Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 28 Desambra 2015. Natao eo koa ny daty andinihana an’ilay fanontaniana, mba ho afaka hanao fikarohana ianao rehefa manomana isan-kerinandro.
Misy mihevitra fa nampijaly tamin-kabibiana an’ireo babony i Davida, raha jerena ny 1 Tantara 20:3. Marina ve izany? [2 Nov., w05 15/2 p. 27]
Inona no nahatonga an’i Davida halala-tanana, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (1 Tan. 22:5) [9 Nov., w05 1/10 p. 11, feh. 6]
Inona no tian’i Davida holazaina rehefa niteny tamin’i Solomona izy hoe: “Fantaro ilay Andriamanitry ny rainao”? (1 Tan. 28:9) [16 Nov., w10 1/11 p. 30, feh. 3, 7]
Inona no hita tamin’ilay vavak’i Solomona ao amin’ny 2 Tantara 1:10, ary inona no mety hiharihary rehefa mandinika ny vavaka ataontsika amin’i Jehovah isika? (2 Tan. 1:11, 12) [23 Nov., w05 1/12 p. 19, feh. 6]
Inona ny zavatra miavaka hain’i Jehovah atao, raha jerena ny 2 Tantara 6:29, 30, ary nahoana isika no tokony hamboraka aminy ny ao am-pontsika amin’ny vavaka? (Sal. 55:22) [30 Nov., w10 1/12 p. 11, feh. 7]
Inona no tena nampanahy an’i Asa rehefa niady taminy ny Etiopianina, ary inona no azontsika antoka amin’ny ady ara-panahy ataontsika? (2 Tan. 14:11) [7 Des., w12 15/8 p. 8, feh. 6–p. 9, feh. 1]
Nahoana ny fomba nitondran’i Jehovah an’i Josafata Mpanjaka no manome toky antsika fa tia antsika i Jehovah, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (2 Tan. 19:3) [14 Des., w03 1/7 p. 17, feh. 13; cl p. 244, feh. 12]
Nahoana isika no mila ‘maka toerana’ sy ‘mijoro tsara’ ankehitriny, ary amin’ny fomba ahoana no anaovantsika an’izany? (2 Tan. 20:17) [21 Des., w05 1/12 p. 21, feh. 3; w03 1/6 p. 21, feh. 15-16]
Inona no ianarantsika avy amin’ny nahafatesan’i Jorama, ao amin’ny 2 Tantara 21:20? [21 Des., w98 15/11 p. 32, feh. 4]
Araka ny 2 Tantara 26:5, iza no nanampy an’i Ozia hanao ny tsara, tamin’izy tanora, ary inona no azon’ny tanora atao raha te handray soa avy amin’ny Kristianina matotra eo anivon’ny fiangonana izy? [28 Des., w07 15/12 p. 10, feh. 2, 4]