Mamaky Baiboly Isan’andro ve Ianao?
Mila mamaky Baiboly isan’andro isika, raha tiantsika ny ‘hamaka tsara sy tsy ho voahozongozona amin’ny finoana.’ (Kol. 2:6, 7) Tsy maintsy misaintsaina sy mampihatra ny toro lalana ao anefa isika, mba hisy vokany amintsika izany. (Heb. 4:12; Jak. 1:22-25) Misy sosokevitra telo azo ampiharina rehefa mamaky Baiboly, ao amin’ny Josoa 1:8: 1) Vakio “andro aman’alina” ny Tenin’Andriamanitra. 2) “Saintsaino” ilay izy, izany hoe vakio milamina sady alao sary an-tsaina ilay zavatra tantaraina ao. 3) Miezaha hampihatra ‘izay rehetra voasoratra ao.’ “Hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao”, raha mampihatra an’ireo.