FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/14 p. 2-3
  • Zato Taona Izay no Nanambarana An’ilay Fanjakana!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zato Taona Izay no Nanambarana An’ilay Fanjakana!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • 1914-2014: Zato Taona Izay no Nitondra Ilay Fanjakana!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Ny Zava-bitan’ilay Fanjakana Tato Anatin’ny 100 Taona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Ilaina ny Mahalala ny Fanjakan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Iza no Manao An’ilay Asa?
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
km 8/14 p. 2-3

Zato Taona Izay no Nanambarana An’ilay Fanjakana!

1. Nampirisihina hanao inona ny vahoakan’i Jehovah, efa ho zato taona lasa izay?

1 Hoy ny Rahalahy Rutherford, efa ho zato taona lasa izay: “Jereo fa manjaka ilay Mpanjaka! Ianareo no iraka mampahafantatra izany. Noho izany, dia ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany.” Nampirisika ny vahoakan’i Jehovah izy tamin’izay mba hanambara ny hafatra momba ilay Fanjakana hatraiza hatraiza. Ary izany tokoa no nataontsika! Nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana “tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” isika, toa an’ireo Kristianina voalohany. (Kol. 1:23) Inona no vitantsika nandritra izay zato taona izay, mba hanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra? Inona no azontsika atao mba hanambarana azy io hatrany, amin’izao faha-100 taonan’ilay Fanjakana efa manakaiky izao?

2. Ahoana no nanambaran’ny boky sy gazetintsika an’ilay Fanjakana?

2 Jery todika: Efa an-taonany maro ny boky sy gazetintsika no nanambara an’ilay Fanjakana. Efa hatramin’ny 1939 ilay gazety tena fampiasantsika no nitondra ny lohateny hoe: Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah. Matetika izy io no miresaka momba ilay Fanjakana sy ny zavatra hataony. Asongadin’ny Mifohaza! koa fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no fanantenana ho an’ny olombelona. Tsy mahagaga àry raha ireo gazety roa ireo no gazety miely indrindra sy adika amin’ny fiteny maro indrindra eran-tany.—Apok. 14:6.

3. Inona no fomba sasany nampiasaintsika mba hanambarana an’ilay Fanjakana?

3 Nampiasa fomba isan-karazany ny vahoakan’i Jehovah mba hanambarana an’ilay Fanjakana. Nampiasa fiara misy fanamafisam-peo, radio, ary grafofaonina isika taloha. Afaka nitory ny vaovao tsara tamin’ny olona maro àry isika na dia vitsy aza ny mpitory. (Sal. 19:4) Namoaka fanazavana tao amin’ny jw.org isika, tato ho ato, mba hanambarana an’ilay Fanjakana amin’ny olona an-tapitrisany, anisan’izany ireo any amin’ny tany andrarana ny asantsika.

4. Inona no fomba fitory miavaka nampiasaintsika?

4 Nampiasa fomba fitory miavaka koa ny vahoakan’i Jehovah mba hanambarana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nanomboka tamin’ny 1995 tany ho any, ohatra, dia nitory teny amin’ny amin’ny zaridainam-panjakana, parking, ary toeram-piasana isika, ankoatra ny fitoriana isan-trano. Nanao fandaharana manokana hitoriana eny amin’ny toerana be olona any amin’ny tanàna lehibe maneran-tany isika, tato ho ato. Fiangonana maro koa no mandray anjara amin’ny fitoriana eny amin’ny toerana be mpandalo ao amin’ny faritaniny, ka mampiasa tabilao sy latabatra ahitana taratasy mivalona. Mbola ny fitoriana isan-trano ihany anefa no fomba lehibe indrindra itoriantsika momba ilay Fanjakana.—Asa. 20:20.

5. Ho afaka hanao inona ny maro amintsika amin’ny taom-panompoana vaovao?

5 Mibanjina ny hoavy: Maro no hanomboka hanao mpisava lalana maharitra, amin’ny fiandohan’ny taom-panompoana vaovao amin’ny Septambra. Afaka manao an’io asa io koa ve ianao? Raha tsia, mety ho afaka hanao mpisava lalana mpanampy tsindraindray ve ianao? Na afaka manao mpisava lalana ianao na tsia, dia azo antoka fa hotahin’i Jehovah ianao noho ny sorona ataonao mba handraisana anjara feno amin’ny fanambarana an’ilay Fanjakana.—Mal. 3:10.

6. Nahoana no hiavaka ny volana Oktobra 2014?

6 Ho feno zato taona amin’ny Oktobra 2014 ny niorenan’ilay Fanjakana. Hanasongadina ny Fanjakan’Andriamanitra àry Ny Tilikambo Fiambenana ho an’ny besinimaro, amin’io volana io. Nahoana raha mizara azy io amin’ny olona betsaka araka izay azo atao? Enga anie isika hibanjina ny hoavy sady hanohy hitory “ny vaovao tsara momba ny fanjakan’Andriamanitra” amin’izay rehetra te hihaino.—Asa. 8:12.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara