitrisany maro aza ny Vavolombelona ary miaina any amin’ny tany maherin’ny 200, dia nampiraisin’ny fatorana tsy azo tapahina. Io fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany io, tsy manam-paharoa eo amin’ny tantara rehetra, dia tena fahagagana amin’ny andro môderina tokoa — ataon’Andriamanitra. — Isaia 43:10, 11, 21; Asan’ny Apostoly 10:34, 35; Galatiana 3:28.
Ny fomba hahafantarana ny vahoakan’Andriamanitra
7. Amin’ny fomba ahoana no nolazain’i Jesosy fa hahafantarana ny tena mpanara-dia azy?
7 Amin’ny fomba hafa ahoana koa no hamaritana hoe iza ireo olona ampiasain’Andriamanitra ho fototry ny tontolony vaovao? Diniho izao: Iza moa no manatanteraka ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 13:34, 35? Hoy ny nambarany: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” Mino ny tenin’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah sady mampihatra izany. Araka ny toromariky ny Tenin’Andriamanitra, dia ‘manana fifankatiavana lalina’ izy ireo. (1 Petera 4:8, NW). ‘Mitafy ny fitiavana izy ireo, satria izy io dia fatorana mampiray tanteraka’. (Kolosiana 3:14, NW). Ny fifankatiavan’ny mpirahalahy àry no “dity” mampitambatra azy ireo maneran-tany.
8. Amin’ny fomba hafa ahoana koa no ilazan’ny 1 Jaona 3:10-12 fa hahafantarana ny vahoakan’Andriamanitra?
8 Ary ny 1 Jaona 3:10-12 dia milaza hoe: “Izany no mampiseho miharihary izay Zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny. Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika, tsy mba tahaka an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny.” Araka izany, ny vahoakan’Andriamanitra dia fianakavian’ny mpirahalahy tsy tia herisetra maneran-tany.
Lafin-javatra fahafantarana hafa iray
9, 10. a) Noho ny asa inona no hahafantarana ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny andro farany? b) Ahoana no anatanterahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Matio 24:14?
9 Misy fomba hafa iray ahafantarana ireo mpanompon’Andriamanitra. Ao amin’ny faminaniany momba ny faran’izao tontolo izao, i Jesosy dia nilaza zavatra maro izay hanamarika io fe-potoana io ho ny andro farany. (Jereo Fizarana faha-9.) Ny lafin-javatra fototra amin’io faminaniana io dia voatonona ao amin’ny teniny ao amin’ny Matio 24:14 manao hoe: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.”
10 Hitantsika fa tanteraka ve izany faminaniana izany? Eny. Hatramin’ny nanombohan’ny andro farany tamin’ny 1914, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra manerana ny tany araka ny fomba nandidian’i Jesosy azy, izany hoe, any an-tranon’ireo olona. (Matio 10:7, 12; Asan’ny Apostoly 20:20). Mitsidika ny olona avy amin’ny firenena rehetra ireo Vavolombelona an-tapitrisany maro, mba hiresaka momba ilay tontolo vaovao amin’izy ireny. Izany dia nitarika ho amin’ny fahazoanao ity bokikely ity, satria anisan’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanontana sy ny fizarana zavatra vita an-tsoratra momba ny Fanjakan’Andriamanitra an’arivony tapitrisa maro. Moa ve ianao mahafantatra olon-kafa mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra isan-trano maneran-tany? Ary ny Marka 13:10 dia mampiseho fa io asa fitoriana sy fampianarana io dia tsy maintsy atao “aloha”, alohan’ny hahatongavan’ny farany.
Ny famaliana ilay fanontaniana lehibe faharoa
11. Inona koa no tanterahin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa manaiky ny fanapahan’Andriamanitra izy ireo?
11 Amin’ny fanekena ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’Andriamanitra, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahatanteraka zavatra hafa iray. Mampiseho izy ireo fa mpandainga i Satana rehefa nilaza fa tsy afaka ny hahatoky eo anatrehan’Andriamanitra ny olombelona rehefa ao anatin’ny fitsapana, ka mamaly amin’izany ilay fanontaniana lehibe faharoa izay mahatafiditra ny tsy fivadihan’ny olombelona. (Joba 2:1-5). Noho izy ireo fitambaran’olona iray misy olona an-tapitrisany maro avy amin’ny firenena rehetra, ny Vavolombelona dia mampiseho, amin’ny maha-fitambaran’olona iray azy, fahatokiana eo anatrehan’ny fanapahan’Andriamanitra. Na dia olombelona tsy tanteraka aza izy ireo, dia manohana ny lafiny misy an’Andriamanitra amin’ilay raharaha momba ny fiandrianana manerana izao rehetra izao, na dia eo aza ny fanerena avy amin’i Satana.
12. Noho ny finoany, manahaka an’iza moa ireo Vavolombelona?
12 Amin’izao andro izao, ireo Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro ireo dia manampy ny fanamarinany amin’ny an’ny laharana vavolombelona maro hafa tamin’ny andro lasa izay naneho fahatokiana teo anatrehan’Andriamanitra. Ny sasany tamin’izany dia i Abela, i Noa, i Joba, i Abrahama, i Saraha, i Isaka, i Jakoba, i Debora, i Rota, i Davida ary i Daniela, raha tsy hanonona afa-tsy vitsy ihany isika. (Hebreo, toko faha-11). ‘Vavolombelona maro be toy ny rahona’ izy ireo, araka ny filazan’ny Baiboly. (Hebreo 12:1). Izy ireo, sy ny maro hafa koa, anisan’izany ireo mpianatr’i Jesosy, dia nihazona tsy fivadihana teo anatrehan’Andriamanitra. Ary ny tenan’i Jesosy mihitsy dia nanome ny ohatra lehibe indrindra tamin’ny fihazonana tsy fivadihana tanteraka.
13. Tenin’i Jesosy momba an’i Satana inona no hita fa marina?
13 Izany dia manaporofo fa marina ilay nolazain’i Jesosy momba an’i Satana tamin’ireo filoha ara-pivavahana, nanao hoe: “Fa ankehitriny hianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin’Andriamanitra (...) Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.” — Jaona 8:40, 44.
Inona no hofidinao?
14. Inona no mitranga amin’ny fototry ny tontolo vaovao ankehitriny?
14 Mihamatanjaka hatrany ny fototry ny tontolo vaovao eo am-panorenan’Andriamanitra azy eo anivon’ny fitambaran’ireo Vavolombelon’i Jehovah iraisam-pirenena ankehitriny. Isan-taona, dia olona ana hetsiny maro no mampiasa ny safidiny malalaka, miorina amin’ny fahalalana marina, mba hanekena ny fanapahan’Andriamanitra. Manjary anisan’ny fitambaran’olon’ny tontolo vaovao izy ireo, manohana ny lafiny misy an’Andriamanitra amin’ilay raharaha momba ny fiandrianana manerana izao rehetra izao, ary manaporofo fa mpandainga i Satana.
15. Asa fanavahana inona no tontosain’i Jesosy amin’izao androntsika izao?
15 Amin’ny fifidianana ny fanapahan’Andriamanitra, izy ireo dia mahafeno ny fepetra mba hapetraka ‘eo amin’ny ankavanan’i Kristy’ rehefa manavaka ny “ondry” amin’ny “osy” izy. Ao amin’ny faminaniany momba ny andro farany, dia nilaza mialoha toy izao i Jesosy: “Ny firenena rehetra dia hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany.” Ireo ondry dia olona manetry tena izay miaraka amin’ny rahalahin’i Kristy ka manohana azy ireo ary manaiky ny fanapahan’Andriamanitra. Ireo osy kosa dia olona mafy hatoka izay mandà ireo rahalahin’i Kristy ary tsy manao na inona na inona ho fanohanana ny fanapahan’Andriamanitra. Inona no vokany? Nilaza toy izao i Jesosy: “Ireo [ny osy] dia hiala ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina [ny ondry] ho any amin’ny fiainana mandrakizay.” — Matio 25:31-46.
16. Inona no tsy maintsy ataonao raha tianao ny hiaina ao amin’ny Paradisa ho avy?
16 Tena miahy antsika marina tokoa Andriamanitra! Tsy ho ela mihitsy izy dia hanome paradisa eto an-tany kanto iray. Tianao ve ny hiaina ao amin’izany Paradisa izany? Raha izany no izy, dia asehoy ny fankasitrahanao ireo fandaharan’i Jehovah amin’ny fianarana momba azy sy amin’ny fampiharana izay ianaranao. “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy.” — Isaia 55:6, 7.
17. Nahoana no tsy tokony ho fotoana hangatahana andro izao raha ny amin’ny fifidianana izay hotompoina?
17 Tsy fotoana tokony hangatahana andro izao. Efa tena akaiky ny faran’ity fandehan-javatra tranainy ity. Manoro hevitra toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. (...) Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” — 1 Jaona 2:15-17.
18. Fanaovan-javatra inona no hanampy anao hiandry amim-panantenana sy amim-patokiana ny hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra hahafinaritra aoka izany?
18 Ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny dia mahazo fampiofanana ho amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao. Mianatra ireo fahaizana ara-panahy sy fahaizana hafa ilaina mba hanamboarana paradisa izy ireo. Mampirisika anao izahay mba hifidy an’Andriamanitra ho Mpanapaka ary hanohana ny asa famonjena aina asainy tanterahina manerana ny tany amin’izao andro izao. Mianara ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tongava amin’ny fahalalana an’ilay Andriamanitra izay tena miahy anao tokoa ary hamarana ny fijaliana. Amin’izany fomba izany, dia ho afaka ho tonga anisan’ny fototry ny tontolo vaovao koa ianao. Amin’izay ianao dia ho afaka hiandry amim-panantenana sy amim-patokiana ny hahazo sitraka avy amin’Andriamanitra ka hiaina mandrakizay ao amin’izany tontolo vaovao mahatalanjona izany.
[Sary, pejy 31]
Manana tena fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena marina ny Vavolombelon’i Jehovah
[Sary, pejy 32]
Eo am-panorenana azy izao ny fototry ny tontolo vaovaon’Andriamanitra