FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w24 Febroary p. 26-27
  • Sambatra eo Am-piandrasana An’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sambatra eo Am-piandrasana An’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NAHOANA ISIKA NO TIAN’I JEHOVAH HIANDRY?
  • AHOANA NO ATAO MBA HO SAMBATRA REHEFA MIANDRY?
  • Faly Miandry An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Vonona Hiandry An’i Jehovah ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Mahay Miandry ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Vonona Hiandry An’i Jehovah ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
w24 Febroary p. 26-27

Sambatra eo Am-piandrasana An’i Jehovah

Davida Mpanjaka efa sasa-miandry mitazana avy eo amin’ny varavarankelin’ny lapa.

EFA tsy andrinao ve ilay fotoana hanesoran’i Jehovah ny faharatsiana rehetra sy hanaovany ny zava-drehetra ho vaovao? (Apok. 21:1-5) Azo antoka izany. Tsy mora foana anefa ny miandry an’i Jehovah, indrindra raha miatrika olana isika. Mety harary mantsy ny fo, raha ela be vao tanteraka ny zavatra antenaina.​—Ohab. 13:12.

Na izany aza, dia tian’i Jehovah hanam-paharetana isika, ka hiandry azy hanao zavatra amin’ny fotoana mety aminy. Maninona isika no tiany hanao an’izany? Inona no hanampy antsika ho sambatra eo am-piandrasana azy?

NAHOANA ISIKA NO TIAN’I JEHOVAH HIANDRY?

Hoy ny Baiboly: ‘Mbola maharitra miandry foana i Jehovah, satria te hiantra anareo, ary hitsangana izy satria te hamindra fo aminareo. Andriamanitry ny rariny mantsy i Jehovah, ka sambatra izay rehetra manantena azy.’ (Isaia 30:18) Natao ho an’ny Jiosy mafy loha ireo tenin’i Isaia ireo tamin’ny voalohany. (Isaia 30:1) Nisy Jiosy nanam-pinoana ihany anefa tamin’izany, ary nanome fanantenana an-dry zareo ireo teny ireo. Manome fanantenana ny mpanompon’i Jehovah manam-pinoana amin’izao koa ireo.

Tsy maintsy manam-paharetana miandry àry isika, satria na i Jehovah aza manao hoatr’izany. Efa misy fotoana nofaritany handringanany an’izao tontolo izao, dia miandry an’io andro sy ora io izy. (Mat. 24:36) Ho voaporofo amin’izay hoe diso be ny fiampangana ataon’ny Devoly amin’i Jehovah sy ny mpanompony. Horinganina ny ratsy fanahy, ary halefa any amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana sy ny demoniany, fa isika kosa ‘hamindrany fo.’

Mety tsy hanala ny fitsapana mahazo antsika anefa i Jehovah mandra-pahatongan’izany. Manome toky anefa izy hoe afaka ny ho sambatra isika eo am-piandrasana azy. Milaza mantsy i Isaia fa azo atao tsara izany na dia rehefa miandrandra na manantena zavatra tsara hitranga aza. (Isaia 30:18)a Inona no azontsika atao mba ho sambatra? Ireto misy zavatra efatra hanampy antsika.

AHOANA NO ATAO MBA HO SAMBATRA REHEFA MIANDRY?

Mifantoha amin’izay tsara. Nahita zava-dratsy be dia be i Davida Mpanjaka teo amin’ny fiainany. (Sal. 37:35) Hoy anefa izy: “Aoka ianao hangina eo anatrehan’i Jehovah, ka hanam-paharetana hiandry azy. Aza sorena amin’ny olona mahavita manatanteraka ny tetika ataony.” (Sal. 37:7) Nampihatra an’izany izy rehefa nifantoka tamin’ny fampanantenan’i Jehovah hoe hamonjy azy. Tsy nodiany tsy hita koa ny fitahiana rehetra nomeny azy. (Sal. 40:5) Ho mora kokoa amintsika koa ny hiandry an’i Jehovah raha mifantoka amin’ny zavatra tsara eo amin’ny fiainantsika isika, fa tsy miferinaina amin’ny zava-dratsy mitranga manodidina antsika.

Miezaha ho variana midera an’i Jehovah. I Davida angamba no nanoratra ny Salamo faha-71. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Izaho ... mbola hiandry anao; vao mainka aho hidera anao.” (Sal. 71:14) Ahoana no nataony? Niresaka momba an’i Jehovah tamin’ny olon-kafa izy, dia nanao hira fiderana ho azy. (Sal. 71:16, 23) Afaka ny ho faly hoatran’i Davida koa isika eo am-piandrasana an’i Jehovah. Midera azy isika na rehefa manompo, na manao ny hirantsika, na amin’ny resatsika andavanandro. Rehefa manao hiran’ilay Fanjakana ianao amin’ny manaraka, dia maninona raha dinihina tsara ilay tonony mampahery?

Makà fampaherezana any amin’ny rahalahy sy anabavy. Rehefa niatrika olana i Davida, dia hoy izy tamin’i Jehovah: “Hasehoko eo anatrehan’ireo tsy mivadika aminao fa manantena ny anaranao aho.” (Sal. 52:9) Afaka maka fampaherezana any amin’ny mpiara-manompo tsy mivadika koa isika. Tsy any am-pivoriana sy eny amin’ny fanompoana ihany isika no afaka manao an’izany, fa rehefa miara-miala voly koa.​—Rom. 1:11, 12.

Ataovy mafy orina kokoa ny fanantenanao. Hoy ny Salamo 62:5: “Miandry an’Andriamanitra amim-panginana ... aho, satria izy no antenaiko.” Mafy orina ny fanantenan’ny olona iray, rehefa matoky be an’ilay zavatra andrasany izy. Tena ilaina izany, raha tsy maintsy miaritra ela kokoa noho ny nieritreretantsika azy isika eto amin’izao tontolo izao. Tsy maintsy resy lahatra isika hoe ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah, na mila miandry ela hoatran’ny inona aza isika. Inona no azontsika atao mba hatoky kokoa an’izany? Mila mianatra ny Tenin’Andriamanitra isika, anisan’izany ny firindran’izy io, ny faminaniana ao, ary ny tsipiriany resahin’i Jehovah momba azy. (Sal. 1:2, 3) Mila ‘avelantsika hiasa amintsika’ foana koa ‘ny fanahy masina rehefa mivavaka isika.’ Hifandray tsara amin’i Jehovah foana isika amin’izay, eo am-piandrasana an’ilay fampanantenany fiainana mandrakizay.​—Joda 20, 21.

Sary: Anabavy zokiolona misaintsaina an’izay novakiny tao amin’ny Baiboly. Misy fanafody be dia be eo akaikiny eo. 1) Mipetraka eo ambony seza misy kodiarana izy sady manao fampirantiana, ary mitory amin’ny vehivavy iray. 2) Miara-miala voly amin’ny rahalahy sy anabavy hafa izy. 3) Mivavaka izy.

Matokia hoatran’i Davida Mpanjaka hoe mitsinjo an’izay miandry azy i Jehovah, ary tia sy tsy mivadika amin-dry zareo. (Sal. 33:18, 22) Mahareta miandry an’i Jehovah foana, ka mifantoha amin’izay zavatra tsara eo amin’ny fiainanao, derao izy, makà fampaherezana any amin’ny mpiara-manompo, ary ataovy mafy orina foana ny fanantenanao.

a Ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “manantena” dia mety hidika koa hoe “miandrandra zavatra iray.” Hita amin’izany fa ara-dalàna raha miandrandra famonjena isika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara