Ampio ny Olona Tsy Mahay Mamaky Teny Tsara
1. Nahoana no sarotra ny mampianatra olona tsy mahay mamaky teny tsara?
1 Mety ho liana amin’ny resaka fivavahana ny olona tsy mahay mamaky teny tsara, saingy mety ho menatra satria tsy mahay mamaky Baiboly na boky hafa. Mety tsy handray boky Ampianarina àry izy, fara faharatsiny, amin’ny voalohany. Ahoana no hanampiana ny olona toy izany? Nanontany mpitory za-draharaha tany amin’ny tany 20 mahery izahay ary hodinihintsika ato ny soso-kevitr’izy ireo.
2. Inona no azo ampiasaina rehefa manampy olona tsy mahay mamaky teny tsara?
2 Azo ampiasaina ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao raha tsy dia mahay mamaky teny na tsy mahay mihitsy ilay mpianatra. Fanaon’ny mpisava lalana iray any Etazonia ny mampisafidy ny olona itoriany hoe iza amin’ireo bokikely ireo no tiany kokoa. Nilaza ny biraon’ny sampan’i Kenya fa tena mandaitra ireo bokikely ireo, satria tsy zatra ampianarina amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ny olona any Afrika fa amin’ny alalan’ny angano. Mety hanaiky hamaky fehintsoratra sy hametrahana fanontaniana ny olona nahita fianarana. Mety tsy ho azoazon’ny olona tsy nianatra firy anefa izany. Raha mahay mamaky teny kely kosa ilay olona, dia aleon’ny mpitory maro mampiasa ny bokikely Vaovao Tsara Natao ho Anao! na Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao! na ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly.
3. Inona no tokony ho fantatsika rehefa manampy olona tsy mahay mamaky teny?
3 Manaova teny fiderana: Mety ho sadaikatra sy hihevi-tena ho ambany ny olona tsy nianatra namaky teny. Raha te hampianatra azy ny fahamarinana àry ianao, dia ataovy aloha izay hahazoany aina. Marani-tsaina sy afaka mianatra ny ankamaroan’ny olona tsy mahay mamaky teny. Anehoy fanajana izy ireo. (1 Pet. 3:15) Hazoto hanohy hianatra izy ireo raha hitany hoe misy vokany ny ezaka ataony sady mihamahatakatra ny fahamarinana izy. Aza mitsitsy teny fiderana àry.
Mety ho sadaikatra sy hihevi-tena ho ambany ny olona tsy nianatra namaky teny. Raha te hampianatra azy ny fahamarinana àry ianao, dia ataovy aloha izay hahazoany aina
4. Inona no azontsika atao raha tiantsika hanomana ireo tsy mahay mamaky teny tsara?
4 Ampirisiho hanomana ny fianarany ilay olona na dia tsy mahay mamaky teny tsara aza. Izany no ataon’ny mpitory sasany atsy Afrika Atsimo. Ampirisihiny ny olona ampianariny mba hangataka fanampiana amin’ny mpianakaviny na namany mahay mamaky teny. Izao indray no ataon’ny mpitory iray any Grande-Bretagne: Omeny hampiasain’ilay mpianatra ny bokiny, amin’ny fehintsoratra vitsivitsy, mba ho hitan’ilay olona hoe mora hita ny valiny rehefa voatsipika. Ny rahalahy iray any Inde kosa mampirisika ny mpianany hijery sy hisaintsaina mialoha ny sary ao amin’ny lesona manaraka.
5. Ahoana no ampisehoantsika fa manam-paharetana isika rehefa mampianatra?
5 Manàna faharetana: Na inona na inona boky ampiasainao, dia izay hevi-dehibe no ifantohy, ary ampio ilay mpianatra hahazo tsara azy ireny. Tsara raha atao 10 ka hatramin’ny 15 minitra fotsiny aloha ny fianarana, amin’ny voalohany. Aza miezaka mamita fehintsoratra be loatra, fa aleo manao fehintsoratra vitsivitsy isaky ny mianatra. Manàna faharetana raha miadana be izy rehefa mamaky. Ho voatosika hanatsara ny vakiteniny izy, rehefa mitombo ny fitiavany an’i Jehovah. Tsara àry raha asaina hivory izy, dieny vao manomboka mianatra.
6. Ahoana no fomba hanampiana olona hahay hamaky teny?
6 Handroso haingana kokoa ny mpianatra raha mianatra mamaky teny. (Sal. 1:1-3) Maro no nanampy ny mpianany hanao izany, ka nanokana minitra vitsivitsy aorian’ny fianarana mba handinihana ny bokikely Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra. Raha kivy ilay mpianatra dia ampio hatoky tena. Azonao resahina aminy, ohatra, ny zavatra nianarany ka hainy. Omeo toky izy hoe hitahy ny ezaka ataony i Jehovah, ary ampirisiho izy hivavaka mba hampiany. (Ohab. 16:3; 1 Jaona 5:14, 15) Misy mpitory any Grande-Bretagne mampirisika ny mpianany hametra tanjona voalanjalanja nefa azo tratrarina tsikelikely, ohatra hoe miezaka mba hahay tsara ny abidy aloha, avy eo mitady sy mamaky andinin-teny, ary farany mamaky boky ara-baiboly tsotsotra. Tsy ny mampianatra ny olona hamaky teny fotsiny matetika no ilaina, fa ny mampirisika azy haniry hamaky teny koa.
7. Nahoana isika no tsy tokony hiahotra hitory ny fahamarinana amin’ireo tsy dia mahay mamaky teny?
7 Tsy manambany an’ireo tsy dia nahita fianarana i Jehovah. (Joba 34:19) Ny fon’ny olona no jereny. (1 Tan. 28:9) Aza miahotra àry mitory amin’ny olona tsy mahay mamaky teny tsara. Manana fitaovana tsara maro isika hanampiana azy ireo. Azonao afindra amin’ny boky Ampianarina ihany ny fianarana, rehefa mandeha ny fotoana, mba hitombo ny fahalalany ny Soratra Masina.