FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp23 No. 1 p. 8-9
  • 2 | ‘Mampionona Antsika ny Soratra Masina’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 2 | ‘Mampionona Antsika ny Soratra Masina’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2023
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no dikan’izany?
  • Nahoana izany no manampy?
  • Inona no Hanampy An’ireo Tanora Kivy Be?
    Mifohaza!—2017
  • Fanampiana avy Amin’ilay “Andriamanitry ny Fampiononana”
    Mifohaza!—2009
  • Lanjalanjao ny Fihetseham-ponao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Nahoana Aho no Ketraka Aoka Izany?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2023
wp23 No. 1 p. 8-9
Lehilahy zokiolona misaintsaina an’izay novakiny tao amin’ny Baiboly.

2 | ‘Mampionona Antsika ny Soratra Masina’

HOY NY BAIBOLY: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana mba hampianarana antsika. Amin’izay isika dia hanana fanantenana, satria manampy antsika hiaritra sady manome fampiononana antsika ny Soratra Masina.”​—ROMANINA 15:4.

Inona no dikan’izany?

Misy hevitra mampionona antsika ao amin’ny Baiboly. Manome hery izy ireny sady manampy antsika hiaritra, rehefa misy eritreritra mahakivy ao an-tsaintsika. Manome fanantenana koa ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Resahiny hoe tsy ho ela dia tsy hisy hankarary ny fontsika intsony.

Nahoana izany no manampy?

Miady saina daholo isika indraindray. Rehefa lasa aretina anefa ny adin-tsaina na ny hakiviana, dia mampijaly anao isan’andro ny fihetseham-ponao. Ahoana no anampian’ny Baiboly anao?

  • Misy hevitra mampahery be dia be ao amin’ny Baiboly. Azontsika saintsainina ireny rehefa mitady hieritreritra zavatra mahakivy isika. (Filipianina 4:8) Tena afaka mameno ny saintsika amin’ny hevitra mampionona sy mampitony ny Baiboly. Hanampy antsika hifehy ny fihetseham-pontsika izany.​—Salamo 94:18, 19.

  • Manampy antsika ny Baiboly mba tsy hieritreritra isika hoe tsy misy vidiny.​—Lioka 12:6, 7.

  • Maro ny andinin-teny manome toky antsika hoe tsy miady irery isika, ary mahazo tsara an’izay tsapantsika Andriamanitra, ilay Mpamorona antsika.​—Salamo 34:18; 1 Jaona 3:19, 20.

  • Mampanantena ny Baiboly fa hataon’Andriamanitra tsy tsaroantsika intsony izay nampahory antsika. (Isaia 65:17; Apokalypsy 21:4) Mety hanampy antsika hiaritra io fampanantenana io, raha mampijaly be antsika ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika amin’izao.

Ny Nanampian’ny Baiboly An’i Jessica

Nisy vokany tamiko ny hakiviana (dépression)

Jessica resin-tory ary misy Baiboly mivelatra eny an-tanany.

“Tratran’ny aretin-tsaina aho tamin’izaho 25 taona. Kivy be koa aho, dia nilaza ny dokotera hoe efa lasa aretina ilay izy. Tampotampoka teo dia nahatsiaro ny zava-dratsy nitranga taloha aho, ary tsy voafehiko ny eritreritro. Nohazavain’ny dokotera hoe ireny zavatra niainako ireny no nahatonga ahy hieritreritra zava-dratsy hoatr’izany, dia lasa kivy be aho. Efa nihinana fanafody aho tamin’izany, nefa mbola nila fitsaboana hafa mba hanampy ahy hamantatra sy hanitsy an’izany fomba fisainana tsy mety izany.”

Manampy ahy ny Baiboly

“Rehefa ilay tena kivy iny aho, dia natahotra be tampoka sady nikorontan-saina be ary tsy nahita tory. Matetika aho no niady saina be rehefa alina, dia tsy voafehiko mihitsy ilay izy. Manazava ny Salamo 94:19 hoe afaka mampionona sy mampitony antsika Andriamanitra, rehefa be dia be ny zavatra mampitebiteby antsika. Nasiako Baiboly sy kahie nisy andinin-teny mampahery foana àry teo an-doham-pandrianako. Rehefa tsy nahita tory iny aho, dia namaky andinin-teny vitsivitsy, amin’izay mampionona ahy ny hevitr’Andriamanitra.

“Mampirisika antsika ny Baiboly mba hanala ny eritreritra mifanohitra amin’izay fantatsika momba an’Andriamanitra. Taloha aho nino hoe tsy nisy vidiny sy tsy mendrika ny hotiavina aho, ary tsy nisy nilana ahy. Nianarako anefa hoe tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly izany. Voalaza ao mantsy fa Ray be fitiavana sy mangoraka Andriamanitra, ary mikarakara antsika tsirairay. Nahavita nifehy tsikelikely ny eritreritro àry aho, fa tsy izy io intsony no navelako hifehy ahy. Niezahako nampitovina tamin’ny fomba fiheveran’Andriamanitra ahy ny fiheverako ny tenako. Izany no anisan’ny tena nanampy ahy tsy hieritreritra zavatra mahakivy momba ahy intsony.

“Efa tsy andriko ilay hoe tsy hahatsiaro ny zava-drehetra nampijaly antsika taloha intsony isika, sady tsy hanana fomba fisainana tsy mety intsony. Fantatro fa ho anisan’ny zavatra taloha ny aretin-tsaina indray andro any, dia izany no manampy ahy hiaritra amin’izao. Lasa mibanjina ny hoavy koa aho rehefa foana tanteraka ny ady mafy ataoko amin’ny hakiviana.”

Fanampiana Hafa:

Vakio ao amin’ny jw.org/mg ilay hoe “Fanampiana avy Amin’ilay ‘Andriamanitry ny Fampiononana’” ao amin’ny Mifohaza! Jolay 2009.

Vakio ny bokin’ny Salamo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara