FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb16 Janoary p. 2
  • Tombontsoa ny Manorina sy Mikarakara ny Toerana Fivavahantsika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tombontsoa ny Manorina sy Mikarakara ny Toerana Fivavahantsika
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • INONA AVY NO AZONTSIKA ATAO?
  • Hajao ny Trano Fivavahantsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Hikojakojana Efitrano Fanjakana
    Fomba Ampiasana ny Fanomezanao
  • Fandaharana Momba ny Toeram-pivavahana
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Trano Manome Voninahitra An’i Jehovah
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
mwb16 Janoary p. 2

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Tombontsoa ny Manorina sy Mikarakara ny Toerana Fivavahantsika

Rehefa naorina ny tempoly, dia be dia be ny asa nila natao, ary tena lafo vidy ny fitaovana nilaina. Nazoto nanampy tamin’ilay tetikasa anefa ny Israelita. (1Ta 29:2-9; 2Ta 6:7, 8) Nila nikojakoja ny tempoly indray izy ireo rehefa vita ilay izy. Izany no nahitana hoe tia an’i Jehovah izy ireo na tsia. (2Mp 22:3-6; 2Ta 28:24; 29:3) Miezaka be koa ny Kristianina ankehitriny, manorina Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe ary manadio sy mikarakara azy ireny. Marina fa asa mafy izany sady mitaky fotoana be, kanefa tombontsoa ny miara-miasa amin’i Jehovah. (Sl 127:1) Anisan’ny fanompoana masina izany.—Ap 7:15.

INONA AVY NO AZONTSIKA ATAO?

  • Mitsimpona fako ao ambany seza, ao amin’ny Efitrano Fanjakana

    Manadio kely isaky ny avy mivory. Tsimpony fotsiny ny fako eo ambany sezanao, raha tsy afaka manadio ianao.

  • Manadio Efitrano Fanjakana

    Mandray anjara rehefa misy fanadiovana faobe sy fikojakojana Efitrano Fanjakana. Ny entan-jaraina mantsy, hono, mora zaka, sady mahafinaritra erỳ rehefa betsaka no mandray anjara.—lv 92 § 18.

  • Mandrotsaka fanomezana an-tsitrapo ao anaty boaty

    Manokana vola hatao fanomezana. Na ‘vola madinika roa faran’izay kely vidy’ aza, dia mampifaly an’i Jehovah rehefa vokatry ny fo.—Mr 12:41-44.

  • Mandoko Efitrano Fanjakana

    Manolo-tena hanampy rehefa misy efitrano aorina na havaozina. Afaka mandray anjara ianao na dia tsy manana fahaizana manokana aza.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara