FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w22 Jolay p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Tsy Mitondra Fihavanana’ ny Fahamarinana fa ‘Mitondra Sabatra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Afaka ny ho Sambatra Ianao na dia Tsy Manompo An’i Jehovah aza ny Mpianakavinao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Andriamanitra ve no Voalohany ao Amin’ny Fianakavianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Ampio Hanaiky ny Fahamarinana Izy!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
w22 Jolay p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny izy hoe “aza mieritreritra hoe tonga hitondra fihavanana” aho?

Nampianatra ny olona ho tia fihavanana i Jesosy. Niteny tamin’ny apostoliny anefa izy indray mandeha hoe: “Aza mieritreritra hoe tonga hitondra fihavanana eto an-tany aho. Tsy tonga hitondra fihavanana aho fa hitondra sabatra. Fa tonga aho hampisaraka ny zanakalahy sy ny rainy, ny zanakavavy sy ny reniny, ary ny vinantovavy sy ny rafozambaviny.” (Mat. 10:34, 35) Inona no tiany holazaina amin’izany?

Tsy te hampisara-bazana ny fianakaviana akory i Jesosy. Fantany anefa fa hampisaraka mpianakavy sasany ny fampianarany. Izay te ho lasa mpianatr’i Kristy sy hatao batisa àry, dia mila mahalala an’izay ho vokatry ny fanapahan-keviny. Raha manohitra azy mantsy ny vadiny na ny havany, dia mety ho sarotra aminy ny hanaraka foana an’izay nampianarin’i Kristy.

Ampirisihin’ny Baiboly ny Kristianina mba ‘hihavana amin’ny olona rehetra.’ (Rom. 12:18) Mety ho lasa hoatran’ny “sabatra” anefa ny fampianaran’i Jesosy eo anivon’ny fianakaviana sasany. Mitranga izany rehefa manaiky ny fampianarany ny olona iray, nefa mandà na manohitra an’izany ny hafa. Lasa manao ny tenany ho ‘fahavalon’ilay’ mianatra ny fahamarinana àry ny havany, na ny ankohonany.​—Mat. 10:36.

Tovovavy feno toky manalavitra ny mamany. Miangavy azy ilay mamany sady manao fihetsika amin’ny tanana. Mitazona an’ilay boky hoe “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!” ilay tovovavy.

Raha tsy mitovy fivavahana amin’ny mpianatr’i Kristy ny fianakaviany, dia ho sarotra aminy indraindray ny hampifaly an’i Jehovah sy Jesosy. Mety hanery azy hanao fety ara-pivavahana, ohatra, ry zareo. Tsy maintsy manapa-kevitra àry ilay Kristianina hoe iza no hampifaliany. Izao no nolazain’i Jesosy: “Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho ny fitiavana ahy dia tsy mendrika ahy.” (Mat. 10:37) Mazava ho azy fa tsy te hilaza akory izy hoe tokony hihena ny fitiavan’ny mpianany ny ray aman-dreniny, izay ry zareo vao mendrika azy. Asongadiny kosa hoe inona no tokony hoheverin-dry zareo ho zava-dehibe indrindra. Tiantsika foana mantsy ny fianakaviantsika, na dia manohitra antsika aza noho isika manompo an’i Jehovah. Ekentsika anefa hoe Andriamanitra no tokony ho tiantsika voalohany indrindra.

Marina fa mety ho mafy be amintsika rehefa manohitra antsika ny havantsika. Tsy maintsy mitadidy an’izao tenin’i Jesosy izao anefa ny mpianany: “Izay tsy manaiky hitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka ahy, dia tsy mendrika ahy.” (Mat. 10:38) Anisan’ny fijaliana zakain’ny Kristianina àry ny fanoheran’ny fianakaviany, ary tokony ho vonona hiaritra an’izany izy. Hiezaka ny ho tsara fitondran-tena foana anefa izy, sady manantena ihany hoe hampiova ny fianakaviany izany ka hanjary ho liana amin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly ry zareo.​—1 Pet. 3:1, 2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara