FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w25 Jona p. 20-25
  • Ampio Hanaraka ny Fahamarinana ny Mpianatra Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio Hanaraka ny Fahamarinana ny Mpianatra Baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AMPIO HAMANTATRA NY OLANA MANAKANA AZY TSY HANDROSO ILAY MPIANATRA
  • AMPIO ILAY MPIANATRA MBA HAMPITOMBO NY FITIAVANY AN’I JEHOVAH
  • AMPIO ILAY MPIANATRA HANOVA AN’IZAY TOKONY HATAONY LOHA LAHARANA
  • AMPIO HANDRESY OLANA ILAY MPIANATRA
  • MATOKIA AN’ILAY MPIANATRA
  • Ahoana no Hanampiana ny Mpianatra Baiboly mba ho Vita Batisa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 2)
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 1)
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • “Mandehana àry, Ataovy Mpianatra ny Olona”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
w25 Jona p. 20-25

LAHATSORATRA FIANARANA 27

HIRA 79 Ampianaro Izy Ireo mba Handroso Hatrany

Ampio Hanaraka ny Fahamarinana ny Mpianatra Baiboly

“Miorena tsara amin’ny finoana, ary miezaha ho be herim-po.”​—1 KOR. 16:13.

HEVITRA HODINIHINA

Mila finoana sy herim-po ny mpianatra Baiboly mba hanarahany ny fahamarinana. Ahoana no hanampiantsika azy?

1-2. a) Nahoana ny mpianatra Baiboly sasany no misalasala hanaraka ny fahamarinana? b) Inona no hodinihintsika ato?

IANAO ve taloha natahotra ny ho lasa Vavolombelon’i Jehovah? Natahotra angamba ianao hoe ho tezitra aminao ny mpiara-miasa aminao, ny namanao, na ny havanao. Na ianao nieritreritra hoe tsy hahavita hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra mihitsy. Raha efa hoatr’izany ianao dia azonao tsara ny tsapan’ny mpianatra Baiboly misalasala hanaraka ny fahamarinana.

2 Niaiky i Jesosy hoe ho sarotra amin’ny olona matahotra hoatr’izany ny handroso ara-panahy. (Mat. 13:20-22) Nampiany foana anefa ny olona nisalasala ny hanara-dia azy. Natorony koa ny mpianany hoe ahoana no hanampiana olona hoatr’izany mba 1) hamantatra ny olana manakana azy tsy handroso, 2) hampitombo ny fitiavany an’i Jehovah, 3) hanova an’izay tokony hataony loha laharana, ary 4) handresy olana. Ahoana no ampiharantsika ny tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany rehefa mampiasa ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! isika mba hanampiana ny mpianatra Baiboly hanaraka ny fahamarinana?

AMPIO HAMANTATRA NY OLANA MANAKANA AZY TSY HANDROSO ILAY MPIANATRA

3. Inona no mety ho nanakana an’i Nikodemosy tsy ho lasa mpianatr’i Jesosy?

3 Mpitarika nanana fahefana teo amin’ny Jiosy i Nikodemosy ary sarotra taminy ny ho mpianatr’i Jesosy. Vao enim-bolana teo ho eo fotsiny i Jesosy no nanao ny fanompoany, dia efa fantatr’i Nikodemosy hoe solontenan’Andriamanitra izy. (Jaona 3:1, 2) Naleony anefa nihaona mangingina tamin’i Jesosy, noho ny “fahatahorana ny Jiosy.” (Jaona 7:13; 12:42) Mety ho nanahy izy hoe be dia be ny zavatra hafoiny raha lasa mpianatr’i Jesosy izy.a

4. Ahoana no nanampian’i Jesosy an’i Nikodemosy mba hahazo an’izay tian’Andriamanitra hataony?

4 Nahay ny Lalàna i Nikodemosy nefa nila nampiana izy hahatakatra hoe inona no tian’i Jehovah hataony. Ahoana no nanampian’i Jesosy azy? Nahafoy ny fotoanany i Jesosy ka nanaiky hiresaka taminy na dia amin’ny alina aza. Nohazavain’i Jesosy tsara koa izay tokony hataony raha te ho lasa mpianany izy: Mibebaka noho ny fahotany, atao batisa anaty rano, ary maneho finoana ny Zanak’Andriamanitra.​—Jaona 3:5, 14-21.

5. Ahoana no anampiana ny mpianatra Baiboly hamantatra an’izay manakana azy tsy handroso?

5 Na dia mahazo tsara ny Soratra Masina aza ny mpianatra Baiboly, dia mety mila ampiana izy hamantatra an’izay manakana azy tsy handroso. Mety hanakana azy tsy hanatratra tanjona ara-panahy, ohatra, ny asany na ny fanoheran’ny havany. Manokàna àry fotoana ho azy. Asao hisotro lasopy, ohatra, izy na hiara-miantsena aminao. Rehefa miara-manao zavatra hoatr’izany ianareo, dia mety hisokatra ny fony ka hotantarainy anao ny olana atrehiny. Ampirisiho izy avy eo hanao an’izay fanovana ilainy, tsy hoe mba hampifaliana anao, fa mba hampisehoana hoe tiany i Jehovah.

6. Ahoana no anampiana ny mpianatra Baiboly hanana herim-po hanarahana ny fahamarinana? (1 Korintianina 16:13)

6 Hanana herim-po hampiharana an’izay ianarany ny mpianatra Baiboly rehefa matoky hoe hampian’i Jehovah hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly izy. (Vakio ny 1 Korintianina 16:13.) Azo oharina amin’ny mpampianatra ny andraikitrao. Mpampianatra hoatran’ny ahoana izao no tianao indrindra tany am-pianarana? Azo inoana hoe ilay mpampianatra nanam-paharetana sy nanampy anao hatoky tena. Hoatr’izany koa ny mpampianatra Baiboly mahay. Tsy hoe mampianatra an’izay takin’Andriamanitra fotsiny izy, fa omeny toky koa ilay mpianatra hoe vitany ny miova rehefa ampian’i Jehovah izy. Ahoana no hanaovanao an’izany?

AMPIO ILAY MPIANATRA MBA HAMPITOMBO NY FITIAVANY AN’I JEHOVAH

7. Ahoana no nanampian’i Jesosy ny mpihaino azy mba hampitombo ny fitiavan-dry zareo an’i Jehovah?

7 Fantatr’i Jesosy hoe lasa te hampihatra an’izay ianarany ny mpianany rehefa tia an’Andriamanitra. Matetika ny zavatra nampianariny no nanampy ny mpianany hampitombo ny fitiavan-dry zareo an’ilay Rainy any an-danitra. Nampitovin’i Jesosy tamin’ny lehilahy iray manome zavatra tsara ho an’ny zanany, ohatra, i Jehovah. (Mat. 7:9-11) Mety hoe tsy nanana dada be fitiavana hoatr’izany ny sasany tamin’ny mpihaino an’i Jesosy. Ahoana re no tsapan-dry zareo rehefa naheno an’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny ray be fangorahana nitsena ny zanany naditra e? Azon-dry zareo an-tsaina hoe mangoraka ny zanany etỳ an-tany i Jehovah.​—Lioka 15:20-24.

8. Ahoana no anampiana ny mpianatra Baiboly hampitombo ny fitiavany an’i Jehovah?

8 Manampy ny mpianatrao hampitombo ny fitiavany an’i Jehovah koa ianao rehefa manasongadina ny toetran’i Jehovah mandritra ny fianaranareo. Isaky ny mianatra ianareo dia ampio izy hahita hoe inona amin’ilay fianarana no ahitana hoe tia antsika i Jehovah. Rehefa miresaka momba ny vidim-panavotana ianareo dia asongadino hoe mahakasika azy mihitsy ilay izy. (Rom. 5:8; 1 Jaona 4:10) Azo inoana hoe ho tia an’i Jehovah izy rehefa misaintsaina hoe tia azy i Jehovah.​—Gal. 2:20.

9. Inona no nanampy an’i Michael hiova?

9 Diniho ny tantaran’i Michael, any Indonezia. Mbola kely izy dia efa nahalala ny fahamarinana nefa tsy natao batisa. Nanao saoferana kamiao tany an-tany hafa izy, tamin’izy 18 taona. Nanambady izy tatỳ aoriana nefa nilaozany ny vady aman-janany dia niverina niasa tany ivelany izy. Nianatra Baiboly ny vadiny sy ny zanany vavy dia nandroso. Rehefa maty ny maman’i Michael dia nody izy mba hikarakara ny dadany, ary nanaiky hianatra Baiboly. Tonga teo amin’ny lesona 27 amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! ny fianarany. Nanohina be ny fon’i Michael ny hevitra teo amin’ilay hoe “Andao Hohalalinintsika.” Nirotsaka ny ranomasony rehefa nisaintsaina ny fihetseham-pon’i Jehovah nahita an’ilay Zanany nijaly izy. Lasa nankasitraka lalina ny vidim-panavotana izy dia tapa-kevitra ny hiova sy hatao batisa.

AMPIO ILAY MPIANATRA HANOVA AN’IZAY TOKONY HATAONY LOHA LAHARANA

10. Ahoana no nanampian’i Jesosy ny mpianany voalohandohany mba hanova an’izay tokony hataon-dry zareo loha laharana? (Lioka 5:5-11) (Jereo koa ny sary.)

10 Vetivety dia niaiky ny mpianatr’i Jesosy voalohandohany hoe izy ilay Mesia nampanantenaina. Nila nampiana hanao loha laharana ny fitoriana anefa ry zareo. Efa mpianatra elaela i Petera sy Andrea tamin-dry zareo nasain’i Jesosy hanara-dia azy manontolo andro. (Mat. 4:18, 19) Mpanarato ry zareo ary toa niara-niasa tamin’i Jakoba sy Jaona. Nandeha be ny asan-dry zareo. (Mar. 1:16-20) Azo inoana hoe rehefa “namela ny haratony” i Petera sy Andrea, dia nitady hevitra hamelomana ny fianakaviany satria ry zareo hanara-dia an’i Jesosy. Nahoana ry zareo no nanova an’izay nataony loha laharana? Tantarain’i Lioka hoe nanao fahagagana i Jesosy dia lasa natoky kokoa ry zareo hoe mahavita manome an’izay ilainy i Jehovah.​—Vakio ny Lioka 5:5-11.

Mpanarato roa asain’i Jesosy hanara-dia azy dia miala ao amin’ilay sambo fanaratoana. Mijanona ao an-tsambo ny mpanarato hafa ary mikarakara ny haratony.

Nampian’i Jesosy hanova an’izay tokony hataon-dry zareo loha laharana ny mpianany. Ahoana no hanahafantsika azy? (Fehintsoratra 10)b


11. Ahoana no azontsika ampiasana ny zavatra niainantsika mba hanatanjahana ny finoan’ny mpianatra Baiboly?

11 Isika aloha tsy afaka manao fahagagana hoatran’i Jesosy e! Azo tantaraina amin’ilay mpianatra anefa ny fomba nanohanan’i Jehovah an’izay nanao loha laharana ny fanompoana azy. Tadidinao ve, ohatra, ny fomba nanampian’i Jehovah anao tamin’ianao nanomboka nivory? Tsy maintsy niresaka tamin’ny mpampiasa anao angamba ianao dia nangataka hirava aloha mba hahafahanao mivory. Rehefa mitantara eo ianao, dia hazavao hoe nahoana no nanatanjaka ny finoanao ny nahita hoe nampian’i Jehovah ianao tamin’ny nanapa-kevitra ny hanao loha laharana ny fanompoana azy.

12. a) Inona no maha tsara an’ilay hoe manovaova namana rehefa mampianatra? b) Ahoana no azontsika ampiasana tsara ny video rehefa mampianatra? Manomeza ohatra.

12 Betsaka koa ny Kristianina nanova an’izay nataony loha laharana. Hahasoa ny mpianatrao ny maheno ny fitantaran’izy ireny. Ovaovao àry ny namanao rehefa mampianatra ianao. Asaivo tantarain-dry zareo ny fomba nahitany ny fahamarinana sy izay nataony mba hahatonga ny fanompoana an’i Jehovah ho loha laharana eo amin’ny fiainany. Rehefa mianatra amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! koa ianareo dia manokàna fotoana hijerena ny video ao amin’ilay hoe “Andao Hohalalinintsika”, sy izay hitanao hoe ilainy ao amin’ilay hoe “Jereo koa Ireto.” Asongadino, ohatra, ny torolalana ao amin’ilay video hoe Hanome Izay Ilaintsika i Jehovah, rehefa mianatra ny lesona 37 ianareo.

AMPIO HANDRESY OLANA ILAY MPIANATRA

13. Ahoana no nanampian’i Jesosy ny mpianany ho vonona hiatrika fanenjehana?

13 Imbetsaka i Jesosy no niteny hoe henjehina ny mpanara-dia azy, ary misy aza ny havany mihitsy no hanohitra azy. (Mat. 5:11; 10:22, 36) Rehefa hifarana ny fanompoan’i Jesosy dia nampitandrina ny mpianany izy hoe mety hovonoina ho faty ry zareo. (Mat. 24:9; Jaona 15:20; 16:2) Nasainy nitandrina tsara ry zareo rehefa nanompo. Nanoro hevitra koa izy hoe tsy tokony hifamaly amin’ny mpanohitra ry zareo fa ho malina, amin’izay afaka mitory foana.

14. Ahoana no ampiomanantsika ny mpianatra ho vonona hiatrika fanenjehana? (2 Timoty 3:12)

14 Ahoana no azonao anampiana ny mpianatrao ho vonona hiatrika fanenjehana? Resaho izy hoe inona no mety hotenenin’ny mpiara-miasa aminy sy ny namany ary ny havany. (Vakio ny 2 Timoty 3:12.) Mety hihomehezan’ny mpiara-miasa aminy sasany izy satria miova. Mety hisy hanakiana koa ny zavatra inoany ao amin’ny Baiboly, ary mety ho ny havany mihitsy aza no hanao an’izany. Raha ampiomaninao hiatrika fanenjehana anefa ny mpianatrao dia ho vonona kokoa izy rehefa tena mitranga izany.

15. Inona no mety hanampy ny mpianatra Baiboly raha enjehin’ny fianakaviany izy?

15 Raha enjehin’ny havany ilay mpianatrao dia asaivo saintsaininy ny antony mety hahatezitra an-dry zareo. Mety hieritreritra ny havany hoe voafitaka izy, na ry zareo mitsaratsara Vavolombelon’i Jehovah fotsiny. Ny fianakavian’i Jesosy aza mba tsy faly taminy koa. (Mar. 3:21; Jaona 7:5) Ampianaro ny mpianatrao àry hoe mila manam-paharetana sy tsara fanahy foana izy rehefa miresaka amin’ny olona, anisan’izany ny havany.

16. Ahoana no anampiana ny mpianatra Baiboly hahay handanjalanja rehefa miresaka ny zavatra inoany?

16 Tsy tsara raha hazavain’ilay mpianatra indray mandeha daholo ny zava-drehetra na dia misy havany liana amin’ny fahamarinana aza. Mety ho tofoka mantsy ny havany dia tsy te hiresaka intsony. Ampianaro tsy ho be resaka àry ilay mpianatra rehefa manazava an’izay inoany, mba hitohy ny resaka amin’ny manaraka. (Kol. 4:6) Azon’ilay mpianatra asaina mijery ny jw.org ny havany, amin’izay ry zareo afaka mamantatra ny momba ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fotoana mety aminy.

17. Ahoana no ampiofanana ny mpianatra Baiboly hamaly ny fanontanian’ny olona momba antsika? (Jereo koa ny sary.)

17 Ampio ny mpianatrao hanomana valin-teny tsotsotra amin’ny fanontaniana mety hapetraky ny havany na ny mpiara-miasa aminy. (2 Tim. 2:24, 25) Ampiasao, ohatra, ilay andian-dahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe “Fanontaniana Fametraky ny Olona.” Iaraho midinika koa ilay hoe “Misy Miteny Hoe”, amin’ny faran’ny lesona tsirairay amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Asaivo averimberin’ilay mpianatra ny fomba hamaliany ny fanontanian’ny olona. Aza misalasala manoro hevitra azy raha misy mila hatsarainy. Hanampy azy ho sahy hiaro ny finoany ireny fanazaran-tena ireny.

Mampianatra Baiboly ny anabavy iray ary manampy ny mpianany ho vonona hitory. Manao fanazaran-tena ilay mpianatra ka mody manome an’ilay taratasy mivalona hoe “Iza no Mahavaly ny Fanontaniana Momba ny Fiainana?” an’ilay anabavy.

Ampirisiho hiresaka ny zavatra inoany ny mpianatrao ka manaova famerenana miaraka aminy (Fehintsoratra 17)c


18. Ahoana no azonao ampirisihana ny mpianatrao ho lasa mpitory? (Matio 10:27)

18 Nampirisika ny mpianany i Jesosy mba hitory ny vaovao tsara amin’ny olona. (Vakio ny Matio 10:27.) Raha vetivety ny mpianatra iray dia lasa mpitory, dia ho vetivety koa izy dia hahay hiantehitra amin’i Jehovah. Ahoana no azo anampiana ny mpianatra hanana tanjona hoe hitory? Rehefa ampandrenesina ao amin’ny fiangonana hoe hisy ezaka manokana, dia asaivo saintsaininy izay azony atao mba hahafeno fepetra ho lasa mpitory. Hazavao aminy hoe nahoana no mora kokoa ny mitory rehefa misy ezaka manokana. Mety hahasoa azy koa ny fampiofanana amin’ny fivoriana andavanandro. Rehefa miezaka handray anjara amin’ireny izy dia hahay hanazava kokoa an’izay inoany.

MATOKIA AN’ILAY MPIANATRA

19. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe natoky ny mpianany izy, ary ahoana no hanahafantsika azy?

19 Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy, talohan’ny niakarany tany an-danitra, hoe ho tafaraka aminy ry zareo. Tsy azon’ireo mpianatra ireo hoe ilay ry zareo hiakatra any an-danitra no tian’i Jesosy hotenenina. Nisalasala ireo mpianatra ireo nefa tsy nivadika, dia izay no nifantohan’i Jesosy. (Jaona 14:1-5, 8) Fantany hoe elaela vao ho azon-dry zareo ny zavatra sasany, ohatra hoe ilay fanantenana ho any an-danitra. (Jaona 16:12) Matoky koa isika fa te hampifaly an’i Jehovah ny olona ampianarintsika.

20. Ahoana no nampisehoan’ny anabavy iray any Malawi hoe natoky ny mpianany izy?

20 Manantena foana isika hoe te hanao ny tsara ny olona ampianarintsika. Diniho izay nitranga tamin’i Chifundo, anabavy any Malawi. Nampianariny Baiboly i Alinafe, tovovavy katolika. Rehefa vita ny lesona 14 tamin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! dia nanontanian’i Chifundo ilay mpianany hoe ahoana ny heviny momba an’ilay hoe mampiasa sary rehefa mivavaka. Tezitra be i Alinafe dia namaly hoe: “Io ange samy manana ny safidiny e!” Nieritreritra i Chifundo hoe tsy hianatra intsony angamba i Alinafe. Nanam-paharetana anefa izy dia mbola nampianatra an’i Alinafe foana, sady nanantena hoe ho takany ihany ilay izy rehefa mandeha ny fotoana. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia napetrak’i Chifundo ilay fanontaniana eo amin’ny lesona 34 hoe: “Inona no soa noraisinao rehefa nianatra momba an’i Jehovah sy ny zavatra hafa ao amin’ny Baiboly ianao?” Izao no notantarain’i Chifundo: “Nilaza zavatra tsara be dia be i Alinafe, anisan’izany ilay hoe tsy mandray anjara amin’ny fanao raran’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah.” Tsy nampiasa sary intsony i Alinafe, tsy ela taorian’izay, dia nahafeno fepetra hatao batisa.

21. Inona avy no azontsika atao mba hampitomboana ny fanirian’ny mpianatra hanaraka ny fahamarinana?

21 Marina hoe i Jehovah no “mampitombo” nefa manana andraikitra koa isika hanampy ny mpianatra Baiboly handroso. (1 Kor. 3:7) Tsy izay tian’Andriamanitra hataony ihany no ampianarintsika azy, fa ampiantsika koa izy hampitombo ny fitiavany an’i Jehovah. Ankoatra izay dia ampirisihintsika izy hanova an’izay tokony hataony loha laharana mba hampisehoana hoe tiany i Jehovah. Ampianarintsika hiantehitra amin’i Jehovah koa izy rehefa miatrika olana. Rehefa asehontsika hoe matoky azy isika dia vao mainka izy ho resy lahatra hoe ho vitany koa ny hanaraka ny fitsipik’i Jehovah sy hanaraka ny fahamarinana.

AHOANA NO AZONTSIKA ANAMPIANA NY MPIANATRA BAIBOLY MBA...

  • hamantatra an’izay manakana azy tsy handroso?

  • hampitombo ny fitiavany an’i Jehovah?

  • hanova an’izay tokony hataony loha laharana?

HIRA 55 Aza Matahotra Azy Ireo!

a Mbola anisan’ny fitsarana avo jiosy i Nikodemosy, roa taona sy tapany taorian’ny nihaonany tamin’i Jesosy. (Jaona 7:45-52) Milaza ny boky iray hoe rehefa maty i Jesosy vao lasa mpianatra i Nikodemosy, araka ny lovantsofina.​—Jaona 19:38-40.

b FANAZAVANA SARY: Miala amin’ny asany i Petera sy ny mpanarato hafa mba hanarahana an’i Jesosy.

c FANAZAVANA SARY: Anabavy iray mampiofana mpianatra Baiboly mba ho vonona hitory.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara