FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w22 Febroary p. 31
  • Fantatrao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantatrao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Mitovitovy Aminy
  • Domohina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fantany ny Fetran’ny Mety ho Vitantsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Vorona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
w22 Febroary p. 31

Fantatrao Ve?

Nahoana no mety tsara hoe samy neken’i Jehovah hatao fanatitra na ny voromailala na ny domohina?

ARAKA ny Lalàna, dia samy azo natao fanatitra ho an’i Jehovah na ny voromailala na ny domohina. Noresahina miaraka foana ireo vorona roa ireo ao amin’ny lalàna momba ny fanatitra, ary azo nampifanakalozina. (Lev. 1:14; 12:8; 14:30) Mety tsara izany satria tsy voatery hahita domohina foana ny olona. Fa maninona?

Domohina

Vorona mpifindra monina ny domohina ary amin’ny vanin-taona mafana izy ireny no hita any Israely. Mifindra monina any amin’ny tany mafana any atsimo izy ireo isaky ny Oktobra, ary miverina any Israely indray rehefa lohataona. (Tonon. 2:11, 12; Jer. 8:7) Sarotra tamin’ny Israelita tamin’izany àry ny nahita domohina hatao sorona nandritra ny ririnina.

Voromailala

Tsy dia mifindra monina kosa ny voromailala, ka hita tany Israely foana mandavantaona. Tsy izay ihany, fa azo ompiana ny voromailala. (Ampitahao amin’ny Jaona 2:14, 16.) Milaza ny boky hoe Zavamaniry sy Biby ao Amin’ny Baiboly (anglisy) fa “samy niompy voromailala daholo ny olona tany Palestina, na ny tany ambanivohitra na ny tany an-tanàn-dehibe. Misy tranom-boromailala, na lavaka teo amin’ny rindrina, ny trano tsirairay.”​—Ampitahao amin’ny Isaia 60:8.

Voromailala ao amin’ny tranony

Hita amin’izany hoe be fitiavana sy mahay mandanjalanja i Jehovah, satria nekeny hataon’ny Israelita fanatitra izay vorona nisy nandritra ny taona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara