Ny hoavin’ny fivavahana rehefa heverina amin’ny fiainany tamin’ny lasa
Fizarana faha-2: 2369-1943 al. f. ir. — Mpihaza iray sy tilikambo iray ary ianao!
“Tsy misy afa-tsy fivavahana iray ihany, saingy misy endriny an-jatony izany.” — George Bernard Shaw, Irlanday mpanoratra tantara mampihetsi-po (1856-1950)
TAMIN’NY famoronana ny olombelona, ary koa taorian’ny safo-drano nitranga tamin’ny andron’i Noa, dia tena tsy nisy afa-tsy fivavahana iray monja. Tsy isalasalana fa manontany tena ianao hoe nahoana no ‘misy an-jatony na mihoatra aza izany ankehitriny’.
Mba hahalalana izany dia hitodihantsika ny amin’i Nimroda, iray tamin’ireo zafiafin’i Noa. Hoy ny ambaran’ny Baiboly momba azy io: “Izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin’ny tany. Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan’i [nanohitra an’i, MN] Jehovah. (...) Ary ny niandohan’ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin’ny tany Sinara. Ary nivoaka avy tamin’izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an’i Ninive mbamin’i Rehobot-ira sy Kala.” — Genesisy 10:8-11.
Koa satria i Nimroda no “voalohany izay tonga olona mahery tambonin’ny tany”, dia miharihary fa nanombo-javatra vaovao izy. Inona izany? Ny teny hoe “ny niandohan’ny fanjakany” dia manome filazana antsika. Matoa i Nimroda nanana fanjakana, dia mpanjaka izy. Ny fanazavana momba ny Baiboly amin’ny teny alemanina nataon’i August Knobel dia miresaka azy ara-drariny ho toy ny “mpanjaka voalohany talohan’ny safo-drano”, mba hanazavana fa tsy mbola nisy mihitsy olona nitovy taminy. Toy izany koa, ny Baiboly Katolika dia mandika ny Genesisy 10:8 toy izao: “Nemroda, izay voalohan’olona manam-pahefana tamin’ny tany.”
Nimroda dia nanohitra ny Mpamorona, izay tsy nanao mihitsy ny olombelona hitarika ny tenany ihany. Rehefa “nankany Asyria” i Nimroda dia nanao izay hanitarana ny fanapahany ara-politika, angamba tamin-kery. Tamin’izany no nahatongavany ho “mpihaza mahery”, tsy biby ihany fa olombelona koa.
Moa ve tena nisy tokoa i Nimroda sy ny tilikambon’i Babela?
Manazava toy izao ny Encyclopédie Collier (anglisy): “Ireo mpivaofy teny dia nanandrana, tsy nisy fahombiazana firy, nampitovy an’i Nimroda tamin’ny mpanjaka sy lehilahy nalaza na andriamanitra fahiny maro, toa an’i Merodaka (Mardoka), andriamanitra asyriana babyloniana; Gilgamesy, lehilahy babyloniana nalaza tamin’ny fihazana; Orion, mpihaza iray tao amin’ny angano fahiny.” Ny boky iray amin’ny teny alemanina misy fakàn-teny dia miaiky fa raha ny marina dia “tsy mahalala zavatra hafa momba azy ankoatra izay voalazan’ny fitantaran’ny Baiboly isika”.
Na ahoana na ahoana, dia tena nisy tokoa i Nimroda. Miresaka momba azy ny lovantsofina arabo. Ny anarany, izay mbola soratana hoe Nimrud na Nimroud, dia tafiditra ao amin’ny endriky ny anaran-toerana samy hafa any Atsinanana Afovoany. Midera ireo zava-bitany ambony ny tononkalo fampianarana siomeriana akadiana. Ilay jiosy iray mpanoratra tantara atao hoe Flavius Josèphe indray dia manonona ny anarany.
Naka endrika ara-pivavahana ny rafitra ara-politikan’i Nimroda, rehefa nisosoka naka ny andraikitr’Andriamanitra amin’ny maha-Tompom-piandrianana ara-dalàna azy eo amin’ny olombelona izy. Nisy olona nanomboka nanao ‘tilikambo iray izay hahatakatra ny lanitra ny tampony’ mba ‘hahazoany laza’, fa tsy hankalazana an’Andriamanitra. — Genesisy 11:4.
Na dia tsy vitan’ireo arkeology aza ny namantatra marina ny sisan-javatra rava avy tamin’ny tilikambon’i Babela naorin’i Nimroda, dia nahita rafitra toa mitovy amin’izany, fara fahakeliny eo amin’ny roapolo, izy ireo tany Mezopotamia. Raha ny marina, ao amin’io faritra io, izany karazana tilikambo momba ny fivavahana izany dia mampiavaka ny maritranon’ny tempoly. Ny boky Ny lalan’ny finoana (anglisy) dia milaza fa ireo tempoly babyloniana dia “voalahatra nanodidina ny ziggourat iray, izay karazana piramida itaingenan’ny tempoly kely iray”. Manampy izy hoe: “Mitovy amin’ireo trano fivavahana, manomboka amin’ny piramidan’i Egypta ka hatramin’ny “stūpa” karana na amin’ny fiangonan’ny tontolo bodista, ny “ziggourat” (...) dia toa razambe lavitry ny fiangonana manana lakolosy eo an-tampony.”
Nanao fikarohana maro tany Mezopotamia ilay arkeology alemanina atao hoe Walter Andrae, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Hazavainy fa ilay tempoly kely eo an-tampon’ny ziggourat dia noheverina ho toy “ny varavarana (...) izay lalovan’ny Andriamanitry ny lanitra mba hidinana amin’ny tohatry ny ‘ziggourat’ ka hahatongavany ao amin’ny toeram-ponenany eto an-tany”. Tsy dia mahagaga àry raha toa ny mponina tao Babela ka nihambo fa ny anaran’ny tanànany dia voaforon’ny hoe Bab (varavarana) sy ilu (Andriamanitra), ary ny dikany dia hoe “Varavaran’Andriamanitra”.
Aoka hodinihintsika izao ireo foto-javatra hafa izay manaisotra ny antony rehetra mampisalasala ny amin’izay tantarain’ny Baiboly momba an’i Nimroda sy ny tilikambony.
Vokany mahakasika anao
Nimroda, izay voalohany nanakambana ny fivavahana tamin’ny politika, dia nanorina modelin’ny fanekena tatỳ aoriana rehetra mitovy karazana amin’izany. Moa ve hankasitrahan’Andriamanitra ny fikasany? Hihatra izao fotopoto-pitsipika manaraka voambara ao amin’ny Baiboly tatỳ aoriana izao: “Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.” — Matio 7:18.
Tany am-piandohana, dia niteny tamin’ny fiteny iray ihany ny mponina rehetra tamin’ny tanya. Nefa, rehefa nanao ny fanorenana ny tilikambon’i Babela i Nimroda sy ny mpomba azy, dia nahariharin’Andriamanitra ny tsy fankasitrahany. Izao no vakintsika: “Dia tao no nampielezan’i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy. Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela [avy amin’ny hoe balal, izay midika hoe “mampifangaro”]; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin’ny tany rehetra.” (Genesisy 11:1, 5, 7-9). Tsy maintsy nahatsapa ho nangaihay ireo mpanorina rehefa tsy afaka nanazava ny fisehoan-javatra tampoka teo, sy tsy nifankahazo resaka intsony. Tsy isalasalana ny nanomezan’izy ireo vinavinan-kevitra maro be, izay nampitomboin’ny tsy fahafahan’ny antokom-pitenenana nifandray ny fahasamihafany.
Rehefa niely tetỳ ambonin’ny tany ireo antoko ireo dia tsy maintsy ho samy nitondra ny fiheverany ara-pivavahana. Rehefa nandeha ny fotoana, ireny fiheverana ireny, izay misy itoviana amin’ny fotony, dia nahitana taratry ny lovantsofina sy ny fisehoan-javatra teo amin’ilay tany. Avy amin’ny “fivavahana iray ihany” avy eo no nahaterahan’ny “endriny an-jatony”. Miharihary fa izany fikasana voalohany momba ny politika miharo fivavahana izany dia nanjary ratsy.
Ireo vokany, izay tsapa nandritra ireo taonjato ka hatramin’izao, dia mahakasika anao manokana. Mety ho tsapanao izany raha toa ianao ka efa nanandrana nifanakalo hevitra momba ny fivavahana tamin’olona hafa finoana. Na dia ireo teny mahazatra amin’ny voambolana ara-pivavahana, toy ny hoe “Andriamanitra”, “fahotana”, “fanahy (âmes)” sy “fahafatesana” aza dia tsy mitovy ny heviny ho an’ny rehetra. 300 taona lasa izay no nanaovan’i John Selden, Anglisy iray mpivaofy teny, izao fanamarihana mety izao: “Rehefa heverina tsara ny zavatra rehetra, dia sarotra ny mahita any ho any, [olona] telo hoe tena manana fivavahana iray ihany.” Izany rehetra izany no nolovan’ny olombelona, noho ny amin’ny mpihaza mahery iray izay tsy nahavita ny tilikambony fahiny, satria tsy nahazo ny fankasitrahan’ny Mpamorona.
Finoana nivoaka avy tao Babela
“Tsy misy fivavahana amin’ny andro ankehitriny na dia iray aza manana fitambaran’andriamanitra maro be tahaka ny fivavahana siomeriana asyriana babyloniana”, hoy ny ambaran’i Petra Eisele, mpanoratra. Nanome tarehimariky ny andriamanitra 500 izy, ka namaritra fa ny sasany amin’ireo lisitra lava indrindra dia misy hatramin’ny 2 500. Farany, araka ny voalazan’ny Mythologie générale, avoakan’ny Larousse, “ireo teolojiana ofisialin’i Babylona dia nametra somary amin’ny fomba raikitra ny ambaratongam-pahefan’ireo andriamanitra, amin’ny fitsinjarana azy ho tsitelotelo (triades)”. Ny fitambaran-telon’andriamanitra iray niavaka dia voaforon’i Anou sy Enlil ary Ea. Ny iray hafa, izay andriamanitra zavatra eny amin’ny lanitra, dia Sin, Shamas, ary Ishtar, ka ilay andriamani-bavy farany dia fantatra koa amin’ny anarana hoe Astarté, ilay Andriamani-bavy Lehibe.
Mardoka, ilay andriamanitra lehibe indrindran’i Babylona, izay nantsoina tatỳ aoriana hoe Enlil na Bel, dia andriamanitry ny ady. Ao amin’ny Ny lalan’ny finoana (anglisy) dia vakina fa izany dia “nahaforona fiaikena momba ny fivavahana, ny amin’ny zava-nisy teo amin’ny tantara: nanjary zavatra nimasoana nihanazava tsikelikely teo amin’ny mpivavaka babyloniana ny ady”. Araka ny fandrindran-kevitra raha toa ny mpihaza mahery iray toa an’i Nimroda, izay namely olona sy biby ka manompo ny andriamanitry ny ady fa tsy ilay “Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana” resahin’ny Baiboly. — 2 Korintiana 13:11.
Tena “toy ny olombelona” mihitsy ireo andriamanitra babyloniana sy asyriana; nanana filana sy fahamaimaizana toy ny olombelona izy. Izany no antony nielezan’ny fombam-pivavahana toy ny fijangajangana masina, izay sarotra ny hihevitra azy ho avy amin’Andriamanitra.
Ny famosaviana sy ny famoahana demonia ary ny fanandroana dia anisan’ny fivavahana babyloniana koa. Milaza toy izao i Petra Eisele: “Tena azo antoka fa ny fanao raiki-tapisaka amin’ny mpanao majika any Andrefana (...) dia niandoha tany Kaldea.” Nanao fandrosoana lehibe teo amin’ny fandinihana ny zavatra eny amin’ny lanitra koa ny Babyloniana tamin’ny fanandramana namantatra ny hoavy ao amin’ny kintana.
Fantatra fa ny Mezopotamiana dia nino koa ny tsy fahafatesan’ny fanahy, satria napetrany tany anaty fasana ireo zavatra natao hampiasain’ireo maty any ankoatra.
Aoka isika izao hanao fampitahana izany amin’ny sasantsasany amin’ireo fivavahana lehibe ankehitriny. Moa ve ianao mahafantatra eo amin’izy ireo, izay mampianatra fa tsy mety maty ny fanahin’ny olombelona ary Andriamanitra dia trinite iray voaforon’ny andriamanitra telo izay iray? Moa ve nodiany tsy hita ny fitondrantena maloton’ireo mpanaraka azy sady mitsabaka amin’ny politika izy? Moa ve ireo mpanaraka azy manana fironana bebe kokoa hanokana ny fiainany ho an’ny andriamanitry ny ady fa tsy ho an’ilay Andriamanitry ny fiadanana? Raha eny, dia fantatrao ireo fandaminana amin’ny andro ankehitriny avy ao Babela, izay mampaharitra ireo fanao sy ireo fampianarana ara-pivavahana nisy tamin’ny fotoan’ny tilikambon’i Nimroda. Mety ny anondroan’ny Baiboly ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso amin’ny anarana hoe “Babylona”. — Jereo Apokalypsy, toko faha-17 sy faha-18.
Azo antoka fa ireo olombelona niaina taorian’ny safodrano dia tsy tafalentika tao anatin’ny fampifangaroam-pivavahana babyloniana daholo akory. Abrahama, taranak’i Sema anankiray teraka tao amin’ny taranaka fahafolo taorian’i Noa, ohatra, dia nanohana ny fanompoam-pivavahana marina. Nanao fanekena taminy Andriamanitra tamin’ny fampanantenana azy, araka ny Genesisy 22:15-18, fa hotahina amin’ny alalan’ny fivavahana marina iray ihany ny fianakaviana rehetra amin’ny tany. Araka ny fahitana azy, dia nisy vokany io fanekena io tamin’ny 1943 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Nihanazava tamin’izay ny fifanoherana nisy teo amin’ny “fivavahana [marina] iray ihany” sy ny “endriny an-jatony” amin’ny fivavahan-diso. Ambonin’izany, dia hitranga tsy ho ela ny disadisa lehibe iray. Izany no horesahin’ny fizarana fahatelo mitondra ny lohateny hoe “Egypta — Sahan’adin’ireo andriamanitra”, izay hiseho ao amin’ny nomerao manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Manambara toy izao ny Nouvelle Encyclopédie britannique: “Ireo porofo vita an-tsoratra tranainy indrindra, hany sisa tavela tamin’ny fiteny, izay azon’ny olona antenaina ho hita dia tany amin’ny 4 000 na 5 000 taona fara fahabetsany.” Mifanaraka tanteraka amin’ny fandaharan-taonan’ny Baiboly ireo tarehimarika ireo.
[Efajoro, pejy 18]
Angano ahitana soritry ny fitantarana ao amin’ny Baiboly
Misy mponina any amin’ny faritra avaratr’i Birmania mino fa tany am-piandohana ny olombelona dia “nipetraka tao amin’ny tanàna lehibe iray ary niteny tamin’ny fiteny iray ihany”; tamin’izay izy ireo dia nikasa hanorina tilikambo iray izay hahatratra ny volana ny tampony. Noho izy ireo voatery niasa tamin’ny fari-pahaizana tsy nitovy, dia samy nitoka-monina izy. “Nanaraka tsikelikely, fitondrantena sy fomba amam-panao ary fomba fiteny samy hafa” izy ireo. Teo anilan’izy ireo, ny Ostyaks, mponina any Sibérie avaratra, dia nilaza fa afa-nandositra ny safodrano iray ny olona tamin’ny fifikirana tamina vatan-kazo. Naparitaky ny rivotra nahery avy any avaratra anefa izy ireo, hany ka “niteny tamin’ny fiteny samy hafa sy nahaforona vahoaka samy hafa izy ireo taorian’ny safodrano”. — “Anganon’ny firazanana rehetra” (anglisy).
Nampianarin’ny Aztèques fahiny fa “nanao havoana iray tsy vita nanahary nahatakatra ny rahona ny goavana iray taorian’ny safodrano. Tezitra noho izany ireo andriamanitra ka nandefa afo na vato avy any an-danitra izy ho etỳ an-tany”. Mino ny Mayas fa i Votan, olombelona voalohany, dia nanorina trano lehibe iray avo hatrany an-danitra, izay nanjary “ny toerana nanomezan’Andriamanitra fiteny manokana ho an’ny foko tsirairay.” Ny Maidus, Indiana any Californie dia nilaza fa “nandritra ny fombam-pandevenana iray no niteny tampoka tamin’ny fiteny samy hafa [ny rehetra]”. — “Der Turmbau von Babel” (Ny fanorenana ny tilikambon’i Babela).
Ny angano toy izany dia mahatonga hino izao tenin’i Ernst Böklen izao: “Toa manana ho fanorenana, fahatsiarovana ara-tantara tena nisy tokoa, ny Genesisy 11 sy ireo fitantarana avy any amin’ny mponina hafa.”
[Efajoro, pejy 19]
Avy any Babylona ve ny lakroa?
Ny hoe “Babylona” sy “Kaldea” ary “Mezopotamia” dia manondro izay antsoina ankehitriny hoe Irak. Izao no nosoratan’i Julien Ries, avy ao amin’ny oniversite katolikan’i Louvain-la-Neuve (Belzika): ‘Ny lakroa dia hita ao amin’ny kolontsaina fahinin’i Azia, Eoropa, Afrika Avaratra, Amerika [sy] Mezopotamia; [ao amin’io faritra farany io,] ny lakroa manana rantsana efatra mitovy dia famantarana ny lanitra sy Anou andriamanitra.’ Ny “Dictionnaire interprétatif des mots du Nouveau Testament” (anglisy) dia mamaritra fa ny lakroa dia “manana fiandohana avy any Kaldea fahiny; nampiasaina izy io ho toy ny famantarana an’i Tamoza andriamanitra (amin’ny endriky ny Tao mifono zava-miafina, fiandohan’ny anarany)”. Noho izany dia miharihary fa ny lakroa dia manana fiandohana talohan’ny vanim-potoana kristiana. Heverin’ny sasany fa i Tamoza, izay antsoina koa hoe Dumuzi, dia mpanjaka izay nasandratra ho andriamanitra taorian’ny nahafatesany. O. Gurney, ohatra, dia nanoratra toy izao ao amin’ny “Journal d’études sémitiques” (anglisy): “Tany am-piandohana i Dumuzi dia olombelona, mpanjakan’i Ereka.” Moa ve izy io mety ho Nimroda, izay lazain’ny Baiboly hoe: “Ny niandohan’ny fanjakany dia Babela sy Ereka”? (Genesisy 10:10.) Mbola tsy misy na inona na inona manome antoka ny amin’izany.
[Sary, pejy 20]
Sisan-javatra rava avy amin’ny “ziggourat” any Mezopotamia, izay mahatonga hino ny fitantarana ao amin’ny Baiboly momba ny tilikambon’i Babela.