Ukraine
Nanao fanoharana momba ny voa nambolena teo amin’ny tany tsara i Jesosy, mba hiresahana ny amin’ireo tena mankasitraka ny Tenin’Andriamanitra. “Mamoa amin’ny faharetana” izy ireo ka manambara hatrany ny hafatr’i Jehovah, na eo aza ny zava-tsarotra sy ny fijaliana. (Lioka 8:11, 13, 15) Niharihary teto Ukraine izany, satria na dia norarana sy nenjehina mafy nandritra ny 50 taona mahery aza ny Vavolombelon’i Jehovah teto, dia tafavoaka velona sady miroborobo hatrany.
Nahazo tampon’isa tamin’ny mpitory 120 028 i Ukraine nandritra ny taom-panompoana 2001. Maherin’ny 56 000 tamin’izy ireo no nahalala ny fahamarinana tato anatin’ny dimy taona farany. Nahapetraka gazety 50 tapitrisa ireo rahalahy, tao anatin’ny roa taona farany, izany hoe mitovy isa amin’ny mponina eto. Taratasy arivo isam-bolana, avy amin’ny olona liana mangataka fanazavana fanampiny no voarain’ny biraon’ny sampana. Tsy azo noeritreretina akory izany rehetra izany, taloha kelin’izao. Tena nandresy ny fivavahana marina!
Andeha hojerentsika aloha ny mombamomba an’i Ukraine, alohan’ny hiresahantsika ny tantarany. Manana tany tsara ara-bakiteny koa i Ukraine, ankoatra an’ilay tany noresahin’i Jesosy. Efa ho ny antsasak’i Ukraine no tany mainty lonaka feno ahi-maitso. Antsoinay hoe chornozem, midika hoe “tany mainty”, io tany io. Noho io tany mainty io sy ny toetrandro antonony no mahatonga an’i Ukraine ho anisan’ny firenena be tany lonaka indrindra, mamokatra betiravy fakana siramamy, varimbazaha, katsaka ary voa hafa. Malaza ho mpamokatra voamadinika eto Eoropa hatramin’ny ela izy.
Somary lehibe kokoa noho i Frantsa i Ukraine satria mirefy 1 300 kilaometatra ny avy any atsinanana miankandrefana ary 900 kilaometatra ny avy any avaratra mianatsimo. Hitanao eo amin’ny sarintany eo amin’ny pejy faha-123, fa atỳ Eoropa Atsinanana, atỳ avaratry ny Ranomasina Mainty no misy azy. Voaravaky ny ala ny avaratr’i Ukraine. Tany lemaka lonaka kosa ny any atsimo, sady misy ny tendrombohitra kanton’i Crimée. Any andrefana ireo havoana mitarika ho amin’ny tendrombohitra midezan’i Carpates, fonenan’ny karazana sakadia sy orsa ary ombidia.
Dimampolo tapitrisa eo ho eo ny mponin’i Ukraine. Manetry tena, tia mandray vahiny ary mazoto miasa izy ireo. Mahay miteny ukrainien sy rosianina ny ankamaroany. Azo inoana fa horosoany borscht (lasopy betiravy) sy varenyky (karazana paty) ianao, rehefa asainy ho any an-tranony. Mety hampiala voly anao amin’ny hira vako-drazana izy aorian’ny sakafo, satria tia mihira sy mitendry zavamaneno ny Ukrainiens.
Misy fivavahana isan-karazany eto Ukraine. Niditra tamin’ny taonjato fahafolo ny Ortodoksa Tatsinanana. Nitondra ny Fivavahana Silamo tany atsimo ny Fanjakana Otomanina, tatỳ aoriana. Nampiely ny Fivavahana Katolika koa ireo andriana poloney taloha ela be, nandritra ny vanim-potoana nantsoina hoe Moyen Âge. Nanjary tsy nino an’Andriamanitra ny ankamaroany noho ny fitondrana kominista, tamin’ny taonjato faha-20.
Misy Vavolombelon’i Jehovah manerana an’i Ukraine. Teto andrefan’i Ukraine anefa no nisy ny ankamaroany, talohan’ny Ady Lehibe II. Nozaraina efatra io faritra io, dia i Volhynie sy Galicie sy Transcarpatie ary Bucovine.
Nafafy ny voan’ny fahamarinana
Efa 100 taona mahery izao no niasan’ny Mpianatra ny Baiboly na Vavolombelon’i Jehovah, teto Ukraine. Nitsidika tany maro tatỳ Eoropa sy Moyen-Orient i Charles Russell, mpianatra ny Baiboly nalaza, nandritra ny diany voalohany tany ivelany, tamin’ny 1891. Nitsidika an’i Odessa, any atsimon’i Ukraine izy, fony nankany Istanbul, any Torkia. Nanao lahateny tany amin’ny tanàn-dehibe maromaro tatỳ Eoropa izy, tamin’ny 1911, ka anisan’izany i Lviv, atỳ andrefan’i Ukraine.
Nandeha fiarandalamby ny Rahalahy Russell ka tonga teto Lviv. Nohofana ny efitrano lehibe nantsoina hoe Tranom-bahoaka mba hanaovany ny lahateniny nokasaina hatao ny 24 Martsa. Filazana sivy tao amin’ny gazety fito teto an-toerana sy afisy lehibe no nentina nanasa ny olona hihaino ilay lahateny hoe “Ny Sionisma Araka ny Faminaniana”, hataon’ny Pastora Russell “mpandahateny malaza sy manan-kaja avy any New York.” Indroa no niheverana hanaovany an’ilay lahateny tamin’io andro io. Nisy mpitondra fivavahana jiosy tany Etazonia, nanohitra mafy dia mafy ny asan’i Russell anefa, nampandre haingana ny namany teto Lviv, sady niampanga ny Mpianatra ny Baiboly. Nandrisika olona sasany hisakana an’i Russell tsy hanao ilay lahateny izany.
Feno hipoka ilay efitrano ny tolakandro sy ny takariva, saingy teo koa ny mpanohitra. Hoy ny Wiek Nowy, gazety teo an-toerana: “Nihorakoraka ireo mpanohana ny Sionisma raha vao nisoka-bava ilay mpandika ten[in’i Russell]. Tsy afaka niteny àry ilay misionera noho ny kiakiaka sy ny sioka. Voatery niala ny lampihazo ny Pastora Russell. ... Mbola ratsy kokoa aza ny toe-javatra tamin’ny lahateny tamin’ny valo alina.”
Maro anefa no naniry hihaino izay tian’ny Rahalahy Russell hambara. Liana tamin’ilay hafatra izy ireo ka nangataka boky sy gazety ara-baiboly. Nanazava toy izao momba ny fitsidihany teto Lviv ny Rahalahy Russell tatỳ aoriana: “Andriamanitra ihany no mahalala ny sitrapony momba ireny zava-nitranga ireny. ... Noho iny fihetsiketsehan’ny [Jiosy] iny, ka tsy nahafahan’ny olona nihaino anay tamim-pilaminana sy tamim-pahalalam-pomba, dia mety hanadihady bebe kokoa aza ny sasany.” Voafafy ny voan’ny fahamarinana, na dia tsy nisy akony teo no ho eo aza ny teniny, ary maro ny antokon’olona mpianatra ny Baiboly niforona tatỳ aoriana, tsy teto Lviv ihany fa tany amin’ny faritra hafa koa.
Namoaka filazana lehibe tao amin’ny kalandrie naely teto Ukraine ny biraon’ny Mpianatra ny Baiboly tany Alemaina, tamin’ny 1912. Nampirisika ny hamakiana ireo boky roa tamin’ny teny alemà hoe Fianarana ny Soratra Masina izy io. Vokatr’izany, dia naharay taratasy 50 teo ho eo avy tamin’ny olona teto Ukraine ny biraon’i Alemaina. Sady nangataka boky izy ireny no nanao famandrihana tamin’ny Tilikambo Fiambenana. Nifandray tamin’ireny olona ireny foana i Alemaina hatramin’ny nipoahan’ny ady tamin’ny 1914.
Nifampizaran’ireo tany efatra nifanakaiky i Ukraine taorian’ny Ady Lehibe I. Nalain’i Rosia Kominista ary nakambany tamin’ny Firaisana Sovietika ny afovoany sy ny atsinanan’i Ukraine. Ny andrefana kosa nifampizaran’ireo tany telo sisa. Nakambana tamin’i Polonina i Galicie sy Volhynie; nakambana tamin’i Romania i Bucovine, ary nakambana tamin’i Tsekoslovakia i Transcarpatie. Samy nanome fahalalahana ara-pivavahana izy telo ireo, ka afaka nanohy ny fitoriany ny Mpianatra ny Baiboly. Tatỳ andrefan’i Ukraine àry no namafazana betsaka voalohany ny voan’ny fahamarinana izay namokatra tatỳ aoriana.
Tsimoka voalohany
Fianakaviana maro teto Ukraine no lasa tany Etazonia mba hitady fiainana tsara kokoa, tany am-piandohan’ny taonjato faha-20. Namaky ny boky sy gazetintsika ny sasany ary nandefa ireny tatỳ amin’ny havany tatỳ Ukraine. Ny hafa nanjary nahalala ny fampianaran’ny Mpianatra ny Baiboly, ka nody teto sy nanomboka nitory tany amin’ny tanàna niaviany. Maromaro ny antokon’olona mpianatra ny Baiboly niforona ary nitombo ka lasa fiangonana. Nisy voan’ny fahamarinana nafafin’ny Mpianatra ny Baiboly avy tany Polonina tany Galicie sy Volhynie, teo am-piandohan’ireo taona 1920. Nitondra ny fahamarinana tany Bucovine kosa ireo rahalahy avy tany Romania sy Moldavia.
Fototra tsara ho an’ny fitomboana izany. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1921: “Vao haingana no nisy rahalahintsika nitsidika an’i [Bucovine] ... Niforona noho izany fitsidihana naharitra herinandro vitsivitsy izany ny kilasy [ara-baiboly] fito, mianatra ireo boky sy ny ‘Tandindon’ny Tabernakely.’ Misy mpianatra 70 eo ho eo ny kilasy iray amin’ireo.” Nanaiky ny fahamarinana i Stepan Koltsa, tany Kolinkivtsi, any Bucovine, tamin’ny 1922, ka natao batisa sy nanomboka nitory. Izy no rahalahy voalohany vita batisa teto Ukraine, araka ny fantatray. Nisy fianakaviana folo koa nanao toa azy. Nisy fitomboana toy izany koa tany Transcarpatie. Nisy Mpianatra ny Baiboly 100 teo ho eo tany Velyki Luchky sy ny manodidina, tamin’ny 1925. Nanomboka nitory tany Transcarpatie ireo mpitory manontolo andro voalohany taorian’izay, ary nitarika fivoriana tany an-tranon’ny Mpianatra ny Baiboly. Maro no natao batisa.
Nilaza ny fomba nahalalan’ny olona tamin’izany fotoana izany ny fahamarinana i Alexei Davidjuk, Vavolombelona tranainy. Hoy izy: “Nisy olona nipetraka tany Lankove, any Volhynie, nitondra bokintsika tany, tamin’ny 1927. Maromaro no te hahalala bebe kokoa momba ny afobe sy ny fanahy, rehefa avy namaky an’ilay boky. Hitan’izy ireo tao amin’ilay boky ny adiresin’ny biraon’ny Mpianatra ny Baiboly tany Lodz, any Polonina, ka nanoratra tany ry zareo, ary nangataka olona hitsidika azy. Tonga ny rahalahy iray ary nandamina fampianarana Baiboly niombonana, iray volana taorian’izay. Fianakaviana 15 no tonga nanatevin-daharana azy io.”
Matetika no nisy hafanam-po toy izany ho an’ny fahamarinana, tamin’izany fotoana izany. Ohatra amin’izany ity teny fankasitrahana nalefan’olona avy tany Galicie ho an’ny foibe any Brooklyn ity: “Manasitrana ny ratram-pon’ny olona maro ny bokinareo, ary mitarika azy ho amin’ny fiposahan’ny mazava. Miangavy anareo anefa aho mba handefa boky maromaro kokoa ho anay.” Nanoratra toy izao koa ny olona liana iray: “Tapa-kevitra aho ny hangataka aminareo mba handefa boky ho anay satria tsy misy atỳ. Nisy lehilahy iray teto an-tanànanay nahazo boky taminareo nefa nalain’ny mpiara-monina. Mbola tsy voavakiny akory aza ireo bokiny. Mandeha mitady ny bokiny any an-tranon’ny olona any izy izao.”
Nosokafana teo amin’ny Lalana Pekarska, eto Lviv, ny biraon’ny Mpianatra ny Baiboly, noho izany fahalianana be izany. Naharay taratasy maro fangatahana boky sy gazety, avy tany Galicie sy Volhynie io birao io, ka nandefa izany tsy tapaka kosa tany Brooklyn mba hahazoana valiny.
Efa nitsimoka tatỳ andrefan’i Ukraine tokoa ny voan’ny fahamarinana, tamin’ny 1925 tany ho any. Antokon’olona mpianatra ny Baiboly maro no nalamina, ary lasa fiangonana ny sasany tamin’izy ireny. Vitsy dia vitsy ny tatitra voatahiry momba ireny asa tany am-boalohany ireny, nefa asehon’ny tatitra voaray fa 12 no nankalaza ny Fahatsiarovana tany Galicie tamin’ny 1922. Nilaza koa Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1924, fa 49 no nanatrika ny Fahatsiarovana tany Sarata, any atsimon’i Ukraine. Maherin’ny 370 no nanatrika tany Transcarpatie, tamin’ny 1927.
Izao no nolazain’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1925, momba ny asa tany amin’ny tany maro: “Nandefa rahalahy iray ho any amin’ireo rahalahy ukrainiens any Eoropa i Etazonia; ... betsaka ny asa tsara vita teo amin’ireo Ukrainiens tao amin’io tapany fehezin’i Polonina io. Nitombo be ny fangatahana boky sy gazety any.” Nilaza toy izao ny L’Âge d’Or (Mifohaza! ankehitriny), volana maromaro taorian’izay: “Misy kilasy [fiangonana] roapolo any Galicie fotsiny ... Nandamina sy nanao fivoriana andavanandro ny sasany aminy; ny hafa mivory ny alahady ihany, ary ny sisa eo am-pandaminana ny azy. Antenaina fa hisy kilasy maro kokoa hiforona; ny olona hitarika azy ireny sisa no ilaina.” Asehon’izany rehetra izany fa tena lonaka ny tany ara-panahy eto Ukraine.
Fitoriana tany am-boalohany
Natao batisa tamin’ny 1923 i Vojtech Chehy avy any Transcarpatie, ary nanao ny fitoriana manontolo andro tany Berehove tatỳ aoriana. Mazàna izy no nitondra kitapo telo feno boky, rehefa nitory, ka ny iray novimbininy, ny iray nafatony tamin’ny bisikiletany, ary ny iray nobabeny. Nitantara toy izao izy: “Tanàna 24 no faritaninay. Mpitory 15 izahay, ary tsy maintsy niezaka mafy mba hametraka boky tany, indroa isan-taona. Nihaona tany amin’ny tanàna iray izahay isaky ny alahady tamin’ny efatra maraina. Niainga izahay ary nandeha an-tongotra na nitaingina bisy nankany amin’ny 15 na 20 kilaometatra avy eo. Mazàna izahay no nitory isan-trano tamin’ny 8.00 maraina ka hatramin’ny 2.00 tolakandro. Nandeha an-tongotra izahay matetika rehefa nody, ary samy faly nitantara ny zavatra hitany, rehefa tonga tany am-pivoriana ny takarivan’iny. Nanao hitsin-dalana tany anaty ala kely izahay ary niampita rano, na tsara ny andro na ratsy, nefa tsy mba nisy nitaraina. Faly izahay nanompo sy nanome voninahitra ny Mpamorona anay. Hitan’ny olona fa tena Kristianina ireo rahalahy, satria vonona handeha an-tongotra hatramin’ny 40 kilaometatra, rehefa hivory na hitory.
Nahita olona maro samihafa izahay nandritra ny fanompoanay. Indray mandeha aho dia nanolotra ny bokikely Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao tamin’ny vehivavy iray nilaza fa tia an’ilay izy saingy tsy nanam-bola. Noana aho, ka nilazako izy fa azony natao ny nanome atody masaka iray ho takalon’ilay bokikely. Izy moa nahazo bokikely ary izaho kosa nihinana atody.”
Mandeha isan-trano mba hihira ny fahaterahan’i Jesosy ny mponina any Transcarpatie, nandritra ny Krismasy. Nohararaotin’ireo rahalahy io fanao io ka nitondra boky tao anaty kitapo izy ireo ary nandeha tany an-tranon’ny olona mba hanao hira naneho ny finoany! Maro no tia izany hira izany. Matetika no nampandrosoina ireo rahalahy ary nasaina nanao hira hafa. Nisy nanome vola ho azy ireo, ka nomeny boky na gazety ilay olona ho takalony. Matetika tokoa no tapitra ny boky sy gazety nandritra io vanim-potoana io. Naharitra tapa-bolana ilay fotoana fihirana, satria herinandro samy hafa no nankalazan’ny Katolika Romanina sy ny Katolika Grika ny Krismasiny. Natsahatra anefa ny fanaovana ireny hira ireny taorian’ny 1925, satria nanjary nazava tamin’ny Mpianatra ny Baiboly fa avy tamin’ny mpanompo sampy ny Krismasy. Nahita fifaliana be tamin’ny asa fitoriana bebe kokoa nataony ireo rahalahy, ary nisy antoko-mpitory vaovao foana niforona tany Transcarpatie.
Fivoriambe voalohany
Natao tamin’ny May 1926, tany Velyki Luchky ny fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly voalohany tany Transcarpatie. Nisy 150 ny mpanatrika ary 20 no natao batisa. Roanjato no nanatrika ny fivoriambe tany amin’ny zaridainan’i Oujhorod, any Transcarpatie ihany, ny taona nanaraka. Nisy fivoriambe koa nalamina, tsy ela taorian’izany, tany amin’ny tanàn-dehibe samihafa tany Transcarpatie. Tamin’ny 1928 no nisy fivoriambe voalohany teto Lviv. Nisy fivoriambe hafa koa natao tany Galicie sy Volhynie tatỳ aoriana.
Nisy fivoriambe natao tany am-piandohan’ny 1932, tany Solotvyno, any Transcarpatie, tao amin’ilay tokotany fanaovan’ny Mpianatra ny Baiboly ny fivoriany. Dimanjato teo ho eo no nanatrika, ka anisan’izany ny rahalahy tompon’andraikitra avy tany Alemaina. Mitantara toy izao i Mykhailo Tilniak, anti-panahin’ny fiangonana eo an-toerana: “Nankafizinay tanteraka ireo lahateny voaomana tsara nataon’ny rahalahy avy tany Alemaina sy Hongria. Latsa-dranomaso izy ireo rehefa nampirisika anay tsy hivadika hatrany rehefa ho tonga ny fisedrana.” Tonga tokoa àry ny fisedrana mafy rehefa nanomboka ny Ady Lehibe II.
Nisy fiarandalamby iray nohofana mba hitondra ireo solontena ho any amin’ny fivoriambe lehibe tany Prague, Tsekoslovakia, tamin’ny 1937. Niainga avy tany Solotvyno ilay izy ary namakivaky an’i Transcarpatie ka nijanona isaky ny gara mba handray ireo solontena. Nisy soratra famantarana hoe “Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah—Prague” ny vagao tsirairay. Tena fitoriana tamin’ny olona tany amin’iny faritra iny izany, ary mbola tsaroan’ireo zokiolona hatramin’izao.
Fanorenana toeram-pivavahana
Nilaina ny nanorina ny toeram-pivavahana, rehefa niforona ny antokon’olona mpianatra ny Baiboly voalohany. Tany Dibrova, any Transcarpatie, no nanorenana ny voalohany tamin’izany, tamin’ny 1932. Efitrano roa hafa no naorina tatỳ aoriana, tany Solotvyno sy Bila Tserkva.
Mbola naniry hanana ny Efitrano Fanjakanany foana ireo rahalahy, na dia rava nandritra ny ady aza ny sasany tamin’ireny efitrano ireny, ary nisy koa nalain’ny fanjakana. Misy Efitrano Fanjakana 8 izao any Dibrova ary 18 any amin’ireo tanàna enina eo akaiky.
Fandrosoan’ny fandikan-teny
Maro ny fianakaviana avy eto Ukraine no nifindra nankany Etazonia sy Kanada, tamin’ny faran’ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan’ny faha-20. Nisy nanaiky ny fahamarinana izy ireny rehefa tonga tany, ka maro ny antoko-mpitory niteny ukrainien niforona. Tamin’ny 1918 dia efa navoaka tamin’ny fiteny ukrainien ilay boky hoe Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra. Mbola be lavitra noho izany anefa ny tokony hatao mba hanomezana sakafo ara-panahy ho an’ireo olona niteny ukrainien teto an-toerana sy tany ivelany. Hita tany am-piandohan’ireo taona 1920 fa nilaina ny rahalahy mahay, handika tsy tapaka an’ireo boky sy gazety ara-baiboly. Nanaiky ny fanasana azy hanompo manontolo andro i Emil Zarysky, nipetraka tany Kanada, tamin’ny 1923. Ny fandikana ireo boky sy gazety ho amin’ny fiteny ukrainien indrindra no nataony tamin’izany. Nitsidika an’ireo antoko-mpitory ukrainiens sy poloney ary slovaky tany Kanada sy Etazonia koa izy.
Teraka tany Sokal, tatỳ andrefan’i Ukraine i Emil Zarysky, ary nifindra tany Kanada niaraka tamin’ny ray aman-dreniny tatỳ aoriana. Nanambady an’i Mariya, avy eto Ukraine, izy tany. Nitaiza zanaka dimy izy mivady, nefa mbola afaka nanatanteraka ny asa kristianina nanendrena azy ireo ihany, na dia teo aza io andraikitra ara-pianakaviana navesatra io. Nividy trano tany Winnipeg, any Kanada, ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1928, mba hatao foiben’ny asa fandikan-teny ukrainien.
Nampiasa grafofaonina sy kapila nisy lahateny ny rahalahy mba hitoriana isan-trano, tamin’izany andro izany. Nasaina nankany Brooklyn ny Rahalahy Zarysky mba hanao ny fandraisam-peo an’ireny lahateny ireny tamin’ny fiteny ukrainien. Nisy fandaharana maromaro naharitra antsasak’adiny tamin’ny teny ukrainien nomanina tao amin’ny radio tany Winnipeg, tamin’ireo taona 1930. Nanao lahateny tsara tamin’ireny fandaharana tamin’ny radio ireny i Emil Zarysky sy ny rahalahy za-draharaha hafa. Narahina amboaran-kira avy tao amin’ny fihirana nivoaka tamin’ny 1928 ireo lahateny. Nisy mpihaino an-jato naneho ny fankasitrahany tamin’ny alalan’ny taratasy sy antso an-telefaonina.
Nanao tamim-pahatokiana ny asa fandikan-teny nanendrena azy i Emil Zarysky sy Mariya nandritra ny 40 taona. Nadika ho amin’ny fiteny ukrainien ny nomeraon’ny Tilikambo Fiambenana tsirairay nandritra izany fotoana izany. Voatendry hiandraikitra ny asa fandikan-teny i Maurice Saranchuk, tamin’ny 1964. Efa nanampy ny Rahalahy Zarysky nandritra ny taona maromaro izy sy i Anne vadiny.
Tonga ny fanampiana ara-panahy
Nisy mpitory be zotom-po namafy sy nanondraka ny voan’ny fahamarinana nanerana an’i Ukraine. Tamin’ny 1927 anefa vao natomboka ny fitoriana voalamina tany Transcarpatie ary tany Galicie tatỳ aoriana. Efa nisy boky sy bokikely maro be nozaraina tamin’ny fiteny romanianina, hongroà, poloney ary ukrainien, talohan’izay, na dia tsy nanaovana tatitra aza ny asa fitoriana. Nalamina ho fiangonana ireo antoko-mpitory, ary nanomboka nitory isan-trano tsy tapaka izy ireo. Boky sy gazety ara-baiboly maro no voapetraka nandritra ireny taona ireny. Nosokafana tamin’ny 1927 tany Oujhorod, any Transcarpatie, ny trano fanatobiana boky aman-gazety voalohany teto Ukraine. Notendrena hikarakara ny fiangonana sy ny mpitory manontolo andro tany Transcarpatie, izay anisan’i Tsekoslovakia tamin’izany, ny biraon’i Magdebourg any Alemaina, tamin’ny 1928.
Nisy birao naorina tany Berehove, akaikin’i Oujhorod, tamin’ny 1930, mba hanara-maso ny asa tany Transcarpatie. I Vojtech Chehy no niandraikitra azy io. Tena nahasoa ny asa fitoriana io fandaharana vaovao io.
Rahalahy maromaro avy tany amin’ny biraon’i Prague sy Magdebourg no nahafoy tena ka nanao dia lavitra hatrany amin’ny Tendrombohitra Carpates, nitory ny vaovao tsara hatrany amin’ny toerana lavitra indrindra amin’io faritra kanto io. Anisan’ireny rahalahy be zotom-po ireny i Adolf Fitzke avy amin’ny biraon’ny sampan’i Magdebourg. Nalefa hitory tany amin’ny faritr’i Rakhiv any amin’ny Tendrombohitra Carpates izy. Mbola maro ny Vavolombelona any an-toerana mahatsiaro tsara an’io rahalahy nahatoky sy tso-piaina ary tsy sarotsarotiny io. Efatra ny fiangonana tany tamin’ny 2001.
Naseho tany amin’ny tanàna sy tanàn-dehibe maro any Transcarpatie ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, nandritra ireo taona 1930. Fampisehoana naharitra adiny valo izy io, nisy sary sy sary mihetsika nampiarahina tamin’ny fanazavana ara-baiboly, nalefa tamin’ny grafofaonina. Nalefa hanampy ny rahalahy teo an-toerana tamin’io fampisehoana io i Erich Frost, avy any Alemaina. Nizara trakta sy nampiasa afisy ny rahalahy mba hanasana ny olona. Liana be ny olona. Maro be ny olona tonga hijery azy io tany Berehove ka arivo mahery no voatery niandry teny amin’ny arabe. Rehefa nahita izany ny polisy dia natahotra sao hisy korontana ka tsy ho voafehiny. Nieritreritra ny hanafoana ilay fampisehoana àry ry zareo, kanjo tapa-kevitra ny tsy hanao izany indray. Rehefa vita ilay izy, dia maro ireo mbola te hijery azy io no nanome ny adiresiny. Nahatonga ny mpitondra fivavahana hampiasa ny fomba rehetra hanakantsakanana ny fitoriana ny vaovao tsara izany fahalianana izany. Nitahy hatrany ny asa anefa i Jehovah Andriamanitra.
Ny sampan’i Polonina tany Lodz no nanara-maso ny faritr’i Volhynie sy Galicie nandritra ireo taona 1920 sy 1930. Nihevitra manokana an’ireo faritany ireo ny rahalahy avy tany Polonina, tamin’ny 1932, ka nitsidika an’ireo nanao famandrihana tamin’ny Tilikambo Fiambenana, rehefa nalefan’i Brooklyn ny adiresin’izy ireny.
Mitantara toy izao i Wilhelm Scheider, mpiandraikitra ny biraon’i Polonina tamin’izany: “Tena nafana fo tamin’ny fahamarinana ny Ukrainiens. Naniry toy ny anana ireo antokon’olona liana tany amin’ireo tanàna sy tanàn-dehibe tany Galicie. Nitombo be izy ireny ka nahafaoka fokontany manontolo mihitsy indraindray.”
Nahantra ny ankamaroan’ireo rahalahy, nefa nihafy izy ireo mba hahazoany boky sy kapila ary grafofaonina hampiasaina tamin’ny fitoriana sy handrosoana ara-panahy. Nivarotra ny iray tamin’ny soavaliny roa i Mykola Volochii, avy any Galicie, mba hividianana grafofaonina, ary vita batisa tamin’ny 1936 izy. Eritrereto ange ny dikan’izany ho an’ny tantsaha e! Namelona zanaka efatra izy, nefa ninoany fa ho ampy hanaovany izany ny soavaly iray. Olona vaovao maro no nanjary nahalala an’i Jehovah sy nanompo azy, noho ny lahateny ara-baiboly sy ny hiran’ilay Fanjakana tamin’ny fiteny ukrainien nalefa tamin’io grafofaonina novidiny io.
Nanome ohatra nampiseho ny fitomboana be teo amin’ny isan’ny mpitory tany Galicie sy Volhynie tamin’ireo taona 1930 i Wilhelm Scheider, ka nilaza toy izao: “Nisy mpitory 300 teto Polonina tamin’ny 1928, nefa lasa 1 100 izany tamin’ny 1939. Ukrainiens ny antsasak’ireo, na dia tatỳ aoriana be aza vao natomboka ny asa tany (Galicie sy Volhynie).”
Mba hikarakarana io fitomboana io, dia nalefan’ny sampan’i Polonina tany Galicie sy Volhynie i Ludwik Kinicki, ho mpiandraikitra mpitety faritany hanampy tamin’ny asa fitoriana. Avy any Chortkiv, any Galicie, ny fianakaviany fa nifindra tany Etazonia tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Tany ny Rahalahy Kinicki no nianatra ny fahamarinana. Niverina an-tanindrazana izy tatỳ aoriana mba hanampy ny olona tso-po tany. Tsy hohadinoin’ireo rahalahy sy anabavy mihitsy ny fanampiana ara-panahy noraisiny avy tamin’io mpitory be zotom-po io. Norarana ny fanontana ny L’Âge d’Or tamin’ny fiteny poloney tamin’ny 1936 ary nosazina herintaona am-ponja ny mpampanonta azy io. Notendrena ho mpampanonta ny gazety Andro Vaovao, navoaka ho solon’ny L’Âge d’Or kosa ny Rahalahy Kinicki. Nosamborin’ny Gestapo izy tamin’ny 1944 ary nentina tany amin’ny toby fitanan’i Mauthausen-Gusen, ary tsy nivadika tamin’i Jehovah mandra-pahafatiny tany.
Mitaona ny karazan’olona rehetra Andriamanitra
Nody tany Zolotyi Potik, tanàna niaviany, any Galicie, i Rola, Mpianatra ny Baiboly, teo am-piandohan’ireo taona 1920. Nampiasa ny Baiboly izy ary nanomboka nitory. Nolazain’ny olona fa lasa adala izy, satria nopotehiny avokoa ny sary masina nananany. Nanandrana nisakana azy tsy hitory ny pretra teo an-tanàna, ka niresaka toy izao tamin’ny polisy iray: “Homeko oiskia iray litatra ianao, raha ataonao izay tsy hahafahan’i Rola handeha intsony.” “Tsy ny hikapoka olona no asako”, hoy ny navalin’ilay polisy. Naharay fonosana boky avy tamin’ny rahalahy tany Etazonia i Rola, tatỳ aoriana. Nanatona an’ilay polisy indray ilay pretra ka nilaza taminy fa nisy fonosana boky kominista tonga tany amin’ny paositra. Niandry tany amin’ny paositra ilay polisy ny ampitson’io mba hahitany hoe iza no haka ilay fonosan’entana. Mazava ho azy fa i Rola ilay izy. Nentiny tany amin’ny paositry ny polisy àry i Rola ary nampiantsoiny koa ilay pretra. Niantsoantso io hoe avy tamin’ny Devoly ireo boky. Nalefan’ilay polisy tany amin’ny fitsarana ny boky sasany, mba hamantarana tsara raha nisy fampianarana kominista tokoa ireo boky na tsia. Notahiriziny ho azy kosa ny ambiny. Hitany fa nirakitra ny fahamarinana ireo boky, rehefa novakiny. Tsy ela dia nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly izy sy ny vadiny. Natao batisa izy ary lasa mpitory be zotom-po. Nanantena ny hampitsahatra ny asa fanaovana mpianatra ilay pretra, kanjo vao mainka nahatonga an’i Ludwik Rodak hanaiky ny fahamarinana.
Nifindra nankany Etazonia niaraka tamin’ny vadiny ny pretra katolika grika iray, avy teto Lviv, tokotokony ho tamin’io fotoana io. Maty ilay ramatoa tsy ela taorian’izay. Nalahelo mafy izy ka tapa-kevitra ny hanao izay hahafantarany hoe lasa aiza ny fanahin’ilay vadiny. Nahazo adiresin’olona mpanontany amin’ny maty tany New York izy. Diso lalana anefa izy rehefa nitady ny toerana nivorian’ireny olona ireny, ka tany amin’ny rihana hafa nisy fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly no nalehany. Tao no nahafantarany ny fahamarinana momba ny maty. Natao batisa izy tatỳ aoriana, ary nisy fotoana niasany tany amin’ny orinasa fanontam-pirintin’ny Betelan’i Brooklyn. Niverina tany Galicie izy taorian’izay, ary nazoto nitory ny vaovao tsara hatrany.
Tara-pahazavana tany atsinanan’i Ukraine
Araka ny hitantsika dia teto andrefan’i Ukraine no nanaovana ny ankamaroan’ny asa fitoriana teo am-boalohany. Ahoana kosa no nahatongavan’ny fahamarinana tany amin’ny tapany sisa amin’i Ukraine? Hamokatra be toy ny tatỳ andrefana ve ny tany ara-panahy any?
Tonga hiasa tany amin’ny faritra fitrandrahana arintany tany atsinanan’i Ukraine ny Rahalahy Trumpi, injeniera sady mpianatra ny Baiboly avy tany Soisa, tany am-piandohan’ireo taona 1900. Izy no fantatra ho Mpianatra ny Baiboly voalohany tany. Niforona tany Liubymivskyi Post, any akaikin’i Kharkiv, ny antokon’olona mpianatra ny Baiboly, noho ny asa fitoriana nataony nandritra ireo taona 1920.
Nisy rahalahy injeniera avy tany Eoropa andrefana koa, tonga niasa tany amin’ny toeram-pitrandrahana arintany tany Kalynivka, tamin’ny 1927. Valizy feno boky sy gazety ara-baiboly no nentiny sy nampiasainy mba hitoriana tamin’ny Batista vitsivitsy, liana be tamin’ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana. Nody tany amin’ny taniny io rahalahy io taoriana kelin’izay, ka namela io antokon’olona, lasa Mpianatra ny Baiboly io. Nolazain’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1927 fa 18 no nanatrika ny Fahatsiarovana tany Kalynivka. Olona 11 no nanatrika tany Yepifanivka, tanàna teo akaiky. Nisy 30 koa ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’io taona io tany Liubymivskyi Post.
Nanara-maso akaiky ny toe-draharaha tany amin’ny Firaisana Sovietika ny rahalahy tany amin’ny foibe any Brooklyn, ary nanandrana ny hampiorina ara-dalàna ny asa fitoriana ilay Fanjakana tany. Izany no tanjon’i George Young, rahalahy kanadianina, rehefa tonga tatỳ izy, tamin’ny 1928. Afaka nitsidika an’i Kharkiv izy tamin’izany, ary nandamina fivoriambe kely telo andro, niaraka tamin’ireo antoko-mpitory teo an-toerana. Voatery nody anefa izy, tatỳ aoriana, noho ny fanoheran’ny manam-pahefana. Nolazainy fa efa nisy antokon’olona mpianatra ny Baiboly koa tany Kiev sy Odessa tamin’izany fotoana izany.
Nanao tatitra tany Brooklyn momba ny toe-javatra teto amin’ny Firaisana Sovietika ny Rahalahy Young. Notendrena hisolo tena ny Mpianatra ny Baiboly teto Ukraine sy ny Firaisana Sovietika manontolo i Danyil Starukhin, avy eto Ukraine, araka ny soso-kevitry ny Rahalahy Young. Taona maromaro talohan’ny fitsidihan’i George Young, dia niaro ny Baiboly ny Rahalahy Starukhin, nandritra ny adihevitra nifanaovany tamin’i Anatoly Lunacharsky, Minisitry ny Fampianarana Sovietika tamin’izany. Hoy ny Rahalahy Young tao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny Rahalahy Joseph Rutherford, avy tany amin’ny foibe tany Brooklyn: “Be zotom-po sy marisika i Danyil Starukhin. Vao 15 taona izy rehefa niady hevitra tamin’ny pretra iray momba ny Baiboly. Tezitra mafy ilay pretra ka nikapoka ny lohan’i Danyil tamin’ny lakroany. Torana izy rehefa nianjera teo amin’ny tany, ary mbola eo amin’ny lohany ny holatr’io kapoka io hatramin’izao. Tokony ho nahantona i Danyil, saingy mbola tsy ampy taona ka sazy efa-bolana am-ponja ihany no nomena azy.” Nanandrana nanoratra ara-panjakana ny fiangonana teo an-toerana ny Rahalahy Starukhin, ary nangataka lalana hanao pirinty boky sy gazety ara-baiboly teto Ukraine, nefa tsy neken’ny manam-pahefana sovietika.
Nataon’ny fanjakana sovietika izay hahatonga ny olona tsy hino an’Andriamanitra, tamin’ny faramparan’ireo taona 1920 sy 1930. Natao fihomehezana ny fivavahana, ary noheverina ho “fahavalon’ny tanindrazana” ireo mpitory. Be ny vokatra niakatra tamin’ny 1932 teto Ukraine, ka nalain’ny Kominista daholo ny sakafo tany amin’ny tantsaha. Nisy mosary naterak’izany, ka enina tapitrisa mahery no maty.
Nisy tatitra nilaza fa tsy nivadika ireo mpanompon’i Jehovah vitsivitsy teto, nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny, na dia tsy afaka nifandray tamin’ny rahalahy tany ivelany aza. Nisy nogadraina nandritra ny taona maro, noho ny finoany. Ireto no sasany tamin’ireny mpihazona tsy fivadihana ireny: Ry Trumpi mianakavy, ry Hauser mianakavy, i Danyil Starukhin, i Andrii Savenko, ary ny Anabavy Shapovalova. Matoky izahay fa tsy ‘hanadino ny asan’izy ireo sy ny fitiavana nasehon’izy ireo ho voninahitry ny anarany’ i Jehovah.—Heb. 6:10.
Fotoam-pitsapana mafy
Niova be ny sisin-tanin’ny firenena maro tatỳ Eoropa Atsinanana, tamin’ny faramparan’ireo taona 1930. Nanitatra ny fahefany mantsy i Alemaina Nazia sy ny Firaisana Sovietika ka naka an’ireo firenena madinika.
Notohanan’i Alemaina Nazia i Hongria ka nibodo an’i Transcarpatie, tamin’ny Martsa 1939. Norarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nakatona ny Efitrano Fanjakana rehetra. Nampiharan’ny manam-pahefana herisetra ireo rahalahy ary maro no nogadraina. Natao am-ponja ny ankamaroan’ny Vavolombelona tany Velykyi Bychkiv sy Kobyletska Poliana, eto Ukraine.
Nakatony ny sisin-tany andrefan’i Ukraine, rehefa tonga tany amin’ny faritanin’i Galicie sy Volhynie ny Sovietika tamin’ny 1939. Tapaka àry ny fifandraisana tamin’ny biraon’i Polonina. Niasa nangingina ny fandaminana rehefa nanomboka ny Ady Lehibe II. Olona vitsivitsy ihany no niara-nivory, ary nitandrina bebe kokoa ireo rahalahy rehefa nanohy ny fanompoany.
Nanafika sy nanjary nifehy an’i Ukraine ny tafika nazia tatỳ aoriana. Nampirisika ny olona hirotaka tamin’ny vahoakan’i Jehovah ny mpitondra fivavahana. Nirongatra ny fanenjehana nahery vaika tany Galicie. Nopotehina ny varavarankelin’ny tranon’ny Vavolombelona, ary rahalahy maro no nokapohina mafy. Nisy rahalahy noterena hijoro tao anaty rano mangatsiaka nandritra ny ora maro sy tao anatin’ny ririnina, satria tsy nanao mariky ny lakroa. Nisy anabavy novelezina in-50 tamin’ny hazo. Rahalahy maromaro no namoy ny ainy noho izy tsy nivadika. Novonoin’ny Gestapo ho faty, ohatra, i Illia Hovuchak, mpitory manontolo andro, avy any amin’ny Tendrombohitra Carpates. Nisy pretra katolika nanolotra azy tamin-dry zareo, noho ilay rahalahy nazoto nitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Fotoam-pitsapana mafy izany. Tsy nihozongozona anefa ny mpanompon’i Jehovah.
Nifanampy ny Vavolombelona, na dia nampidi-doza aza izany matetika. Lasa Vavolombelona ny vehivavy jiosy iray sy ny zanany mirahavavy, tany Stanislav (Ivano-Frankovsk ankehitriny). Nipetraka tany amin’ny faritanàna voatokana ho an’ny Jiosy izy ireo. Ren’ireo rahalahy fa nikasa hamono ho faty ny Jiosy rehetra tany ny Nazia, hany ka nataony izay handosiran’ireo anabavy telo ireo. Nanao vivery ny ainy ireo Vavolombelona rehefa nanafina azy telo mianaka mandra-pahatapitry ny ady.
Tapaka vetivety ny fifandraisan’ireo rahalahy teto andrefan’i Ukraine tamin’ny fandaminana, nandritra ny Ady Lehibe II, ka tsy hitan’izy ireo ny toromarika harahina. Nisy nieritreritra mantsy fa nanomboka tamin’ny fiandohan’ny Ady Lehibe II ny Haramagedona, ka nahatonga tsy fahazoan-kevitra teo amin’izy ireo nandritra ny fotoana kelikely, izany fampianarana izany.
Nitsimoka teny amin’ny toeram-piadiana ny voa
Nitondra alahelo sy nandrava an’i Ukraine ny Ady Lehibe II. Lasa toeram-piadiana goavana izy nandritra ny telo taona. Tanàna sy tanàn-dehibe maro no potika tanteraka, rehefa nitatra nanerana an’i Ukraine ny ady, niantsinanana aloha ary niankandrefana avy eo. Olona folo tapitrisa teo ho eo no maty, ka sivily ny dimy tapitrisa sy sasany. Maro no nanjary diso fanantenana tamin’ny fiainana ka tsy niraharaha fitsipi-pitondran-tena intsony, noho ny horohoro nateraky ny ady. Nisy kosa anefa nianatra ny fahamarinana.
Nantsoina hanao raharaha miaramila i Mykhailo Dan, tovolahy avy any Transcarpatie, tamin’ny 1942. Efa nihaino tsara ny Vavolombelona izy talohan’ny Ady Lehibe II. Nizara bokikely ara-pivavahana ho an’ireo miaramila ny pretra iray, nandritra ny fanazaran-tena nataon’izy ireo. Niresaka ny fampanantenana fiainana any an-danitra ho an’izay namono Kominista iray, fara fahakeliny, ilay bokikely. Nahavery hevitra an’i Mykhailo izany. Nahita pretra namono olona izy nandritra ny ady, ka nanjary niaiky fa nanana ny fahamarinana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nody izy rehefa tapitra ny ady, ary nahita Vavolombelona ka natao batisa tamin’ny faramparan’ny 1945.
Niaritra ny horohoro tany amin’ny fonja sovietika ny Rahalahy Dan tatỳ aoriana. Voatendry ho anti-panahy izy rehefa nafahana, ary mpiandraikitra mpitantan-draharahan’ny fiangonana iray any Transcarpatie izy ankehitriny. Mbola tsaroany ilay bokikely voalaza tetsy aloha, ka hoy izy nanao vazivazy: “Tsy namono aho na dia Kominista iray aza, ka tsy manantena fiainana any an-danitra, fa miandrandra fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany kosa.”
Namokatra ny tany lonaka tany amin’ny toby fitanana
Mety hamokatra be dia be ny tany lonaka, araka ny voalaza terỳ am-piandohana. Nalain’i Alemaina Nazia avy teto Ukraine àry ny tany mainty lonaka, nandritra ny fotoana nifehezany an’i Ukraine. Kamiao maro be feno tany lonaka no nalefa avy any Ukraine afovoany nankany Alemaina.
Nisy kamiao hafa koa anefa nitondra tany azo lazaina hoe lasa tany lonaka. Zatovo lahy sy vavy 500 000 avy teto Ukraine no nentina hanao asa an-tery vozona tany Alemaina. Nalefa tany amin’ny toby fitanana ny ankamaroan’izy ireny. Tany no nifankahalalan’izy ireo tamin’ny Vavolombelona alemà nogadraina noho ny tsy fombany ny atsy na ny aroa. Tsy nitsahatra nitory am-bava sy tamin’ny alalan’ny toetrany ireny Vavolombelona ireny, na dia tany amin’ny toby fitanana aza. Mitantara toy izao ny voafonja iray: “Niavaka ny Vavolombelona. Sariaka sy be fanantenana izy ireo. Nasehony fa nanana zavatra tena lehibe hambara tamin’ny voafonja izy.” Maro ny olona avy eto Ukraine nianatra ny fahamarinana tamin’ny Vavolombelona alemà tany amin’ny toby fitanana, nandritra ireny taona ireny.
Tany amin’ny toby fitanan’i Stutthof, tany Alemaina, no nahalalan’i Anastasiya Kazak ny fahamarinana. Nisy voafonja an-jatony maro nentin’ny sambo nankany Danemark, rehefa nifarana ny ady. Anisan’izy ireo izy sy ny Vavolombelona 14. Nanao izay hahitana azy ireo ny rahalahy danoà, ary nikarakara azy ireo. Natao batisa tamin’io taona io teo amin’ny faha-19 taonany, i Anastasiya, tamin’ny fivoriambe tany Copenhague. Niverina teto Ukraine izy, ary niezaka namafy ny voan’ny fahamarinana tamin-jotom-po. Nogadraina nandritra ny 11 taona indray ny Anabavy Kazak, tatỳ aoriana, noho ny asa fitoriana nataony.
Izao no torohevitra omeny ny tanora: “Aza manary toky mihitsy, na inona na inona manjo anareo eo amin’ny fiainana, na fahoriana izany, na fanoherana, na olana hafa. Mangataha fanampiana amin’i Jehovah foana. Hitako fa tsy manary ny mpanompony mihitsy i Jehovah.”—Sal. 94:14.
Fisedrana nateraky ny ady
Masiaka sady tsy mamindra fo ny ady ka manahirana sy mampijaly ary mahafaty sivily sy miaramila. Tsy voaro amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy naman’izao tontolo izao anefa izy ireo na dia eo anivony aza. (Jaona 17:15, 16) Tsy mitsabaka mihitsy amin’ny politika izy ireo, satria manahaka an’i Jesosy Kristy Mpitarika azy ireo. Izany no ahafantarana fa Kristianina marina ny Vavolombelona eto Ukraine sy any an-toeran-kafa. Manome voninahitra ny mahery fony tamin’ny ady izao tontolo izao, na velona izy ireny na maty, fa i Jehovah kosa manome voninahitra an’ireo mahery fony, izany hoe ireo tsy mivadika aminy.—1 Sam. 2:30.
Naka ny andrefan’i Ukraine indray ny tafika sovietika tamin’ny faran’ny 1944, ka napetrany ho lalàna ny tsy maintsy hanaovana raharaha miaramila. Niady hanohitra ny miaramila alemà sy sovietika koa anefa ny Ukrainiens mpitolona. Notereny hanatevin-daharana azy ny mponina teto andrefan’i Ukraine. Fisedrana vaovao ho an’ny mpanompon’i Jehovah tsy te hanao raharaha miaramila mihitsy izany rehetra izany. Maromaro ny rahalahy novonoina ho faty satria tsy nety niady.
I Illia Hovuchak no nampianatra ny fahamarinana an’i Ivan Maksymiuk sy i Mykhailo, zanany lahy. Tsy nety nandray fiadiana izy mianaka nandritra ny ady, ka nogadrain’ireo mpitolona. Nisy miaramila sovietika iray koa nogadrain’izy ireo, taloha kelin’izay. Nomeny baiko hamono an’io miaramila io i Ivan Maksymiuk, ary nampanantenainy fa hafahany raha nanao izany. Tsy nety ilay rahalahy, ka novonoin’izy ireo tamin-kabibiana. Novonoina toy izany koa i Mykhailo zanany lahy, sy i Yurii Freyuk ary Mykola, zanak’io lahy 17 taona.
Nisy rahalahy hafa koa novonoina noho izy ireo tsy nety niditra tao amin’ny tafika sovietika. (Isaia 2:4) Mbola nisy hafa koa nomelohina higadra folo taona. Kely dia kely ny fanantenan’izy ireny mbola ho tafavoaka velona, satria maty mosary na dia ireo tsy nigadra aza, taorian’ny ady. Nogadraina i Michael Dasevich, tamin’ny 1944, satria tsy nety nanao raharaha miaramila. Vizana tanteraka anefa izy, satria nofotopotorana nandritra ny enim-bolana, talohan’ny nanagadrana azy folo taona. Nasain’ny dokoteran’ny fonja nomena “sakafo be kalôria” izy. Nampian-dry zareo tao an-dakozia menaka iray sotrokely àry ny voa madinika nahandroina, izay hany anjara sakafony. Tafavoaka velona ihany ny Rahalahy Dasevich, ka anisan’ny komity mpikarakara ny asan’i URSS nandritra ny 23 taona, ary ny an’i Ukraine tatỳ aoriana.
Nisy rahalahy fito avy ao amin’ny fiangonana iray tao Bucovine tsy nety nanao raharaha miaramila tamin’ny 1944, ka nogadraina telo ka hatramin’ny efa-taona avy. Maty vokatry ny hanoanana tany ny efatra taminy. Nisy rahalahy dimy, avy ao amin’ny fiangonana teo akaiky, nogadraina folo taona avy tany amin’ny tobin’ny voafonja tany Siberia, tamin’io taona io ihany. Iray monja no tafaverina, fa ny sisa maty tany.
Hoy ny Diary 1947 momba ireny zava-niseho ireny: “Rehefa niankandrefana ny Nazia lozabe tamin’ny 1944, dia nalainy hanao miaramila avokoa ny olona natanjaka rehetra ... tatỳ andrefan’i Ukraine mba hanampy an’i Rosia handresy. Tsy nandika ny fanekena mandrakizay sy tsy nety nanao raharaha miaramila hatrany ireo rahalahintsika. Maro no namoy ny ainy satria tsy nivadika tamin’ny Tompo, ary nisy maherin’ny 1 000 koa nentina niantsinanana tany amin’ny faritra lemak’i Rosia.”
Nitombo isa hatrany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah na dia nafindra lavitra be toy izany aza. Olona 5 218 no nanatrika ny Fahatsiarovana tatỳ andrefan’i Ukraine, tamin’ny 1946, ary efatra no voahosotra tamin’ireo.
Fanamaivanana vetivety
Nisy rahalahy niaritra izany zava-tsarotra rehetra izany, nefa tsy nivadika tamin’Andriamanitra. Nampanakoako ny hafatra nanome fanantenana sy fankaherezana an’ireo avy niantafika izy ireo, rehefa nifarana ny Ady Lehibe II. Kivy ireny miaramila sy babo an’ady ireny rehefa tafaverina, ka naniry mafy fiainana nisy zava-kendrena. Koa maro no faly nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly. Tamin’ny faramparan’ny 1945, ohatra, dia olona 51 tany Bila Tserkva, any Transcarpatie, no natao batisa tao amin’ny Ony Tisza. Nanana mpitory 150 ilay fiangonana rehefa nifarana ny taona.
Nifankahala ny Ukrainiens sy ny Poloney tatỳ andrefan’i Ukraine sy tany atsinanan’i Polonina tamin’izany fotoana izany. Nisy andian-jiolahy ukrainiens sy poloney niforona. Indraindray dia novonoin’izy ireny ny mponina rehetra tao amin’izay tanàna nisy Ukrainiens na Poloney. Nampalahelo fa nisy rahalahy maty tamin’izany.
Nifanaraka àry, tatỳ aoriana, ny Firaisana Sovietika sy i Polonina fa haverina tany Polonina ny Poloney 800 000 teo ho eo tatỳ andrefan’i Ukraine, ary hampodiana teto Ukraine ny Ukrainiens 500 000 teo ho eo tany atsinanan’i Polonina. Nisy Vavolombelona maro anisan’ireo nafindrafindra toerana. Fiangonana manontolo no nalamina indray, ary nahazo fanendrena vaovao ny rahalahy. Noheverin’izy ireo ho fahafahana hitory tany amin’ny faritany vaovao mantsy io fampodiana an-tanindrazana io. Hoy ny Diary 1947: “Nanjary niely haingana hatrany amin’ny faritra zara raha nitoriana teo aloha ny fahamarinana, noho io fivezivezen’ny olona io. Nandray anjara tamin’ny fanomezam-boninahitra ny anaran’i Jehovah àry, na dia ireny tarehin-javatra nampalahelo rehetra ireny aza.”
Nanomboka nandamina ny asa teto Ukraine sy ny sisa tamin’i URSS ireo rahalahy, rehefa nakatona ny sisin-tany andrefan’i Ukraine. Efa notendrena ho mpikarakara ny asa i Pavlo Ziatek talohan’izay, nefa notendrena hanampy azy ny rahalahy be zotom-po roa, dia i Stanislav Burak sy Petro Tokar, tatỳ aoriana. Niafina tao an-tranon’ny anabavy iray teto Lviv izy ireo, ary tao no nanao pirinty boky sy gazety mba hanomezana sakafo ara-panahy ho an’i Rosia manontolo. Tena nampidi-doza ny fitondrana boky sy gazety avy tany Polonina nanketo Lviv mba hadika sy hatao pirinty. Indraindray dia nisy rahalahy sy anabavy nahazo lalana hitsidika havana tany Polonina ka nitondra an-tsokosoko boky sy gazetintsika rehefa nody teto Ukraine. Nisy aza fotoana nitondran’ny mpamily fiarandalamby azy ireny tao anaty boaty vy nafenina tao anaty vilany be mpamokatra etona!
Nosamborina ary nogadraina folo taona ny Rahalahy Ziatek, tamin’ny faran’ny 1945. Ny Rahalahy Burak no mpikarakara ny asa nandimby azy.
Niverina ny fanenjehana
Nisy nanakana sy nisambotra teny an-dalana teto Lviv ny rahalahy iray, iny izy nitondra boky sy gazety haterina tany amin’ireo rahalahy iny indrindra, tamin’ny Jona 1947. Nampanantena azy ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana fa hosoratany ara-panjakana ny fikambanantsika, raha nomeny azy ireo ny adiresin’ny Vavolombelona fanaterany boky sy gazety. Natoky ilay fampanantenana ilay rahalahy ka nomeny tokoa ny adiresin’ny rahalahy efa ho 30, anisan’izany ny an’ny Rahalahy Burak, mpikarakara ny asa tamin’izany. Nosamborina daholo izy ireo tatỳ aoriana. Nibebaka tamim-pahatsorana ilay rahalahy nahatonga izany, ary niaiky fa natokitoky foana an’ireo anisan’ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana izy.
Nentina mba halaina am-bavany sy hohenoin’ny mpitsara tany amin’ny fonja tany Kiev ireo rahalahy voasambotra. Maty tany am-ponja tsy ela taorian’izay ny Rahalahy Burak. Afaka nifandray tamin’i Mykola Tsyba, mpikarakara ny vondrom-paritra tany Volhynie izy talohan’ny nisamborana azy, ka nankininy taminy ny fiandraiketana ny asa teto Ukraine sy ny Firaisana Sovietika.
Sambany tamin’io ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana sovietika vao nanao indray nisambotra rahalahy tompon’andraikitra maro sy ny mpanao pirinty niafina. Nolazain’ny manam-pahefana sovietika mantsy fa nanohitra ny Sovietika ny boky sy gazetintsika. Nampangaina ho mpanakorontana firenena ny Vavolombelona ka maro no voaheloka ho faty. Novana ho sazy 25 taona tany amin’ny tobin’ny voafonja indray anefa izany.
Nasaina nanefa sazy tany Siberia ireo rahalahy. Rehefa nanontaniana ny antony nandefasana azy ireo lavitra be toy izany ny mpisolovava iray, dia nanao vazivazy hoe: “Tokony hitory momba ny Andriamanitrareo any kosa angamba ianareo.” Tanteraka tokoa ireo teniny ireo tatỳ aoriana!
Maro ny rahalahy tompon’andraikitra nosamborina tamin’ny 1947 ka hatramin’ny 1951. Nogadraina ny Vavolombelona, tsy hoe noho izy ireo nanao pirinty boky sy gazety fotsiny fa noho izy ireo tsy nanao raharaha miaramila sy tsy nifidy, ary tsy nampiditra ny zanany tao amin’ny fikambanan’ny tanora kominista na Komsomol. Na dia hoe ianao Vavolombelon’i Jehovah fotsiny aza, dia efa azo nanagadrana anao. Nisy nanao vavolombelona mandainga koa matetika tany amin’ny fitsarana. Mpiara-monina na mpiara-miasa nampitahorin’ireo tao amin’ny fiarovam-panjakana, na nomeny vola, izy ireny, mazàna.
Mba niantra ihany ny manam-pahefana indraindray, saingy tsy an-karihary. Nosamborina sy natokan-toerana tany am-ponja nandritra ny enim-bolana i Ivan Symchuk. Nangina tanteraka ny olona natokan-toerana, ary tsy reny akory na dia ny tabataba tany amin’ny arabe aza. Nandalo fitsarana izy avy eo. Nanampy azy anefa ilay mpaka am-bavany, satria nilaza taminy izay tokony havaly. “Aza milaza na inona na inona momba ny toerana sy ny olona nahazoanareo milina fanoratana sy boky aman-gazety! Aza valiana ireny fanontaniana ireny!”, hoy izy. Rehefa nentina mba halaina am-bavany tokoa izy, dia hoy ilay olona: “Aza milavo lefona, aza milavo lefona, ry Ivan a!”
Tsy navela hanisy lambam-baravarankely ny Vavolombelon’i Jehovah, tany amin’ny tanàna sasany, mba hahafahan’ny manodidina sy ny polisy hahita mora foana raha namaky boky na gazety, na nivory izy ireo. Nahita fomba nisakafoanana ara-panahy foana anefa ireo rahalahy. Hafa kely indraindray ny “lampihazo” nampiasain’ny mpitarika Ny Tilikambo Fiambenana. Nipetraka tao ambany latabatra norakofana lamba hatreny amin’ny gorodona ny rahalahy nitarika sy namaky Ny Tilikambo Fiambenana. Nipetraka nanodidina an’ilay latabatra ny “mpanatrika”, nihaino tsara ary nanome valin-teny. Tsy nisy nieritreritra mihitsy hoe nanao fivoriana ara-pivavahana ireo olona ireo!
Fitoriana tany amin’ny fitsarana
Nosamborina i Mykhailo Dan, voaresaka terỳ aloha, tamin’ny faran’ny 1948. Nanambady izy tamin’izany ary nanan-janakalahy herintaona, sady bevohoka ny vadiny. Nangataka ny hanamelohana azy higadra 25 taona ny mpampanoa lalàna rehefa notsaraina izy. Nampiasa an’ireto tenin’ny Jeremia 26:14, 15 ireto ny Rahalahy Dan rehefa namarana ny teniny tamin’ny mpitsara: “Indro, efa eto an-tànanareo aho; koa ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina. Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie hianareo, dia hahatonga ra marina aminareo sy amin’ity tanàna ity ary amin’ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.” Nisy fiantraikany teo amin’ireo mpitsara ilay fampitandremana. Namoaka izao didim-pitsarana izao izy ireo rehefa avy nisintona kely: folo taona an-tranomaizina ary sesitany dimy taona any Rosia.
Voaheloka ho mpamadika tanindrazana ny Rahalahy Dan. Hoy izy tamin’ny mpitsara, rehefa reny izany: “Teraka teto Ukraine aho, ary i Tsekoslovakia no nitondra tamin’izany; Hongria indray no nitondra tatỳ aoriana; ary tonga eto indray izao ny Firaisana Sovietika; mizaka ny zom-pirenena romanianina koa aho. Iza amin’ireo àry no tanindrazana nivadihako?” Mazava ho azy fa tsy nahazo valiny io fanontaniana io. Faly ny Rahalahy Dan nandre tatỳ aoriana fa teraka vavikely ny vadiny. Nanampy azy hiaritra ny fampietrena tany amin’ireo fonja sy toby tany atsinanan’i Rosia izany. Maro ny rahalahy avy eto Ukraine sy Moldavia ary Bélarus maty vokatry ny hanoanana tany amin’ny fonja sovietika, tamin’ny faramparan’ny 1940. Very 25 kilao koa ny Rahalahy Dan.
Fanenjehana nihatra tamin’ny anabavy
Tsy ny rahalahy ihany no nenjehin’ny fitondrana sovietika sy nosaziny naharitra, fa nampiharany herisetra koa ny anabavy. Nianatra fahamarinana tany amin’ny toby fitanan’i Ravensbrück, nandritra ny Ady Lehibe II, ohatra, i Mariya Tomilko. Niverina teto Ukraine izy tatỳ aoriana, ary nitory tany Dnipropetrovsk. Nohelohina higadra 25 taona tany amin’ny tobin’ny voafonja izy tamin’ny 1948 noho izy nitory.
Nilaza toy izao ny anabavy iray nohelohina higadra 20 taona tany amin’ny tobin’ny voafonja: “Niray efitra figadrana tamin’ny vehivavy mpanao ratsy maro aho, nandritra ny fakana am-bavany. Tsy natahotra azy ireo anefa aho, fa nitory taminy. Gaga aho fa nihaino tsara ry zareo. Feno hipoka ilay efitra. Natory tamin’ny tany izahay rehetra ary nifanizina toy ny sardinina. Tsy maintsy niaraka nivadika daholo izahay rehefa te hivadika.”
Nisy pasitera batista tany Zaporijjia, tamin’ny 1949, nitoroka anabavy dimy tany amin’ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana, ka voasambotra izy ireo avy eo. Nampangaina ho mpanohitra ny Sovietika sy mpanakorontana izy ireo, ka nohelohina higadra 25 taona avy tany amin’ny tobin’ny voafonja. Nalain’ny fanjakana ny fananany rehetra. Nanefa sazy fito taona tany amin’ny farany avaratr’i Rosia izy ireo, mandra-pahatongan’ny fotoana nahazoany famotsoran-keloka. Nilaza toy izao i Lydia Kurdas, anisan’ireo anabavy ireo: “Tsy navela hanoratra afa-tsy taratasy roa isan-taona ho an’ny fianakaviana izahay, ary nandalo sivana izy ireny. Tsy nanana boky na gazety izahay nandritra izany fotoana izany.” Tsy nivadika tamin’i Jehovah anefa izy ireo, fa nitory hatrany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.
Fanampiana ny rahalahy tatsy Moldavia
Nifampiahy ny Vavolombelona na dia tao anatin’izany fotoan-tsarotra izany aza. Tratran’ny mosary mafy i Moldavia, akaikin’i Ukraine, tamin’ny 1947. Nahantra ny rahalahy teto Ukraine nefa vonona avy hatrany ny hanampy ny mpiray finoana taminy tatsy Moldavia, ka nandefa lafarinina ho azy ireo. Nisy Vavolombelona teto andrefan’i Ukraine nanasa Vavolombelona avy atsy Moldavia hipetraka tany aminy.
Nilaza toy izao ny rahalahy iray tany Moldavia tamin’izany: “Tokony hanome ahy mofo 200 grama isan’andro ny fanjakana satria kamboty aho. Tsy nahazo izany anefa aho satria tsy anisan’ny Komsomol. Faly be izahay rehefa nandefa lafarinina ho anay ny rahalahy avy atsy andrefan’i Ukraine, satria samy nahazo efatra kilao avy ny mpitory.”
Nandramana nosoratana ara-dalàna ny fitoriana teto URSS
Nangataka ny hanoratana ara-dalàna ny asantsika ny anti-panahy telo avy any Volhynie, dia i Mykola Pyatokha sy Ilya Babijchuk ary Mykhailo Chumak, tamin’ny 1949. Tsy ela taorian’izay dia nosamborina ny Rahalahy Chumak. Tsaroan’i Mykola Pyatokha, fa tsy nisy valiny ilay fangatahana nalefa voalohany. Nampidirina tany Moscou àry ny fangatahana faharoa. Nalefan’i Moscou tany Kiev ny antontan-taratasy. Nanaiky hihaona tamin’ireo rahalahy ny manam-pahefana tany, ary nilaza fa azo natao ilay fanoratana raha vonona hiara-miasa tamin-dry zareo ny Vavolombelon’i Jehovah. Mazava ho azy fa tsy nety nanao raharaha miaramila mihitsy ireo rahalahy. Nosamborina koa izy mirahalahy, tsy ela taorian’izay, ary nohelohina higadra 25 taona avy tany amin’ny tobin’ny voafonja.
Voalazan’ny manam-pahefana tany Moscou tao amin’ny taratasy manokana nalefany ho an’ny manam-pahefana tany Volhynie fa “tena mpanohitra ny Sovietika ka tsy tokony hosoratana ara-dalàna” ny “sekta” antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah. Nomena baiko hitsikilo azy ireo ny lehiben’ny Biraon’ny Raharaha Ara-pivavahana teto an-toerana, ary nasaina nanao tatitra tany ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana.
Niara-niasa tamin’ny manam-pahefana ny mpitondra fivavahana
Nisy pasitera batista tany Transcarpatie, tamin’ny 1949, nitaraina tamin’ny manam-pahefana fa hoe nitaona ny mpiangona tao aminy hiova finoana ny Vavolombelona. Nosamborina noho izany i Mykhailo Tilniak, anti-panahy teo an-toerana, ary nohelohina higadra folo taona. Nanambady anefa izy ary nanan-janaka kely roa.
Nanjary nahatakatra sy nankasitraka ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny olona tso-po, noho izany zavatra nataon’ny mpitondra fivavahana izany. Ren’i Vasylyna Biben, tovovavy batista tao Transcarpatie, tamin’ny 1950, fa nitoroka Vavolombelona roa tao an-tanànany, tany amin’ny manam-pahefana, ny pasiterany. Nosamborina ireo Vavolombelona ireo ary nohelohina higadra enin-taona. Nody izy ireo, rehefa tafavoaka, nefa tsy mba nitana lolompo tamin’ilay pasitera. Hitan’i Vasylyna fa tena tia ny mpiara-belona taminy ireo Vavolombelona ireo. Niaiky volana izy ka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona ary natao batisa. Hoy izy: “Misaotra an’i Jehovah aho fa nahita ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.”
Sesitany tany Rosia
Nifanipaka tanteraka ny fahamarinana ara-baiboly notorin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny firehan-kevitra tsy mino an’Andriamanitra narahin’ny mpitondra kominista. Nahay nandamin-javatra ny Vavolombelona, ka niafina rehefa nanao pirinty sy nizara boky sy gazety nanohana ny Fanjakan’Andriamanitra. Nampiely ny fampianarana ara-baiboly tamin’ny mpiara-belona sy ny havana koa izy ireo. Vavolombelona 1 000 mahery no nosamborin’ny manam-pahefana, tamin’ny 1947 ka hatramin’ny 1950. Nitombo hatrany anefa ny isan’izy ireo. Nanomana mangingina tetika noheveriny fa hanapotika ny vahoakan’Andriamanitra ny manam-pahefana, tamin’ny 1951. Tiany hatao sesitany tany amin’ny 5 000 kilaometatra any atsinanana, tany Siberia, Rosia, ny Vavolombelona sisa tavela.
Maherin’ny 6 100 ny Vavolombelona avy eto andrefan’i Ukraine natao sesitany tany Siberia, tamin’ny 8 Aprily 1951. Tonga vao maraina tany an-tranon’ny Vavolombelona tsirairay ny kamiaon’ny miaramila ary tsy nanome azy ireo afa-tsy adiny roa hangoronana ny entana hoentiny. Zavatra sarobidy sy fitaovana manokana ihany no azo nentina. Natao sesitany avokoa izay tao an-trano, na lehilahy na vehivavy na ankizy. Tsy nisy najanona na dia ny efa antitra sy ny osa aza. Vita haingana tao anatin’ny indray andro ny fampidirana azy ireo tao anaty vagao sy nandefasany azy.
Tsy noraharahain’ny manam-pahefana ny olona tsy tao an-trano tamin’io fotoana io, fa navelany tany. Nisy nangataka ny halefa tany amin’ny fianakaviany natao sesitany, nefa sady tsy novalian-dry zareo ny fangatahany no tsy nolazainy akory ny toerana nandefasany ny havany.
Ankoatra ireo Vavolombelona avy eto Ukraine, dia natao sesitany koa ny avy atsy Moldavia sy ny andrefan’i Bélarus sy Litoania sy Letonia ary Estonia. Nisy 9 500 ny Vavolombelona rehetra natao sesitany, avy tamin’ireo repoblika enina ireo. Nasiana miaramila nanaraka ny lamasinina nitondra azy ireo. Nantsoin’ny olona hoe tranom-biby ny vagao nitondra azy ireo, satria fitaterana biby izy ireny, raha ny tena izy.
Tsy nisy tamin’ireo Vavolombelona nahalala izay hitondrana azy. Nivavaka sy nihira ary nifanampy izy ireo nandritra ilay dia lavitra nataony. Nisy nanantona lamba teo ivelan’ny vagao nitondra azy ka nanisy izao soratra izao: “Vavolombelon’i Jehovah avy any Volhynie izahay”, na “Vavolombelon’i Jehovah avy any Lviv izahay.” Rehefa nijanona tao amin’ny gara izy ireo, dia nahita soratra toy izany koa teo amin’ny vagao avy tany amin’ny faritra hafa eto andrefan’i Ukraine. Izany no nahafantarany fa nisy Vavolombelona avy tany amin’ny faritra hafa koa natao sesitany. Nampahery azy ireo izany, nandritra ny tapa-bolana ka hatramin’ny roatokom-bolana naharetan’ny diany nankany Siberia.
Noheverina fa hijanona any an-tsesitany ny Vavolombelon’i Jehovah, satria ny tsy hamela azy ireo hiala an’i Siberia mihitsy no tetiky ny fanjakana. Tsy nigadra izy ireo, nefa tsy maintsy niseho tsy tapaka tany amin’ny biraom-panjakana mba horaisina anarana, raha tsy izany dia nogadraina taona maromaro.
Nisy navela tany an’ala ny sasany tamin’izy ireo rehefa tonga, ary nomena famaky hikapany hazo hanamboarany trano sy hikarakarany izay nilainy. Matetika ireny Vavolombelona ireny no voatery nihady lavaka, hatao fialofana tsotsotra norakofana bozaka, mba hiatrehana ny ririnina nandritra ireo taona voalohandohany.
Nilaza toy izao i Hryhorii Melnyk, anti-panahy any Crimée ankehitriny: “Matetika aho no nalain’ny manam-pahefana am-bavany, taorian’ny nisamborana ny anabaviko, tamin’ny 1947. Nokapohiny tamin’ny hazo aho. Imbetsaka aho no nasainy nijoro nandritra ny adiny 16 teo akaikin’ny rindrina. Nataony izany rehetra izany mba hanerena ahy hiampanga an’io zokiko vavy Vavolombelona io. Vao 16 taona aho tamin’izay. Tsy tian’ny manam-pahefana teo an-toerana aho rehefa tsy nety nanao izany ka nataony izay tsy hahitana ahy intsony.
Nalefany sesitany tany Siberia àry izahay sy ny zandriko mirahalahy ary ny zandriko vavy iray, tamin’ny 1951. Kamboty ray sy reny anefa izahay, ary nigadra folo taona avy ny zokiko lahy sy ny zokiko vavy. Izaho izay vao 20 taona no nikarakara azy telo mianadahy zandriko.
Matetika aho no mbola mahatsiaro ireo roa taona voalohany tany Siberia, fony izahay tsy nihinana afa-tsy ovy sy dite. Vilia no nisotroanay dite satria tsy nisy kaopy tamin’izany. Salama tsara ara-panahy anefa aho. Nanomboka nitarika fivoriana ho an’ny besinimaro aho, raha vantany vao tonga izahay. Natombokay koa ny Sekolin’ny Fanompoana taorian’izay. Tsy mora tamiko ny niantsoroka izany, satria tsy maintsy niasa mafy be aho mba hikarakarana ny zandriko.” Tsy nivadika tamin’i Jehovah sy ny fandaminany ry Melnyk, na dia mafy toy izany aza ny adim-piainany.
Tsy tian’ny manam-pahefana hifandray tamin’ny Vavolombelona vao halefa tany Siberia ny mponina tany, ka naeliny ny tsaho hoe misy mpihinana olona ho avy. Andro vitsivitsy taorian’ny nahatongavany àry vao nahazo trano nipetrahana ireo Vavolombelona. Teny amoron’ny Ony Chulym namanala àry izy ireo no nipetraka, tamin’izany. Efa nisasaka ny volana Aprily nefa mbola feno ranomandry teny amin’ny tany. Namelona afo ireo rahalahy ary namindro teo, nihira, nivavaka ary nitantara ny diany. Gaga izy ireo fa tsy nisy mponina nanatona mba hampandroso azy, fa nakaton’izy ireny kosa aza ny varavarany sy ny varavarankeliny. Rehefa afaka telo andro vao nanatona niaraka tamin’ny famaky ny mponina sahisahy indrindra, ary nanombo-dresaka tamin’ny Vavolombelona. Nihevitra tokoa mantsy izy ireo tamin’ny voalohany fa mpihinana olona ireo tonga ireo! Tsy ela anefa dia fantany fa tsy marina izany.
Nitetika ny hanao sesitany ny Vavolombelona avy any Transcarpatie koa ny manam-pahefana, tamin’ny 1951. Efa nitondra vagao mihitsy aza ry zareo. Nofoanan’izy ireo noho ny antony tsy fantatra anefa ilay fanapahan-kevitra. Lasa anisan’ireo faritany lehibe namokatra boky sy gazety ho an’ny Firaisana Sovietika manontolo i Transcarpatie, nandritra ny fandrarana.
Tsy nisara-bazana mihitsy
Maro tamin’ny rahalahy tafajanona teto an-toerana no tsy afaka nifandray tamin’ny fandaminana, satria natao sesitany tany Siberia ny ankamaroan’ireo rahalahy. Tsy afaka nifandray tamin’ny fandaminana sy ny mpiray finoana taminy nandritra ny enin-taona mahery, ohatra, i Mariya Hrechyna avy any Chernovtsy. Niantehitra tamin’i Jehovah foana anefa izy ka tsy nivadika mihitsy. Koa satria nogadraina na natao sesitany ny ankamaroan’ny rahalahy tamin’ny 1951 ka hatramin’ny 1965, dia anabavy no tsy maintsy nitarika teo anivon’ny fiangonana maro.
Nilaza toy izao i Michael Dasevich, izay nahita izany zavatra izany: “Tsy voakasika nivantana tamin’ny fanaovana sesitany tany Siberia aho, satria mbola nigadra tany Rosia, tamin’ny fotoana nanaovana ny lisitr’ireo hatao sesitany. Tsy ela taorian’ny niverenako teto Ukraine dia nalefa sesitany tany Siberia ny ankamaroan’ny Vavolombelona tao amin’ny faritaninay. Voatery nikaroka an’ireo tsy afaka nifandray tamin’ny fandaminana àry aho, ka nandamina azy ireny ho fianarana boky sy fiangonana. Nanomboka niantsoroka ny adidin’ny mpiandraikitra ny faritra aho tamin’izany, na dia tsy nisy nanendry ahy hanao izany aza. Nitsidika ny fiangonana rehetra isam-bolana aho ka nanangona ny tatitra, ary nitety azy ireny mba hizara ireo boky sy gazety mbola nanananay. Anabavy matetika no nanao ny asan’ny mpikarakara ny fiangonana, ary anabavy koa no niantsoroka ny andraikitry ny mpikarakara ny faritra tany amin’ny toerana sasany, satria tsy nisy rahalahy. Nataonay tamin’ny alina teny amin’ny fasana ny fivorian’ny mpikarakara ny fiangonana tao amin’ny faritra nisy anay, mba ho azo antoka. Fantatray mantsy fa natahotra ny maty ny olona, ka azonay antoka fa tsy hisy hanelingelina anay. Nibitsibitsika izahay, mazàna, nandritra ireny fivoriana ireny. Nibitsibitsika mafy loatra izahay indray mandeha ka nitsoaka nandositra ny mpandalo roa lahy. Noheveriny fa ny maty angamba no niresaka!”
Nanohy ny fanaovana pirinty boky sy gazety ara-baiboly tao amin’ny efitrano ambanin’ny tany nisy rindrim-bato i Mykola Tsyba, mpikarakara ny asa, taorian’ny sesitany tamin’ny 1951. Hitan’ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana anefa izy tamin’ny 1952, ka nosamborina, ary nogadraina nandritra ny taona maro. Tsy nivadika io rahalahy io mandra-pahafatiny tamin’ny 1978. Voasambotra koa ny maromaro tamin’ireo rahalahy nanampy azy.
Tsy afaka nifandray tamin’ny tany ivelany ireo rahalahy tamin’izany. Tsy voarain’izy ireo ara-potoana àry ny boky sy gazety farany. Indray mandeha, dia nisy rahalahy vitsivitsy afaka nahazo nomeraon’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1945 ka hatramin’ny 1949, tamin’ny fiteny romanianina. Nadikan’ireo rahalahy teto an-toerana tamin’ny fiteny ukrainien sy rosianina izy ireny.
Niahy be dia be an’ireo mpiray finoana taminy ny Vavolombelona ukrainiens tsy natao sesitany, na nogadraina. Niezaka mafy izy ireny nanangona ny lisitr’ireo nogadraina, mba handefasana fitafiana mafana sy sakafo ary boky sy gazety. Ny Vavolombelon’i Jehovah tany Transcarpatie, ohatra, dia nifandray tamin’ny rahalahy tany amin’ny tobin’ny voafonja 54 nanerana ny Firaisana Sovietika. Fiangonana maro no nanao boaty fanampiny ho an’ny fanomezana an-tsitrapo nantsoina hoe “Ho An’ny Fanantenana Tsara.” Nampiasaina mba hanampiana ny voafonja ny vola azo tamin’izany. Nahazo fampaherezana be ireny rahalahy nahatoky sy feno fahafoizan-tena ireny, rehefa nisy taratasy fankasitrahana sy tatitra momba ny fanompoana voaray avy tany amin’ireo fonja sy tobin’ny voafonja.
Nihatsara ny tarehin-javatra
Nihatsara ny fomba nitondrana ny Vavolombelona rehefa maty i Joseph Staline, Filoha sovietika. Nambara teto URSS nanomboka tamin’ny 1953 ny famotsoran-keloka, ka nisy rahalahy nafahana noho izany. Natsangan’ny fanjakana avy eo ny Vaomieram-panjakana, mba hamerina hijery ireo sazy nomena. Maro ny rahalahy nafahana, na nahazo fampihenana sazy, vokatr’izany.
Afaka tany am-pigadrana ny ankamaroan’ny Vavolombelona, nandritra ireo taona vitsivitsy nanaraka. Tsy nampiharina tamin’ireo natao sesitany tamin’ny 1951 anefa ilay famotsoran-keloka. Tany amin’ny fonja sy tobin’ny voafonja sasany, dia maro kokoa noho ny isan’ireo Vavolombelona tonga tany tamin’ny voalohany, ny isan’ireo lasa Vavolombelona tany. Nampahery an’ireo rahalahy izany fitomboana izany, ary nampiaiky azy fa nitahy azy tokoa i Jehovah noho izy ireo tsy nihozongozona nandritra ireny fotoana ireny.
Rahalahy maro no afaka nody rehefa tafavoaka ny fonja. Nisy ezaka lehibe natao mba hahitana an’ireo Vavolombelona tsy afaka nifandray tamin’ny fandaminana. Nilaza toy izao i Volodymyr Volobuyev, nipetraka tany Donetsk: “Nahita sy nanampy Vavolombelona 160 tafasaraka tamin’ny fandaminana aho, hatramin’ny nisamborana ahy indray tamin’ny 1958.”
Tsy nidika anefa ilay fanambarana famotsoran-keloka fa hoe nahazo fahafahana bebe kokoa hitory ireo rahalahy. Maro ny rahalahy sy anabavy afaka tany am-ponja, nefa nohelohina higadra taona maro indray avy eo. Tsy nanefa afa-tsy 8 taona tamin’ireo 25 taona tokony ho nigadrany, ohatra, i Mariya Tomilko avy any Dnipropetrovsk, noho ilay famotsoran-keloka tamin’ny Martsa 1955. Nohelohina higadra folo taona sy hatao sesitany dimy taona indray anefa izy, telo taona taorian’izay. Fa nahoana? Hoy ilay didim-pitsarana momba azy: “Nitahiry sady namaky boky sy lahateny nosoratan’ny Jehovista izy”, ary “nazoto nampiely ny zavatra inoan’ny Jehovista teo amin’ny mpiara-monina taminy.” Nafahana izy, fito taona tatỳ aoriana, satria nolazaina fa kilemaina. Niaritra ny karazam-pisedrana rehetra ny Anabavy Tomilko, ary mbola mahatoky hatramin’izao.
Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay
Nanao ezaka manokana mba hampisarahana ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana. Matetika no nanao izay hametrahana ny Vavolombelona teo anatrehan’izao safidy manahirana izao ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana: Andriamanitra sa ny fianakaviana. Matetika anefa no tsy nivadika tamin’i Jehovah ny vahoakany, na teo aza ny fisedrana faran’izay mafy.
Mitantara toy izao i Hanna Bokoch avy any Transcarpatie, vadin’i Nutsu nosamborina noho ny fahazotoany nitory: “Niaritra fampietrena feno hasomparana ny vadiko, fony tany am-ponja. Natoka-monina nandritra ny enim-bolana izy, ary tsy nanana fandriana, fa seza iray monja. Novelezina tamin-kalozana izy ary tsy nomena sakafo. Nanjary nahia kely izy tao anatin’ny volana vitsivitsy, ka lasa 36 kilao, izany hoe antsasaky ny lanjany ara-dalàna.”
Nanjary nitaiza irery ny zanany vavy kely ilay vadiny nahatoky. Noteren’ny manam-pahefana handa ny finoany sy hiara-miasa tamin’izy ireo ny Rahalahy Bokoch. Nasaina nisafidy izy hoe ny fianakaviany sa ny fahafatesana. Tsy nanda ny finoany ilay rahalahy ary tsy nivadika tamin’i Jehovah sy ny fandaminany. Nogadraina nandritra ny 11 taona izy, ary rehefa afaka izany, dia nanohy indray ny asa kristianina. Anti-panahy aloha izy, ary tatỳ aoriana dia lasa mpiandraikitra ny faritra koa, mandra-pahafatiny tamin’ny 1988. Matetika izy no nanovo hery avy tamin’izao teny ao amin’ny Salamo 91:2 izao: “Izaho hilaza an’i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy ary Andriamanitro, Izay hitokiako.”
Ity koa misy oha-piaretana lehibe hafa. Mpiandraikitra mpitety faritany tany Transcarpatie i Yurii Popsha. Nosamborina izy, folo andro taorian’ny mariaziny. Tsy afaka nanao volan-tantely izy fa nogadraina nandritra ny folo taona tany Mordovie, atỳ Rosia, kosa. Nitsidika azy in-14 i Mariya, vadiny mahatoky, ka nanao dia 1 500 kilaometatra mandroso fotsiny. Anti-panahin’ny fiangonana iray any Transcarpatie izao ny Rahalahy Popsha, ary manohana azy amim-pitiavana i Mariya malalany.
Mbola oha-piaretana tao anatin’ny zava-tsarotra koa i Oleksii sy Lydia Kurdas, mpivady nipetraka tany Zaporijjia. Nosamborina izy ireo tamin’ny Martsa 1958, 17 andro taorian’ny nahaterahan’i Halyna, zanany vavy. Nisy 14 hafa koa nosamborina tao an-tanànany. Voaheloka higadra 25 taona ny Rahalahy Kurdas, ary ny vadiny kosa 10 taona. Nosarahan-toerana izy ireo. I Oleksii nalefa tany amin’ny toby samihafa tany Mordovie, ary i Lydia sy ny zanany kely kosa tany Siberia.
Toy izao no fitantaran’ny Anabavy Kurdas ny diany naharitra roatokom-bolana avy teto Ukraine nankany Siberia: “Tena mafy ilay izy. Ireto avy izahay no tafaraka: izahay mianaka, i Nadiya Vyshniak sy ny zanany teraka tany am-ponja nandritra ny fakana am-bavany, andro vitsivitsy monja talohan’io, ary rahavavy roa. Vagao natao ho an’ny voafonja roa no nampidirana anay eni-mianaka. Nampatorinay teo amin’ny fandriana ambany ny zanakay, fa izahay lehibe kosa nitampify tao amin’ny fandriana ambony nandritra ny dia manontolo. Mofo sy trondro maina ary rano no sakafonay. Izahay olon-dehibe efatra ihany no nomena sakafo, fa tsy mba nisy sakafo ho an’ny zanakay.
Napetraka tany amin’ny hopitalin’ny fonja izaho sy ny zanako kely, rehefa tonga tany Siberia izahay. Nihaona tamin’ny rahavavy maromaro aho tany, ary nilazako izy ireo fa norahonan’ny mpaka am-bavany aho hoe halefany any amin’ny fitaizana zaza kamboty ny zanako. Tsy haiko izay fomba nampahafantaran’ireo rahavavy ny fahorian-tsaiko tamin’ireo anadahy teo an-toerana. Tonga tao amin’ilay hopitaly taorian’izay i Tamara Buriak (Ravliuk ankehitriny), 18 taona tamin’izany, ary naka an’i Halyna, zanako. Sambany tamin’io no nahitako an’i Tamara. Tena narary ny foko namela an’ilay zanako malalako hoentin’olona mbola tsy nihaona tamiko hatramin’izay niainako, eny fa na dia hoe rahavaviko ara-panahy aza ilay izy. Tena nionona anefa aho rehefa nilazan’ireo rahavavy tao amin’ny toby fa nahatoky ry Buriak mianakavy. Dimy volana sy 18 andro ilay zanako vavy fony izy nomeko hokarakarain’i Tamara. Fito taona tatỳ aoriana vao tafaray indray izahay mianaka!
Nanambara famotsoran-keloka vaovao i URSS tamin’ny 1959. Izay vehivavy nanan-janaka latsaka ny fito taona no nahazo azy io. Nilaza tamiko anefa ny tompon’andraikitra tao amin’ny fonja fa tsy maintsy nanda ny finoako aho aloha vao hafahana. Tsy nanaiky izany aho ka voatery nijanona tao amin’ny tobin’ny voafonja.”
Nafahana tamin’ny 1968 ny Rahalahy Kurdas, ary 43 taona izy tamin’izay. Nogadraina nandritra ny 15 taona noho ny fahamarinana izy, raha atambatra, ka anisan’izany ny 8 taona tany amin’ny fonja faran’izay voambina mafy. Tafaverina teto Ukraine tany amin’ny vady aman-janany ihany izy, rehefa ela ny ela. Tafaray indray izy mianakavy rehefa ela ny ela. Rehefa nihaona tamin-drainy i Halyna, dia nipetraka teo am-pofoany sady niteny hoe: “Dada a! Ela be izahay tsy mba nampofoin’i Dada ka tsy avelako amin’izay i Dada anio.”
Nifindrafindra monina foana izy mianakavy taorian’izay, satria noroahin’ny manam-pahefana foana. Nipetraka tany atsinanan’i Ukraine aloha ry zareo, avy eo tany andrefan’i Géorgie, sy tany Caucase Avaratra. Nifindra tany Kharkiv izy ireo, tamin’ny farany, ary mbola faly mipetraka any hatramin’izao. Efa manambady i Halyna. Mbola manompo amim-pahatokiana an’i Jehovah Andriamaniny izy rehetra.
Oha-pinoana mendri-kaja
Nisy fitsapam-pinoana mafy nitohy am-bolana, an-taona, ary am-polo taona mihitsy aza, indraindray. Indro misy ohatra. Teraka sy nihalehibe tsy lavitra an’i Khust, tanàna kanto any Transcarpatie, i Yurii Kopos. Lasa Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’ny 1938, teo amin’ny faha-25 taonany. Nogadraina valo volana izy tamin’ny 1940, nandritra ny Ady Lehibe II, satria tsy nety niditra tao amin’ny tafika hongroà mba hanohana ny fitondrana nazia. Araka ny lalàna tany Transcarpatie tamin’izany, dia tsy tokony hovonoina ho faty ny olona nanda tsy hanao raharaha miaramila noho ny finoany. Nalefa tany amin’ny vava ady nazia àry ireo rahalahy, satria namela ny hamonoana olona toy izany ny lalàna nazia. Nalefa tany amin’ny vava ady tany akaikin’i Stalingrad, atỳ Rosia, ny Rahalahy Kopos mbamin’ny voafonja hafa nisy Vavolombelona 21, tamin’ny 1942. Nampanarahina miaramila izy ireo. Nalefa tany mba hovonoina izy ireo. Nanomboka namely anefa ny tafika sovietika, fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’izy ireo, ka nataony sambobelona ny miaramila alemà sy ireo rahalahy. Nalefa tany amin’ny tobin’ny voafonja sovietika ny Vavolombelona ary nijanona tany mandra-panafaka azy ireo tamin’ny 1946.
Nody ny Rahalahy Kopos, ary nazoto nitory tany an-tanànany. Izany no antony nanamelohan’ny manam-pahefana sovietika azy higadra 25 taona, tamin’ny 1950. Nafahana anefa izy rehefa afaka enin-taona, satria nisy famotsoran-keloka.
Taorian’izay, dia nikasa hanambady an’i Hanna Shyshko ny Rahalahy Kopos, 44 taona tamin’izany. Vavolombelona koa io anabavy io ary nafahana vao haingana, rehefa avy nigadra folo taona. Nanao fangatahana hisoratra izy ireo. Nosamborina indray izy ireo ny alina talohan’ny mariaziny, ary nohelohina higadra folo taona. Tafita soa tamin’ireny zava-tsarotra rehetra ireny anefa ry zareo, ary niaritra ny zavatra rehetra ny fitiavany, anisan’izany ny fanemorana folo taona ny mariaziny. (1 Kor. 13:7) Nivady ihany ry zareo taorian’ny nanafahana azy ireo, tamin’ny 1967.
Tsy nifarana teo anefa ny tantarany. Nosamborina indray ny Rahalahy Kopos tamin’ny 1973, teo amin’ny faha-60 taonany, ary nohelohina higadra dimy taona sy hatao sesitany dimy taona. Tany Siberia, 5 000 kilaometatra avy tao Khust tanànany, no nanefany ny sesitaniny niaraka tamin’i Hanna vadiny. Tsy tongan’ny fiarakodia na fiarandalamby tany, fa fiaramanidina ihany. Niara-nody tany Khust izy mivady tamin’ny 1983. Maty tamin’ny 1989 i Hanna, ary nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana ny Rahalahy Kopos mandra-pahafatiny tamin’ny 1997. Nigadra tany amin’ny fonja maro nandritra ny 27 taona izy, ary natao sesitany 5 taona, izany hoe 32 taona raha atambatra.
Efa ho ampahatelon’ny taonjato no lanin’io lehilahy tso-piaina sy nalemy fanahy io tany amin’ny fonja sy toby fiasana an-tery vozona sovietika. Ny oha-pinoana miavaka toy izany dia mampiseho tsara fa tsy afaka manimba ny tsy fivadihan’ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky ny fahavalo.
Fisaraham-bazana tsy naharitra
Mampiasa fomba maro iadiana amin’ireo manaraka ny fivavahana marina i Satana Devoly, fahavalon’ny olombelona. Manao izay hisian’ny fisalasalana sy fisaraham-bazana eo anivon’ny rahalahy koa izy, ankoatra ny fampijaliana ara-batana. Manasongadina izany ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Ukraine.
Natao foana izay hanorisorenana ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ireo taona 1950. Nokarohin’ny manam-pahefana hatrany ny toerana nanaovana pirinty ireo boky sy gazety. Nosamborina foana ireo rahalahy tompon’andraikitra. Nosoloana matetika àry izy ireny, ary indraindray dia isaky ny volana vitsivitsy mihitsy.
Nampiasa paikady vaovao ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana rehefa hitany fa tsy azo nampanginina tamin’ny alalan’ny sesitany, fanagadrana sy herisetra ary fampijalijaliana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nataony izay tsy hifampatokisan’ireo rahalahy mba hisian’ny fisaraham-bazana tao anatin’ny fandaminana.
Tsy tonga dia nisambotra an’ireo rahalahy narisika sy tompon’andraikitra avy hatrany izy ireo, teo antenatenan’ireo taona 1950, fa nanomboka nitsikilo azy ireo kosa aloha. Voantso matetika tany amin’ny biraon’ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana ireny rahalahy ireny. Nilazana izy ireo fa homena vola sy asa tsara raha niara-niasa tamin-dry zareo. Nogadraina sy nalam-baraka izay nanda. Nisy vitsivitsy tsy ampy finoana an’Andriamanitra ka nanaiky lembenana noho ny tahotra, na ny fitiavan-karena. Niaraka tamin’ny fiangonana ihany izy ireo, saingy nampahafantatra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana kosa. Nankatoaviny koa ny toromarika avy tamin’ny manam-pahefana, ka nahatonga an’ireo rahalahy tsy nanan-tsiny ho toy ny mpamadika teo imason’ireo rahalahy nahatoky hafa. Nanjary tsy nifampatoky ireo rahalahy noho izany.
Tena nijaly noho io tsy fatokisana sy fiahiahiana tsy marim-pototra io i Pavlo Ziatek. Nandany taona maro tany amin’ny tobin’ny voafonja io rahalahy nanetry tena sy be zotom-po io, ary nanokana ny fiainany manontolo hanompoana an’i Jehovah.
Mpikarakara ny asa teto Ukraine ny Rahalahy Ziatek, teo antenatenan’ireo taona 1940. Nosamborina izy, ary nogadraina folo taona tatỳ andrefan’i Ukraine. Nafahana izy tamin’ny 1956, ary lasa mpikarakara ny asa teto indray, tamin’ny 1957. Rahalahy valo no nahaforona ny komity mpikarakara ny asa teto Ukraine, ankoatra ny Rahalahy Ziatek: efatra avy tany Siberia ary efatra avy teto Ukraine. Niandraikitra ny asa fitoriana ilay Fanjakana tatỳ URSS manontolo ireo rahalahy ireo.
Tsy ampy ny fifandraisana ary tsy nivory tsy tapaka izy ireo, noho ny halaviran-toerana sy ny fanenjehana. Nisy tsaho sy resaka niely momba ny Rahalahy Ziatek sy ny rahalahy hafa anisan’ny komity, tatỳ aoriana. Nolazaina fa niara-niasa tamin’ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana ny Rahalahy Ziatek, ary nanao trano be ho azy tamin’ny vola tokony ho nampiasaina hampandrosoana ny asa fitoriana, sady nanao fanamiana miaramila. Natao an-tsoratra ireny filazana ireny ary nalefa tany amin’ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra sy ny faritra tany Siberia. Tsy nisy marina anefa izany fiampangana rehetra izany.
Tsy nandefa ny tatitra momba ny fanompoany tany amin’ny komity intsony àry ny mpiandraikitra ny faritra sasany tany Siberia, nanomboka tamin’ny Martsa 1959. Tsy nanontany ny hevitry ny foibe ireo rahalahy nihataka ireo. Tsy nanaraka ny tari-dalan’ireo rahalahy voatendry ho mpiandraikitra teto an-toerana koa izy ireo. Nampisara-bazana ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ URSS izany, nandritra ny taona maromaro.
Nandresy lahatra ny mpiandraikitra ny faritra hafa hanao toa azy koa ireo rahalahy nihataka. Tany amin’izy ireny àry no nandefasan’ny mpiandraikitra ny faritra sasany ny tatitra momba ny fanompoana isam-bolana, fa tsy tany amin’ny komity voatendry hikarakara ny asa. Tsy fantatry ny ankamaroan’ny rahalahy tany amin’ny fiangonana ny amin’izany, ka tsy nisy fiantraikany teo amin’ny fanompoan’izy ireo. Nandeha imbetsaka tany Siberia ny Rahalahy Ziatek, ka maromaro ny faritra nandefa indray ny tatitra momba ny fanompoany tany amin’ny komity.
Niverina tamin’ny fandaminan’Andriamanitra
Nosamborina tao anaty fiarandalamby ny Rahalahy Ziatek tamin’ny 1 Janoary 1961, rehefa niverina avy nanao dia momba ny fanompoana tany Siberia. Nohelohina higadra folo taona indray izy, ary tany amin’ny tobin’ny voafonja “manokana” tany Mordovie, atỳ Rosia, tamin’io. Nahoana no tena “manokana” io toby io?
Afaka nitory tamin’ny voafonja hafa ireo rahalahy, rehefa nanala sazy tany amin’ny tobin’ny voafonja samy hafa, ka maro no lasa Vavolombelona. Tsy nahafaly ny manam-pahefana izany. Tapa-kevitra àry izy ireo fa hanangona tao amin’ny toby iray, ireo Vavolombelona nalaza, mba tsy hahafahany hitory. Tany amin’ny faramparan’ireo taona 1950, dia rahalahy 400 mahery sy anabavy 100 teo ho eo no voangona avy tany amin’ny tobin’ny voafonja samy hafa tatỳ URSS, ary natao tany amin’ny toby roa tany Mordovie. Anisan’ireo voafonja ireo, ny rahalahy anisan’ny komity mpikarakara ny asa mbamin’ny mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra nihataka tamin’ny fitaovana fampitan’i Jehovah hafatra. Rehefa hitan’izy ireo fa nogadraina koa ny Rahalahy Ziatek, dia takatr’izy ireo fa tsy marim-pototra ny finoana hoe niara-niasa tamin’ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana izy.
Efa nisy fandaharana natao koa anefa fa i Ivan Pashkovskyi indray no ho mpikarakara ny asa, satria nosamborina ny Rahalahy Ziatek. Nihaona tamin’ireo rahalahy tompon’andraikitra avy tany Polonina ny Rahalahy Pashkovskyi, teo antenatenan’ny 1961, ary nanazava fa nisy fisaraham-bazana teo amin’ny rahalahy tatỳ URSS. Nangatahiny ny hanoratan’i Nathan Knorr, avy tany amin’ny foibe any Brooklyn, taratasy nampiseho fanohanana ny Rahalahy Ziatek. Nisy kopian’ny taratasy tamin’ny 18 May 1962, ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ URSS, voarain’ny Rahalahy Pashkovskyi, tamin’ny 1962. Hoy ilay taratasy: “Nasehon’ireo taratasy tonga tsindraindray tatỳ amiko fa maniry mafy hatrany ny ho mpanompon’i Jehovah Andriamanitra mahatoky ianareo rahalahy atỳ URSS. Miezaka manao izay hisian’ny firaisan-tsaina amin’ny rahalahinareo ianareo, nefa manana olana momba izany ny sasany. Inoako fa ny tsy fahampian’ny fifandraisana sy ny lainga be aparitaky ny mpanohitra an’i Jehovah Andriamanitra no mahatonga izany. Koa manoratra aminareo aho mba hampahafantatra fa eken’ny Fikambanana ho mpiandraikitra kristianina atỳ URSS ny Rahalahy Pavlo Ziatek sy ireo mpiara-miasa aminy. Tsy tokony hanaiky lembenana na hanana fihevitra tafahoatra isika. Tokony hazava saina, hahalala ny antonony, ho mora ahitsy ary hanaraka hatrany ny fitsipik’Andriamanitra isika.”
Nanjary niray saina indray ny vahoakan’i Jehovah tatỳ URSS, rehefa naharay io taratasy io sy nahafantatra fa voaheloka higadra folo taona koa ny Rahalahy Ziatek. Nanomboka niaraka tamin’ny fandaminana indray ny ankamaroan’ny rahalahy nihataka izay nigadra. Niaiky izy ireo fa sady tsy nivadika tamin’ny fandaminana ny Rahalahy Ziatek no nahazo ny fanohanan’ny foibe. Rehefa nanoratra tamin’ny havana aman-tsakaizany ireny rahalahy voafonja ireny, dia nampirisika ny anti-panahin’ny fiangonana nisy azy, mba hifandray tamin’ireo rahalahy nitoetra ho nahatoky, ary hanomboka hamerina tatitra momba ny fanompoany. Nanaraka an’io torohevitra io ny ankamaroan’ireo rahalahy nihataka, nandritra ny folo taona nanaraka. Mbola tanjona sarotra notratrarina ihany anefa ny fampiraisan-tsaina, araka ny ho hitantsika.
Tsy nivadika tany amin’ny tobin’ny voafonja
Mafy ny fiainana tany amin’ny tobin’ny voafonja. Nahazaka kokoa ny nanjo azy anefa matetika ny Vavolombelona, fa tsy toy ny voafonja hafa, satria natanjaka ara-panahy. Nanana boky sy gazety izy ireo ary nifandray tamin’ny mpiray finoana matotra. Falifaly foana izy ireo ary nisy ny fitomboana ara-panahy. Tena nahay nandevina an’ireny boky sy gazety ireny tokoa ny anabavy tany amin’ny toby iray, ka tsy nisy nahita azy ireny mihitsy. Nilaza ny mpiambina iray, indray andro, fa angamba tokony hohadina hatrany amin’ny roa metatra sy hosivanina, ny tany teo an-tokotanin’ny fonja, mba tsy hisian’ny “boky sy gazety rehetra mpanohitra ny Sovietika” intsony! Tena nianaran’ireo anabavy voafonja tsara ireo Tilikambo Fiambenana, ka mbola misy amin’izy ireo mahay tsianjery ny tapatapany tamin’izany hatramin’izao, 50 taona atỳ aoriana.
Tsy nivadika tamin’i Jehovah ireo rahalahy sy anabavy, ary tsy nampandefitra an’ireo fitsipika ara-baiboly, na teo aza ny fotoan-tsarotra. Nandany dimy taona tany amin’ny tobin’ny voafonja i Mariya Hrechyna, noho izy nitory. Izao no tantarainy: “Naharay ilay Tilikambo Fiambenana nisy an’ilay lahatsoratra hoe ‘Tsy Manan-tsiny Satria Manaja ny Fahamasinan’ny Ra’ izahay, ka nanapa-kevitra ny tsy hisakafo tao amin’ny efitrano fisakafoanan’ny toby rehefa hena no sakafo. Tsy nalatsa-dra tsara mantsy matetika ny hena nampiasaina tany amin’ireny toby ireny. Tapa-kevitra ny hanery anay handika fitsipika ilay mpiambina, rehefa fantany ny antony tsy nihinanan’ny Vavolombelona sakafo sasany. Nasainy nasiana hena isan’andro ny sakafo maraina sy antoandro ary hariva. Tsy nihinana afa-tsy mofo izahay nandritra ny tapa-bolana. Niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah izahay, satria fantatray fa nahita ny zava-drehetra izy ary nahafantatra hoe hafiriana no ho afaka hiaritra izahay. Rehefa nifarana ny herinandro faharoa nanomezana an’io ‘fitsipika ara-tsakafo’ io, dia niova hevitra ilay mpiambina ka nanomboka nanome anay legioma sy ronono ary dibera mihitsy aza. Hitanay fa tena niahy anay i Jehovah.”
Fanampiana mba hiaritra
Tena nijery lafy tsaran-javatra sy be fanantenana hatrany ireo rahalahy, raha nampitahaina tamin’ny voafonja hafa. Izany no nahafahan’izy ireo niaritra ny fahoriana tany amin’ny fonja sovietika.
Hoy ny Rahalahy Oleksii Kurdas, nigadra nandritra ny taona maro: “Nanampy ahy hiaritra ny finoana mafy an’i Jehovah sy ny Fanjakany, ny fanaovana zavatra ara-panahy tany am-ponja ary ny vavaka tsy tapaka. Mbola nanampy ahy koa ny fiekena fa nampifaly an’i Jehovah ny zavatra nataoko. Niezaka tsy hipetrapetra-poana koa aho. Ny fipetrapetraham-poana no zava-dratsy indrindra any am-ponja. Sady manimba toetra izany no mahatonga aretin-tsaina. Niezaka hatrany àry aho mba hanao zavatra ara-panahy betsaka. Nohafarako koa ny boky rehetra momba ny tantara sy jeografia ary biolojia nisy tao amin’ny fitahirizam-bokin’ny fonja. Notadiaviko izay hevitra nanohana ny fomba fijeriko ny fiainana. Toy izany no nahafahako nanatanjaka ny finoako.”
Natokan-toerana nandritra ny telo volana i Serhii Ravliuk, tamin’ny 1962. Tsy nisy olona azony niresahana, na dia ny mpiambina ny fonja aza. Nanomboka nitadidy ny andinin-teny rehetra fantany izy, mba tsy hahalasa adala azy. Maherin’ny arivo no tsaroany ary nosoratany teo amin’ny poti-taratasy tamin’ny tsinaina pensilihazo, nafeniny tao anelanelan’ny gorodona. Nisy maherin’ny 100 koa ny lohatenina lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana efa nianarana ka tsaroany. Nataony kajy ny datin’ny Fahatsiarovana ho an’ireo 20 taona nanaraka. Nanampy azy ho salama ara-tsaina sy ara-panahy hatrany izany rehetra izany. Nahatonga ny finoany an’i Jehovah ho velona sy hatanjaka hatrany koa izany.
“Fanampiana” nataon’ny mpiambina ny fonja
Nanohitra ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana, nefa tsy voasakan’ny fefy rehetra ireo boky sy gazetintsika, ka tonga hatrany amin’ireo rahalahy tany am-ponja mihitsy. Fantatry ny mpiambina koa izany, ka indraindray dia nataony sava hao ny efitra figadrana rehetra ary notsikiloviny ara-bakiteny ny lavaka kely tsirairay. Nafindrafindran’izy ireo efitra foana ny voafonja, mba hahatratrarany an’ireo boky sy gazety. Natao sava hao ireo voafonja tamin’izany, ka nalaina izay boky na gazety tratra. Ahoana àry no nanafenan’ireo rahalahy an’ireo boky sy gazety?
Nafeniny tany anaty ondana, kidoro, kiraro ary akanjo izy ireny, mazàna. Nadikany tanana tamin’ny soratra madinika kely ny gazety Tilikambo Fiambenana, tany amin’ny toby sasany. Nofonosin’ireo rahalahy plastika ilay gazety kely, indraindray, ary nafeniny tao ambany lelany, rehefa nafindrafindra efitra ny voafonja. Toy izany no nahafahany niaro ny sakafo ara-panahy kely nananany ka nahafahany nisakafo ara-panahy hatrany.
Nogadraina nandritra ny taona maro noho ny fahamarinana i Vasyl Bunha. Nasian’izy sy Petro Tokar, mpiray efitra taminy, fanambaniny faharoa ny vatakely fasian’ny mpandrafitra fitaovana, ka nafeniny tao ireo gazety nampidirina an-tsokosoko tao am-ponja. Mpandrafitry ny fonja ireo rahalahy ireo ka nomena azy ilay vatakely rehefa nandrafitra tao ry zareo. Navoakany ny gazety tokony hadika, rehefa nanamarina ny fitaovana tao anatin’ilay vatakely izy ireo. Naverina tao anaty vatakely ilay gazety rehefa avy niasa izy ireo. Nasian’ny mpiambina hidiny telo ilay vatakely ary nohidiana tao ambadiky ny varavarana roa nihidy, satria nety ho nampiasain’ny voafonja ho fitaovam-piadiana ny tsofa sy ny fandraka ary ny fitaovana hafa. Tsy nieritreritra ny hisava an’ilay vatakely nihidy mafy niaraka tamin’ny fananan’ny mpiambina mihitsy àry ny mpiambina, rehefa nikaroka boky sy gazety ara-baiboly.
Nahita toerana hafa nanafenana gazety hadika ny Rahalahy Bunha. Nanana solomaso maromaro izy satria tsy nahita tsara. Solomaso iray ihany anefa no navela ho eny amin’ny voafonja tsirairay isaky ny nandeha. Tsy maintsy notahirizina tao amin’ny toerana manokana ny solomaso sisa ary azon’ireo voafonja natao ny nangataka ny solomasony rehefa nilaina izany. Nanamboaran’ny Rahalahy Bunha tranony manokana ireo solomasony ary napetrany tao anatin’izy ireny ny gazety voalohany voadika tamin’ny soratra madinika kely. Rehefa nisy rahalahy nila nandika an’ireo gazety, dia nasain’ny Rahalahy Bunha nitondra solomaso tany aminy fotsiny ny mpiambina.
Nisy toe-javatra nahitana fa ny anjely ihany no afaka niaro an’ireo gazety tsy ho hitan’ny mpiambina. Tsaroan’ny Rahalahy Buhna fa nisy fotoana nitondran’i Cheslav Kazlauskas baran-tsavony 20 tao amin’ny fonja. Voasesika gazetintsika ny folo tamin’ireo. Notsindrontsindronin’ilay mpiambina ny folo tamin’ireo baran-tsavony, nefa tsy nisy voatsindrony ireo savony voasesika gazety.
Nitohy ny fampiraisan-tsaina
Afaka nandefa tatitra momba ny fanompoana tany Brooklyn tsy tapaka, ny komity mpikarakara ny asa, nanomboka tamin’ny 1963. Natao koa izay handraisan’ny rahalahy an’ireo boky sy gazety tamin’ny alalan’ny horonan-tsary bitika. Nisy faritra 14 nanerana an’i URSS tamin’izany, ka teto Ukraine ny 4 tamin’ireo. Vondrom-paritra fito no niforona teto Ukraine, rehefa nitombo isa ny vahoakan’Andriamanitra. Nomena anaram-behivavy ny vondrom-paritra tsirairay, mba tsy hahafantaran’ny olona azy. Nantsoina hoe Alla ny vondrom-paritr’i Ukraine atsinanana, Ustina ny tany Volhynie, Lyuba ny tany Galicie, ary nisy vondrom-paritra nantsoina hoe Katya sy Kristina ary Masha tany Transcarpatie.
Nanandrana nandrava hatrany ny firaisan-tsain’ny Vavolombelona ny KGB (Komitin’ny Fiarovam-panjakana). Nanoratra toy izao tamin’ny lehibeny, ny lehiben’ny birao irain’ny KGB: “Mba hampitomboana ny fisaraham-bazana eo amin’ilay sekta, dia iezahanay ny hampitsahatra ilay asa mahasosotra ataon’ireo mpitarika ny Jehovista sy ny tsy haneken’ny mpiara-mivavaka aminy ny fahefany, ary ny hisian’ny tsy fatokisana eo anivon’izy ireo. Nataon’ny sampan-draharahan’ny KGB izay hampivaky roa an’io sekta io. Ny mpanaraka an’i Ziatek, mpitarika jehovista migadra ankehitriny, no antoko iray, ary ireo anisan’ilay antsoina hoe mpanohitra kosa ny faharoa. Nampety ny fizarazaran’ny firehan-kevitra teo amin’ny mpikambana tsotra izany, ka vao mainka nampitombo ny fisaraham-bazana.” Niaiky avy eo ilay mpanoratra fa somary sahirana ihany ny KGB. Hoy koa mantsy izy: “Manao zavatra ho setrin’ny ataonay ireo mpitarika ny Jehovista mafana fo indrindra, ka miezaka amin’ny fomba rehetra mba hanamafisana ny firaisan-tsain’ireo mpikambana ao aminy.” Tena nanohy ny fampiraisan-tsaina tokoa ireo rahalahy ary nitahy ny ezaka nataony i Jehovah.
Nitondran’ny KGB taratasy sandoka, nolazainy fa avy tamin’ny Rahalahy Knorr, ireo rahalahy nihataka. Nanohana an’ilay hevitra momba ny hamoronana fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah mahaleo tena, io taratasy io. Nozaraina nanerana an’i URSS io taratasy io, ka nolazaina fa azo atao ny misaraka amin’ny fitaovana fampitan’i Jehovah hafatra, rehefa jerena ny ohatr’i Abrahama sy Lota.
Nandefasan’ireo rahalahy nahatoky tamin’io taratasy io ny tany Brooklyn, ary nahazo valiny nanala sarona ny naha sandoka tsotra izao azy io ry zareo, tamin’ny 1971. Nilaza toy izao ny Rahalahy Knorr, tao amin’ny taratasiny ho an’ireo rahalahy mbola nihataka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra: “Ireo mpiandraikitra voatendry eto amin’ny taninareo no hany fitaovana fampitana hafatra ampiasain’ny Fikambanana. Tsy misy na iza na iza eto aminareo, ankoatra an’ireo mpiandraikitra voatendry ireo, navela hitarika eo anivonareo ... Miray saina ny tena mpanompon’i Jehovah. Manantena sy mivavaka àry aho mba hiverenanareo rehetra ho amin’ny firaisan-tsain’ny fiangonana kristianina, eo ambany fitarihan’ireo mpiandraikitra voatendry, sy ny mba handraisanareo anjara amin’ny fitoriana amim-piraisan-tsaina.”
Nanampy betsaka an’ireo rahalahy mba hiray saina io taratasy io. Mbola nisy nanandrana nifandray manokana tamin’ny foibe ihany anefa, satria mbola tsy natoky an’ilay fitaovana fampitana hafatra efa nisy. Tapa-kevitra ny hanao fitsapana àry izy ireo. Nandefasany vola taratasy folo roubles ny tany amin’ny foibe, ary nasainy notapahin’ireo rahalahy roa ilay vola ka samy naverina teto Ukraine, araka izao: ny tapany iray nalefa paositra tany amin’ireo rahalahy nihataka, ary ny tapany faharoa tany amin’ilay fitaovana fampitana hafatra tokony hampiasain’ny foibe.
Nalefa paositra àry ny tapany iray. Ny tapany faharoa kosa nentin’ny iraka ary nomena ny komity mpikarakara ny asa. Izy ireo indray no nanome izany an’ireo rahalahy tompon’andraikitra tany Transcarpatie, ary ireo rahalahy ireo kosa no nandeha tany amin’ireo rahalahy nihataka. Mbola nisy tsy natoky ny komity nikarakara ny asa ihany anefa ireo rahalahy nihataka, satria tena nihevitra azy ireo ho niara-niasa tamin’ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana.
Niverina tamin’ny fandaminana ihany anefa ny ankamaroan’ireo rahalahy nihataka. Tsy nahomby ny ezak’i Satana sy ny KGB hanafoana ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ URSS, tamin’ny alalan’ny fampisaraham-bazana. Nitombo isa sy nihanatanjaka ny vahoakan’i Jehovah, ary nazoto nanohy ny fampiraisan-tsaina sy namafy ny voan’ny fahamarinana tany amin’ny faritany vaovao.
Hoy i Vasyl Kalin: “Nampiasa fomba maro izy ireo mba hampihenana ny fanirianay hanana fiainana kristianina. Nitory hatrany tamin’ireo tsy mpino natao sesitany niaraka taminay anefa izahay. Antony samihafa sy heloka samihafa no nanaovana sesitany azy ireny. Maro no liana tamin’ny hafatra nentinay. Nisy maromaro tamin’izy ireny tonga Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nandeha ny fotoana. Nanao izany izy ireny, na dia fantany aza fa samy nanenjika anay na ny KGB na ny mpitantan-draharaha teo an-toerana.”
Voarara ny fiainana kristianina
Andeha isika izao hanao topy maso vetivety ny toetoetran’ny asa kristianina, nandritra ireo am-polo taona voalohandohany tamin’ny fandrarana. Voarara nanerana an’i Ukraine ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1939. Nandroso ihany anefa ny fitoriana sy ny asan’ny fiangonana, na dia tsy maintsy nitandrina be aza ireo rahalahy rehefa nitory. Tsy nolazaina an’ireo olona vao liana mihitsy aloha, fa Vavolombelon’i Jehovah no nitsidika azy. Baiboly fotsiny matetika no nampiasaina, rehefa nitarika fampianarana. Olona maro no nianatra ny fahamarinana tamin’izany fomba izany.
Toy izany koa no nanaovana ny fivorian’ny fiangonana. Nivory imbetsaka isan-kerinandro, tamin’ny hariva be na alina be, ireo rahalahy, tany amin’ny toerana maro. Nataony natevina ny lambam-baravarankeliny mba tsy hisy hahita ny tao an-tranony ary jiro solitany no nampiasainy. Tsy nahazo afa-tsy gazety Ny Tilikambo Fiambenana iray nosoratana tamin’ny tanana ny fiangonana tsirairay, tamin’ny ankapobeny. Nanomboka nahazo gazety natao avy tamin’ny milina fanaovana kopia ny rahalahy, tatỳ aoriana. Nivory indroa isan-kerinandro tany an-tranon’olona, mazàna, izy ireo mba hianatra Ny Tilikambo Fiambenana. Tsy kivy mihitsy ny KGB nitady ny toeram-pivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahafahany hanasazy an’ireo rahalahy tompon’andraikitra.
Nohararaotin’ireo rahalahy koa ny mariazy sy ny fandevenana mba hahafahany hivory sy hifankahery tamin’ny alalan’ny lahateny ara-baiboly voaomana tsara. Namaky tononkalo niompana tamin’ny foto-kevitra ara-baiboly ny rahalahy sy anabavy tanora maro, rehefa nisy mariazy, ary nanao fampisehoana tantara ara-baiboly nanaovana fitafiana tamin’ny andron’ilay tantara. Fitoriana tamin’ireo tsy Vavolombelona maro nanatrika, izany rehetra izany.
Maro ny rahalahy nosamborina sy nogadraina, noho izy ireo nanatrika an’ireny fivoriana ireny fotsiny, nandritra ireo taona 1940 sy 1950. Niova kosa ny toe-javatra tamin’ireo taona 1960. Rehefa nisy fivoriana tratran’ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana, dia mazàna noraisin’izy ireo ny anaran’ireo rehetra nanatrika, ary nosaziny handoa ny antsasaky ny karamany iray volana ny tompon-trano. Nampiseho hadalana indraindray ny fanarahan-dry zareo an’io fitsipika io. Nitsidika ny zanany lahy i Mykola Kostiuk mivady, indray mandeha. Tonga avy hatrany ny polisy ary nandray ny anaran’ny “mpanatrika rehetra.” Nasaina nandoa lamandy noho ny “fivoriana tsy ara-dalàna nataon’ny Jehovista” ny zanaky ny Rahalahy Kostiuk taorian’izay. Nametraka fitarainana tany amin’ny manam-pahefana ry Kostiuk mianakavy noho io zava-nitranga io, satria tsy nisy fivoriana akory tamin’io. Nofoanana ilay lamandy.
Fankalazana ny Fahatsiarovana
Tsy mora ny miatrika zava-tsarotra nitohy. Tsy kivy anefa ireo rahalahy fa nivory tsy tapaka foana. Ny fanaovana Fahatsiarovana no sarotra indrindra. Tena niambina mafy ny KGB nandritra ny fotoan’ny Fahatsiarovana, satria fantatr’izy ireo foana ny daty tokotokony hanaovana azy io. Nanantena izy ireo fa ho hitany ny toerana hanaovana an’ilay fankalazana, raha narahiny maso tsara ny Vavolombelona. Amin’izay dia “hifankahalala” tamin’ireo Vavolombelona vaovao izy ireo.
Fantatry ny rahalahy ireo paikady ireo, ka tena nitandrina mafy izy ireo tamin’ny andron’ny Fahatsiarovana. Nataony tany amin’ny toerana sarotra ilay fankalazana. Tsy nolazaina mialoha tamin’ireo olona liana ny daty sy ny toerana hanaovana ny Fahatsiarovana. Ny Vavolombelona mazàna no nandeha tany an-tranon’izy ireny tamin’ny andron’ny Fahatsiarovana ka nitondra azy avy hatrany tany amin’ilay toeram-pivoriana.
Tao anaty lakalin’ny tranon’ny anabavy iray no nanaovan’ny rahalahy tany Transcarpatie ny Fahatsiarovana, indray mandeha. Tsy nisy nanampo hoe hisy olona hivory tao, satria hatreny an-dohalika ny rano tao. Nanao gorodona avo noho ilay rano ireo rahalahy ka nataony mendrika ny Fahatsiarovana ilay lakaly. Voatery nitampify teo ambonin’ilay gorodona teo ambany valindrihana iva ry zareo, nefa tsy nampaninona azy izany satria faly izy ireo nankalaza ny Fahatsiarovana.
Nisy fianakaviana kristianina niala vao maraina tao an-tranony koa mba hanatrika ny Fahatsiarovana, indray mandeha, nandritra ireo taona 1980. Niara-nankalaza ny Fahatsiarovana tamin’ny rahalahy hafa tany anaty ala izy ireo ny takarivan’io. Avy be ny orana ka voatery nitampify tao ambany elo maromaro ireo rahalahy sy anabavy sady nihazona labozia. Niparitaka ny rehetra rehefa vita ny vavaka famaranana. Efa nivoha ny vavahadin’ny tranon’ilay fianakaviana, rehefa tonga izy ireo. Nazava fa nitady azy ireo ny polisy na ny sampan-draharahan’ny fiarovam-pirenena. Vizana sy kotsa izy rehetra, nefa faly satria niala tao an-trano ny maraina mba hanatrika ny Fahatsiarovana, ka tsy nifanehatra tamin’ny manam-pahefana.
Tena sarotra tamin’ireo rahalahy ny nahita toerana azo antoka hanaovana ny Fahatsiarovana, tany Kiev. Tapa-kevitra ny hanao izany tao anaty fiarakodia izy ireo, indray taona. Nisy rahalahy saoferana bisy, ka nanofa bisy ireo rahalahy. Tsy nandray afa-tsy Vavolombelon’i Jehovah ilay bisy ary nankany ivelan’ny tanàna avy eo, tany amin’ny toerana nisy ala kely. Nametraka latabatra kely nisy ireo marika amin’ny Fahatsiarovana tao anatin’ilay bisy ireo rahalahy sy anabavy. Nitondra sakafo koa izy ireo. Nipoitra tampoka ny polisy. Tsy nanana antony nanakorontanana an’ireo rahalahy anefa izy ireo, satria toy ny hoe nisakafo hariva tao anaty bisy fotsiny ry zareo rehefa avy niasa.
Nanaovana bemidina tany an-tranon’ireo rahalahy tany amin’ny faritra hafa teto Ukraine, tamin’ny andro nanaovana ny Fahatsiarovana. Nisy fiara nitondra polisy telo na efatra nanatona ny trano nitoeran’ny Vavolombelona, raha vao nilentika ny masoandro. Nojeren’izy ireo raha tao ireo rahalahy, na teo am-piomanana ho amin’ny fankalazana ara-pivavahana. Efa vonona ho amin’ireny bemidina ireny foana ny Vavolombelona. Nanaovany tao anaty akanjo fitena ny akanjo nihaja ary mody nanao raharaha tao an-trano izy ireo. Toy ny hoe hijanona tao an-trano izy ireo fa tsy nikasa handeha hamonjy fankalazana ara-pivavahana. Nesoriny ilay akanjo fitena ary vonona hankany amin’ny Fahatsiarovana izy ireo, raha vao lasa ireo polisy. Afa-po ny manam-pahefana satria nahavita ny asany; ary nilamina tsara koa ireo rahalahy rehefa nankalaza ny Fahatsiarovana.
Fanafenana boky sy gazety
Tadidio fa nohelohina higadra 25 taona ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny faran’ireo taona 1940, noho izy ireo nanana boky na gazety tao an-tranony fotsiny. Nahena ho folo taona izany rehefa maty i Staline, tamin’ny 1953. Nasaina nandoa lamandy ireo nanana boky na gazetin’ny Vavolombelona, tatỳ aoriana, ary nalaina sy nopotehina ilay izy. Nieritreritra tsara ny fomba azo antoka hitahirizany an’ireo boky sy gazety àry ny rahalahy, nandritra ny fandrarana.
Nisy nitahiry izany tany an-tranon’ny havany na mpiara-monina tsy Vavolombelona, nisy koa nanafina izany tao anaty kapoaka, na tao anaty harona plastika tao an-jaridainany. Notantarain’i Vasyl Guzo, anti-panahy any Transcarpatie, fa ala iray tany amin’ny Tendrombohitra Carpates no nampiasainy ho “fitahirizam-boky ara-panahy”, tamin’ireo taona 1960. Nataony tao anaty kapoakan-dronono ny bokiny, ary naleviny tany anatin’ilay ala, ka nataony nitovy haavo tamin’ny tany ny saron’ny kapoaka.
Hoy ny rahalahy iray nigadra 16 taona noho ny fitoriana: “Nanafenanay boky sy gazety na taiza na taiza toerana nety: tany anaty efitra ambanin’ny tany, tany anaty tany, tany anaty rindrina, tany anaty boaty nisy fanambaniny roa sosona, ary tao anaty tranon’alika nisy gorodona roa sosona. Nanafenanay boky sy gazety koa tao anaty kifafa, tao anaty kodia fandamàna koba (toerana nitahirizanay tatitra momba ny fanompoana mazàna). Toeram-panafenana koa ny lava-drano, kabine, varavarana, tafo ary antontan-kitay.”
Fanontam-pirinty niafina
Nisy sakafo ara-panahy foana nomena an’ireo noana sy nangetaheta ny fahamarinana, na dia nanao andry maso aza ny mpitsikilo kominista sy ny manam-pahefana. Tsy nahomby ny fiezahan’ny fahavalon’ny fahamarinana hisakana ny boky sy gazetintsika tsy hiditra tatỳ URSS, ary voatery niaiky izany ry zareo. Nilaza mihitsy aza ny Gudok, gazetin’ny mpiasan’ny lalamby sovietika, tamin’ny faran’ny 1959, fa nampiasa balaonina ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampidirana boky sy gazety ara-baiboly tatỳ amin’ny Firaisana Sovietika!
Mazava ho azy fa tsy balaonina no nampiditra boky teto Ukraine. Novokarina tamin’ny endriny hafa teto an-toerana, tany an-tranon’olona izy ireny. Fantatry ny rahalahy, rehefa nandeha ny fotoana, fa ny efitra tsara afina tany ambanin’ny tany no toerana mora ampiasaina sy azo antoka indrindra hanaovana pirinty boky sy gazety. Tany anaty lakaly sy teny an-tampon-kavoana no nanorenany azy ireny.
Nisy efitra iray toy izany naorina tany atsinanan’i Ukraine, tamin’ireo taona 1960. Nasiana fidiran-drivotra sy herinaratra ilay izy. Tsara afina tokoa ny fidirana tamin’izy io, ka nandany iray andro manontolo teo amboniny ny polisy, indray mandeha, nisokitsokitra ny tany teo tamin’ny vy, nefa tsy nahita na inona na inona.
Nisy fotoana nanarahan’ny KGB maso akaiky ny fanontam-pirinty niafina iray. Niahiahy izy ireo hoe nisy boky sy gazety natao pirinty tao amin’ilay trano, ka tiany hotratrarina ny olona nandray anjara tamin’izany. Niteraka zava-nanahirana ho an’ny rahalahy izany. Ahoana no hitondran’izy ireo taratasy tao amin’ilay trano ary hamoahana an’ireo boky sy gazety? Nahita vahaolana izy ireo tamin’ny farany. Nofonosin’ny rahalahy tao anaty bodofotsin-jazakely ny antontan-taratasy ary notrotroiny toy ny zazakely, rehefa niditra tao an-trano izy. Navelany tao an-trano ireo taratasy, ary nofonosiny bodofotsy kosa ireo gazety vao vita pirinty, ka nentiny nivoaka toy ny “zazakely” indray. Nandinika an’ilay rahalahy niditra sy nivoaka teo ny mpiasan’ny KGB, nefa tsy niahiahy na inona na inona.
Nahazo gazety natao pirinty tao amin’io efitra ambanin’ny tany io ny rahalahy tany amin’ny faritr’i Donetsk sy Crimée sy Moscou ary Léningrad (Saint-Pétersbourg ankehitriny). Nisy rahalahy tanora vitsivitsy nanorina efitra ambanin’ny tany toa an’io koa tany Novovolynsk, tany amin’ny faritr’i Volhynie. Tapa-kevitra tokoa ny hihazona ho tsiambaratelo ny toerana nisy azy io ireo rahalahy ireo, ka sivy taona taorian’ny naha ara-dalàna ny asa teto Ukraine vao nisy rahalahy navelany hijery azy io!
Nisy fanontam-pirinty toa an’io koa tany amin’ny Tendrombohitra Carpates. Nampakatra rano avy tamin’ny sakeli-drano kely hankao amin’ilay efitra ambanin’ny tany ny rahalahy. Ilay rano indray no manodina milina kely mpiteraka angôvo hahazoana herin’aratra, fa ilay milina fanontam-pirinty kosa nahodin-tanana. Maro be ny boky sy gazety natao pirinty tao. Nokarohin’ny KGB ilay fanontam-pirinty, rehefa hitany fa nisy boky sy gazety maro kokoa hita teny amin’ny faritany. Nandavaka be dia be ny polisy mba hahitana an’ilay efitra ambanin’ny tany. Mody nanao asan’ny manam-pahaizana momba ny haibolantany mihitsy aza izy ireo, ka nandehandeha teny an-tendrombohitra rehetra teny.
Rehefa tsapan’ireo rahalahy fa efa ho hitan’ny manam-pahefana ilay toerana, dia nanolo-tena hiandraikitra an’ilay fanontam-pirinty i Ivan Dziabko, satria tsy nanambady izy ka raha sanatria voasambotra dia tsy hisy zaza tsy hahita an-drainy. Hitan’izy ireo teo antenatenan’ny taona 1963 ilay efitra ambanin’ny tany, ka novonoina ho faty teo akaiky teo avy hatrany ny Rahalahy Dziabko. Faly be ny manam-pahefana teo an-toerana ka nitondra ankizy sy olon-dehibe nitsidika maimaim-poana an’ilay “toerana nifandraisan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’i Amerika tamin’ny alalan’ny radio.” Lainga izany, nefa lasa fitoriana ho an’ny olona rehetra tao amin’ilay faritra io zava-nitranga nampalahelo io. Maro no nanomboka liana kokoa tamin’ny hafatray. Misy fiangonana 20 mahery izao any amin’io faritra any amin’ny Tendrombohitra Carpates io.
Sarobidy ny fampiofanan’ny ray aman-dreny
Nalaina ny boky sy gazetin’ireo Vavolombelona, nasaina nandoa lamandy izy ireo, nogadraina, nampijalijalina, ary novonoina ho faty. Mbola nahavaky fo koa aza ny hoe nalaina taminy ny zanaky ny Vavolombelona sasany. Nanan-janaka efatra i Lydia Perepiolkina, nipetraka tany atsinanan’i Ukraine. Olona ambony tao amin’ny Minisiteran’ny Atitany ny vadiny. Nangataka fisaraham-panambadiana io vadiny io tamin’ny 1964, satria Vavolombelona i Lydia. Namoaka didy ny fitsarana fa tsy avela hitaiza ny zanany ny Anabavy Perepiolkina. Nomena ny vadiny àry ny zanany kambana mianadahy fito taona, ka nentin’izy io nifindra tany amin’ny 1 000 kilaometatra tany andrefan’i Ukraine. Namoaka didy ny fitsarana fa halefa tany amin’ny trano fitaizana zaza kamboty ny zanany roa hafa. Izao no nolazain’i Lydia, rehefa navela hiteny teo anatrehan’ny fitsarana izy: “Mino aho fa manana ny hery hamerenana amiko ny zanako i Jehovah.”
Hitan’i Lydia fa nitari-dalana sy niahy azy i Jehovah taorian’ilay fitsarana. Tsy fantatra ny antony, fa dia tsy nalefan’ny manam-pahefana tany amin’ny trano fitaizana zaza kamboty indray ireo zanany roa, fa navelany hiaraka taminy. Namangy an’ireo zanany kambana i Lydia rehefa vakansy, nandritra ny fito taona nisesy. Tsy navelan’ilay vadiny taloha hahita azy ireo izy nefa tsy kivy. Natory tao amin’ny gara i Lydia, rehefa tonga tao amin’ilay tanàna nisy ny zanany, ary niresaka tamin’izy ireo teny an-dalana, rehefa handeha hianatra izy ireo. Nampiasainy ireny fotoana sarobidy ireny mba hiresahana momba an’i Jehovah tamin’izy ireo.
Nandeha ny taona ary ‘namafy tamim-pitomaniana’ hatrany tao am-pon’ireo zanany i Lydia. ‘Nijinja tamim-pifaliana’ ihany anefa izy, tatỳ aoriana. (Sal. 126:5) Nifidy ny hiara-mipetraka amin-dreniny izy mianadahy kambana, rehefa 14 taona. Niezaka mafy nampianatra an’ireo zanany ny fahamarinana i Lydia. Nifidy lalan-kafa ny roa tamin’ireo zanany, fa manompo amim-pahatokiana an’i Jehovah kosa i Lydia sy ireo zanany kambana.
Fihatsarana
Nambaran’ny Fitsarana Tampony teto Ukraine tamin’ny Jona 1965, fa ara-pivavahana ireo boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy nanohitra ny Sovietika. Tamin’ny raharaha iray monja no nampiharana an’io didim-pitsarana io, nefa nisy akony teo amin’ny didim-pitsarana nanaraka nanerana an’i Ukraine. Tsy nisambotra ny olona namaky boky sy gazety ara-baiboly intsony ny manam-pahefana, fa mbola nampiditra am-ponja ny Vavolombelona nanao ny asa fitoriana kosa.
Nisy fiovana lehibe hafa koa nitranga tamin’ny faramparan’ny 1965. Namoaka didy nanafahana ny Vavolombelona rehetra natao sesitany tany Siberia tamin’ny 1951 ny fitondram-panjakan’i URSS. Nahazo nandeha malalaka nanerana ny Firaisana Sovietika izy ireo, saingy tsy afaka nitaky ny hamerenana taminy ny tranony na biby fiompiny, na fananana hafa nalain’ny fanjakana. Sarotra ny fikarakarana taratasy, ka vitsivitsy monja no afaka niverina tany amin’ny nisy azy teo aloha.
Maro tamin’ny rahalahy natao sesitany tany Siberia tamin’ny 1951 no nanomboka nanorim-ponenana tany amin’ny faritra samihafa tatỳ URSS, toa an’i Kazakhstan sy Kirghizistan sy Géorgie ary Caucase Avaratra. Nisy koa nanorim-ponenana tany atsinanana sy atsimon’i Ukraine, ka nitondra ny voan’ny fahamarinana tany.
Tsy voahozongozon’ny fanerena
Fihatsarana ireo voalaza etsy ambony ireo, nefa tsy niova ny fihetsiky ny KGB tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampiasa fomba isan-karazany ry zareo mba hampitahorana ny Vavolombelona, ka handavany ny finoany. Fanaony, ohatra, ny naka rahalahy iray tany am-piasany, sy nitana azy io tany amin’ny biraon’ny KGB na tany amin’ny hotely, nandritra ny andro vitsivitsy. Nisy olona telo na efatra anisan’ny KGB, nandevilevy azy, naka azy am-bavany, mody nandokadoka azy, ary nandrahona azy, nandritra izany fotoana izany. Nifandimby izy ireo rehefa nanao izany mba tsy hahafahan’ilay rahalahy hatory. Navela handeha izy taorian’izay, nefa notanana indray ary natao toy ilay teo ihany, iray na roa andro tatỳ aoriana. Nataon’ny KGB toy izany koa ny anabavy, saingy tsy dia matetika.
Voantso imbetsaka tany amin’ny biraon’ny KGB ireo rahalahy. Nanery azy ireo hiala tamin’ny finoany ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana, ka nanantena tamin’izany fa hahazo mpiara-miasa vaovao avy tao anatin’ny fandaminana. Nampiharany fanerena ara-tsaina sy ara-pihetseham-po koa ireo rahalahy, rehefa tsy nanaiky hampandefitra ny finoany. Izao, ohatra, no nolazain’i Mykhailo Tilniak, mpiandraikitra ny faritra nandritra ny taona maro tao Transcarpatie: “Nisy olona ambony tao amin’ny fiarovam-panjakana, nanao fanamiana miaramila, tena tsara fanahy sady tsotra, nandritra ny resadresaka iray. Nanasa ahy hiara-misakafo taminy tao amin’ny hotely teo akaiky teo izy ireo. Nitsiky fotsiny aho, ary nametraka vola 50 roubles (sahabo ho ny antsasa-karama iray volana) teo ambony latabatra sady nilaza fa afaka nandeha nisakafo tsy niaraka tamiko izy ireo.” Fantatry ny Rahalahy Tilniak tsara mantsy fa tsy maintsy haka sary azy eo am-pisakafoana sy eo am-pisotroana miaraka amin’olona manao fanamiana miaramila izy ireo. Ho azon’izy ireo ampiasaina izany sary izany, mba “hanaporofoana” fa nampandefitra ny finoany ilay rahalahy. Hahatonga tsy fatokisana eo anivon’ireo rahalahy izany.
Maro no niaritra nandritra ny am-polo taona ny fanerena handa ny finoany. Anisan’izany ny rahalahy tanora antsoina hoe Bela Meysar, avy ao Transcarpatie. Mbola tanora fanahy loatra izy, rehefa sambany vao nosamborina tamin’ny 1956, ka tsy nieritreritra tsara rehefa nanao sonia filazalazana momba ny asan’ny Vavolombelona. Nisy rahalahy voantso tany amin’ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana, noho izany. Takatry ny Rahalahy Meysar ny fahadisoany tatỳ aoriana, ka nitalaho tamin’i Jehovah izy mba tsy hisy ho voaheloka ireo rahalahy ireo. Tsy nosamborina tokoa izy ireo fa ny Rahalahy Meysar no voaheloka higadra valo taona.
Tsy navela hiala tao an-tanànany nandritra ny roa taona izy, rehefa tafaverina. Tsy maintsy noraisina anarana tany amin’ny paositry ny polisy izy isaky ny alatsinainy. Nohelohina higadra herintaona indray anefa izy, satria tsy nety nanaraka fiofanana ara-tafika tamin’ny 1968. Nody izy taorian’io, ary nanohy ny fanompoana an’i Jehovah tamin-jotom-po. Nohelohina indray izy tamin’ny 1975, teo amin’ny faha-47 taonany.
Rehefa tapitra ny dimy taona nanagadrana azy, dia nalefa an-tsesitany nandritra ny dimy taona tany amin’ny faritr’i Yakutsk, atỳ Rosia, ny Rahalahy Meysar. Fiaramanidina no nitondrana azy, satria tsy nisy lalana nankany amin’io faritra io. Nanontany toy izao ireo miaramila tanora voatendry hiambina azy, nandritra ilay dia: “Ô ry Ingahy rainy a, inona no nahatonga anao ho tena jiolahy ikoizana toy izao?” Nanazava ny fomba fiainany àry ny Rahalahy Meysar ary nanambara tamin’izy ireo ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny tany.
Natahotra an’ilay rahalahy ny manam-pahefana tany an-toerana, rehefa tonga tany izy, satria voalaza tao amin’ny taratasiny fa “jiolahy raindahiny” izy. Tsara fitondran-tena anefa ny Rahalahy Meysar, ka nilaza toy izao tamin’ny tompon’andraikitry ny fiarovam-panjakana izy ireo tatỳ aoriana: “Alefaso atỳ aminay, raha mbola misy jiolahy toa an’ity any aminareo.”
Niverina tany aminy ny Rahalahy Meysar tamin’ny 1985, teo amin’ny faha-57 taonany. I Regina, vadiny mahatoky, no nipetraka tao amin’ny tranon-dry zareo tao Transcarpatie, nandritra ny 21 taona nigadrany. Lavitra ny tany ka vola be no lany, nefa nitsidika matetika ny vadiny tany am-ponja izy, ary 140 000 kilaometatra mahery ny dia vitany tamin’ny fitambarany.
Imbetsaka no tonga nitsidika ny Rahalahy Meysar tany an-tranony, tany Rakoshyno, ny polisy sy ny tompon’andraikitry ny fiarovam-pirenena, na dia efa tsy nigadra intsony aza izy. Nisy zavatra nampihomehy vokatr’ireny fitsidihana ireny. Nitsidika ny tanànan’i Oujhorod ao Transcarpatie, niaraka tamin’ireo rahalahy tao amin’ny komity mpikarakara ny asa, i Theodore Jaracz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tany am-piandohan’ireo taona 1990. Tapa-kevitra ny hitsidika kely ny Rahalahy Meysar izy ireo, rehefa hiverina teto Lviv. Nahita fiara telo nanatona an’ilay trano tsotsotran’ny Rahalahy Meysar, sy ireo lehilahy sivy nivoaka avy tao ny anabavy iray nipetraka teo akaiky. Natahotra be izy ka nihazakazaka nankany amin’ny rahalahy iray hafa ary sempotra nitantara fa tonga hisambotra ny Rahalahy Meysar indray ny KGB! Akory ny hafaliany rehefa fantany fa hay tsy izany ilay izy!
Fanatsarana sy fanovana mahakasika ny fandaminana
Voatendry ho mpikarakara ny asa i Michael Dasevich, tamin’ny 1971. Rahalahy telo avy tany andrefan’i Ukraine, sy roa avy teto Rosia ary iray avy tany Kazakhstan no anisan’ny komity mpikarakara ny asa tamin’izany. Mpiandraikitra mpitety faritany koa izy ireo, sady niasa mba hamelomana ny ankohonany. Somary lavitra ny toeram-ponenan’ireo rahalahy avy tany andrefan’i Ukraine ny faritany niandraiketany. I Stepan Kozhemba nitety an’i Transcarpatie, i Alexei Davidjuk nitsidika ny tapany sisa tamin’ny andrefan’i Ukraine sy i Estonia sy Letonia ary Litoania koa. Ny Rahalahy Dasevich nitety ny atsinanan’i Ukraine, ny andrefana sy afovoan’i Rosia, Transcaucasie sy Moldavia. Nitsidika tsy tapaka an’ireo faritany ireo ny rahalahy tao amin’ny komity mpikarakara ny asa, ka niara-nivory tamin’ireo mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra, nampahery ny Vavolombelona teo an-toerana ary nanangona ny tatitra momba ny fanompoana.
Nifandray tamin’ireo iraka avy tany ivelany tonga teto, toy ny mpizaha tany, koa ireo rahalahy ireo. Nitondra boky sy gazety ary taratasy ireny iraka ireny. Tsy nahavita nisakana mihitsy ny fifandefasana taratasy ireo mpanohitra, nanomboka tamin’ny faramparan’ireo taona 1960 ka hatramin’ny nahazoana fahalalahana ara-pivavahana tamin’ny 1991.
Nanome toromarika ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny 1972, mba hanaovana an-tsoratra ny fanolorana rahalahy hotendrena ho anti-panahy. Nisy rahalahy nisalasala ny hanao izany, satria natahotra sao ho azon’ny polisy ireny lisitra ireny. Mbola tsy nisy lisitra toy izany mihitsy mantsy tany amin’ireo fiangonana. Matetika aza ireo rahalahy no tsy nifankafantatra anaram-pianakaviana akory. Vitsy no natolotra ho anti-panahy tamin’ny voalohany, satria tsy tian’ny ankamaroany ny hanoratana ny anarany teo amin’ny lisitra. Rehefa nizotra tsara tsy nisy olana anefa ilay fandaharana, dia niova hevitra ny rahalahy hafa ka natolotra ary niantsoroka tamim-pahatokiana ny andraikitry ny anti-panahy teo anivon’ny fiangonana.
Niaro i Jehovah nandritra ireo fisavana
Tonga hisava ny tranon’i Vasyl sy Nadiya Bunha ny polisy indray maraina. Ny Anabavy Bunha sy ny zanany lahy efa-taona mbola natory no tao an-trano, rehefa nisy nandondòna mafy tampoka ny varavarana. Fantatry ny Anabavy Bunha fa tonga ny polisy, ka natsipiny haingana tao am-patana ireo tatitra momba ny fanompoana sy ny taratasy hafa nifandray tamin’ny asa fitoriana. Nampandrosoiny avy eo ny polisy. Nankeo amin’ilay fatana haingana ireo polisy ary nanala moramora an’ireo tatitra may sy namelatra izany teo ambony gazety teo ambony latabatra. Mbola hita tsara ny soratra teo amin’ilay taratasy may. Niaraka tamin’ny Anabavy Bunha mba hisava ny fitahirizam-bokatra indray ny polisy rehetra, rehefa vita ny fisavan’izy ireo ny trano. Nifoha ilay zazalahy kely nandritra izany fotoana izany, ary nahita ny taratasy may teo ambony latabatra, ka tapa-kevitra ny hanadio. Nalainy daholo ireo tatitra may ary nariany tao anaty fitoeram-pako. Niverina tao am-pandriana izy avy eo. Tezitra sy kivy ratsy ny polisy rehefa tafaverina ka nahita fa potika tanteraka ilay “porofo nivaingana” nefa mora simba nananan’izy ireo!
Nosavaina indray ny tranon-dry Bunha tamin’ny 1969. Tao ilay rahalahy tamin’io, ary hitan’ny polisy ny tatitra momba ny fanompoan’ny fiangonana. Varimbariana anefa izy ireo ka namela ilay izy teo ambony latabatra ary nohararaotin’ny Rahalahy Bunha izany mba hanapotehana an’ilay izy. Nohelohina higadra tapa-bolana izy noho izany. Noteren’ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana hifindra monina izy taorian’izay, ka nipetraka sy nitory kelikely tany Géorgie sy Daguestan. Tafaverina teto Ukraine izy tatỳ aoriana ary tsy nivadika mandra-pahafatiny tamin’ny 1999.
“Dia misionera” nalamin’ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana
Noteren’ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana hifindrafindra toerana ny ankamaroan’ireo rahalahy narisika, nandritra ireo taona 1960 sy 1970. Nahoana? Tsy tian’izy ireo ny hanao tatitra tamin’i Kiev fa tsy nahomby ny fanenjehana fivavahana tao amin’ny faritra nisy azy. Hitan’izy ireo amin’ny fanaraha-maso ataony mantsy fa nitombo isan-taona ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tian’izy ireo haseho tao amin’ilay tatitra halefa tany Kiev anefa, fa tsy nitombo ny isan’ny Vavolombelona. Notereny hiala tao amin’ny faritany niandraiketany àry ireo rahalahy, mba hilazany fa tsy nitombo isa ny Vavolombelona.
Nanaparitaka ny voan’ny fahamarinana tany amin’ny faritany samihafa izany, satria Vavolombelona nitarika teo amin’ny asa mazàna ireo nasaina nifindrafindra ireo. Ny manam-pahefana indray izao no “nampirisika” ireny rahalahy sy anabavy be zotom-po ireny hifindra tany amin’izay “ilana mpitory maro kokoa”, araka ny ilazantsika azy ankehitriny. Nitory tany amin’ireny toerana ireny izy ireo, ary nisy fiangonana vaovao niforona, rehefa nandeha ny fotoana.
Nodidiana handao ny tranony, ohatra, i Ivan Malitskyi, nipetraka tany akaikin’i Ternopil. Nifindra tany Crimée, any atsimon’i Ukraine, izy. Tsy nisy afa-tsy rahalahy vitsivitsy sy fiangonana iray monja tany tamin’ny 1969, nefa 60 mahery ny fiangonana any ankehitriny! Mbola anti-panahin’ny fiangonana iray any i Ivan Malitskyi ankehitriny.
Taona faramparany nisian’ny fandrarana
Nisy fanenjehana naharitra roa taona indray nirongatra teto Ukraine, tamin’ny 1982, rehefa niova ny fitondrana tatỳ URSS. Toa tsy neken’ny mpitondra fara tampon’i URSS io fanenjehana io. Nitaky fanovana sy fanavaozana kosa ireo mpitondra sovietika vaovao tany amin’ireo repoblika. Mba hampisehoana ny zotom-pony sy ny fahadodonany hanao izany fanavaozana izany, dia nisy Vavolombelona nalaza vitsivitsy nogadrain’ny manam-pahefana tany amin’ny faritra sasany teto Ukraine. Tsy niharan’io firongatry ny fanenjehana io ny ankamaroan’ny rahalahy, nefa nisy ihany ireo voa ara-pihetseham-po sy ara-batana.
Nohelohina higadra efa-taona i Ivan Migali, 58 taona, ary anti-panahy avy ao Transcarpatie, tamin’ny 1983. Nalain’ny manam-pahefana sovietika avokoa ny fananany. Nahita 70 tamin’ireo gazetintsika ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana, rehefa nisava ny tranony. Fantatry ny mpiara-monina ho mpitory ny Baiboly io lehilahy nanetry tena sy tia fihavanana io. Ny fananany boky sy gazety ary ny fitoriana nataony no antony roa nisamborana azy.
Nisy fisedrana maromaro nitranga tany atsinanan’i Ukraine tamin’ny 1983 sy 1984. Vavolombelona maro no nogadraina nandritra ny efatra ka hatramin’ny dimy taona. Tsy tany Siberia mangatsiaka, na tany Kazakhstan no nasaina nanala ny saziny ny ankamaroany, fa teto Ukraine ihany. Mbola nenjehina foana ny sasany na dia tany am-ponja aza, rehefa nisy fanendrikendrehana ho nandika ny fitsipiky ny fonja, mba hampitomboana ny saziny.
Maromaro koa ny mpiambina fonja nandefa rahalahy tany amin’ny hopitalin’ny marary saina, mba hahalasa adala azy ka tsy hanompoany an’Andriamanitra intsony. Nanampy an’ireo rahalahy anefa ny fanahin’i Jehovah, ka tsy nivadika taminy sy tamin’ny fandaminany izy ireo.
Fandresen’Andriamanitra
Somary nihena ny fanoherana ny fivavahana madio, nandritra ny tapany faharoa tamin’ireo taona 1980. Nitombo ny isan’ny mpitory teo anivon’ireo fiangonana, ary nahazo boky sy gazety maro kokoa ireo rahalahy. Nitondra gazety sy boky nody ireo Vavolombelona rehefa avy nitsidika havana tany an-tany hafa. Sambany ireo rahalahy, indrindra fa ireo nigadra tany amin’ny toby sovietika, vao mba nitondra teny an-tanany boky sy gazety ara-baiboly tsy nadika tanana. Nisy anefa tsy nino fa mbola ho velona mba hahita Tilikambo Fiambenana tsy nadika tanana, ho tafiditra teto amin’ny Firaisana Sovietika.
Nanomboka nihanalefaka ihany ny manam-pahefana, rehefa nanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taona maro. Nasaina nihaona tamin’ireo solontena sivily tao amin’ny biraon’ny raharaha ara-pivavahana teto an-toerana amin’izay izy ireo. Vonona hihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah avy tamin’ny foibe tany Brooklyn ny sasany tamin’izy ireny. Tsy mahagaga raha nihevitra izany ho fandrika ny rahalahy, tamin’ny voalohany. Tena niova anefa ny toe-javatra nisy ny vahoakan’i Jehovah. Nanomboka nanafaka an’ireo Vavolombelona nogadraina ny manam-pahefana, tamin’ny 1987. Nisy rahalahy maromaro nanandrana nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 1988 tatsy Polonina. Hitsidika havana aman-tsakaiza izy ireo, araka ny taratasy momba azy. Akory ny hagagan’izy ireo rehefa navelan’ny manam-pahefana handeha tany ivelany izy ireo! Nomen’ireo rahalahy poloney boky sy gazety maro be ireo mpitsidika avy teto Ukraine. Nosavain’ny mpiasan’ny doanina teo amin’ny sisin-tany izy ireo rehefa nody, nefa tsy nalain-dry zareo ny boky sy gazety ara-baiboly, tamin’ny ankapobeny. Afaka nitondra Baiboly sy boky ary gazety hafa koa nanketo Ukraine àry ireo rahalahy.
Nisy rahalahy maro hafa avy teto Ukraine nasain’ireo rahalahy poloney tia mandray vahiny ireo, hitsidika azy ny taona nanaraka. An’arivo àry no tsy niteniteny rehefa nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena telo tatsy Polonina, tamin’ny 1989, ary nitondra boky sy gazety betsaka kokoa nody teto Ukraine. Tamin’io taona io ihany, dia neken’ny Biraon’ny Raharaha Ara-pivavahana ny handraisan’ny Vavolombelon’i Jehovah boky sy gazety ara-pivavahana avy tany ivelany, tamin’ny alalan’ny paositra, saingy roa isaky ny mandeha ihany. Nanomboka nandefa fonosam-boky sy gazety tsy tapaka ireo rahalahy avy tany Alemaina. Tsy nandika tanana an’ireo gazety tamim-piafenana tany anaty efitra ambanin’ny tany intsony ireo rahalahy, na nanao izany tamin’ny alina be tao ambany lakaliny, fa nandray azy ireny tamin’ny alalan’ny paositra mihitsy. Toy ny nofy ilay izy! Sahala amin’ny an’ireo Jiosy natao sesitany tafaverina tao Jerosalema, ny fihetseham-pon’ireo Vavolombelona tranainy. ‘Tahaka ny nanonofy isika’, hoy izy ireo. (Sal. 126:1) Vao fanombohan’ilay ‘nofy’ tsara fotsiny anefa izany.
Fivoriambe tany Varsovie
Nasain’ireo rahalahy avy tany Brooklyn nanomboka niresaka tamin’ny manam-pahefana teto an-toerana ny komity mpikarakara ny asa, tamin’ny 1989, mba hanoratana ara-panjakana ny fitoriana amin’ny besinimaro. Nitsidika ny rahalahy teto Ukraine koa i Milton Henschel sy Theodore Jaracz avy any amin’ny Betelan’i Brooklyn. Nisy Vavolombelon’i Jehovah an’arivo navelan’ny manam-pahefana tamin’ny fomba ofisialy, hanatrika ny fivoriambe tatsy Polonina, herintaona taorian’izay. Kevoka sady tohina erỳ ny fon’izy ireo rehefa nikarakara ny taratasy handehanany, satria tsy hitsidika havana aman-tsakaiza no handehanany any Polonina, fa hanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah!
Tena fivoriambe hafakely ho an’ireo mpitsidika avy teto Ukraine ilay fivoriambe tany Varsovie. Nikoriana tamin’ny tavany ny ranomasom-pifaliana, dia fifaliana noho ny fifankahitana tamin’ny namana kristianina, noho ny fahazoana boky sy gazety niloko tamin’ny fitenin-drazany ary fifaliana noho ny fahalalahana nivory. Naneho fitiavana mandray vahiny tamin’izy ireny ireo rahalahy poloney, ka nanome azy izay rehetra nilainy.
Maro tamin’ireo Vavolombelona samy voafonja taloha no sambany vao nihaona tany amin’io fivoriambe tany Varsovie io. Vavolombelona an-jato no nogadraina tany amin’ny toby “manokana” tany Mordovie. Nihaona tany ny zato mahery tamin’izy ireo. Nitsangana nifampijery fotsiny ny maro tamin’izy ireo, ary nitomany noho ny hafaliana. Tsy nahafantatra an’i Bela Meysar ny Vavolombelona iray avy tany Moldavia, niray efitra figadrana taminy nandritra ny dimy taona. Nahoana? “Nanao akanjona voafonja no nahatsiarovako anao, nefa manao kompile sy kravaty ianao izao!”, hoy izy.
Ela ny ela ka azo ny fahalalahana ara-pivavahana!
Nanomboka nanafaka madiodio ny Vavolombelon’i Jehovah sasany ny fitsarana, tamin’ny faran’ny 1990, ka namerina tamin’izy ireo ny zony sy ny tombontsoany. Nifidy solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiara-mivory tamin’ny mpitondra fanjakana koa ny komity mpikarakara ny asa, tamin’izay fotoana izay. I Willi Pohl avy tany amin’ny sampan’i Alemaina no nitarika an’ireo solontena ireo.
Niafara tamin’ilay fahafahana nandrasan’ny Vavolombelona hatry ny ela ireo fivoriana naharitra niarahana tamin’ny manam-pahefam-panjakana tany Moscou sy Kiev. Nosoratana ara-panjakana teto Ukraine ny fikambanana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 28 Febroary 1991, ary io no voalohany tamin’ny karazana fanoratana toy izany tatỳ amin’ny faritanin’i URSS. Nosoratana ara-panjakana tany amin’ny Federasionan’i Rosia koa izy io, iray volana tatỳ aoriana, dia ny 27 Martsa 1991. Nahazo fahalalahana ara-pivavahana ihany ny Vavolombelon’i Jehovah, taorian’ny fandrarana sy fanenjehana naharitra 50 taona mahery. Rava ny Firaisana Sovietika, tsy ela taorian’izay, tamin’ny faramparan’ny 1991, ary nanambara ny fahaleovan-tenany i Ukraine.
Mamokatra be ny tany tsara
Nisy mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra 1 000 teo ho eo teto Ukraine tamin’ny 1939, namafy voan’ny fahamarinana teo amin’ny tany lonaka, dia ny fon’ny olona. Efa hitan’ireo rahalahy nandritra ny fandrarana naharitra 52 taona ny horohoron’ny Ady Lehibe II, ny sesitany tany Siberia, ny kapoka mafy, ny fampijalijaliana ary ny famonoana ho faty. Namoa avo 25 heny mahery anefa io “tany tsara” io nandritra izany fe-potoana izany. (Matio 13:23) Nisy mpitory 25 448 teo anivon’ny fiangonana 258 teto Ukraine, tamin’ny 1991, ary mpitory sahabo ho 20 000 tany amin’ireo repoblika hafa tatỳ URSS teo aloha. Rahalahy avy eto Ukraine no nampianatra ny fahamarinana ny ankamaroan’izy ireo.
Nila “nasiana zezika” tamin’ny alalan’ny boky sy gazety ara-baiboly io tany io. Nisy fanomanana natao àry taorian’ilay fanoratana ara-panjakana, mba hahazoana boky sy gazety avy tany Selters, any Alemaina. Tonga tamin’ny 17 Aprily 1991 ny voalohany tamin’izany.
Nanomana trano kely fanatobiana entana teto Lviv ireo rahalahy. Avy tao indray izy ireo no nandefa ny boky sy gazety tany amin’ireo fiangonana nanerana an’i Ukraine, Rosia, Kazakhstan, ary tany amin’ny tany hafa anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Nampiasa kamiao sy fiarandalamby, ary fiaramanidina mihitsy izy ireo tamin’izany. Nahatonga fitomboana izany. Tsy nanana afa-tsy fiangonana iray i Kharkiv, tanàn-dehibe nisy mponina roa tapitrisa, tany am-piandohan’ny 1991. Nizara ho fiangonana valo io fiangonana iray nisy mpitory 670 io, tany amin’ny faramparan’io taona io. Misy fiangonana 40 mahery ao ankehitriny!
Na dia rava tamin’ny 1991 aza i URSS, dia nikarakara an’ireo repoblika 15 anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha ihany ny komity mpikarakara ny asa, hatramin’ny 1993. Tapaka tamin’ny fivoriana niarahana tamin’ireo rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tamin’io taona io fa hisy komity roa hatsangana, ka ny iray ho an’i Ukraine ary iray ho an’i Rosia sy ireo repoblika 13 hafa anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Ankoatra an’i Michael Dasevich, Alexei Davidjuk sy Stepan Kozhemba, ary Ananii Hrohul, dia nampiana an’ireto rahalahy telo ireto ny komity mpikarakara ny asa teto Ukraine: Stepan Hlinskyi sy Stepan Mykevych, ary Roman Yurkevych.
Nanjary nilaina àry ny namorona ekipana mpandika teny mba hikarakarana ny fitomboan’ny boky sy gazety nilaina tamin’ny fiteny ukrainien. Araka ny hitantsika teo aloha, dia ry Emil Zarysky sy Maurice Saranchuk, rahalahy kanadianina, niaraka tamin’ny vadiny avy, no nandray anjara tamin’io asa io. Nandika boky sy gazety maro io ekipa kely nisy mpiasa be fandavan-tena io. Nisy ekipana mpandika teny ukrainien lehibe kokoa anefa nanomboka niasa tany Alemaina, tamin’ny 1991. Nifindra tatsy Polonina izy ireo tamin’ny 1998, talohan’ny nifindrany teto Ukraine.
Fivoriamben’ny vondrom-paritra
Nandinika ny kianjan’ny tanàna ny Rahalahy Jaracz rehefa avy niara-nivory tamin’ireo rahalahy teto Lviv tamin’ny 1990, ka hoy izy: “Mety hanaovantsika fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ny herintaona izy ity.” Nitsiky ireo rahalahy, nieritreritra hoe ahoana no hahatanterahan’izany satria mbola tsy voasoratra ara-panjakana ny fikambanana ary mbola tsy nandamina fivoriambe mihitsy izy ireo. Herintaona taorian’io tokoa dia voasoratra ara-panjakana ny fikambanana. Olona 17 531 no nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra ny Aogositra 1991, tao amin’io kianja io mihitsy, ary 1 316 no natao batisa! Nisy rahalahy poloney nasaina hanketo Ukraine mba hanampy tamin’ny fandaminana an’ilay fivoriambe.
Nisy fivoriambe hafa koa nokasaina hatao tao Odessa tamin’io Aogositra io ihany. Nisy hotakotaka ara-politika anefa tatỳ Rosia tamin’ny fiandohan’ny herinandron’ilay fivoriambe, ka nilazan’ny manam-pahefana ireo rahalahy fa tsy ho afaka hanao ilay fivoriambe izy ireo. Nangataka fahazoan-dalana foana anefa ireo rahalahy, ary nanao ny fiomanana farany sady niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah. Nampanantsoin’ny tompon’andraikitra ihany izy ireo ny alakamisy mba hahafantarana ny fanapahan-kevitra farany. Azon’izy ireo ny tolakandron’io ny fahazoan-dalana hanao ilay fivoriambe.
Nahagaga sady nahafinaritra erỳ ny nahita Vavolombelona 12 115 tafavory sy olona 1 943 natao batisa tamin’io faran’ny herinandro io! Nandeha nisaotra an’ireo tompon’andraikitra ny rahalahy, roa andro taorian’ny fivoriambe. Nomeny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany ny ben’ny tanàna. Hoy ilay rangahy: “Tsy tany amin’ilay fivoriambe aho, nefa fantatro daholo ny zava-niseho tany. Mbola tsy nahita zavatra tsara kokoa noho izany aho. Mampanantena anareo aho fa homeko fahazoan-dalana hanao fivoriambe foana ianareo, na rahoviana na rahoviana ilanareo izany.” Manao fivoriamben’ny vondrom-paritra ao amin’ny tanàna kanton’i Odessa foana ireo rahalahy, nanomboka tamin’izay.
Fivoriambe Iraisam-pirenena niavaka
Anisan’ny zava-dehibe nitranga koa ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” natao tao Kiev tamin’ny Aogositra 1993. Nisy 64 714 ny mpanatrika, ka izany no betsaka indrindra tamin’ny fivoriambe rehetra natao teto Ukraine. Nisy solontena an’arivo avy tany amin’ny tany 30 samy hafa. Nisy lahateny tamin’ny teny anglisy niara-nadika tamin’ny fiteny 16.
Nampientam-po erỳ ny nahita rahalahy sy anabavy mpilatsaka hatao batisa teo amin’ireo fizarana dimy tao amin’ilay kianja, nijoro mba hamaly hoe eny tamin’ireo fanontaniana roa ho azy ireo! Olona 7 402 no natao batisa tao amin’ny dobo enina, nandritra ny adiny roa sy sasany taorian’izay. Tamin’io no betsaka indrindra ny natao batisa tamin’ny fivoriambe rehetra nataon’ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny andro maoderina! Ho fahatsiarovana mamy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah foana io zava-niseho niavaka io.
Ahoana no nandaminana fivoriambe lehibe toy izany nefa fiangonana 11 monja no tao Kiev? Tonga nanampy tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Filasiana, toy ny taloha, ny rahalahy avy tatsy Polonina. Niaraka tamin’ny rahalahy teo an-toerana izy ireo, ary namandrika izay hotely sy trano fatoriana rehetra nisy. Nanofa sambo koa aza izy ireo.
Ny fahazoan-dalana hanofa ilay kianja no sarotra indrindra. Sady fanaovana fanatanjahan-tena mantsy ilay kianja, no tsena be tamin’ny faran’ny herinandro, ary mbola tsy nisy mihitsy nahazo alalana hanidy ilay tsena. Azo anefa ilay fahazoan-dalana.
Nanangana komity manokana hanampiana ireo rahalahy tamin’ny fanomanana mihitsy aza ny manam-pahefana tao an-tanàna. Anisan’io komity io ny lehiben’ny polisy sy ny fitaterana ary ny fizahan-tany. Nisy fandaharana manokana natao mba hitaterana ireo solontena tao an-tanàna. Naloan’ireo rahalahy mialoha ny saram-pitaterana, ka tsy voatery nandoa vola ireo nanana karatry ny fivoriambe rehefa niakatra tao anaty fiara, fa tany amin’ny fivoriambe vao nanao izany. Vetivety àry ny fidiran’ireo rahalahy tao anaty lamasinina ambanin’ny tany, sy kalesin-dalamby ary bisy, nandroso sy niverina avy tany amin’ny Kianjan’ny Repoblika (Kianja Olympika ankehitriny), anisan’ny kianja lehibe indrindra atỳ Eoropa Atsinanana. Mba hanampiana an’ireo solontena nanatrika ilay fivoriambe, dia nisy fivarota-mofo hafa nosokafana nanodidina an’ilay kianja mba hahitan’izy ireo sakafo haingana hohanina ny ampitson’iny.
Gaga be ny lehiben’ny polisy nahita ny filaminana tao amin’ilay fivoriambe, ka hoy izy: “Vao mainka nampiaiky volana ahy mihoatra noho ny fitorianareo ny zava-drehetra nataonareo sy ny toetra tsaranareo. Mety hanadino izay reny ny olona, fa tsy hanadino izay hitany mihitsy.”
Tonga tao amin’ny birao fitantanan-draharahan’ny fivoriambe ny vehivavy maromaro mpiasan’ny gara teo akaiky, mba hisaotra an’ireo solontena noho ny toetra tsarany. Izao no fanamarihan’ireo vehivavy ireo: “Fanatanjahan-tena sy fihetsiketsehana ara-politika maro no efa hitanay hatramin’ny niasanay teto, fa sambany izahay vao nahita vahiny nahalala fomba sy falifaly ary naneho fiheverana anay toy ireny. Niarahaba anay izy rehetra. Tsy nahazatra anay izany.”
Be natao ireo fiangonana tao Kiev taorian’ilay fivoriambe, satria nisy adiresy 2 500 teo ho eo nomen’olona liana naniry hahalala bebe kokoa. Misy fiangonan’ny Vavolombelona mazoto 50 mahery izao ao Kiev!
Nisy rahalahy vitsivitsy hamonjy fivoriambe voaendaka ka very avokoa ny fitaovany. Tapa-kevitra ny hanatanjaka ny ara-panahiny anefa izy ireo, ka notohiziny hatrany Kiev ihany ny diany. Tsy nanana afa-tsy ny fitafiana teny an-kodiny izy ireo rehefa tonga tany amin’ilay fivoriambe. Nisy rahalahy avy tany Tsekoslovakia teo aloha anefa nitondra fitafiana fanampiny ho an’izay nety hila izany. Rehefa nampahafantarina ny fitantanan-draharahan’ny fivoriambe ny toe-javatra, dia nahazo vetivety foana izay fitafiana rehetra nilainy ireo rahalahy voaendaka.
Fanampiana mba hampandroso
Tsy maningana ireo ohatra mampiseho fitiavana tsy mitady valiny ireo. Nangataka tamin’ny sampana maromaro tatsy Eoropa Andrefana ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny 1991, mba hanome sakafo sy fitafiana ho an’ireo rahalahiny tatỳ Eoropa Atsinanana. Nankasitrahan’ireo Vavolombelona io fahafahana hanampy io, ka nihoatra lavitra noho izay nantenaina ny fahavononany hizara. Maro no nanome sakafo sy fitafiana efa nampiasaina, fa nisy koa ny nividy akanjo vaovao. Nangonin’ireo biraon’ny sampana tatsy Eoropa Andrefana ireo baoritra sy valizy ary kitapo feno entana. An-taonina ny sakafo sy fitafiana nalefa avy tany Alemaina, Aotrisy, Danemark, Holandy, Italia, Soeda ary Soisa nanketo Lviv, nentin’ny andian-kamiao. Matetika aza no nisy rahalahy nanome ny kamiaony mba hampiasaina ho an’ny asan’ilay Fanjakana eto Eoropa Atsinanana. Nanampy be ny manam-pahefana teny amin’ny sisin-tany satria nanome ny taratasy nilaina, ka nanjary mora ny fanaterana entana rehetra.
Nampiaiky volana an’ireo rahalahy nanatitra ny entana ny fandraisana azy ireo. Nitantara ny diany ny rahalahy vitsivitsy nitondra kamiao avy tany Holandy nanketo Lviv. Izao no nosoratany: “Efa nisy rahalahy 140 teo mba hampidina ny entana avy tao anaty kamiao. Naneho ny fianteherany tamin’i Jehovah ireo rahalahy nanetry tena ireo ka niara-nivavaka aloha vao nanomboka ny asa. Niara-nivavaka mba hisaorana an’i Jehovah indray izy ireo, rehefa vita ilay asa. Nankafy ny fahaiza-mandray vahiny nasehon’ireo rahalahy tany izahay satria nanome betsaka avy tamin’izay kely nananany izy ireo. Nateriny hatreny amin’ny arabe izahay avy eo, ary nivavaka teo an-tsisin-dalana izy ireo vao nandao anay.
Maro ny zavatra nosaintsaininay nony niverina izahay: Teo ny fahaiza-mandray vahiny nasehon’ireo rahalahy tany Alemaina sy Polonina, sy ny an’ireo rahalahy tany Lviv; ny finoany matanjaka sy fitiavam-bavaka; ny nanomezany anay filasiana sy sakafo na dia teo aza ny fahasahiranany; ny firaisan-tsaina sy fifankatiavan’izy ireo; ary ny fahaizany mankasitraka. Noeritreretinay koa ny amin’ireo rahalahy sy anabavy tena nalala-tanana tany aminay.”
Hoy ny mpamily avy tany Danemark: “Hitanay fa be kokoa noho izay nentinay nandroso ny nentinay niverina. Tena nanatanjaka ny finoanay ny fitiavana sy ny fahafoizan-tenan’ireo rahalahinay tany Ukraine.”
Maro tamin’ireo zavatra natao fanomezana no nalefa tany Moldavia, sy tany amin’ny tany balta, Kazakhstan sy Rosia ary tany amin’ny toerana hafa tena sahirana koa. Nisy entana nalefa tao anaty kaontenera nankany Siberia sy Khabarovsk, tany amin’ny 7 000 kilaometatra niantsinanana. Sady nampihetsi-po no nampahery sy nampiray saina ny taratasy nampiseho fankasitrahana feno avy tamin’ireo nahazo fanampiana. Samy nahatsapa ny fahamarinan’ireto tenin’i Jesosy ireto àry ireo rehetra voakasika tamin’izany: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asa. 20:35.
Niharam-boina i Transcarpatie, tamin’ny faramparan’ny 1998. Trano 6 754 no safotry ny rano ary 895 hafa no rava tanteraka noho ny fihotsahan’ny tany, araka ny tatitra ofisialy. Ny 37 tamin’ireo trano rava no an’ny Vavolombelona. Nandefa kamiao tany an-toerana avy hatrany ny sampana teto Lviv mba hitondra sakafo, rano, savony, fandriana ary bodofotsy. Nandefa fitafiana sy kojakojan-tokantrano ireo rahalahy avy tany Alemaina sy Kanada, taorian’izay. Nanome sakafo sy fitaovam-panorenana hanoloana an’ireo trano rava ny Vavolombelona avy tany Hongria, Polonina, Repoblika Tseky, ary Slovakia. Nanampy tamin’ny fanarenana ny simba koa ny rahalahy maro avy tao amin’ilay faritra. Tsy ny namany ihany no nomen’ireo Vavolombelona sakafo sy fitafiana ary kitay, fa ny olon-kafa koa. Nanadio ny tokotany sy saha, ary nanamboatra ny tranon’ireo tsy Vavolombelona izy ireo.
Fanampiana ara-panahy
Tsy fanampiana ara-nofo fotsiny anefa no nomena. Tsy zatra nandamina ny asa tao anaty rivo-piainana nisy fahalalahana ny Vavolombelona teto Ukraine, noho ny fandrarana naharitra 50 taona mahery. Nisy rahalahy avy tamin’ny sampan’i Alemaina àry nalefa mba hanampy tamin’ny fandaminana ny asa teto, tamin’ny 1992, ka izany no nisantatra ny asan’ny Betela amin’ny hoavy. Nandefa rahalahy hafa koa i Alemaina sy Etazonia ary Kanada, tatỳ aoriana, mba hanampy tamin’ny fanaraha-maso ny asa fanaovana mpianatra.
Tena nilaina koa ny rahalahy za-draharaha teo amin’ny saha fanompoana. Maro ny rahalahy nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana tonga avy tany Polonina. Nikarakara ny fiangonana izy ireny tamin’ny voalohany, ary nikarakara ny faritra sy vondrom-paritra nanerana an’i Ukraine kosa, tatỳ aoriana. Nisy mpivady avy tany Etazonia sy Kanada koa tonga ary manao ny asan’ny faritra amin’izao fotoana izao. Misy rahalahy manao ny asan’ny faritra koa avy tany Hongria, Italia, Repoblika Tseky ary Slovakia. Nanampy fiangonana maro mba hampihatra ny fitsipiky ny Soratra Masina sy hanao fanitsiana teo amin’ny lafiny maro tamin’ny fanompoana ireo fandaharana ireo.
Fankasitrahana ireo boky sy gazety ara-baiboly
Nampiavaka ny tapany faharoa tamin’ireo taona 1990 ny ezaka manokana natao hanelezana boky sy gazety. Taorian’ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35 tamin’ny 1997, dia efa ho 10 000 ny tapakila voaray avy tamin’ny olona liana nangataka ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? na nangataka fihaonana manokana.
Maro be ny olona mankasitraka ireo boky sy gazetintsika. Nasaina hitondra Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana 12 isan-kerinandro ireo rahalahy, rehefa nitsidika hopitaly iray fampiterahana. Nahoana? Tian’ireo mpiasa homena an’io boky io niaraka tamin’ny fanamarinam-pahaterahana ny mpivady tsirairay!
Maro ny olona nanjary nahalala ny boky sy gazetintsika nandritra ireo taona vitsivitsy lasa, ka nankasitraka azy ireny. Nanome Mifohaza! ho an’ny lehilahy mihaja iray teny amin’ny zaridainam-panjakana, ohatra, ny Vavolombelona. Nisaotra azy ireo ilay rangahy ary nanontany hoe: “Ohatrinona izy ity?”
“Ampiana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo ny asanay”, hoy ny fanazavan’ireo rahalahy. Nanome vola hrivna iray, na 3 500 FMG eo ho eo, ilay rangahy ary nipetraka ka nanomboka namaky an’ilay gazety avy hatrany. Nitory tamin’olon-kafa tao amin’ilay zaridainam-panjakana ireo rahalahy nandritra izany. Nanatona ilay rangahy, rehefa afaka 15 minitra, ka nanome hrivna iray hafa koa noho ilay gazety noraisiny. Niverina teny amin’ilay dabilio indray izy, ary nanohy ny vakiteniny raha mbola nanohy ny fitoriana ireo rahalahy. Nanatona azy ireo indray ilay rangahy rehefa afaka kelikely ary mbola nanome hrivna iray. Nilaza tamin’izy ireo izy fa tena mahaliana ilay gazety ka tiany hovakina tsy tapaka.
Manafaingana ny fitomboana ny fampianarana tsara
Nanafaingana ny fandrosoana ny faneken’ny fanjakana ny asantsika. Nisy ihany anefa ny zava-tsarotra. Sarotra tamin’ny sasany ny nitory isan-trano tamin’ny voalohany, satria fitoriana tsy ara-potoana foana no natao nandritra ny 50 taona mahery. Nanampy anefa ny fanahin’i Jehovah ka nanjary nanaiky fomba fitory mbola vaovao taminy ireo rahalahy sy anabavy.
Nanjary azo natao koa ny nandamina ireo fivoriana dimy isan-kerinandro teo anivon’ny fiangonana tsirairay. Nampiray saina sy nandrisika ny mpitory hiomana hiasa bebe kokoa izany. Nianatra haingana ireo rahalahy ka nandroso teo amin’ny lafiny maro tamin’ny fanompoany. Nanome fampianarana tsara ho an’ny Vavolombelona teto Ukraine ireo sekoly vaovao. Natomboka tamin’ny 1991 teo anivon’ny fiangonana rehetra, ohatra, ny Sekolin’ny Fanompoana mba hampiofanana azy ireo hitory. Nanampy betsaka an’ireo rahalahy hitarika ny asa fitoriana sy hampianatra ny fiangonana ary hiandry ny ondry ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana ho an’ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana, nanomboka tamin’ny 1992.
Natomboka tamin’ny 1996 teto Ukraine ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana. Maherin’ny 7 400 ny mpisava lalana maharitra nanatrika an’io fianarana naharitra tapa-bolana io, nandritra ireo dimy taona voalohany. Inona no soa noraisin’izy ireo tamin’izy io? Hoy ny iray taminy: “Faly aho satria toy ny tanimanga teo an-tanan’i Jehovah ka novolavolainy nandritra io sekoly io.” Hoy koa ny mpisava lalana hafa: “Nanomboka ‘namirapiratra’ aho taorian’ilay sekolin’ny mpisava lalana.” Nanoratra toy izao ny mpisava lalana iray kilasy: “Tena fitahiana ho an’izay rehetra nanatrika azy ity sekoly ity. Nanosika anay hihevitra akaiky kokoa ny olona izy ity.” Anisan’ny nahatonga ny tampon’isa 57 nisesy isam-bolana teo amin’ny mpisava lalana maharitra io sekoly io.
Mafy ny fiainana ka maro no manontany tena ny amin’ny fomba ampiasain’ny mpisava lalana mba hahazoany izay ilainy. Misy mpisava lalana iray sady mpanampy amin’ny fanompoana mamelona zanaka telo. Hoy izy: “Alaminay mivady mialoha ny zavatra ilainay, ka izay tena ilainay eo amin’ny fiainana ihany no vidinay. Tsotra ny fiainanay ary miantehitra amin’i Jehovah izahay. Manana toe-tsaina tsara izahay ka gaga indraindray mahita fa hay zavatra kely dia ampy hivelomana.”
Natomboka tamin’ny 1999 ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Efa ho zato ny rahalahy nanatrika azy io nandritra ny taona voalohany. Nanahirana ny maro ny nanatrika an’io fianarana naharitra roa volana io, satria sahirana ara-bola izy ireo. Niharihary anefa fa nampian’i Jehovah ireo rahalahy.
Mpisava lalana maharitra tany amin’ny faritany lavitra ny rahalahy iray nahazo fanasana hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Efa nanangom-bola ampy hividianana sakafo sy saribao nandritra ny ririnina ho avy izy sy ilay mpisava lalana namany. Tsy maintsy nisafidy izy mirahalahy, rehefa voaray ilay fanasana, hoe hividy saribao sa hividy tapakilan’ny fiarandalamby hanatrehana ilay sekoly. Niresaka izy ireo ary tapa-kevitra fa handeha tany amin’ilay sekoly ilay voasa. Tsy ela taorian’izay, dia nandefasan’ny anabaviny, nipetraka tany lavitra, vola fanomezana ilay rahalahy. Ampy hanaovana ilay dia ilay vola. Voatendry ho mpisava lalana manokana io rahalahy io rehefa nifarana ilay sekoly.
Nanampy ny vahoakan’i Jehovah mba hahita vokatra kokoa teo amin’ny asa fitoriana sy ny asan’ny fiangonana ny fandaharam-pampianarana toy ireny. Mianatra mitory amin’ny fomba mandaitra kokoa ny mpitory; ampianarina ny fomba hahatongavana ho loharanom-pampaherezana bebe kokoa eo anivon’ny fiangonana ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana. ‘Mihamahery finoana ny fiangonana sady mihamaro isan’andro’ ho vokatr’izany.—Asa. 16:5.
Mitondra fiovana ny fitomboana haingana
Nitombo ho avo efatra heny mahery ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Ukraine, taorian’ny fanoratana ara-panjakana ny asan’izy ireo. Nisy fitomboana niavaka tany amin’ny faritra maro. Tena ilaina koa ny anti-panahy ampy fahaizana. Matetika no zaraina ny fiangonana raha vao nisy anti-panahy faharoa fotsiny. Nisy mpitory hatramin’ny 500 teo anivon’ny fiangonana sasany. Nitaky fiovana teo amin’ny fitantanan-draharaha ny fitomboana haingana toy izany.
Nanampy tamin’ny fanaraha-maso ny asa teto Ukraine ny sampan’i Polonina hatramin’ireo taona 1960, ary taorian’izay, dia ny sampan’i Alemaina no niandraikitra sy nanampy. Lasa sampana teo ambany fanaraha-mason’ny foibe tany Brooklyn i Ukraine, tamin’ny Septambra 1998. Niforona tamin’io fotoana io ny Komitin’ny Sampana mba hitantana ny raharaha nahakasika ny fandaminana.
Nanjary nilaina, vokatr’io fitomboana haingana io koa, ny fanitarana ireo tranon’ny sampana. Nampiasaina ho foibe fizarana boky sy gazety ho an’ireo repoblika 15 tao amin’i URSS teo aloha i Lviv, nanomboka tamin’ny 1991. Nisy mpivady roa avy tamin’ny biraon’ny sampan’i Alemaina tonga ny taona nanaraka. Tsy ela dia nisy birao kely niasa teto Lviv. Nisy trano novidina ary nipetrahan’ny mpiasa birao manontolo andro, herintaona tatỳ aoriana. Nitombo haingana ny isan’ny mpiasa an-tsitrapo teto amin’ny biraon’i Ukraine, teo am-piandohan’ny 1995, ka tsy maintsy nifindra indray izy ireo. Tao amin’ny fitambaran-trano nisy Efitrano Fanjakana enina niombonan’ny fiangonana 17 no nifindrana tamin’io. Nanontany tena toy izao ireo rahalahy tamin’izany: “Rahoviana, ary aiza no hanorenantsika ny Betelantsika?”
Fanorenana sampana sy Efitrano Fanjakana
Efa tamin’ny 1992 ireo rahalahy no nanomboka nitady tany hanorenana tranon’ny sampana. Taona maromaro no lany nijerena akaiky izay toerana nety tamin’izany. Nentin’izy ireo am-bavaka teo anatrehan’i Jehovah izany, ary natoky izy ireo fa hahita amin’ny fotoana mety.
Tany am-piandohan’ny 1998, dia nisy tany hita tao amin’ny ala kesika tsara tarehy, dimy kilaometatra tany avaratr’i Lviv, tao amin’ny tanàna kelin’i Briukhovychi. Tao akaikin’io toerana io no nanaovan’ny fiangonana roa ny fivoriany tao anaty ala, nandritra ny fandrarana. Hoy ny rahalahy iray: “Tsy noeritreretiko mihitsy ny hoe mbola ho afaka hivory ao anatin’io ala io indray aho, folo taona tatỳ aorian’ny nivorianay farany tao, nefa tao anatin’ny tarehin-javatra hafa tanteraka, dia tao amin’ny tany hanorenana ny sampanay vaovao!”
Tonga tamin’ny faramparan’ny 1998 ireo mpanompo iraisam-pirenena voalohany. Nanomboka niasa mafy nanomana ny planina ireo rahalahy avy tamin’ny Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknika any Selters, any Alemaina. Natomboka teo am-piandohan’ny 1999 ny asa fanorenana, rehefa nanaiky ny fitondram-panjakana. Mpiasa an-tsitrapo 250 mahery avy tamin’ny firenena 22 no niasa tao. Mpiasa an-tsitrapo teto an-toerana nahatratra 250 koa no niasa nandritra ny faran’ny herinandro.
Maro no tena nankasitraka ny tombontsoa niasa tamin’ilay tetik’asa. Nisy fiangonana iray manontolo nanofa bisy mba handehanana ho eto Briukhovychi hiasa an-tsitrapo, ny faran’ny herinandro. Nanao lava alina izy ireo matetika mba hahatongavana ara-potoana teo amin’ilay toerana. Rehefa avy niasa mafy nandritra ny andro izy ireo, dia nanao lava alina indray nody. Vizana ry zareo nefa afa-po sy faly ary naniry ny mbola hiverina. Nisy rahalahy 20 nandeha lamasinina nandritra ny 34 ora avy tany amin’ny faritr’i Louhansk any atsinanan’i Ukraine, mba hiasa adiny valo tamin’ny fanorenana ny Betela! Mba hanaovana an’io asa adiny valo io, dia samy nangataka roa andro tsy hiasana izy ireo, ary nandany maherin’ny antsasa-karamany iray volana natao saran-dalana. Nampahery ny mpiasan’ny fanorenana sy ny mpianakavin’ny Betela manontolo izany fandavan-tena lehibe izany. Nandroso haingana ilay fanorenana ka azo notokanana tamin’ny 19 May 2001 ny sampana. Solontenan’ny tany 35 no tonga tamin’izany. Tamin’ny fivoriana manokana ny ampitson’io, dia nanao lahateny tamin’ny vahoaka 30 881 teto Lviv i Theodore Jaracz. I Gerrit Lösch kosa no nanao ny tao Kiev tamin’ny olona 41 142. Raha atambatra ireo dia 72 023.
Ahoana ny amin’ireo Efitrano Fanjakana? Rava tamin’ny 1939 ny efitrano maromaro tao Transcarpatie, ka tsy nisy tena Efitrano Fanjakana intsony nanomboka tamin’izay ka hatramin’ny 1993. Nisy fitambarana Efitrano Fanjakana efatra tsara tarehy naorina tamin’io taona io, tao anatin’ny valo volana monja, tao Dibrova, ao Transcarpatie. Nisy efitrano enina hafa koa novitaina tany amin’ny faritra hafa teto Ukraine, tsy ela taorian’izay.
Tena nilaina ny Efitrano Fanjakana satria nitombo be ny isan’ny mpitory. Efitrano Fanjakana 110 monja anefa no naorina nandritra ireo taona 1990, satria sarotra ny fanaovana taratasy ara-panjakana, ary nisondrotra koa ny vidim-piainana sy ny fitaovam-panorenana. Mbola efitrano an-jato no ilaina! Natsangana tamin’ny taona 2000 àry ny fandaharana vaovao fanorenana Efitrano Fanjakana, ary efa manampy amin’ny fikarakarana izany izy io.
Mitohy ny asa fijinjana!
Tamin’ny Septambra 2001, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah 120 028 teo anivon’ny fiangonana 1 183, notsidihin’ny mpiandraikitra ny faritra 39 teto Ukraine! Nahazoana vokatra tsara sy betsaka ny voan’ny fahamarinana nafafy nandritra ny fe-potoana lava. Misy taranaka dimy samy Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny fianakaviana sasany. Mampiseho izany fa tena tsara ilay “tany.” Maro no “mitana” ny teny reny, rehefa “mandre ny teny amin’ny fo sady marina no tsara.” Nisy rahalahy “namboly” tamim-pitomaniana matetika, tao anatin’ireo taona maro lasa, ary nisy “nandena” an’ilay tany lonaka. Mampitombo izany i Jehovah, ka “mamoa amin’ny faharetana” hatrany ireo Vavolombelony mahatoky eto Ukraine.—Lioka 8:15; 1 Kor. 3:6.
Miavaka ny salanisan’ny Vavolombelona isaky ny mponina iray, any amin’ny faritany sasany. Any amin’ny tanàna valo miteny romanianina ao Transcarpatie, ohatra, dia misy fiangonana 59 mizara ho faritra telo.
Tsy nahomby ny ezaka nataon’ireo mpanohitra ara-pivavahana sy tsy ara-pivavahana mba hamongorana ny Vavolombelon’i Jehovah teto Ukraine, tamin’ny alalan’ny sesitany sy ny fanenjehana mafy. Hita miharihary fa tany mahavokatra ny voan’ny fahamarinana ara-baiboly ny fon’ny olona eto. Mijinja vokatra tondraka ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny.
Efa nilaza ny amin’ny fotoam-pijinjana “hahatraran’ny mpiasa tany ny mpijinja” i Amosa mpaminany. (Amosa 9:13) Mahatonga ilay tany hamokatra be ny fitahian’i Jehovah, ka mbola mitohy ny fijinjana rehefa ho tonga ny fotoam-piasana tany manaraka. Mahita ny fahamarinan’io faminaniana io ny Vavolombelon’i Jehovah eto Ukraine. Matoky izy ireo rehefa mijery ny hoavy fa tena hisy fitomboana mampahery, satria maherin’ny 250 000 no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2001.
Mampanantena toy izao i Jehovah, araka ny Amosa 9:15: “Hamboleko ao amin’ny taniny izy, ka tsy hongotana amin’ny taniny izay nomeko azy intsony.” Mamafy voan’ny fahamarinana sy mijinja vokatra tondraka hatrany ny vahoakan’Andriamanitra, ka dodona erỳ miandry ny fotoana hanatanterahan’i Jehovah amin’ny fomba feno io fampanantenany io. Mandra-pahatongan’izany, dia mijery ny eny an-tsaha isika ary mahita fa tena masaka hojinjaina izy.—Jaona 4:35.
[Teny notsongaina, pejy 140]
“Tokony ho nahantona i Danyil, saingy mbola tsy ampy taona ka sazy efa-bolana am-ponja ihany no nomena azy”
[Teny notsongaina, pejy 145]
“Niavaka ny Vavolombelona. Nasehony fa nanana zavatra tena lehibe hambara tamin’ny voafonja izy”
[Teny notsongaina, pejy 166]
Maherin’ny 6 100 ny Vavolombelona avy eto Ukraine nalefa sesitany tany Siberia, tamin’ny 8 Aprily 1951
[Teny notsongaina, pejy 174]
“Anabavy matetika no nanao ny asan’ny mpikarakara ny fiangonana, ary anabavy koa no niantsoroka ny andraikitry ny mpikarakara ny faritra tany amin’ny toerana sasany”
[Teny notsongaina, pejy 183]
Tsy afaka nanao volan-tantely izy fa nogadraina nandritra ny folo taona kosa
[Teny notsongaina, pejy 184]
“Tena narary ny foko namela an’ilay zanako malalako hoentin’olona mbola tsy nihaona tamiko hatramin’izay niainako”
[Teny notsongaina, pejy 193]
Nampiasa paikady vaovao ny sampan-draharahan’ny fiarovam-panjakana rehefa hitany fa tsy azo nampanginina tamin’ny alalan’ny sesitany, fanagadrana sy herisetra ary fampijalijaliana ny Vavolombelon’i Jehovah
[Teny notsongaina, pejy 207]
Nitondran’ny KGB taratasy sandoka, nolazainy fa avy tamin’ny Rahalahy Knorr, ireo rahalahy nihataka
[Teny notsongaina, pejy 212]
Tena niambina mafy ny KGB nandritra ny fotoan’ny Fahatsiarovana, satria fantatr’izy ireo foana ny daty tokotokony hanaovana azy io
[Teny notsongaina, pejy 231]
Sambany izy ireo vao mba nitondra teny an-tanany boky sy gazety ara-baiboly tsy nadika tanana
[Teny notsongaina, pejy 238]
‘Vao mainka nampiaiky volana ahy mihoatra noho ny fitorianareo ny zava-drehetra nataonareo sy ny toetra tsaranareo. Tsy hanadino izay hitany mihitsy ny olona’
[Teny notsongaina, pejy 241]
“Tena nanatanjaka ny finoanay ny fitiavana sy ny fahafoizan-tenan’ireo rahalahy tany Ukraine”
[Teny notsongaina, pejy 249]
Mba hanaovana an’io asa adiny valo io, dia samy nangataka roa andro tsy hiasana ireo rahalahy, ary nandany maherin’ny antsasa-karamany iray volana natao saran-dalana
[Efajoro/Sary, pejy 124]
Fandikan-tenin’ny Baiboly Nandritra Ireo Taonjato
Ny Baiboly dikan-teny slavonikan’ny fiangonana taloha, vita tamin’ny taonjato fahasivy, no nampiasain’ny olona teto Ukraine, nandritra ny taona maromaro. Nohavaozina matetitetika io dikan-teny io, rehefa niova ny fiteny. Nanara-maso ny fanavaozana tanteraka ny Baiboly slavonika ny Arseveka Gennadius, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-15. Io dikan-teny vaovao io kosa indray no nasiana fanavaozana ka nahazoana ny Baiboly slavonika voalohany natao pirinty. Baibolin’i Ostrog no ahafantarana azy io, ary natao pirinty tamin’ny 1581. Mbola ekena ho modely tsara dia tsaran’ny fahaiza-manao pirinty ihany izy io, ary fototra niaingan’ny mpandika ny Baiboly ho amin’ny fiteny ukrainien sy rosianina, tatỳ aoriana.
[Sary]
Nanao pirinty ny Baibolin’i Ostrog teto Ukraine i Ivan Fedorov tamin’ny 1581
[Efajoro/Sary, pejy 141]
Mombamomba An’i Vasyl Kalin
Teraka: 1947
Batisa: 1965
Tantarany: 1951-1965: Natao sesitany. 1974-1991: Nanao pirinty boky tamin’ny fampiasana porofon-tsary. Nanomboka tamin’ny 1993: Manompo ao amin’ny biraon’ny sampan’i Rosia.
Niaritra ny fitondram-panjakana sy governemanta isan-karazany i Dada. Nokapohin’ny Alemà, ohatra, izy nandritra ny fotoana nifehezan’izy ireo ny andrefan’i Ukraine, satria noheverina fa Kominista. Nahoana? Nolazain’ny pretra tamin’ny manam-pahefana alemà mantsy fa Kominista ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy mankany am-piangonana. Tonga indray avy eo ny fitondrana sovietika. Mbola nampijalina indray i Dada sy ny maro hafa. Nolazaina fa mpitsikilo amerikanina izy. Nahoana? Satria tsy nitovy tamin’ny an’ny fivavahana nanjaka tamin’izany ny zavatra ninoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nalefa sesitany tany Siberia i Dada sy ny fianakaviany, noho izany, ary tany izy no maty.
[Efajoro/Sary, pejy 147-151]
Mombamomba An’i Ivan Lytvak
Teraka: 1922
Batisa: 1942
Tantarany: 1944-1946: Tany am-ponja. 1947-1953: Tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona tany amin’ny farany avaratr’i Rosia.
Nosamborina aho tamin’ny 1947, satria tsy nitsabaka tamin’ny politika. Nentina tany amin’ny fonja voambina mafy tany Loutsk eto Ukraine aho, ary rehefa tonga tany, dia nasaina nipetraka nahitsy tsara, niampofo ny tanako. Tsy afaka nitsotra ny tongotro. Telo volana no nipetrahako toy izany. Nisy lehilahy nanao palitao mainty naka am-bavany ahy. Nasainy nilaza momba ireo rahalahy nitarika ny asa aho. Fantany fa fantatro izany saingy tsy nety niteny aho.
Nomelohin’ny fitsarana miaramila higadra folo taona tany amin’ny toby lavitra be sy voambina mafy aho, tamin’ny 5 May 1947. Tao amin’ilay nantsoin-dry zareo hoe sokajy voalohany no nasiana ahy, satria tanora aho tamin’izany. Tovolahy avokoa, Vavolombelona sy tsy Vavolombelona, no tao amin’io sokajy io. Nampidirina tao anaty fiara fitondrana biby izahay ary nalefa tany Vorkuta, any amin’ny farany avaratr’i Rosia. Naondrana an-tsambo avy tao indray izahay, ary nandeha efatra andro hatrany amin’ny Andilan-dranomasin’i Kara.
Tsy nisy afa-tsy tany lava volo sy karazan-kazo botry kely tany. Noterena handeha an-tongotra efatra andro sy efatra alina indray izahay avy eo. Mbola tanora izahay. Mofo maina sy henana serfa natono no nomena anay. Ireo no anjara sakafo nomeny anay, ary nomena vilia baolina sy bodofotsy koa izahay. Avy be ny orana. Vonton-drano ny bodofotsy nentinay ka tsy zakanay intsony. Roa lahy izahay no nanolana ilay izy vao mba maivamaivana ilay izy.
Tonga tany amin’ny nalehanay izahay tamin’ny farany. Izao no tao an-tsaiko: ‘Kely sisa dia mba hisy tafo, hisy tafo hialofako!’ Nijanona teo amin’ny toerana an-kalamanjana tsy nisy afa-tsy volonkazo natevina anefa izahay. “Makà toerana fa eto no hisy anareo”, hoy ny mpiambina.
Nisy voafonja nitomany ary nisy nanozona ny fitondrana. Tsy mba nanozona na iza na iza kosa aho. Nivavaka mangina toy izao aho: “Jehovah Andriamanitro ô, ianao no fialofako sy fiarovana mafy ho ahy. Aoka ho fialofako koa ianao atỳ.”
Nasian-dry zareo tady nanodidina ilay toerana satria tsy nisy tariby. Napetraka tamin’ny toerany ny mpiambina. Namaky boky toy ny fanaony ry zareo, ka nilaza fa hitifitra, raha manakaiky hatramin’ny roa metatra izahay. Natory teo ambonin’ny volonkazo izahay. Lany taminay ny orana. Nifoha aho tamin’ny alina ary nijery ireo olona 1 500, ka etona no hitako nivoaka tamin’izy rehetra. Nifoha aho ny maraina ka tao anaty rano daholo ny ilako manontolo. Sady nisy volonkazo teo no nisy rano. Tsy nisy zavatra azo nohanina. Nasaina nanamboatra toerana hipetrahan’ny fiaramanidina hitondra sakafo ho anay izahay. Nanana traktera manokana nisy pne goavana mba tsy hampikatso azy ny mpiambina. Io no nitondra ny vatsin’izy ireo, fa izahay kosa tsy mba nahazo na inona na inona.
Telo andro sy telo alina no nanamboaranay ilay toerana hipetrahan’ny fiaramanidina. Tsy maintsy nanala an’ireo volonkazo izahay tamin’izany. Tonga àry ny fiaramanidina kely nitondra lafarinina. Nampifangaroin-dry zareo tamin’ny rano efa nampangotrahina ilay lafarinina, dia izay no nohaninay.
Nahatrotraka ny asa. Nanao lalana sy nametraka lalamby no asanay. Toy ireny masinina fitaterana entana miasa tsy an-kijanona ireny izahay, rehefa nitatitra ireo vato navesatra. Maizina foana ny andro sady namirifiry nandritra ny ririnina.
Teny an-kalamanjana izahay no nasaina natory. Lany taminay ny orana, noana izahay ary nangatsiaka; saingy tanora izahay ka natanjaka ihany. “Aza manahy fa efa hahazo tafo ianareo”, hoy ny mpiambina. Nisy trakteran’ny miaramila nitondra lamba mafy natao lay hialofan’olona 400, rehefa ela ny ela. Novelarinay ilay izy ary natsanganay, saingy tsy nisy natoriana afa-tsy teo ambonin’ny volonkazo ihany. Samy nanangona bozaka àry izahay rehetra ary nitondra izany tao anatin’io lay io. Lo anefa ilay bozaka ary lasa zezika. Teo ambonin’izany zezika izany no natorianay.
Tonga amin’izay àry ny haofotsy. Maty kaikitr’izy ireo mihitsy izahay. Tsy ny vatanay ihany no rakotra fa ny fitafianay koa. Tao ny haofotsy be sy ny haofotsy kely, ary tena nahatsiravina ilay izy. Avy izy nanaikitra anao, rehefa tonga avy niasa iny ianao ka mba nitsotsotra, ary nihaotraotra tsy nisy farany ianao. Natory ianao dia nohaniny. “Lanin’ny haofotsy izahay”, hoy izahay tamin’ny mpiambina anay. “Efa hovonointsika ireny izao”, hoy izy.
Voatery niandry ny andro ho mafana kokoa ny manam-pahefana tao amin’ny fonja, satria 30 degre ambanin’ny zero foana ny mari-pana. Tonga tokoa ry zareo nitondra fanafody famonoana bibikely, rehefa somary nihena ny hatsiaka. Dimy degre ambanin’ny zero anefa tamin’izay, ary rovitra be ny lay. “Esory ny akanjo fa hisasa ianareo”, hoy izy ireo. “Esory ny akanjo fa hovonoinay ny bibikely amin’ny akanjonareo.”
Nanala akanjo tao anatin’izany hatsiaka izany àry izahay, ka farany niboridana tao anaty lay rovitra be. Nitondrany hazo fisaka hataonay gorodona izahay. Nandinika ny vatako aho, rehefa nipetraka teo ambonin’ireo hazo. Tena nampihoron-koditra ny nijery izany! Nojereko koa ilay teo akaikiko, ka nitovy tamiko ihany: Maina tanteraka. Taolana nifono hoditra sisa. Tsy vitako intsony na dia ny hiakatra tao anaty fiara aza. Trotraka aho. Mbola anisan’ny sokajy voalohany ihany anefa aho, izany hoe mpiasa tanora tomady.
Nieritreritra aho fa ho faty tsy ho ela. Maro ny tanora maty. Tena nivavaka tamin’i Jehovah aho tamin’izay mba hanampiany ahy, satria toa tsy ho tafavoaka intsony. Nisy mpigadra tsy Vavolombelona nanao fanahy iniana namela ny tanany na ny tongony ho fatin’ny hatsiaka. Avy eo dia nokapainy hiala izany, mba ho afaka tamin’ilay asa izy. Sady nahatsiravina no nampihoron-koditra izany.
Nijoro teo akaikin’ny toeram-piambenana iray aho indray andro, ary nahita dokotera teo. Tafara-dia izahay taorian’ny nisamborana ahy, ary nitoriako momba ny Fanjakan’Andriamanitra izy. Voafonja izy tamin’izany, saingy nahazo famotsoran-keloka. Nanatona azy aho ary nijery, ka efa tsy mpigadra intsony tokoa izy. Nantsoiko tamin’ilay anarana tao an-tsaiko hoe Sasha izy. Nijery izy ary niteny hoe: “Ianao ve ity ry Ivan?” Nitomany toy ny zazakely aho, rehefa niteny izany izy. “Mandehana haingana mankany amin’ny efitrano fitsaboana”, hoy izy.
Nandeha tany aho ary nesorina tao amin’ilay sokajy voalohany. Mbola tany amin’ny toby ihany anefa aho. Nalefa tany amin’ny toerana nisy ireo nila fialan-tsasatra aho, satria efa anisan’ny sokajy fahatelo. “Tsy izaho no nanasa anao hankatỳ fa ianao no tonga teto”, hoy ilay komandà, “ka hendre tsara ary ataovy ny asanao.” Nalamiko tsikelikely àry ny fiainako tao. Tsy nanao ilay asa nahatrotraka intsony aho.
Nafahana aho ny 16 Aogositra 1953. “Mahazo mandeha ianao”, hoy ry zareo. Nahazo nandeha tany amin’izay tiako naleha aho. Tany anaty ala no nalehako voalohany mba hisaotra an’i Jehovah noho ny niarovany ahy. Nankany anaty ala kely izay aho, dia nandohalika ary nisaotra an’i Jehovah satria notsimbininy mba hanao asa manome voninahitra ny anarany masina.
[Teny notsongaina]
‘Kely sisa dia mba hisy tafo, hisy tafo hialofako!’
[Teny notsongaina]
Nankany anaty ala kely izay aho, dia nandohalika ary nisaotra an’i Jehovah satria notsimbininy
[Efajoro/Sary, pejy 155, 156]
Mombamomba An’i Volodymyr Levchuk
Teraka: 1930
Batisa: 1954
Tantarany: 1946-1954: Nogadraina noho ny fanaovany politika. Nahita Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona tany Mordvinia.
Ukrainien tia tanindrazana aho, ka nosazin’ny Kominista 15 taona tany amin’ny tobin’ny voafonja, tamin’ny 1946. Nisy Vavolombelon’i Jehovah tany. Nitory tamiko izy ireo ary nanaiky avy hatrany ny fahamarinana aho. Toby voambina mafy no nisy anay ka tsy nanana Baiboly izahay. Nitady poti-taratasy àry aho ary notehiriziko. Nanaovako kahie kely ilay izy rehefa nisy vitsivitsy voangona. Nasaiko nolazain’ireo rahalahy tamiko ny toko sy andininy rehetra tsaroany tao amin’ny Baiboly. Nosoratako tao amin’ilay kahieko izy ireny avy eo. Nametrahako fanontaniana koa ny Vavolombelona tonga tatỳ aoriana. Raha nisy faminaniana ara-baiboly fantapantany, dia nosoratako koa. Maromaro ihany ny andinin-teny voangoko, ka nanomboka nampiasa azy ireny tamin’ny fitoriako aho.
Maromaro ny tovolahy tahaka ahy, fony aho nanomboka nitory. Izaho no zandriny indrindra satria vao 16 taona monja. Hoy aho tamin’izy ireo: “Tsy misy dikany ny ijaliantsika. Very maina ny fanaovantsika vivery ny aintsika satria tsy misy firehan-kevitra politika hitera-boka-tsoa ho antsika. Tokony hiandany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ianareo.” Nilaza andinin-teny nianarako tsianjery avy tao amin’ilay kahieko aho. Mora mahatadidy zavatra aho. Vetivety foana dia resy lahatra ireo namako, ka nanomboka niaraka taminay Vavolombelon’i Jehovah. Lasa rahalahy izy ireo.
[Efajoro/Sary, pejy 157]
Sazy Nomena ny Vavolombelon’i Jehovah
Sesitany: Nalefa lavitra tany Siberia matetika ireo natao sesitany, ary nasaina niasa sy nipetraka tany. Tsy afaka nandao ny faritra vaovao nonenany izy ireo. Nasaina nisoratra anarana isan-kerinandro, na isam-bolana, tany amin’ny polisy teo an-toerana izy ireo.
Trano figadrana: Voafonja telo ka hatramin’ny folo no nohidiana tao amin’ny efitrano kely. Nahazo sakafo indroa na intelo isan’andro izy ireo. Indray mandeha isan’andro, na isan-kerinandro izy ireo no navela handehandeha teny an-tokotanin’ny fonja. Tsy nisy asa nampanaovina azy.
Tobin’ny voafonja: Tany Siberia no nisy ny ankamaroany. Voafonja an-jato no niara-nipetraka tao amin’ny trano fitobiana (ho an’ny voafonja 20 ka hatramin’ny 100 mazàna ny trano iray). Niasa adiny valo isan’andro, fara fahakeliny, tao amin’ny toby na tany an-toeran-kafa izy ireo. Mafy ny asa satria nanamboatra orinasa, na nametraka lalamby, na nikapa hazo. Narahin’ny mpiambina ireo mpigadra rehefa nandeha niasa sy niverina. Afaka nandehandeha tao anatin’ny toby izy ireo rehefa avy niasa.
[Sary]
Siberia, Rosia: Zanaka Vavolombelona ukrainiens natao sesitany, mamaky kitay, 1953
[Efajoro/Sary, pejy 161, 162]
Mombamomba An’i Fyodor Kalin
Teraka: 1931
Batisa: 1950
Tantarany: 1951-1965: Natao sesitany. 1962-1965: Nogadraina.
Nanao zava-nahagaga tamiko i Jehovah indray mandeha, fony aho nalaina am-bavany tany am-ponja. Tonga niaraka tamin’ny taratasy ny mpitantana ny KGB (Komitin’ny Fiarovam-panjakana). Naka toerana ny mpaka am-bavany ary nipetraka teo anilany ny mpampanoa lalàna. Hoy ilay mpitantana ny KGB tamin’ilay mpaka am-bavany: “Omeo azy ity! Avelao hovakiny fa ratsy saina ireo rahalahiny any Amerika!”
Nomeny ahy ilay taratasy. Fanapahan-kevitra lany tany amin’ny fivoriambe ilay izy. Namaky indray mandeha aloha aho, ary avy eo namerina namaky tsara. Nanomboka tsy nahandry ilay mpampanoa lalàna, ka niteny hoe: “F’angaha ianaranao tsianjery izy iny, Atoa Kalin?”
“Namaky maimaika fotsiny aho teo, nefa tiako ho azo tsara ny dikany”, hoy aho. Nibitaka anaty aho. Naveriko ilay taratasy rehefa voavakiko, ary hoy aho: “Tena misaotra anareo aho, nefa isaorako koa i Jehovah Andriamanitra nahatonga anareo hanao izao zavatra izao. Lasa natanjaka kokoa izao ny finoako noho ny famakiako iny fanapahan-kevitra iny! Miombon-kevitra amin’ireo Vavolombelona ireo aho, ka hidera ny anaran’Andriamanitra hatrany hatrany. Hiresaka momba Azy aho, amin’ny olona ato amin’ny toby sy ny fonja ary na aiza na aiza misy ahy. Izany no asa nanirahana ahy!
Tsy hampangina ahy ianareo, na dia hampijalijaly ahy toy inona aza. Tsy nilaza hoe hikomy mantsy ny Vavolombelona ao amin’iny fanapahan-kevitra iny. Tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah kosa izy ireo, na inon-kidona na inon-kihatra, satria fantany fa hanampy azy tsy hivadika hatrany i Jehovah! Mivavaka aminy aho mba hanatanjaka ahy mandritra izao fotoan-tsarotra izao, ka hiorina mafy amin’ny finoana.
Tsy hihozongozona aho! Tena nanatanjaka ahy iny fanapahan-kevitra iny. Tsy ho very fanantenana aho, na dia hahankinareo amin’ny rindrina aza aho izao ka hotifirinareo. Mamonjy amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty koa aza anie i Jehovah e!”
Hitako fa diso fanantenana ireo mpaka am-bavany. Fantany fa nanao fahadisoana lehibe izy, satria vao mainka nanatanjaka ahy ilay fanapahan-kevitra noheveriny fa hampihena ny finoako.
[Efajoro/Sary, pejy 167-169]
Mombamomba An’i Mariya Popovych
Teraka: 1932
Batisa: 1948
Tantarany: Tany am-ponja sy tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona nandritra ny enin-taona. Nanampy olona folo mahery hahalala ny fahamarinana.
Bevohoka dimy volana aho, fony nosamborina tamin’ny 27 Aprily 1950. Nohelohina higadra folo taona aho tamin’ny 18 Jolay, satria nitory sy nilaza ny fahamarinana tamin’ny olona. Anadahy efatra sy rahavavy telo izahay no voaheloka toy izany. Folo taona avy ny sazinay. Teraka tamin’ny 13 Aogositra ny zanako lahy.
Tsy kivy aho fony tany am-ponja. Nianarako tao amin’ny Baiboly mantsy fa sambatra ny olona raha mijaly satria Kristianina, fa tsy hoe satria mpamono olona na mpangalatra. Sambatra tokoa aho, ary faly ny foko. Natokan-toerana aho ary nandehandeha tao amin’ilay efitra sady nihira.
Nisy miaramila nanokatra ny varavarankely ary niteny hoe: “Efa izao ve no manjo anao ka mbola mihira ihany ianao?”
“Sambatra aho satria tsy nanisy ratsy olona”, hoy ny navaliko. Nakatony fotsiny ilay varavarankely. Tsy nokapohin’izy ireo aho.
“Lavo ny finoanao. Jereo ange ity mahazo anao e!”, hoy ry zareo. Te hilaza izy ireo hoe tsy maintsy ho teraka tany am-ponja ny zanako. Sambatra anefa aho satria nomelohina noho ny finoana ny Tenin’Andriamanitra. Nahafaly ahy izany. Fantatro fa tsy olon-dratsy aho. Fantatro fa niaritra noho ny finoako an’i Jehovah aho. Faly lalandava aho noho izany. Izay ilay izy.
Nivonto noho ny hatsiaka ny tanako tatỳ aoriana, ka nampidirina hopitaly aho. Tia ahy ilay dokotera vavy tao, ka hoy izy: “Tsy salama ianao, ka maninona raha mankatỳ mba hanampy ahy?”
Mazava ho azy fa tsy tian’ilay mpitantana ny toby io hevitra io. “Nahoana no io vehivavy io no tianao hanampy anao? Mifidiana olon-kafa”, hoy izy.
“Tsy mila olon-kafa aho”, hoy ilay dokotera vavy, fa “olona tsara sy manao ny marina no ilaiko eto. Ary hiasa ato amin’ity hopitaly ity izy. Fantatro fa sady tsy hangalatra izy no tsy hanendry zava-mahadomelina.”
Nitokisan-dry zareo izahay. Nanehoany fiheverana manokana ny olona nanam-pinoana. Fantany ny toetranay, ary nahasoa anay izany.
Resy lahatra ihany ilay mpitantana ny toby rehefa ela ny ela. Te hihazona ahy tao amin’ilay toby izy satria nahay nikapa hazo aho. Na taiza na taiza mantsy niasanay vahoakan’i Jehovah, dia nanao asa tsara foana izahay.
Fanamarihana: Teraka tao amin’ny fonjan’i Vinnytsia, eto Ukraine, ny zanak’i Mariya. Najanona roa taona tao amin’ny trano fitaizana zaza kamboty tao amin’io fonja io ilay zazakely. Nalefan’ny havany tany amin’ny rainy, natao sesitany tany Siberia, izy avy eo. Enin-taona ilay zaza, tamin’ny fotoana nivoahan’ny Anabavy Popovych ny fonja.
[Teny notsongaina]
“Sambatra aho satria tsy nanisy ratsy olona”
[Efajoro/Sary, pejy 175]
Mombamomba An’i Mariya Fedun
Teraka: 1939
Batisa: 1958
Tantarany: 1951-1965: Natao sesitany.
Inona indray no natao rehefa nahazo toerana tao anaty vagao izahay, ka tony tsara daholo ary nanomboka ny dia? Nahay hira izahay ka nanomboka nihira. Nohirainay avokoa izay hira hainay tao amin’ny fihirana.
Ny hira tao amin’ilay vagao nisy anay ihany no renay, tamin’ny voalohany. Rehefa nijanona mba hanome lalana ny fiarandalamby hafa anefa ny fiarandalambinay, dia fantatray fa nitondra anadahy sy rahavavy koa izy ireny. Renay ny hiran’izy ireo. Nisy ny avy tany Moldavia, ary nandalo koa ny Romanianina avy tany Bucovine. Maro ireo fiarandalamby nifanena tany amin’ny toerana samihafa. Hay namanay avokoa no nentin’izy ireny.
Maro ny hira tadidinay. Maro ny hira noforonina tao anatin’ireny fiarandalamby ireny. Nampahery anay izy ireny ary nanome anay ny toe-tsaina tokony hanananay. Tena nampitodika ny sainay ho amin’i Jehovah ireny hira ireny.
[Efajoro/Sary, pejy 177]
Mombamomba An’i Lydia Stashchyshyn
Teraka: 1960
Batisa: 1979
Tantarany: Zanak’i Mariya Pylypiv, resahina eo amin’ny pejy 208-209.
Anti-panahy i Dadabe fony aho mbola kely ary izy no nitarika ny fiangonana. Tsaroako ny zavatra fanaony: Nifoha izy ny maraina, dia nisasa ary nivavaka. Nosokafany ny Baiboly avy eo, ary nipetraka izahay rehetra mba hamaky ny andinin-teny ho an’ilay andro sy ilay toko manontolo. Nasain’i Dadabe nanatitra tsy tapaka taratasy sarobidy tany amin’ny anti-panahy iray nipetraka tany amin’ny faran’ny tanàna aho. Nifono ilay taratasy, na tao anaty kitapo. Tsy maintsy nianika havoana aho vao tonga tany. Tsy tiako ilay izy satria fiakarana nideza ka nandreraka. Izao no nolazaiko: “Tsy ho any aho, Dadabe a! Tsy maninona ve raha tsy mankany aho?”
“An an an! Tsy maintsy manatitra an’ireo taratasy ireo ianao”, hoy ny navalin’i Dadabe.
‘Tsy handeha aho ka!’, hoy aho niteny irery, nefa avy eo dia hoy aho: ‘Tsy maintsy mandeha aho satria zava-dehibe angamba no ato anatin’izy ity.’ Izany foana no noeritreretiko. Tena tsy te handeha aho, nefa nandeha ihany satria fantatro fa tsy nisy olon-kafa hanao izany. Tena matetika no nanaovako izany satria asako sy andraikitro izany.
[Efajoro/Sary, pejy 178, 179]
Mombamomba An’i Pavlo Rurak
Teraka: 1928
Batisa: 1945
Tantarany: Nandany 15 taona tany amin’ny fonja sy tobin’ny voafonja. Mpiandraikitra mpitantan-draharaha any Artemovsk, any atsinanan’i Ukraine, ankehitriny.
Tany amin’ny toby tena mafy lalàna, tany Karaganda, tatỳ URSS, aho tamin’ny 1952. Folo lahy izahay no tao amin’ilay toby. Mafy taminay ilay izy satria nikisaka ny fotoana. Tsy nanana sakafo ara-panahy izahay, na dia faly sy be fanantenana aza. Nihaona izahay rehefa avy niasa ary niresaka sy nifampahatsiahy izay rehetra efa nianaranay avy tamin’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina.”—Matio 24:45-47.
Nanapa-kevitra ny hanoratra tamin’ny anabaviko aho, mba hilaza taminy ny nanjo anay tao amin’ny toby sy hanazava fa tsy nanana sakafo ara-panahy izahay. Sarotra ny nandefa taratasy satria tsy nahazo nanao izany ny voafonja. Voarain’ilay anabaviko ihany anefa ny taratasiko. Nofonosiny niaraka tamin’ny mofo ny Testamenta Vaovao, ary nalefany paositra tany amiko.
Tena sarotiny ny tao amin’ny toby. Tsy nomen’ny manam-pahefana an’ireo voafonja foana ny fonosan’entana, fa matetika no nopotehiny ny tao anatiny. Nojereny tsara ny zavatra rehetra tao anatiny. Nojereny, ohatra, ny boaty vy sao nisy zavatra nafenina tao amin’ny fanambaniny sandoka, na ny sisiny. Nojereny tsara na dia ny mofo efa maina aza.
Hitako teo amin’ny lisitry ny olona tokony haharay fonosan’entana ihany ny anarako rehefa ela ny ela. Dibo-kafaliana aho, na dia tsy ninoako akory aza hoe handefa Testamenta Vaovao tao anatin’ilay fonosan’entana ny anabaviko. Ilay mpiambina nasiaka indrindra no niandry raharaha tamin’izay. Ramoramangotraka no niantsoan’ny voafonja azy. “Iza no nandefa fonosan’entana ho anao?”, hoy izy nanontany, rehefa tonga haka ilay entako aho. Nolazaiko taminy ny adiresin’ilay anabaviko. Naka fitaovana izy dia nanokatra an’ilay boaty.
Rehefa nesoriny ny sarony, dia hitako teo anelanelan’ny sisin’ilay boaty sy ny sakafo ilay Testamenta Vaovao! Hoy aho anakampo: “Omeo ahy io, Jehovah ô!”
Gaga aho rehefa nilaza ilay mpiambina hoe: “Ento any haingana io boaty io!” Tsy nampino ahy izay nitranga, ka nosaronako ilay boaty ary nentiko tany an-trano. Nalaiko ilay Testamenta Vaovao dia natsofoko tao anaty kidoroko.
Tsy nisy nino ireo rahalahy rehefa nilazako fa nahazo Testamenta Vaovao aho. Fahagagana avy tamin’i Jehovah ilay izy! Nanohana anay ara-panahy izy satria tsy afaka nahazo na inona na inona mihitsy izahay tamin’izany. Nisaotra an’i Jehovah Rainay any an-danitra izahay noho ny famindram-pony sy ny fikarakarany. Nanomboka namaky an’ilay Testamenta Vaovao izahay ka nihanatanjaka ara-panahy. Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah izahay noho izany!
[Efajoro/Sary, pejy 180, 181]
Mombamomba An’i Lydia Bzovi
Teraka: 1937
Batisa: 1955
Tantarany: 1949-1965: Natao sesitany.
Mbola zatovo aho tamin’izany, ary tena mafy tamiko ny tsy niarahan’i Dada taminay. Tia ny dadanay toy ny ankamaroan’ny ankizy izahay. Tsy afaka nanao veloma azy aho. Tsy hitanay sy i Ivan mantsy ny nandehanany, satria nioty ampemby tany an-tsaha izahay tamin’izy nandeha.
Rehefa nody izahay vao nilazan’i Neny fa nosamborina i Dada. Nahatsapa fahabangana sy alahelo aho, nefa tsy nisahotaka na feno fankahalana. Efa nampoizina izany. Nampahatsiahivina anay foana mantsy izao tenin’i Jesosy izao: “Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20) Mbola kely izahay dia efa nahalala an’io andinin-teny io. Hainay tsara toy ny ‘Rainay izay any an-danitra’ izy io. Fantatray koa fa tsy ho tia anay izao tontolo izao satria tsy anisany izahay. Noho ny tsy fahalalana no nanaovan’ny manam-pahefana ireny zavatra nataony ireny.
Fantatr’i Dada fa afaka niaro tena teo anatrehan’ny fitsarana izy, rehefa teo ambany fifehezan’i Romania i Moldavia. Navela hanatrika ny fitsarana izahay. Andro tena nahafaly anay io andro io.
Nanao fitoriana tena tsara mantsy i Dada. Tsy nisy te hihaino ny fiampangan’ilay mpampanoa lalàna, fa gaga kosa ny rehetra nihaino izay nolazain’i Dada. Niteny nandritra ny adiny iray sy 40 minitra izy, niaro ny fahamarinana. Tena nazava sy mora azo izay nolazainy. Nanganohano ny ranomason’ireo mpiasan’ny fitsarana.
Nirehareha izahay satria afaka niteny teo anoloan’ny fitsarana mba hiarovana ny fahamarinana teo anatrehan’ny besinimaro i Dada. Tsy namoy fo izahay.
Fanamarihana: Nosamborin’ny manam-pahefana alemà ny ray aman-drenin’ny Anabavy Bzovi, tamin’ny 1943, ary nohelohiny higadra 25 taona, satria nolazainy fa niara-niasa tamin’ny Sovietika. Tonga nanafaka azy ireo ny tafika sovietika herintaona taorian’izay. Ny manam-pahefana sovietika indray no nisambotra ny rainy tatỳ aoriana. Nigadra nandritra 20 taona izy, raha atambatra.
[Teny notsongaina]
Tia ny dadanay toy ny ankamaroan’ny ankizy izahay. Tsy afaka nanao veloma azy aho
[Efajoro/Sary, pejy 186-189]
Mombamomba An’i Tamara Ravliuk
Teraka: 1940
Batisa: 1958
Tantarany: 1951: Sesitany. Nanampy olona 100 teo ho eo hianatra ny fahamarinana.
Izao no tantaran’i Halyna. Nosamborina ny ray aman-dreniny tamin’ny 1958, raha vao teraka 17 andro monja izy. Nalefa tany amin’ny tobin’ny voafonja tany Siberia izy sy ny reniny. Navela hiaraka izy mianaka raha mbola afaka nampinono ny reniny, izany hoe hatreo amin’ny fahadimy volana. Tsy maintsy niasa ilay reniny taorian’izay, ka nentina tany amin’ny akanin-jaza ilay zazakely. Nipetraka tany amin’ny faritanin’i Tomsk, teo akaiky, ny fianakavianay. Nanoratra tamin’ny fiangonanay ny anadahy, nanontany raha nisy afaka naka an’ilay zazavavy kely tany amin’ny akanin-jaza, ary hitaiza azy mandra-pivoakan’ny ray aman-dreniny avy tany am-ponja. Mazava ho azy fa nisento ny rehetra rehefa novakina ilay taratasy. Tena nampalahelo tokoa mantsy raha zazakely no tao anatin’ny toe-javatra toy izany.
Nomena fotoana hieritreretana izahay. Lasa ny herinandro, nefa tsy nisy nanolo-tena haka azy. Mafy ny fiainan’ny rehetra tamin’izany. “Andeha halaintsika izany zazakely izany”, hoy ny zokiko lahy tamin’i Neny, rehefa afaka tapa-bolana.
Hoy i Neny: “Ahoana hoe, ry Vasia? Efa antitra sady marary ange aho e! Fantatrao fa andraikitra lehibe izany maka zanak’olon-kafa izany. Tsy biby ilay izy. Tsy ombivavy na zanak’omby ilay izy, fa zazakely, ary amin’izay indray zanak’olon-kafa.”
Namaly toy izao ny anadahiko: “Izany indrindra no tokony hakantsika azy, ry Neny a! Tsy biby ilay izy. Mba eritrereto hoe zazakely no ao anatin’izany fiainan’ny toby izany e! Mbola tena kely ilay zaza ka tsy afaka miaro tena.” Hoy izy avy eo: “Tsy tokony hoeritreretintsika ve fa mety hisy hilaza amintsika indray andro any hoe: ‘Narary aho, tany am-ponja aho, noana aho, nefa tsy nampianareo’?”
Hoy i Neny: “Eny e, mety hitranga izany, nefa andraikitra lehibe ny maka zanak’olon-kafa. Ahoana raha misy mahazo azy rehefa atỳ amintsika izy?”
Hoy ny anadahiko: “Ary mba ahoana raha misy mahazo azy any?” Nanondro ahy izy avy eo sady niteny hoe: “Io i Tamara. Tsy misy misakana azy tsy hanao ilay dia ary hitondra ilay zaza. Hiasa daholo isika mba hamelomana an’izany zaza izany.”
Nisaintsaina sy niresaka izahay, ary tapa-kevitra ihany fa handeha aho. Nankany amin’ny tobin’i Mariinski àry aho. Haka an’ilay zazakely no diako tany. Nisy gazety nomen’ireo anadahy hoentiko tany. Nisy fakan-tsary koa nomeny mba hakana sary ny renin’ilay zaza, hahafantaranay azy, satria tsy fantatray izy. Tsy navela nentiko tao amin’ny toby ilay fakan-tsary, fa nentiko ihany ilay gazety. Nataoko tao anatin’ny vilany novidiko izy io, ary nasiako menaka teo amboniny. Tsy nojeren’ny mpiambina izay tao ambanin’ilay menaka, rehefa niditra ny vavahady aho, ka tongako tao amin’ny toby ilay gazety.
Afaka nifankahalala izaho sy ny renin’ilay zaza, dia i Lydia Kurdas. Nijanona indray alina tao amin’ilay toby mihitsy aza aho, satria nisy taratasy tsy maintsy nokarakaraina mba handefasana an’ilay zaza. Nentiko tany aminay àry i Halyna. Dimy volana mahery kely izy tamin’izany. Nokarakarainay tsara izy, nefa narary mafy ihany, indray mandeha. Tonga ny dokotera saingy tsy nahita izay aretiny.
Noheverin’izy ireo fa zanako i Halyna, ka noteniteneniny be aho hoe: “Mba reny manao ahoana koa ity ianao ity e? Maninona raha omenao sakafo izy io?” Tsy sahy nilaza izahay hoe zazakely avy tany am-ponja ilay izy, ka tsy fantatray ny tokony hataonay. Nitomany fotsiny aho fa tsy nilaza na inona na inona. Nobedesin’ny dokotera aho, ary nivazavazany koa i Neny hoe mbola kely loatra aho ka tsy tokony ho nampanambadiana, ary na izaho aza mbola nila nampinonoina. Vao 18 taona aho tamin’izay.
Tena narary i Halyna, sady sempotra. Nankao ambany tohatra aho ary nivavaka hoe: “Jehovah Andriamanitra ô, Jehovah Andriamanitra ô, raha tsy maintsy ho faty io zazakely io, dia esory ny aiko ho solon’ny azy!”
Nanomboka nisefosefo mafy ilay zaza, ary teo ireo dokotera. “Tsy misy antenaina intsony io, fa tsy maintsy ho faty, tsy maintsy ho faty io”, hoy izy ireo. Teo imasonay sy i Neny no nilazany izany. Nitomany i Neny ary nivavaka aho. Tsy maty anefa ilay zaza. Nipetraka tao aminay izy mandra-pivoakan’ny reniny avy tany am-ponja. Fito taona no niarahanay ary tsy narary intsony izy, na indray mandeha aza.
Mipetraka any Kharkiv, eto Ukraine, izao i Halyna. Efa vita batisa izy ary mpisava lalana maharitra.
[Teny notsongaina]
“Jehovah Andriamanitra ô, Jehovah Andriamanitra ô, raha tsy maintsy ho faty io zazakely io, dia esory ny aiko ho solon’ny azy!”
[Sary]
Ankavia miankavanana: Tamara Ravliuk (teraka Buriak), Serhii Ravliuk, Halyna Kurdas, Mykhailo Buriak, Mariya Buriak
[Sary]
Ankavia miankavanana: Serhii sy Tamara Ravliuk, Mykola sy Halyna Kuibida (teraka Kurdas), Oleksii sy Lydia Kurdas
[Efajoro, pejy 192]
Tatitry ny Mpiandraikitra ny Faritra, 1958
“Tena mafy ny nanjo an’ireo rahalahy, rehefa heverina fa olona folo eo ho eo anisan’ny vondron’ny tanora kominista no nitsikilo ny tsirairay taminy. Teo koa ny mpiara-monina namadika, ny rahalahy sandoka, ny polisy maro be, ny fanamelohana higadra 25 taona tany amin’ny toby na fonja, ny sesitany tany Siberia, ny asa an-tery vozona mandra-pahafaty, ny fihazonana naharitra azy indraindray tao amin’ny efitra maizina. Izany rehetra izany no nety ho nanjo an’izay nilaza teny vitsivitsy momba ny Fanjakan’Andriamanitra.
Tsy natahotra anefa ny mpitory. Tsy nanam-petra ny fitiavan’izy ireo an’i Jehovah Andriamanitra. Toy ny an’ireo anjely ny toe-tsain’izy ireo, ary tsy nieritreritra ny hilavo lefona izy ireo. Fantatr’izy ireo fa an’i Jehovah ny asa ary tsy maintsy hitohy hatramin’ny fandresena farany izy io. Fantatr’ireo rahalahy hoe tsy mivadika amin’iza izy ireo. Fifaliana ho azy ireo ny mijaly ho an’i Jehovah.”
[Efajoro/Sary, pejy 199-201]
Mombamomba An’i Serhii Ravliuk
Teraka: 1936
Batisa: 1952
Tantarany: Tany amin’ny fonja sy tobin’ny voafonja nandritra ny 16 taona. Noterena hifindra trano impito. Nanampy olona 150 teo ho eo hianatra ny fahamarinana. Resahina eo amin’ny pejy 186-189 i Tamara, vadiny. Anti-panahin’ny Fiangonana Rohan, tanàna akaikin’i Kharkiv, izao i Serhii.
Nipetraka nandritra ny fito taona tao Mordovie aho. Toby voambina mafy izy io, nefa maro ny boky sy gazety voazara nandritra ny naha tao ahy. Nisy mpiambina nitondra boky sy gazety tany an-tranony ka namaky izany, ary nanome izany ho an’ny fianakaviany sy ny havany.
Nisy mpiambina nanatona ahy indraindray nandritra ny fiambenana tamin’ny alina, ka nilaza hoe: “Misy zavatra ve any aminao any, ry Serhii?”
“Inona no tadiavinao?”, hoy aho namaly.
“Zavatra azo vakina fotsiny e!”
“Hisy fisavana angaha rahampitso?”
“Ia, rahampitso ao amin’ny trano fahadimy.”
“Eny àry fa hisy Tilikambo Fiambenana eo ambony farafara ao ambany servieta. Azonao alaina io.”
Nisy ilay fisavana ary nalainy ilay Tilikambo Fiambenana. Io ihany anefa ny gazety hitan’ny mpiambina, satria efa fantatray fa hisy fisavana. Tamin’izany fomba izany no nanampian’ny mpiambina sasany anay. Tia fahamarinana izy ireo, saingy natahotra ny hamoy ny asany. Hitany ny fomba fiainanay nandritra ny taona maro nisian’ny rahalahy tao amin’ilay toby. Hitan’ny olona nisaina fa tsy nisy antony tokony hanamelohana anay. Tsy afaka niteny na inona na inona anefa izy ireo, sao noheverina ho mpanohana ny Vavolombelon’i Jehovah ka hamoy ny asany. Nanohana kely ny asanay ihany àry izy ireo. Naka boky sy gazety izy ireo ary namaky izany. Nampihena ny hamafin’ny fanenjehana izany.
Telonjato teo ho eo izahay tao, tamin’ny 1966. Fantatry ny mpitantana ny toby ny daty tokony hanaovanay ny Fahatsiarovana. Tapa-kevitra ny tsy hamela anay hankalaza azy io izy ireo tamin’io taona io. “Efa mianatra Ny Tilikambo Fiambenana ianareo, fa hofarananay kosa ny amin’ity Fahatsiarovana ity. Tsy ho afa-manoatra ianareo”, hoy izy ireo.
Nasaina nijanona tao amin’ny biraony avy ny mpiambina isan-tsokajiny mandra-pisin’ny filazana. Teo amin’ny toerany izy rehetra, dia ireo mpanara-maso sy ireo mpitantan-draharaha ary ny komandàn’ny toby.
Nivoaka teny amin’ny arabe àry izahay rehetra, nankeo amin’ny toerana fanaovana ny fiantsoana anarana isa-maraina sy isan-kariva. Nivory isam-piangonana na isan-tokony izahay avy eo, ary nandehandeha nihodinkodina teo amin’ilay toerana. Nisy rahalahy tao amin’ny isan-tokony nanao ny lahateny teny am-pandehanana, ary ny hafa kosa nihaino.
Tsy nanana marika izahay, ka ny lahateny ihany no natao. Tsy nisy voahosotra tamin’izany tao amin’ilay toby. Vita ny zava-drehetra tamin’ny 9.30 alina, ary namarana ny fankalazana ny isan-tokony sady nanaraka ny arabe ihany.
Tianay mirahalahy avy niarahana natao kosa ny hira. Nivory teo akaikin’ny trano fandroana, lavitra be ny vavahady nanaovana fisavana àry izahay. Alao sary an-tsaina hoe misy 300 lahy, ka ny 80 hatramin’ny 100 aminy no miara-mihira amin’ny alina ao anaty ala kesika. Alao sary an-tsaina ny fanakoakon’izany hira izany! Tsaroako fa ny hira faha-25 nitondra ny lohateny hoe “Maty ho Anao Aho”, tao amin’ny fihirana taloha, no nohirainay. Hain’ny rehetra io hira io. Nisy aza miaramila teny amin’ny tilikambo niantsoantso anay indraindray, nanao hoe: “Ataovy indray ilay Hira 25 e!”
Rehefa nanomboka nihira izahay tamin’io alina io, dia nihazakazaka avy tany amin’ny biraony nankeo amin’ilay trano fandroana ny mpiasa rehetra mba hampangina anay. Tsy nahatapaka ilay hira anefa izy ireo rehefa tonga teo, satria ny rahalahy rehetra tsy nihira dia nanao faribolana mafy tsara nanodidina ny rahalahy nihira. Nihodinkodina teo fotsiny àry ry zareo mpiambina mandra-pahavitan’ny hiranay. Niparitaka fotsiny ny rehetra rehefa vita ilay hira, satria tsy fantatry ny mpiambina hoe iza no nihira ary iza no tsy nihira. Tsy azon’izy ireo natokan-toerana ny rehetra.
[Efajoro/Sary, pejy 203, 204]
Mombamomba An’i Victor Popovych
Teraka: 1950
Batisa: 1967
Tantarany: Teraka tany am-ponja, zanak’i Mariya Popovych resahina eo amin’ny pejy 167-169. Nosamborina tamin’ny 1970 ary nogadraina nandritra ny efa-taona noho ny asa fitoriana. Nandritra ny telo andro nanaovana ny fihainoana ara-pitsarana, dia nisy olona 35 nanamafy fa efa nitorian’ny Rahalahy Popovych.
Tsy teo amin’ny lafiny fifandraisan’ny samy olona fotsiny no tokony hijerena ny toe-javatra nisy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ampy hanazavana ny anton’ny fanenjehana ny vahoakan’Andriamanitra ny fanomezan-tsiny ny fitondram-panjakana. Tsy nanao afa-tsy ny asany ny ankamaroan’ireo mpiasam-panjakana. Niova fihetsika izy ireny rehefa niova ny fitondram-panjakana, fa tsy mba niova izahay. Takatray fa efa nambaran’ny Baiboly ny tena loharanon’ny zava-tsarotra nahazo anay.
Tsy hoe olona tsy manan-tsiny niharan’ny tsindry hazo lena fotsiny no niheveranay ny tenanay. Nanampy anay hiaritra ny fahatakarana mazava an’ilay raharaha niadian-kevitra tany Edena, dia ny zon’Andriamanitra hitondra. Mbola tsy voalamina io raharaha io. Fantatray fa nanana fahafahana hiandany tamin’ny fitondran’i Jehovah izahay. Nahakasika ny tombontsoan’ny olombelona sy ny tombontsoan’ilay Tompon’izao rehetra izao io raharaha io. Ny fahatakaranay lalina kokoa ny amin’ireo raharaha tafiditra, dia nanatanjaka anay ka nahatonga anay tsy hivadika mihitsy, na dia tao anatin’ny tarehin-javatra faran’izay ratsy aza. Nijery zavatra ankoatra ny fifandraisan’ny samy olona izahay.
[Teny notsongaina]
Tsy ampy hanazavana ny anton’ny fanenjehana ny vahoakan’Andriamanitra ny fanomezan-tsiny ny fitondram-panjakana
[Efajoro/Sary, pejy 208, 209]
Mombamomba An’i Mariya Pylypiv
Teraka: 1934
Batisa: 1952
Tantarany: Nankany Siberia tamin’ny 1951 mba hitsidika ny zokiny vavy natao sesitany tany. Tany i Mariya no nianatra ny fahamarinana ary tatỳ aoriana dia nanambady rahalahy natao sesitany.
Maro ny polisy tonga tao aminay rehefa maty i Dada. Nisy ny avy teo an-toerana ary nisy ny avy tamin’ny fivondronana. Nampitandremany izahay fa tsy tokony hihira na hivavaka. Novalianay fa tsy nisy lalàna nandrara ny vavaka. Nanontaniany ny fotoana handevenana, ka rehefa nolazainay taminy dia lasa izy.
Tonga aloha be ny anadahy. Tsy nahazo niara-nivory, fa afaka tonga tamin’ny fandevenana kosa ny olona. Nanomboka aloha be izahay satria fantatray fa ho avy ny polisy. Nisy kamiao feno polisy tonga raha iny nanomboka nivavaka iny indrindra ny anadahy iray. Novitainy ilay vavaka, ary nankany amin’ny toeram-pandevenana izahay avy eo.
Nanaraka anay ny polisy ary navelany hiditra tao amin’ilay toerana izahay. Rehefa nivavaka fanindroany ilay anadahy, dia nitady hisambotra azy ny polisy. Tapa-kevitra ny tsy hamela azy ireo hisambotra azy anefa izahay rahavavy. Maro ireo polisy ka nanao faribolana nanodidina an’ilay anadahy izahay. Velona ny korontana, ary notarihin’ny rahavavy iray niala teo amin’ilay toeram-pandevenana ilay anadahy, nentiny tany anelanelan-trano ary nankany an-tanàna. Tampoka teo dia nisy olom-pantatra nandalo tamin’ny fiarakodia, ka niditra tao anatiny ilay anadahy ary lasa. Nitady azy hatraiza hatraiza ny polisy fa tsy nahita. Lasa izy ireo avy eo.
Matetika ny rahavavy no niaro ny anadahy. Ny mifamadika amin’izany no tokony ho izy, nefa voatery izy ireo tamin’izany. Voatery niaro ny anadahy ny rahavavy. Maro ny toe-javatra nahitana izany.
[Teny notsongaina]
Voatery izy ireo tamin’izany. Voatery niaro ny anadahy ny rahavavy
[Efajoro/Sary, pejy 220, 221]
Mombamomba An’i Petro Vlasiuk
Teraka: 1924
Batisa: 1945
Tantarany: 1951-1965: Sesitany. Narary ka maty ny zanakalahin’ny Rahalahy Vlasiuk, taoriana kelin’ny nanaovana sesitany azy. Narary koa ny vadiny taorian’ny niterahany, herintaona taorian’izay, ka maty, tamin’ny farany. Ny Rahalahy Vlasiuk sy ilay zaza menavava sisa no velona. Nanambady indray izy tamin’ny 1953, ary nanampy tamin’ny fikarakarana an’ilay zaza io vadiny io.
Anisan’ireo natao sesitany avy teto Ukraine nankany Siberia aho, tamin’ny 1951. Tsy natahotra mihitsy izahay. Nampidirin’i Jehovah tao anatin’ireo rahalahy io toe-tsaina io ka nanam-pinoana izy ireo, dia finoana hita teo amin’ny fomba fiteniny. Tsy nisy mihitsy ho nifidy ny handeha hitory tany amin’io toerana io. Toa i Jehovah Andriamanitra no namela ny fitondram-panjakana hitondra anay tany. Hoy tokoa mantsy ny manam-pahefana tatỳ aoriana: “Nanao fahadisoana lehibe izahay.”
“Fa inona no fahadisoanareo?”, hoy ireo rahalahy.
“Satria nentinay tatỳ ianareo ka mampiova finoana ny olona atỳ koa!”
“Mbola hanao fahadisoana hafa ianareo”, hoy ireo rahalahy.
Ny fahadisoana lehibe faharoa nataon’izy ireo dia ny tsy namelany anay hody, rehefa nafahany izahay taorian’ny famotsoran-keloka. “Mandehana any amin’izay tianareo haleha fa aza mody”, hoy izy ireo. Tonga saina ry zareo tatỳ aoriana ka takany fa fahadisoana lehibe ilay izy, satria nahatonga ny vaovao tsara hiely nanerana an’i Rosia izany.
[Efajoro/Sary, pejy 227]
Mombamomba An’i Anna Vovchuk
Teraka: 1940
Batisa: 1959
Tantarany: 1951-1965: Sesitany. Folo taona izy fony nalefa tany Siberia. Niasa tamim-piafenana, nanao pirinty boky sy gazety ara-baiboly tamin’ny 1957 ka hatramin’ny 1980.
Matetika ny KGB no nanandrana nanao izay hilazanay ny anaran’ireo anadahy. Nampiseho sary taminay ry zareo. Izao mazàna no nolazaiko: “Tsy misy zavatra fantatro izay anontanianareo ahy, sady tsy misy fantatro izay olona tadiavinareo.” Toy izany foana no navalinay azy ireo. Nandeha tany an-tanàna aho taoriana kelin’ny nanambadiako, ary nifanena tamin’ny lehiben’ny KGB any Angarsk. Fantany tsara aho satria matetika no efa nampanantsoiny mba halaina am-bavany.
Hoy izy tamiko: “Nolazainao fa tsy fantatrao i Stepan Vovchuk, rehefa nanontaniako ianao, ka ahoana no lasa vadinao izy izao?”
“Tsy ianao ihany ve no nampifankahalala anay tamin’ny alalan’ireo sary nasehonao?”, hoy aho namaly.
Nampipaika ny felatanany roa izy sady nilaza hoe: “Eny e! Mbola izahay ihany no diso e!”
Samy nihomehy izahay. Fotoana nahafaly teo amin’ny fiainako io.
[Efajoro/Sary, pejy 229, 230]
Mombamomba An’i Sofiya Vovchuk
Teraka: 1944
Batisa: 1964
Tantarany: 1951-1965: Sesitany. Fito taona izy rehefa nalefa tany Siberia niaraka tamin’ny reniny sy ny rahavaviny ary ny anadahiny.
Nilazan’izy ireo izahay tamin’ny fotoana nitondrany anay tany Siberia, fa hijanona mandrakizay any. Tsy nieritreritra ny ho afaka mihitsy izahay. Novakinay tao amin’ny Tilikambo Fiambenana ny momba ny fivoriambe natao tany amin’ny tany hafa. Mba nivavaka tamin’i Jehovah koa izahay hoe enga anie izahay mba ho afaka hanatrika fivoriambe toy izany, na dia indray mandeha monja eo amin’ny fiainanay ihany aza. Inona tokoa fa notahin’i Jehovah izahay. Afaka nanatrika ny fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Polonina izahay, tamin’ny 1989. Tsy hay lazaina ny haben’ny fifalianay tonga tany.
Nandray anay tamim-pitiavana ny anadahy sy rahavavy tany Polonina. Nijanona efatra andro tany izahay rehefa nanatrika fivoriambe! Ravoravo izahay nianatra bebe kokoa momba an’i Jehovah, sy nandray toromarika avy tao amin’ny Teniny. Tena sambatra izahay. Nolazainay tamin’ny rehetra ny zavatra niainanay. Avy tamin’ny firenena maro ny olona tany, nefa anadahinay sy rahavavinay izy ireo! Nahatsiaro ho niadam-pinaritra izahay, rehefa nandehandeha tao amin’ilay kianja. Taorian’ny zavatra rehetra nitranga, ny fiainana nandritra ilay fandrarana naharitra ela be, dia toy ny hoe efa tao amin’ny tontolo vaovao sahady izahay. Tsy nandre teny ratsy mihitsy izahay, ary nadio sy tsara tarehy ny zava-drehetra. Mbola niara-nijanona izahay taorian’ny fandaharana. Tsy nody avy hatrany izahay fa nijanona teo ka niresaka tamin’ireo anadahy sy rahavavy. Nisy mpandika teny koa teo, rehefa tsy azonay ilay fiteny. Nifanoroka izahay na dia tsy nifankahazo teny aza. Sambatra izahay.
[Efajoro/Sary, pejy 243, 244]
Mombamomba An’i Roman Yurkevych
Teraka: 1956
Batisa: 1973
Tantarany: Nandany enin-taona tany amin’ny tobin’ny voafonja noho ny tsy fanaovana raharaha miaramila. Anisan’ny Komitin’ny Sampana eto Ukraine, nanomboka tamin’ny 1993.
Manosika ny olona hanampy sy hanohana ny hafa ny fahamarinana. Tena tsapanay izany tamin’ny 1998, rehefa nisy tondra-drano lehibe tao Transcarpatie ka olona an-jato no namoy ny tranony sy ny fananany rehetra tao anatin’ny indray alina monja.
Nisy rahalahy maromaro tonga tany an-toerana tao anatin’ny roa andro, ka nanangana komitin’ny vonjy rano vaky. Izy ireo no namaritra izay fanampiana homena ny fianakaviana tsirairay sy ny tanàna tsirairay. Tanàna roa, dia i Vary sy Vyshkove no tena voa mafy. Tao anatin’ny roa na telo andro monja, dia vita planina ny hoe inona no fanampiana homena an’iza, ary iza no hanampy. Tonga tamin’ny kamiao ireo rahalahinay avy eo ary nanomboka nanilika ny fotaka tsy hita lany tamin’ny lapelina.
Nitondra hazo maina izy ireo, ka nahagaga ny rehetra tao amin’io faritra io izany. Talanjona ireo tsy Vavolombelona. Nisy anabavy iray avy tany Vyshkove tao amin’ny faritra nisy ekipana rahalahy nanilika fotaka tamin’ny lapelina. Nanatona azy ny mpanao gazety iray ary nanontany hoe: “Fantatrao ve hoe iza ireo olona ireo?”
Hoy ny navaliny: “Tsy fantatro tsara izy ireo satria tsy mitovy fiteny izahay. Ao ny miteny romanianina, hongroà, ukrainien ary rosianina. Ny fantatro fotsiny dia hoe anadahiko sy rahavaviko izy ireo ary manampy ahy.”
Efa nandefa fanampiana sy nikarakara an’ireo fianakaviana nafindra toerana ireo rahalahy, tao anatin’ny roa na telo andro. Rehefa afaka enim-bolana anefa, dia saika voaorina daholo indray ny tranon’ny Vavolombelona, ka izy ireo no voalohany tafaverina tao amin’ilay faritra mba hipetraka tao amin’ny tranony vaovao.
[Tabilao, pejy 254]
(Jereo ny boky)
Mpisava Lalana Maharitra eto Ukraine (1990-2001)
10 000
8 000
6 000
4 000
2 000
0
1990 1992 1993 1994 1995 1996 1997 1998 1999 2001
[Tabilao, pejy 254]
(Jereo ny boky)
Vavolombelon’i Jehovah eto Ukrainea (1939-2001)
120 000
100 000
80 000
60 000
40 000
20 000
0
1939 1946 1974 1986 1990 1992 1994 1996 1998 2001
[Fanamarihana ambany pejy]
a Isa tombantombana ny tamin’ireo taona 1939-1990
[Sarintany, pejy 123]
(Jereo ny boky)
UKRAINE
VOLHYNIE
GALICIE
Lviv
TRANSCARPATIE
BUCOVINE
KIEV
Kharkiv
Dniepropetrovsk
Louhansk
Zaporijjia
Donetsk
Odessa
CRIMÉE
RANOMASINA MAINTY
TORKIA
BOLIGARIA
ROMANIA
MOLDAVIA
POLONINA
BÉLARUS
ROSIA
[Sary, pejy 118]
[Sary, pejy 127]
Vojtech Chehy
[Sary, pejy 129]
Fivoriambe voalohany tany Borislav, any Galicie, Aogositra 1932
[Sary, pejy 130]
Fivoriambe tany Solotvyno, Transcarpatie, tamin’ny 1932
[Sary, pejy 132]
Nanatontosa tamim-pahatokiana ny asa fandikan-teny nanendrena azy i Mariya sy Emil Zarysky, nandritra ny 40 taona
[Sary, pejy 133]
Ity trano any Oujhorod ity no fanatobiana boky voalohany teto Ukraine, tamin’ny 1927 ka hatramin’ny 1931
[Sary, pejy 134]
Mpitory vonona handeha bisy hanao fanompoana tany Rakhiv, any amin’ny Tendrombohitra Carpates, 1935: 1) Vojtech Chehy
[Sary, pejy 135]
Kapila tany am-boalohany nirakitra ny “Fivavahana sy Kristianisma”, tamin’ny fiteny ukrainien
[Sary, pejy 136]
Fiangonana Kosmach tamin’ny 1938: 1) Nivarotra ny iray tamin’ny soavaliny roa i Mykola Volochii mba hividianana grafofaonina
[Sary, pejy 137]
Tsaroan’ny maro tsara fa mpitory be zotom-po i Ludwik Kinicki, maty tsy nivadika tamin’i Jehovah tany amin’ny toby fitanana nazia
[Sary, pejy 142]
Illia Hovuchak (ambony ankavia), aseho eto miaraka amin’i Onufrii Rylchuk, handeha hitory any an-tendrombohitra, sy Paraska (ankavanana), vadiny maty novonoin’ny Gestapo, satria nisy pretra nanolotra azy tamin-dry zareo
[Sary, pejy 146]
Anastasiya Kazak 1) miaraka amin’ny Vavolombelona hafa avy tany amin’ny toby fitanan’i Stutthof
[Sary, pejy 153]
Tsy nety nivadika i Ivan Maksymiuk (eo ambony miaraka amin’i Yevdokiya vadiny) sy Mykhailo, zanany lahy (ankavanana)
[Sary, pejy 158]
Boky sy gazety ara-baiboly tany am-boalohany, amin’ny fiteny ukrainien
[Sary, pejy 170]
Vao 20 taona i Hryhorii Melnyk dia efa nikarakara azy telo mianadahy zandriny
[Sary, pejy 176]
Nigadra nandritra ny 15 taona i Mariya Tomilko, nefa tsy nivadika
[Sary, pejy 182]
Nutsu Bokoch sy ny zanany vavy nihaona vetivety tany am-ponja, 1960
[Sary, pejy 185]
Lydia sy Oleksii Kurdas (ambony), nosamborina ary nogadraina tany amin’ny toby samy hafa, raha vao teraka 17 andro monja i Halyna, zanak’izy ireo vavy; Halyna Kurdas telo taona (ankavanana): Tamin’ny 1961 no nakana an’ity sary ity, fony mbola tany am-ponja ny ray aman-dreniny
[Sary, pejy 191]
Nosamborina i Hanna Shyshko sy Yurii Kopos ny alina talohan’ny mariaziny, ary voaheloka higadra folo taona. Vita ny mariazin’izy ireo folo taona tatỳ aoriana
[Sary, pejy 191]
Efa ho 35 taona no lanin’i Yurii Kopos tany amin’ny fonja sy toby fiasana an-tery vozona sovietika
[Sary, pejy 194]
Nanokana ny fiainany manontolo hanompoana an’i Jehovah i Pavlo Ziatek
[Sary, pejy 196]
Taratasin’i Nathan Knorr tamin’ny 18 May 1962, ho an’ireo rahalahy tatỳ URSS
[Sary, pejy 214]
Natao pirinty tany amin’ny efitra ambanin’ny tany toy ity tany atsinanan’i Ukraine ity ny boky sy gazety ho an’i Ukraine sy ny faritra hafa tatỳ amin’ny Firaisana Sovietika
[Sary, pejy 216]
Farany ambony: Havoana rakotra ala tany amin’ny Tendrombohitra Carpates, niasan’i Ivan Dziabko tao anaty efitra ambanin’ny tany
[Sary, pejy 216]
Ambony: Mykhailo Dioloh mipetraka eo akaikin’ny fidirana ao amin’ilay efitra ambanin’ny tany nanaterany taratasy hampiasain’i Ivan Dziabko
[Sary, pejy 216]
Ankavanana: Ivan Dziabko
[Sary, pejy 223]
Nigadra nandritra ny 21 taona i Bela Meysar, ary nanao dia 140 000 kilaometatra mahery, raha atambatra, i Regina, vadiny mahatoky, mba hitsidika azy matetika, nandritra izany
[Sary, pejy 224]
Voatendry ho mpikarakara ny asa i Michael Dasevich, tamin’ny 1971
[Sary, pejy 233]
Ny fanoratana ara-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah teto Ukraine tamin’ny 28 Febroary 1991, no voalohany tamin’ny karazana fanoratana toy izany tatỳ amin’ny faritanin’i URSS
[Sary, pejy 237]
Nisy 7402 no natao batisa tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tao Kiev, tamin’ny 1993. Io no isan’ny natao batisa betsaka indrindra tamin’ny fivoriambe rehetra, teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny andro maoderina
[Sary, pejy 246]
Fizarana diplaoman’ny kilasy voalohany tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana teto Lviv, teo am-piandohan’ny 1999
[Sary, pejy 251]
Farany ambony: Fitambarana Efitrano Fanjakana nampiasain’ny fianakavian’ny Betela tamin’ny 1995 ka hatramin’ny 2001
[Sary, pejy 251]
Afovoany: Trano nampiasain’ny fianakavian’ny Betela tamin’ny 1994 sy 1995
[Sary, pejy 251]
Ambany: Efitrano Fanjakana ao Nadvirna, ilay naorina voalohany teto Ukraine araka ny fandaharana vaovao fanorenana Efitrano Fanjakana
[Sary, pejy 252, 253]
1-3) Sampana eto Ukraine vao avy notokanana
[Sary, pejy 252]
4) Komitin’ny sampana, ankavia miankavanana: (mipetraka) Stepan Hlinskyi, Stepan Mykevych; (mitsangana) Andrii Semkovych, Roman Yurkevych, John Didur, ary Jürgen Keck
[Sary, pejy 253]
5) Theodore Jaracz nanao lahateny tamin’ny fitokanana ny sampana eto Ukraine, tamin’ny 19 May 2001