Fitoriana amin’ny vehivavy iray sy ny zanany vavy, Bengale Andrefana, Inde
Fomba Fitory Modely
NY TILIKAMBO FIAMBENANA
Fanontaniana: Mila fampiononana isika indraindray. Iza anefa no tena afaka mampionona antsika?
Andinin-teny: 2Ko 1:3, 4
Atolory ilay izy: Hazavain’ity gazety ity ny fomba ampiononan’Andriamanitra antsika.
NY TILIKAMBO FIAMBENANA (pejy farany)
Fanontaniana: Misy mihevitra hoe ao am-po fotsiny ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny hafa indray mino fa tonga izy io rehefa vitan’ny olona ny hampisy fiadanana maneran-tany. Ahoana ny hevitrao?
Andinin-teny: Da 2:44
Atolory ilay izy: Milaza ny Baiboly fa tena fitondram-panjakana ny Fanjakan’Andriamanitra. Manazava bebe kokoa momba izany ity lahatsoratra ity.
AMPIANARO NY TENA MARINA
Fanontaniana: Ahoana no ahalalana fa te hanampy antsika Andriamanitra?
Andinin-teny: 1Pe 5:7
Ny Tena Marina: Asain’Andriamanitra mivavaka aminy isika satria te hanampy antsika izy.
MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO
Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.