HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ESTERA 6-10
Vonona Hiaro ny Vahoakan’i Jehovah i Estera fa Tsy Tia Tena
Sahy niaro ny vahoakan’i Jehovah i Estera, fa tsy nieritreritra ny tenany fotsiny
Tsy natahorana ho faty intsony i Estera sy Mordekay. Ny Jiosy hafa rehetra anefa mbola nitebiteby satria efa niely be eran’ilay tany ilay didin’i Hamana hoe hovonoina daholo ry zareo
Mbola nanao vivery ny ainy indray i Estera, ka nankany amin’ny mpanjaka na dia tsy nantsoiny aza. Nitalaho tamin’ny mpanjaka izy mba hofoanana ilay didy
Tsy azo foanana anefa izay didy efa navoaka tamin’ny anaran’ny mpanjaka. Nomen’ny mpanjaka fahefana àry i Estera sy Mordekay mba hamoaka didy vaovao
Nampian’i Jehovah ny vahoakany mba handresy
Navoaka ilay didy faharoa, hoe mahazo miaro tena ny Jiosy
Lasa haingana ireo iraka, nanaparitaka an’io didy io eran’ilay firenena. Niomana hiady àry ny Jiosy
Olona maro hafa firenena no lasa nanaraka ny fivavahan’ny Jiosy, satria nahita fa narovan’i Jehovah ny vahoakany