FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwbr18 Novambra p. 1-6
  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2018
  • Lohatenikely
  • 5-11 NOVAMBRA
  • HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JAONA 20-21
  • “Tia Ahy Mihoatra Noho ny Itiavanao An’iretsy ve Ianao?”
  • Jaona 21:1-3
  • Jaona 21:4-14
  • Jaona 21:15-19
  • nwtsty: Fanazavana Jn 21:15, 17
  • Andao Hikaroka Harena Miafina
  • Jaona 20:17
  • nwtsty: Fanazavana Jn 20:17
  • Jaona 20:28
  • nwtsty: Fanazavana Jn 20:28
  • Famakiana Baiboly
  • Jaona 20:1-18
  • 12-18 NOVAMBRA
  • HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 1-3
  • “Nilatsaka Tamin’ny Fiangonana Kristianina ny Fanahy Masina”
  • Asan’ny Apostoly 2:1-8
  • Asan’ny Apostoly 2:14
  • Asan’ny Apostoly 2:37, 38
  • Asan’ny Apostoly 2:41
  • Asan’ny Apostoly 2:42-47
  • w08 15/11 7 § 2
  • ‘Miray Fo sy Saina’ eo Am-panompoana An’Andriamanitra
  • w87 1/3 29 § 4-5, 7
  • Fanomezana Mamelombelona ny Fo
  • Andao Hikaroka Harena Miafina
  • Asan’ny Apostoly 3:15
  • it “Jesosy Kristy”: “Mpitarika Lehibe Indrindra izay manome fiainana” § 1
  • Jesosy Kristy
  • Asan’ny Apostoly 3:19
  • cl 265 § 14
  • Andriamanitra “Mamela Heloka”
  • Famakiana Baiboly
  • Asan’ny Apostoly 2:1-21
  • 19-25 NOVAMBRA
  • HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 4-5
  • “Sahy Nitory ny Tenin’Andriamanitra Izy Ireo”
  • Asan’ny Apostoly 4:5-13
  • w08 1/9 15, efajoro
  • Ahoana no Nampitana ny Fampianarana Kristianina?
  • Tsy Nahay Taratasy ve ny Apostoly?
  • w08 15/5 30 § 6
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly
  • Asan’ny Apostoly 4:18-20
  • Asan’ny Apostoly 4:23-31
  • it “Apostoly”: “Teo anivon’ny fiangonana kristianina” § 1
  • Apostoly
  • Andao Hikaroka Harena Miafina
  • Asan’ny Apostoly 4:11
  • it “Vato Fehizoro”: “Heviny an’ohatra” § 4
  • Vato Fehizoro
  • Asan’ny Apostoly 5:1
  • w13 1/3 15 § 4
  • Nandainga i Petera sy Ananiasy: Inona no Ianarantsika avy Amin’izany?
  • Famakiana Baiboly
  • Asan’ny Apostoly 5:27-42
  • 26 NOVAMBRA–2 DESAMBRA
  • HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 6-8
  • “Niharam-pitsapana Ilay Fiangonana Kristianina Vao Niforona”
  • Asan’ny Apostoly 6:1
  • bt 41 § 17
  • “Andriamanitra no Mpitondra Anay ka Izy no Tsy Maintsy Ankatoavinay”
  • Asan’ny Apostoly 6:2-7
  • bt 42 § 18
  • “Andriamanitra no Mpitondra Anay ka Izy no Tsy Maintsy Ankatoavinay”
  • Asan’ny Apostoly 7:58–8:1
  • Andao Hikaroka Harena Miafina
  • Asan’ny Apostoly 6:15
  • bt 45 § 2
  • “Feno Hatsaram-panahy sy Hery” i Stefana
  • Asan’ny Apostoly 8:26-30
  • bt 58 § 16
  • Torio “ny Vaovao Tsara Momba An’i Jesosy”
  • Famakiana Baiboly
  • Asan’ny Apostoly 6:1-15
Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2018
mwbr18 Novambra p. 1-6

Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana

5-11 NOVAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JAONA 20-21

“Tia Ahy Mihoatra Noho ny Itiavanao An’iretsy ve Ianao?”

Jaona 21:1-3

Jaona 21:4-14

Jaona 21:15-19

nwtsty: Fanazavana Jn 21:15, 17

hoy i Jesosy tamin’i Simona Petera: Tsy ela talohan’io i Petera ilay nanda an’i Jesosy intelo. Intelo koa i Jesosy eto no nanontany an’i Petera, raha tena tia azy izy na tsia. “Nalahelo i Petera” tamin’ny farany. (Jn 21:17) Nampiasa matoanteny grika roa i Jaona ao amin’ny Jn 21:15-17. Nadika hoe tia ilay hoe agapaô, ary ilay hoe fileô kosa nadika hoe miraiki-po. Indroa i Jesosy no nanontany an’i Petera hoe: ‘Tia ahy ve ianao?’ Indroa koa i Petera no namaly azy hoe: “Miraiki-po aminao aho.” Hoy àry i Jesosy tamin’ny farany: “Miraiki-po amiko ve ianao?” Mbola nanamafy ihany i Petera hoe tia azy. Isaky ny avy namaly i Petera, dia nolazain’i Jesosy azy ny tokony hataony raha tia azy sy miraiki-po aminy tokoa izy. Tokony hamahana sy ‘hiandry’ ny mpianatr’i Jesosy, na ny ondrikeliny, i Petera. (Jn 21:16, 17; 1Pe 5:1-3) Intelo i Jesosy no namela an’i Petera hanamafy hoe tia azy. Nomeny andraikitra hikarakara ny ondriny izy avy eo. Nasehon’i Jesosy tamin’izany hoe efa navelany ny helok’i Petera, noho izy nanda azy intelo.

tia ahy mihoatra noho ny itiavanao an’iretsy ve ianao?: Mety hanana heviny maromaro ilay hoe ‘mihoatra noho iretsy’, raha ny fitsipi-pitenenana no jerena. Izao, ohatra, no fahazoan’ny manam-pahaizana sasany azy io: “Tia ahy mihoatra noho ny itiavanao an’iretsy mpianatra iretsy ve ianao?” na “tia ahy mihoatra noho ny itiavan’iretsy mpianatra iretsy ahy ve ianao?” Azo inoana anefa fa ireo trondro teo, na ny asa fanaratoana, no tian’i Jesosy horesahina rehefa nanontany izy hoe: “Tia ahy mihoatra noho ny itiavanao an’iretsy ve ianao?” Ny tian’i Jesosy holazaina àry dia hoe: ‘Izaho ve no tianao kokoa sa ny asanao? Raha izaho no tianao dia fahano ny ondriko.’ Tsy mahagaga i Jesosy raha nanontany an’i Petera. Anisan’ny mpianatr’i Jesosy voalohany mantsy izy. (Jn 1:35-42) Nisy fotoana anefa izy niverina nanarato fa tsy hoe nanaraka an’i Jesosy foana. Nasain’i Jesosy nandao an’io asa io i Petera, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, mba ho lasa “mpanarato olona.” (Mt 4:18-20; Lk 5:1-11) Mbola nandeha nanarato anefa i Petera, tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, ary nanaraka azy koa ny apostoly hafa. (Jn 21:2, 3) Toa tian’i Jesosy handray fanapahan-kevitra lehibe àry i Petera, rehefa nanondro an’ireo trondro izy. Ny asa fanaratoana ve no hataony loha laharana sa ny hikarakara ny ondrin’i Jesosy, na ireo mpanara-dia azy?—Jn 21:4-8.

fanintelony: Intelo i Petera no nanda an’i Jesosy. Intelo koa i Jesosy avy eo no namela azy hilaza raha tia azy izy na tsia. Namaly i Petera hoe tia azy sady niraiki-po taminy. Nilaza àry i Jesosy hoe ny fanompoana no tokony hataony loha laharana. Tokony hamahana sy hampahery ary hiandry an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy i Petera sy ny mpiandraikitra hafa. Nila nomena sakafo ara-panahy mantsy izy ireo na dia voahosotra aza.—Lk 22:32.

Andao Hikaroka Harena Miafina

Jaona 20:17

nwtsty: Fanazavana Jn 20:17

Aza mamikitra amiko: Midika hoe “mikasika” na “mamikitra, mitazona mafy” ilay matoanteny grika hoe haptômai. Misy mandika an’io tenin’i Jesosy io hoe “aza mikasika ahy.” Tsy nisakana an’i Maria Magdalena tsy hikasika azy akory i Jesosy teo. Nisy vehivavy navelany hanao an’izany mantsy. Navelany ‘hihazona azy tamin’ny tongony’, ohatra, ny vehivavy sasany, taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. (Mt 28:9) Natahotra angamba i Maria Magdalena sao dia efa hiakatra ho any an-danitra i Jesosy. Tsy tiany handeha i Jesosy, ka izay no nahatonga azy hamikitra taminy. Te hanome toky azy i Jesosy hoe mbola tsy hiakatra any an-danitra izy. Izay no antony nilazany hoe “aza mamikitra amiko.” Nasainy nankany amin’ny mpianany kosa i Maria Magdalena mba hilaza hoe efa natsangana izy.

Jaona 20:28

nwtsty: Fanazavana Jn 20:28

Ry Tompoko sy Andriamanitro!: Milaza ny manam-pahaizana sasany fa tsy i Jesosy no nilazan’i Tomasy an’ireo teny ireo fa Andriamanitra. Tafateny an’ilay izy tamin’i Jesosy fotsiny, hono, izy satria taitra loatra. Misy indray miteny hoe i Jesosy mihitsy no niresahany tamin’io, raha ny teny grika tany am-boalohany no jerena. Na marina aza izany, dia tokony hifanaraka amin’ny Soratra Masina iray manontolo ny dikan’ireo teny ireo. Talohan’io, ohatra, i Jesosy naniraka olona hilaza tamin’ny mpianany hoe: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.” Azo antoka àry fa tsy nieritreritra i Tomasy hoe i Jesosy no Andriamanitra mahery indrindra. Efa naheno an’i Jesosy nivavaka koa i Tomasy. Niantso ny ‘Rainy’ hoe “ilay hany tena Andriamanitra” i Jesosy tamin’izay. (Jn 17:1-3) Nahoana àry i Tomasy no niantso an’i Jesosy hoe “Andriamanitro”? Niaiky angamba izy hoe “andriamanitra” i Jesosy, na dia tsy ilay Andriamanitra mahery indrindra aza. (mwbr18.09 1, “ny Teny”, “niaraka”, “ny Teny dia andriamanitra”) Mety ho nanao hoatran’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny koa anefa izy. Rehefa niresaka tamin’ny anjely mantsy ireny olona ireny, dia hoatran’ny hoe niresaka tamin’i Jehovah Andriamanitra mihitsy. (Ampit. Ge 16:7-11, 13; 18:1-5, 22-33; 32:24-30; Mpts 6:11-15; 13:20-22) Niantso an’i Jesosy hoe “Andriamanitro” àry i Tomasy, satria mety ho niaiky izy hoe solontenan’ilay tena Andriamanitra i Jesosy sady mpitondra teniny.

Misy milaza hoe rehefa misy mpanoritra voafaritra eo alohan’ireo teny grika nadika hoe “Tompo” na “Andriamanitra”, dia ilay Andriamanitra mahery indrindra no tiana horesahina. Mety hoe noho ny fitsipi-pitenenana grika fotsiny anefa no mahatonga an’ilay izy hisy mpanoritra eto. Asiany mpanoritra mantsy eo alohan’ny anaran’ny olona iresahana. [Adika hoe “ry” io mpanoritra io amin’ny teny malagasy.] Ahitana an’izany, ohatra, ao amin’ny Lk 12:32. Raha adika ara-bakiteny ny Kl 3:18–4:1 sy ny 1Pe 3:7 dia tsy “ianareo” fa “ry” no eo alohan’ireto anarana ireto: “Vehivavy”, “lehilahy”, “zanaka”, “ray”, “mpanompo”, ary “tompo.” Tsy voatery hoe ilay Andriamanitra mahery indrindra àry no tao an-tsain’i Tomasy, rehefa niteny izy hoe “Ry Tompoko sy Andriamanitro.”

Famakiana Baiboly

Jaona 20:1-18

12-18 NOVAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 1-3

“Nilatsaka Tamin’ny Fiangonana Kristianina ny Fanahy Masina”

Asan’ny Apostoly 2:1-8

Asan’ny Apostoly 2:14

Asan’ny Apostoly 2:37, 38

Asan’ny Apostoly 2:41

Asan’ny Apostoly 2:42-47

w08 15/11 7 § 2

‘Miray Fo sy Saina’ eo Am-panompoana An’Andriamanitra

Naniry hijanona elaela tao Jerosalema ireo olona an’arivony vita batisa, satria te handalina bebe kokoa momba ny finoany vaovao. Tsy nanomana vatsy ampy ho amin’izany anefa izy ireo. Nisy fanangonam-bola natao àry. Nivarotra an-tsitrapo ny fananany ny mpino sasany, ary nitondra ny vidin’izany tany amin’ny apostoly, mba hozaraina amin’ireo tsy manana. (Asa. 2:42-47) Be fitiavana sy nalala-tanana tokoa izy ireo!

w87 1/3 29 § 4-5, 7

Fanomezana Mamelombelona ny Fo

Tamin’ny andro nahaterahan’ny fiangonana kristianina, tamin’ny taona 33, ireo olona 3000 vao vita batisa dia “nifampizara izay nananany, sy niara-nisakafo ary naharitra nivavaka.” Inona no nahatonga azy ireo hanao an’izany? Ho afaka ‘hifantoka amin’ny fampianaran’ny apostoly’ izy ireo amin’izay, ka hatanjaka ny finoany.—Asan’ny apostoly 2:41, 42.

Ireo Jiosy sy hafa firenena tonga tany Jerosalema dia tsy nieritreritra ny hijanona tao afa-tsy tamin’ny Fetin’ny Pentekosta ihany. Naniry hijanona elaela kokoa sy hianatra bebe kokoa anefa ireo lasa Kristianina mba hanatanjahana ny finoany. Niteraka olana momba ny sakafo sy ny filasiana izany. Tsy ampy ny vola nentin’ny sasany. Ny hafa indray nanana mihoatra. Nisy nivarotra ny fananany àry, mba hahafahana manampy an’ireo tsy dia nanana.—Asan’ny apostoly 2:43-47.

Tsy hoe noterena hivarotra ny fananany na hizara izay nananany akory izy ireo, fa nanao an’izany an-tsitrapo. Tsy hoe te ho lasa mahantra akory ireo mpanankarena matoa nivarotra ny fananany. Nangoraka an’ireo Kristianina namany kosa izy ireo. Nentina nampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana ny vola azon’izy ireo tamin’izany.—Ampitahao amin’ny 2 Korintianina 8:12-15.

Andao Hikaroka Harena Miafina

Asan’ny Apostoly 3:15

it “Jesosy Kristy”: “Mpitarika Lehibe Indrindra izay manome fiainana” § 1

Jesosy Kristy

“Mpitarika Lehibe Indrindra izay manome fiainana.” Nanolotra ny ainy lavorary ho sorona i Kristy Jesosy, noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’ny Rainy. Ho afaka hiara-manjaka aminy any an-danitra ireo mpianany nofidiny, ary hisy koa ho tonga vahoakan’ilay Fanjakany etỳ an-tany. (Mt 6:10; Jn 3:16; Ef 1:7; He 2:5; jereo VIDIM-PANAVOTANA.) Lasa ‘Mpitarika Lehibe Indrindra manome fiainana [“Tompon’ny aina”, Prot., Kat.]’ ho an’ny olona rehetra àry i Kristy. (As 3:15) Mitovitovy amin’ny hevitr’ilay teny niantsoana an’i Mosesy (As 7:27, 35) hoe “mpitondra” tany Israely, ny an’ilay teny grika nadika hoe “Mpitarika Lehibe Indrindra” eto.

Asan’ny Apostoly 3:19

cl 265 § 14

Andriamanitra “Mamela Heloka”

Miresaka ny famelan’i Jehovah koa ny Asan’ny Apostoly 3:19, milaza hoe: “Mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo.” Ilay hoe “hamonoana” eto dia mety ho dikan’ilay matoanteny grika midika hoe ‘mamafa, manafoana na manapotika.’ Misy manam-pahaizana milaza fa famafana sora-tanana no mety horesahina eo. Ahoana izany? Vita tamin’ny arina sy ditin-kazo ary rano ilay ranomainty fampiasa tamin’izany. Maty ilay soratra, raha fafana amin’ny sponjy lena, fotoana fohy taorian’ny nanoratana azy. Mampiseho tsara ny famindram-pon’i Jehovah izany. Toy ny maka sponjy sy mamafa ny fahotantsika izy, rehefa mamela antsika.

Famakiana Baiboly

Asan’ny Apostoly 2:1-21

19-25 NOVAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 4-5

“Sahy Nitory ny Tenin’Andriamanitra Izy Ireo”

Asan’ny Apostoly 4:5-13

w08 1/9 15, efajoro

Ahoana no Nampitana ny Fampianarana Kristianina?

Tsy Nahay Taratasy ve ny Apostoly?

“Gaga” ny manam-pahefana sy ny anti-panahin’i Jerosalema, “rehefa nahita ny fahasahian’i Petera sy Jaona, ary fantany fa tsy dia nahita fianarana izy roa lahy sady olon-tsotra.” (Asan’ny Apostoly 4:13) Tena tsy nahita fianarana tokoa ve ireo apostoly, ka tsy nahay namaky teny sy nanoratra? Izao no voalaza momba izany, ao amin’ny Fanazavana Vaovao Momba ny Baiboly (anglisy): “Tsy azo raisina ara-bakiteny angamba ireo teny ireo, ka toy ny hoe tsy nandia fianarana mihitsy i Petera [sy Jaona], ary tsy nahay namaky teny sy nanoratra. Mampiseho fotsiny izy ireo fa avy amin’ny saranga tena tsy mitovy ireo mpitsara sy ny apostoly.”

w08 15/5 30 § 6

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly

4:13—Tsy nahay taratasy na tsy nahita fianarana ve i Petera sy Jaona? Tsia. Nolazain’ny olona hoe ‘tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ izy ireo, satria tsy niofana tany amin’ny sekolin’ny raby.

Asan’ny Apostoly 4:18-20

Asan’ny Apostoly 4:23-31

it “Apostoly”: “Teo anivon’ny fiangonana kristianina” § 1

Apostoly

Teo anivon’ny fiangonana kristianina. Nahazo hery be ireo apostoly rehefa nilatsahan’ny fanahin’Andriamanitra tamin’ny Pentekosta. Resahin’ireo toko dimy voalohany ao amin’ny Asan’ny Apostoly fa tsy natahotra izy ireo na dia naiditra am-ponja sy nokapohina ary norahonana ho faty aza, fa sahy nitory kosa ny vaovao tsara sy ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Nitombo be ny isan’ny fiangonana kristianina taoriana kelin’ny Pentekosta, satria mpitarika nafana fo ireo apostoly notarihin’ny fanahy masina. (As 2:41; 4:4) Tany Jerosalema aloha ny Kristianina no nitory, avy eo tany Samaria, ary farany, nanerana an’ireo tany fantatra tamin’izany.—As 5:42; 6:7; 8:5-17, 25; 1:8.

Andao Hikaroka Harena Miafina

Asan’ny Apostoly 4:11

it “Vato Fehizoro”: “Heviny an’ohatra” § 4

Vato Fehizoro

Milaza ny Salamo 118:22 fa ho lasa “vato fehizoro” fametraka eny an-tampon’ny rindrina (heb.: rôʼsh pinnah) ilay vato nolavin’ny mpanao trano. Namerina an’io faminaniana io i Jesosy ka nilaza fa ny tenany no “vato fehizoro lehibe indrindra” (gr.: kefale gônias, vato fehizoro). (Mt 21:42; Mr 12:10, 11; Lk 20:17) Ny vato fehizoro natao teo an-tampon’ny rindrina no nisongadina teo amin’ny trano iray. I Jesosy Kristy koa no vato ambony indrindra amin’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra oharina amin’ny tempoly ara-panahy. Nilaza koa i Petera fa tanteraka amin’i Kristy ny Salamo 118:22. I Kristy, hoy izy, ilay “vato” nolavin’ny olona nefa nofidin’Andriamanitra ho “vato fehizoro.”—As 4:8-12; jereo koa 1Pe 2:4-7.

Asan’ny Apostoly 5:1

w13 1/3 15 § 4

Nandainga i Petera sy Ananiasy: Inona no Ianarantsika avy Amin’izany?

Nivarotra ny taniny i Ananiasy sy Safira mba hahazoana vola hanampiana an’ireo Kristianina vao vita batisa ireo. Nentin’i Ananiasy tany amin’ny apostoly ny vidin’ilay tany avy eo, sady nilaza izy fa tsy nisy nangalany mihitsy ilay vola. Lainga anefa izany satria efa nakany kely ilay izy. Nampahafantarin’Andriamanitra an’i Petera ny marina, ka hoy i Petera: “Tsy olona no nofitahinao, fa Andriamanitra.” Tonga dia nianjera i Ananiasy ka maty. Tonga koa ny vadiny, afaka adiny telo teo ho eo. Tsy nahafantatra izay nitranga izy ka nandainga koa, ary nianjera dia maty.

Famakiana Baiboly

Asan’ny Apostoly 5:27-42

26 NOVAMBRA–2 DESAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 6-8

“Niharam-pitsapana Ilay Fiangonana Kristianina Vao Niforona”

Asan’ny Apostoly 6:1

bt 41 § 17

“Andriamanitra no Mpitondra Anay ka Izy no Tsy Maintsy Ankatoavinay”

Vao niforona kelikely ny fiangonana, dia efa nisy loza nandrahona azy avy tao anatiny. Olona nivahiny tao Jerosalema ny ankamaroan’ireo mpianatra natao batisa, ka te hiana-javatra bebe kokoa, alohan’ny hodiany. Nanome vola an-tsitrapo àry ny mpianatra tao Jerosalema mba ho sakafon’izy ireo sy hikarakarana izay nilainy. (Asa. 2:44-46; 4:34-37) Nisy raharaha saro-pady nila nalamina anefa. “Natao tsirambina” mantsy ny mpitondratena niteny grika, “tamin’ny fizaran-tsakafo isan’andro.” (Asa. 6:1) Tsy natao toy izany anefa ireo mpitondratena niteny hebreo. Toa nisy fanavakavahana àry tao. Tena mora mampisaratsaraka ny toy izany.

Asan’ny Apostoly 6:2-7

bt 42 § 18

“Andriamanitra no Mpitondra Anay ka Izy no Tsy Maintsy Ankatoavinay”

Ny apostoly no filan-kevi-pitantanan’ny fiangonana tamin’izany. Hitan’izy ireo fa tsy ho fahendrena ny “hamela ny tenin’Andriamanitra” ka “hizara sakafo eny an-databatra.” (Asa. 6:2) Inona no vahaolana? Nasain’izy ireo nitady olona fito “feno fanahy masina sy fahendrena” ny mpianatra, mba hotendren’ny apostoly hikarakara an’io “raharaha tsy maintsy hatao” io. (Asa. 6:3) Lehilahy mahafeno fepetra no nilaina satria toa tsy fizarana sakafo fotsiny ilay izy, fa teo koa ny fitantanam-bola, fividianana entana, ary fitanana an-tsoratra tsara. Nanana anarana grika ireo voafantina, ka mety ho mora kokoa tamin’ireo mpitondratena tafintohina ny nanaiky azy ireo. Nodinihin’ny apostoly ilay fanolorana ary nivavaka momba izany izy ireo, ka nanendry lehilahy fito mba hikarakara an’io “raharaha tsy maintsy hatao” io.

Asan’ny Apostoly 7:58–8:1

Andao Hikaroka Harena Miafina

Asan’ny Apostoly 6:15

bt 45 § 2

“Feno Hatsaram-panahy sy Hery” i Stefana

Fihetseham-po hafa mihitsy no hita soritra teny amin’ny endrik’i Stefana! Nibanjina azy ny mpitsara, ka nahita fa “sahala amin’ny tarehin’anjely” ny tarehiny. (Asa. 6:15) Mitondra hafatra avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny anjely ka milamin-tsaina sy tony ary tsy matahotra. Toy izany koa i Stefana, hany ka nahamarika izany na dia ireo mpitsara nankahala mafy azy aza. Nahoana izy no tony dia tony?

Asan’ny Apostoly 8:26-30

bt 58 § 16

Torio “ny Vaovao Tsara Momba An’i Jesosy”

Voninahitra ho an’ny Kristianina koa ankehitriny ny manao asa mitovy amin’ny an’i Filipo. Mazàna izy ireo no afaka mitory ilay Fanjakana amin’izay olona tojo azy, toy ny any anaty fitateram-bahoaka. Tsy kisendrasendra fotsiny matetika no ihaonan’izy ireo amin’ny olona tso-po. Efa ampoizina izany, satria milaza ny Baiboly fa mitarika ny asa fitoriana ny anjely, mba handre ilay hafatra ny “firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra.” (Apok. 14:6) Efa nilaza koa i Jesosy fa anjely no hitarika ny asa fitoriana. Tao amin’ilay fanoharany momba ny vary sy ny tsimparifary, dia nilaza izy fa ‘ny anjely no mpijinja’ mandritra ny fotoam-pijinjana, izany hoe ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. Nilaza koa izy fa ny anjely no “hanangona an’izay rehetra mahatonga ny hafa hanota sy izay mpandika lalàna, ka hamoaka an’ireny avy ao amin’ny fanjakany.” (Mat. 13:37-41) Ny anjely koa no manangona an’ireo handova ilay Fanjakana any an-danitra, ary avy eo ny “vahoaka be” anisan’ny “ondry hafa.” Tian’i Jehovah hotaomina ho ao anatin’ny fandaminany mantsy izy ireo.—Apok. 7:9; Jaona 6:44, 65; 10:16.

Famakiana Baiboly

Asan’ny Apostoly 6:1-15

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara