FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwfq lahatsoratra 60
  • Teren’ny Vavolombelon’i Jehovah Hanaraka ny Fivavahany ve ny Zanany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Teren’ny Vavolombelon’i Jehovah Hanaraka ny Fivavahany ve ny Zanany?
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Manao batisa zazakely ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
  • Arian’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny zanany raha mifidy hoe tsy hatao batisa?
  • Nahoana no entin’ny Vavolombelon’i Jehovah miaraka aminy ny zanany rehefa mitory ny vaovao tsara ry zareo?
  • Manao fety na fankalazana hafa ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
  • Tian’Andriamanitra ve ny Fety Rehetra?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Manompoa An’Andriamanitra
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Nahoana no Misy Fety Tsy Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Ry Ray Aman-dreny, Ampio ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
Hijery Hafa
Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwfq lahatsoratra 60
Ankizivavikely ampianarin’ny ray aman-dreniny Baiboly; mitsikitsiky ilay ankizivavikely.

Teren’ny Vavolombelon’i Jehovah Hanaraka ny Fivavahany ve ny Zanany?

Tsia, satria anjaran’ny olona tsirairay ny manapa-kevitra hoe hanompo an’Andriamanitra izy sa tsia. (Romanina 14:12) Marina fa ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah an’izay lazain’ny Baiboly ny zanany. Rehefa lehibe anefa izy, dia anjarany ny manapa-kevitra hoe ho lasa Vavolombelon’i Jehovah izy sa tsia.—Romanina 12:2; Galatianina 6:5.

Izay tena hahasambatra ny zanany no tadiavin’ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah, hoatran’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny ihany. Ampianariny azy ireo àry izay zavatra fantany hoe hahasoa azy. Ampianariny ho tsara fitondran-tena, ohatra, ny zanany. Ampianariny momba an’Andriamanitra koa izy ireo. Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa ilaina ny manaraka ny torohevitry ny Baiboly raha tena te hanana fiainana tsara. Izany no mahatonga azy ireo hampianatra Baiboly ny zanany sy hitondra azy any amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. (Deoteronomia 6:6, 7) Rehefa lehibe izy any aoriana any, dia mba efa mazava tsara aminy izay nampianarina azy, ka afaka manapa-kevitra izy hoe hanaraka ny fivavahan’ny ray aman-dreniny sa tsia.

  • Manao batisa zazakely ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

  • Arian’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny zanany raha mifidy hoe tsy hatao batisa?

  • Nahoana no entin’ny Vavolombelon’i Jehovah miaraka aminy ny zanany rehefa mitory ny vaovao tsara ry zareo?

  • Manao fety na fankalazana hafa ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

  • Tenin’ny ankizy notezaina tao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah

Manao batisa zazakely ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsia. Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe azo atao batisa ny zazakely. Tantaraina ao hoe nihaino tsara an’izay notorina taminy aloha ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, dia “nandray tsara” an’izany, dia nibebaka avy eo, izay vao natao batisa. (Asan’ny Apostoly 2:14, 22, 38, 41) Tsy azo atao batisa àry ny olona iray, raha tsy hoe efa mahatakatra tsara sy mino an’izay ampianarin’ny Baiboly ary efa nanapa-kevitra hoe hanaraka an’ilay izy. Tsy mahavita an’izany ny zazakely.

Rehefa mihalehibe anefa izy, dia afaka mifidy tsara hoe hatao batisa. Tsy maintsy mazava aminy anefa aloha hoe tsy kilalao izany.

Arian’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny zanany raha mifidy hoe tsy hatao batisa?

Tsia. Marina fa malahelo ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah rehefa tsy manaraka ny fivavahany ny zanany. Mbola tiany foana anefa ilay zanany, ka tsy ariany mihitsy satria hoe tsy nanaiky ho lasa Vavolombelona. Tsy izany mihitsy no hanariany ny zanany!

Ankizilahy avy natao batisa; naroboka tanteraka tao anaty rano izy.

Anjaran’ny olona tsirairay ny mifidy hoe hatao batisa izy sa tsia, na firy taona izy na firy taona

Nahoana no entin’ny Vavolombelon’i Jehovah miaraka aminy ny zanany rehefa mitory ny vaovao tsara ry zareo?

Ireto misy antony maromaro mahatonga anay hitondra ny zanakay rehefa mitory ny vaovao tsara izahay:a

  • Resahin’ny Baiboly hoe tokony hampianatra ny zanany hanompo an’Andriamanitra ny ray aman-dreny. (Efesianina 6:4) Anisan’ny fanompoana an’Andriamanitra ny hoe miresaka amin’ny olona ny zavatra inoana. Mila ampianarina manao an’izany àry ny ankizy.—Romanina 10:9, 10; Hebreo 13:15.

  • Mampirisika ny ankizy sy ny tanora “hidera ny Tompo” ny Baiboly. (Salamo 148:12, 13, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Anisan’ny fomba tsara hiderana an’Andriamanitra ny miresaka amin’ny olona momba azy.b

  • Mahasoa ny ankizy ny miara-mitory amin’ny ray aman-dreniny. Lasa mahay miresaka amin’ny karazan’olona rehetra, ohatra, izy. Lasa manana toetra tsara koa izy, ohatra hoe mangoraka, tsara fanahy, manaja olona, ary mieritreritra an’izay hahasoa ny hafa fa tsy tia tena. Tsy vitan’izany fa lasa mahay kokoa andinin-teny manaporofo ny zavatra inoany izy.

Manao fety na fankalazana hafa ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy manao fety ara-pivavahana na fankalazana tsy tian’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah.c (2 Korintianina 6:14-17; Efesianina 5:10) Tsy manao aniversera na Krismasy, ohatra, izahay, satria tsy Kristianina ny olona nanao an’ireo voalohany.

Tia miara-miala voly amin’ny fianakavianay anefa izahay, sady tia manolotra fanomezana ho an’ny zanakay. Tsy miandry fety izahay vao miara-mifaly amin’ny fianakavianay na manao fivoriam-pianakaviana na manolotra fanomezana, fa manao an’ireo foana izahay mandritra ny taona rehefa te hanao an’izany.

Ray aman-dreny manolotra fanomezana ho an’ny zanany lahy sy vavy; tsy nampoizin’izy dahy kely ilay izy.

Tia manome zavatra an-janany ny ray aman-dreny kristianina

Tenin’ny ankizy notezaina tao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah

  • “Lasa nianatra nanaja olona aho rehefa nandeha nitory, na inona na inona zavatra inoan’ilay olona na zavatra ataony amiko. Matetika koa ny olona itorianay no tsy mihafahafa, fa mitantara ny olana mahazo azy. Dia lasa nianatra nangoraka aho sady nianatra nandinika hoe inona no mety hilainy, dia mba tsy variana loatra amin’izay mahazo ahy.”—Tara.d

  • “Tsy nanery ahy ho lasa Vavolombelona mihitsy ny ray aman-dreniko, fa niteny tamiko foana hoe manana safidy aho. Isaky ny manontany an’ny mamanay momba ny zavatra inoan’ny Vavolombelona aho, dia izao foana no teniny: ‘Maninona raha karohinao aloha ny valiny e?’ Dia nikaroka aho sady tena nikaroka tsara. Dia resy lahatra aho hoe tena io no fivavahana tokony harahiko, fa tsy hoe manaraka an’ilay izy fotsiny aho satria io no fivavahan’ny dada sy mamako.”—Ellie.

  • “Tsy nahatsiaro ho voa mafy mihitsy aho na tsy nanao fety aza. Misy zavatra atao foana aho tsinona rehefa faran’ny herinandro, satria miaraka amin’ny Vavolombelona hafa. Miara-misakafo izahay, dia miara-mandihindihy, dia miara-milalao. Niteny mihitsy aza ny mpiara-mianatra tamiko hoe ny fiainako no mahafinaritra kokoa noho ny an-dry zareo, satria izaho manao zavatra mahafinaritra miaraka amin’ny namako foana.”—Melissa.

  • “Nahatsiaro ho voa mafy aho indraindray satria tsy nanao Krismasy, na dia azoko aza hoe maninona izahay no tsy nanao an’ilay izy. Soa ihany fa nasain’ny dada sy mamanay foana ny namako sy ny havanay, dia lasa tsy nalahelo intsony aho. Nomen-dry zareo zavatra foana koa aho.”—Miguel.

a Tsy mandeha irery, amin’ny ankapobeny, ny ankizy Vavolombelona rehefa mitory, fa miaraka amin’ny rainy na ny reniny na amin’ny olon-dehibe matotra.

b Tantaraina ao amin’ny Baiboly hoe nisy ankizy maromaro niresaka tamin’ny olona ny zavatra ninoany, dia nahafaly an’Andriamanitra izany.—2 Mpanjaka 5:1-3; Matio 21:15, 16; Lioka 2:42, 46, 47.

c Jereo ilay lahatsoratra hoe “Nahoana no Misy Fety Tsy Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?”

d Novana ny anarana sasany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara